Jôhany

Toko faha-12

30 I Jesoa kosa nilaza hoe: Tsy ho Ahy no nahatongavan'izany feo izany fa ho anareo.

31 Ankehitriny no hanamelohana an'izao tontolo izao; ankehitriny no handroahana ny filohan'izao tontolo izao.

32 Ary Izaho, rehefa voasandratra avy eo amin'ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy.

33 Ny nolazain'i Jesoa tamin'izany dia ny karazam-pahafatesana efa hihatra aminy.

34 Ka hoy ny vahoaka namaly Azy: Efa renay tamin'ny bokin'ny lalana fa maharitra mandrakizay ny Mesia; ka ahoana no ilazanao hoe: tsy maintsy hasandratra ny Zanak'olona? Iza moa izany Zanak'olona izany?

35 Dia hoy i Jesoa taminy: Kely foana sisa hitoeran'ny fahazavana eo aminareo. Mandehana dieny mbola anananareo ny fahazavana, mba tsy ho tratry ny haizina ianareo; fa izay mandeha amin'ny haizina dia tsy mahalala izay alehany.

36 Minoa ny fahazavana dieny mbola anananareo ny fahazavana, mba ho tonga olona miaina araka ny fahazavana ianareo. Nony voalazan'i Jesoa izany, dia lasa Izy niery ny vahoaka jiosy.

37 Na dia betsaka aza ny famantarana nataony teo anatrehan-dry zareo, dia tsy ninoan'ireo Izy;

38 hany ka tanteraka ny tenin'i Isaia mpaminany hoe: Tompo o, iza no nino ny hafatra nambaranay? Ary iza no nampisehoana ny herin'ny Tompo?

39 Ny tsy nahazoan'izy ireo nino, dia satria hoy indray i Isaia:

40 Andriamanitra efa nanajamba ny mason'ireo sy nanamafy ny fony; hany ka ny masony tsy hahita, ny fony tsy hahafantatra, ary tsy hiverina amiko ireo mba hositraniko, hoy Andriamanitra.

41 I Isaia no nilaza izany, dia satria nahita mialoha ny voninahitra hananan'i Jesoa izy sy niteny momba Azy.

42 Kanefa i Jesoa dia ninoan'olona maro ihany na tamin'ireo manampahefana jiosy aza; saingy noho ny Farisianina dia tsy nanaiky ho mpiandany amin'i Jesoa izy ireo, fandrao voaroaka hiala amin'ny sinagoga:

43 satria tiany kokoa ny voninahitra avy amin'ny olombelona noho ny voninahitra avy amin'Andriamanitra.

44 I Jesoa kosa niantso mafy hoe: Izay mino Ahy, dia tsy Izaho ihany no inoany fa Ilay naniraka Ahy;

45 ary izay mahita Ahy, dia mahita Ilay naniraka Ahy.

46 Izaho, ilay fahazavana, dia tonga amin'izao tontolo izao, mba tsy hitoetra ao anatin'ny haizina izay rehetra mino Ahy.

47 Raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina ireny, dia tsy manameloka azy Aho; satria tsy hanameloka an'izao tontolo izao no nahatongavako, fa hamonjy an'izao tontolo izao.

48 Izay manamavo Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay manameloka azy: ny teny izay nambarako ihany no hanameloka azy amin'ny andro farany;

49 satria tsy avy amin'ny tenako no nanaovako fanambarana, fa ny Ray Izay naniraka Ahy no nandidy izay holazaiko sy hambarako.

50 Fantatro fa ny didin'ny Ray no mitondra fiaina-maharitra mandrakizay. Koa ireo zavatra nambarako dia nambarako araka ny voalazan'ny Ray tamiko.

Toko faha-13

1 Andro mialoha ny fankalazana ny Paska tamin'izay. Fantatr'i Jesoa fa tonga ny fotoanandro hialany amin'izao tontolo izao ho any amin'ny Ray. Efa notiavin'i Jesoa ireo Azy teo amin'izao tontolo izao ary dia notiaviny hatramin'ny farany.

2 Teo am-pisakafoana hariva tamin'izay i Jesoa mbamin'ny mpianany; ary efa nomen'ny devoly hevitra i Jodasy, zanakalahin'i Simona Iskariota, mba hanolotra an'i Jesoa.

3 Fantatr'i Jesoa rahateo fa efa napetraky ny Ray eo an-tanany avokoa ny zavatra rehetra, sady fantany fa Andriamanitra no niaviany ary Andriamanitra no hiverenany.

