Jôhany
Toko faha-10
29 Ny Raiko Izay nanolotra azy tamiko dia lehibe noho ny rehetra, ka tsy misy olona maharombaka azy eo an-tanan'ny Ray.30 Izaho sy ny Ray dia iray ihany.
31 Dia naka vato indray ny Jiosy hitorahana Azy,
32 fa hoy i Jesoa taminy: Maro ny asa tsara nasehoko teo aminareo noho ny fahefana azoko tamin'ny Ray; ka inona amin'ireny asa ireny no itorahanareo vato Ahy?
33 Ka novalian'ny Jiosy hoe: Tsy ny asa tsara no itorahanay vato Anao, fa ny fanevatevanao an'Andriamanitra; olombelona ihany manko Ianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra.
34 I Jesoa kosa niteny taminy hoe: Tsy voalaza ao amin'ny Soratra Masina ve izao: Hoy Aho: Andriamanitra ianareo?
35 Ary tsy azo foanana ny Soratra Masina; fa ireo olona nanambarana ny tenin'Andriamanitra dia natao hoe Andriamanitra.
36 Izaho kosa natokan'ny Ray sy nirahiny ho eo amin'izao tontolo izao; kanefa dia ataonareo hoe manevateva an'Andriamanitra Aho satria nilaza hoe: Zanak'Andriamanitra Aho!
37 Raha tsy manao ny asan'ny Raiko Aho, dia aza mino ahy;
38 fa raha manao ihany kosa Aho, na dia tsy mino ahy aza ianareo, dia minoa ny asako mba hahafantaranareo sy hanekenareo fa ny Ray ato anatiko, ary Izaho ao anatin'ny Ray!
39 Tamin'izay dia nitady hisambotra an'i Jesoa indray ry zareo fa niala teo Izy ka tsy voatanany.
40 Dia lasa i Jesoa nankany andafin'ny ony Jordana, any amin'ilay toerana nanombohan'i Johany nanao batisa, ka nijanona tany.
41 Maro no nankeo aminy ka nanao hoe: I Johany tsy nanao famantarana na dia iray aza; nefa izay rehetra voalazan'i Johany ny amin'ity Lehilahy ity, dia marina avokoa.
42 Ary maro no nino an'i Jesoa teo.
Toko faha-11
1 Nisy lehilahy anankiray narary, dia i Lazara izay nonina tao Betania, tanana nisy an'i Maria sy i Marta rahavaviny.2 I Maria dia ilay vehivavy nanosotra ilomanitra ny tongotry ny Tompo sy namaoka ny tongony tamin'ny volon-dohany; ary i Lazara anadahiny no narary.
3 Dia naniraka olona tany amin'i Jesoa izy mirahavavy hilaza hoe: Tompo o, marary ilay sakaizanao!
4 Rehefa nandre izany i Jesoa, dia nanao hoe: Aretina tsy miafara amin'ny fahafatesana izay fa aretina tonga mba hisehoan'ny voninahitr'Andriamanitra ka hahazoan'ny Zanak'Andriamanitra voninahitra!
5 I Jesoa dia fatra-pitia an'i Marta sy ny rahavaviny ary i Lazara.
6 Kanefa mbola nijanona indroa andro teo amin'izany toerana izany ihany Izy, na dia nandre aza fa narary i Lazara.
7 Taorian'izany i Jesoa vao niteny tamin'ny mpianany hoe: Ndeha isika ho any Jodea indray!
8 Fa izao no navalin'ny mpianany Azy: Mpampianatra o, vao haingana teo ny Jiosy no nitady hitora-bato Anao, ka hankany indray ve Ianao?
9 Dia hoy i Jesoa: Tsy adiny 12 ve ny indray andro? Koa raha misy olona mandeha amin'ny antoandro, dia tsy mba tafintohina izy satria mahita ny fahazavana manilo an'izao tontolo izao;
10 fa raha misy mandeha amin'ny alina, dia ho tafintohina izy satria tsy misy fahazavana ao aminy.