4 Koa nitsangana niala teo am-pihinanana Izy, dia nametraka ny lambany, ary naka lamba famaohana ka nisikinany.

5 Avy eo Izy dia nampidina rano tamina koveta, ary nanomboka nanasa ny tongotr'ireo mpianany sy namaoka izany tamin'ny lamba nisikinany.

6 Dia tonga teo amin'i Simona Petera Izy; fa hoy i Petera taminy: Ianao ve, ry Tompo, hanasa ny tongotro?

7 Dia novalian'i Jesoa hoe: Izay ataoko dia tsy azonao ankehitriny, fa ho azonao any aoriana.

8 Fa hoy i Petera taminy: Sanatria, tsy hanasa ny tongotro na oviana na oviana Ianao! I Jesoa kosa namaly azy hoe: Raha tsy hosasako ianao, dia tsy hanana anjara amiko.

9 Dia hoy i Simona Petera taminy: Raha izany, ry Tompo, dia tsy ny tongotro fotsiny fa ny tanako sy ny lohako ihany koa.

10 Fa novalian'i Jesoa hoe: Izay efa nandro tsy mila hosasana afa-tsy ny tongony ihany, fa efa madio ny tenany manontolo. Ianareo koa dia madio, nefa tsy ianareo rehetra.

11 (Fantatr'i Jesoa manko ilay efa hanolotra Azy; ka izany no nilazany hoe: Tsy ianareo rehetra no madio. )

12 Rehefa voasasan'i Jesoa ny tongotr'ireo mpianany, dia nandray ny lambany Izy ary nipetraka indray; ka hoy Izy tamin'ny mpianany: Azonareo ve izay nataoko taminareo?

13 Ianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo, ary marina ny filazanareo fa izany tokoa Aho.

14 Koa raha Izaho Tompo sy Mpampianatra aza no manasa ny tongotrareo, ianareo samy ianareo koa dia mba tokony hifanasa tongotra.

15 Eny, nomeko fianarana ianareo mba hanaovanareo toy ny nataoko taminareo.

16 Lazaiko marina dia marina aminareo fa ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony ary ny iraka tsy lehibe noho ilay naniraka azy.

17 Raha azonareo izany, dia sambatra ianareo raha manao izany.

18 Tsy ho anareo rehetra no itenenako, satria fantatro izay nofidiko; kanefa aoka ho tanteraka ny tenin'ny Soratra Masina hoe: Ilay miara-mihina-mofo amiko no nanainga ny ombalahin-tongony hamely Ahy.

19 Dieny izao Aho no milaza aminareo alohan'ny hahatongavan'izany, mba hinoanareo rehefa tonga izany fa Izaho no Ilay hatrizay ka ho mandrakizay.

20 Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mandray ny hirahiko dia mandray Ahy, ary izay mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy.

21 Avy nilaza izany i Jesoa, dia nitebiteby ny fanahiny; ary nanambara Izy nanao hoe: Lazaiko marina dia marina aminareo fa ny anankiray aminareo no hanolotra Ahy!

22 Dia nifampijerijery ny mpianatra fa very hevitra ny amin'izay iray nolazainy.

23 Ary nipetraka nihinana teo anilan'i Jesoa ny anankiray tamin'ireo mpianatra, dia ilay tian'i Jesoa;

24 ka nohatsihin'i Petera io mpianatra io mba hamototra amin'i Jesoa hoe: Iza izay lazainao izay?

25 Dia nirona teo amin'ny tratran'i Jesoa ilay mpianatra ka nanontany Azy hoe: Iza moa izany, ry Tompo?

26 Dia novalian'i Jesoa hoe: Ilay homeko ny sombi-mofo izay hatsoboko anaty ro! Tamin'izay dia noraisin'i Jesoa ilay sombi-mofo natsobony tanaty ro, ka nomeny an'i Jodasy.

27 Vao nomena ilay sombi-mofo i Jodasy, dia nidiran'i Satana; ka hoy i Jesoa taminy: Ataovy faingana izay tianao hatao!

28 Tamin'ireo nipetraka nihinana dia tsy nisy nahalala izay anton'ny nilazan'i Jesoa izany tamin'i Jodasy.

29 Fa noho i Jodasy nitana ny kitapom-bola, dia nataon'ny sasany fa izao no voalazan'i Jesoa taminy: vidio ny zavatra ilaintsika amin'ny fankalazana ny Paska, na mba omeo zavatra ny mahantra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.1885