11 Avy nilaza izany i Jesoa, dia nanao tamin'ny mpianany hoe: Matory i Lazara sakaizantsika, fa handeha hamoha azy aho.
12 Ka hoy ny mpianany taminy: Raha matory izy, ry Tompo, dia ho sitrana ihany!
13 Ny fahafatesan'i Lazara no voalazan'i Jesoa, kanefa nihevitra izy ireo fa torimaso no teneniny.
14 Izay i Jesoa vao nilaza mazava taminy hoe: Maty i Lazara!
15 Ary noho ianareo, dia faly Aho tsy teo aminy, mba hinoanareo. Koa ndeha isika hankany amin'i Lazara!
16 Ary i Toma (ilay atao hoe Ikambana) dia niteny tamin'ny mpianatra namany hoe: Ndeha koa isika hiara-maty amin'ny Mpampianatra antsika!
17 Nony tonga tany Betania i Jesoa, dia nahita fa efa nalevina efatra andro i Lazara.
18 Ity Betania ity dia akaikin'i Jerosalema tokony ho telo kilaometatra,
19 ka maro tamin'ny Jiosy no tonga tao amin-dry i Marta sy i Maria hitsapa alahelo azy mirahavavy noho ny nahafatesan'ny anadahiny.
20 Vao ren'i Marta fa tamy i Jesoa, dia lasa izy nitsena Azy; fa i Maria no nipetraka tao an-trano.
21 Ary hoy i Marta tamin'i Jesoa: Raha teto Ianao, ry Tompo, dia tsy maty ny anadahiko.
22 Ary na dia izao ankehitriny izao aza, dia fantatro fa na inona na inona hangatahinao amin'Andriamanitra, dia homen'Andriamanitra Anao.
23 I Jesoa kosa niteny taminy hoe: Hitsangana velona ny anadahinao!
24 Fa hoy i Marta taminy: Fantatro fa hitsangana velona izy amin'ilay fitsanganan'ny maty amin'ny andro farany!
25 Dia hoy i Jesoa taminy: Izaho no manangana ho velona sy manome aina. Izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona;
26 ary izay rehetra mivelona amiko ka mino Ahy, dia tsy ho faty na oviana na oviana. Mino izany ve ianao?
27 Ka novalian'i Marta hoe: Eny, ry Tompo, mino aho fa Ianao no ilay Mesia, ilay Zanak'Andriamanitra, Ilay tonga eo amin'izao tontolo izao!
28 Rehefa nilaza izany i Marta, dia lasa niantso mangingina an'i Maria rahavaviny nanao hoe: Ao ny Mpampianatra, miantso anao!
29 Vao nandre izany kosa i Maria, dia nitsangana faingana nankany amin'i Jesoa.
30 Mbola tsy tonga tao an-tanana Izy fa mbola teo amin'ny toerana nitsenan'i Marta Azy ihany.
31 Ary ny Jiosy izay teo amin'i Maria tao an-trano sy nitsapa alahelo azy, raha nahita azy nitsangana faingana ka lasa any ivelany, dia nanaraka azy, satria nataony fa nankany amin'ny fasana hitomany any izy.
32 I Maria kosa, nony tonga teo amin'izay nitoeran'i Jesoa, ka nahita Azy, dia niankohoka teo an-tongony sady niteny taminy hoe: Raha teto Ianao, ry Tompo, dia tsy maty ny anadahiko!
33 Nony hitan'i Jesoa fa nitomany i Maria ary nitomany koa ireo Jiosy niaraka taminy, dia niontana ny fony ka tora-kovitra Izy
34 sady nanao hoe: Aiza no nandevenanareo azy? Dia hoy ireo taminy: Avia Ianao hizaha, ry Tompo!
35 Nitomany i Jesoa,
36 ka hoy ny Jiosy: Akory ity haben'ny fitiavany an'i Lazara!