Jôhany

Toko faha-11

37 Fa hoy kosa ny sasany tamin'izy ireo: Efa nampahiratra ny mason'ilay jamba Izy, ka tsy hainy natao ve ny tsy hahafaty an-dralehilahy ity?

38 Dia niontana indray ny fon'i Jesoa ka nankeo amin'ny fasana Izy. Zohy notampenana vato izany fasana izany.

39 Dia hoy i Jesoa: Esory ny vato! Fa i Marta, ilay anabavin'ny maty, no namaly Azy hoe: Efa maimbo ny faty, ry Tompo, satria efatra andro izay no nandevenana azy.

40 Ary hoy i Jesoa taminy: Tsy efa voalazako taminao ve fa raha mino ianao, dia hahita ny voninahitr'Andriamanitra?

41 Dia nesorin'ny olona ny vato. I Jesoa kosa nanandratra ny masony any ambony sady nanao hoe: Ray o, misaotra Anao Aho, satria efa nihaino Ahy Ianao.

42 Raha Izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Ianao; fa noho ny vahoaka manodidina Ahy kosa no nilazako izany, mba hinoany fa Ianao no naniraka Ahy.

43 Avy nilaza izany i Jesoa, dia niantso tamin'ny feo mahery hoe: Mivoaha tao, ry Lazara!

44 Dia niala tao ny maty, ny tongotra aman-tanana nisy fehim-paty, ary ny tava voasarona lamba. Fa hoy i Jesoa tamin'ny olona: Vahao izy, dia avelao handeha!

45 Maro tamin'ny Jiosy izay tonga tao amin-dry i Maria ka nahita ny zavatra nataon'i Jesoa no nino Azy.

46 Ny sasany tamin'ireo kosa dia lasa nankany amin'ny Farisianina ka nilaza taminy ny zavatra nataon'i Jesoa.

47 Dia namory ny Fitsarana ambony ireo lohandoha-mpisorona sy ireo Farisianina ka nanao hoe: Inona ity ataontsika, fa manao famantarana maro iny Lehilahy iny?

48 Raha avelantsika hanao toy izany ihany Izy, dia ho avy ny Romanina handrava ny tempolintsika sy ny firenentsika.

49 Ary ny anankiray tamin'izy ireo, dia i Kaiafa izay mpisorombe tamin'io taona io, no niteny taminy hoe: Tsy mahalala na inona na inona ianareo!

50 Tsy heverinareo akory fa tsara ho anareo raha maty ho an'ny vahoaka ny lehilahy anankiray, mba tsy haharava ny firenena manontolo!

51 Tsy avy aminy anefa no nitenenany an'izany, fa noho izy mpisorombe tamin'io taona io no naminaniany fa i Jesoa dia ho faty ho an'ny firenena jiosy;

52 ary tsy ho an'ny firenena jiosy ihany fa mba hanangona ho iray ny zanak'Andriamanitra efa niely.

53 Hatramin'io andro io dia tapa-kevitra ny hamono an'i Jesoa ry zareo.

54 Koa tsy nandehandeha an-karihary teo amin'ny Jiosy intsony i Jesoa, fa niala teo nankany amin'ny faritany akaikin'ny taniefitra, tany amin'ny tanana atao hoe Efraima, ary nitoetra tany niaraka tamin'ny mpianany.

55 Efa akaiky tamin'izay ny Paska fankalazan'ny Jiosy, ka maro ny olona avy any ambanivohitra no niakatra tany Jerosalema alohan'ny Paska mba handio tena.

56 Dia nitady an'i Jesoa ny olona, ka raha nijanona teo an-kianjan'ny tempoly dia nifampiresaka hoe: Ahoana no hevitrareo? Ho tonga ve Izy sa tsy ho tonga amin'ny fankalazana ny Paska?

57 Ny lohandoha-mpisorona sy ny Farisianina kosa efa nandidy fa raha misy olona nahalala izay itoeran'i Jesoa, dia tsy maintsy mampandre mba hisamborana Azy.

Toko faha-12

1 Enina andro talohan'ny Paska, dia tonga tao Betania ry i Jesoa, tao amin'izay nitoeran'i Lazara, ilay natsangany ho velona avy any amin'ny maty.

2 Nanaovan'ny tao fanasana Izy; ary i Marta no nandroso sakafo, fa i Lazara kosa isan'izay niara-nihinana tamin'i Jesoa.

3 Tamin'izay i Maria dia naka ilomanitra sarobidy, natao tamin'ny narda, lanjana ampahatelon-kilao. Nanosotra ny tongotr'i Jesoa izy, dia namaoka ny tongony tamin'ny volon-dohany ka heraka ny fofona mamerovero avy amin'ilay ilomanitra ny trano.

4 Fa hoy i Jodasy Iskariota, anankiray tamin'ny mpianatr'i Jesoa, ilay efa hanolotra Azy:

5 Nahoana iny ilomanitra iny no tsy namidy denary telonjato homena ny mahantra?

6 Tsy ny fiahiany ny mahantra anefa no nitenenany an'izany fa noho izy mpangalatra: mpitana ny kitapom-bola izy ary naka izay nalatsaka tao anatiny.

7 Fa hoy i Jesoa: Aoka re izy, ry Jodasy, fa ho fitsinjovana ny andro hamboarana Ahy halevina no anatontosany izany!

8 Ny mahantra moa eto aminareo mandrakariva, fa Izaho tsy mba eto aminareo mandrakariva.

9 Vahoaka maro tamin'ny Jiosy no nahalala fa tao Betania i Jesoa. Dia tonga tao ireo, tsy noho i Jesoa ihany fa mba hahita koa an'i Lazara, ilay natsangany ho velona avy any amin'ny maty.

10 Ny lohandoha-mpisorona kosa dia tapa-kevitra hamono an'i Lazara koa,

11 satria noho izy dia maro ny Jiosy niala tamin-dry zareo ka nino an'i Jesoa.

12 Ny ampitson'iny, dia ren'ny vahoaka maro izay tonga hankalaza ny Paska fa ho avy ao Jerosalema i Jesoa.

13 Dia naka sampan-drofia izy ireo, ka niainga hitsena Azy sady niantsoantso hoe: Dera anie ho an'Andriamanitra! Hombam-pitahiana amin'ny anaran'ny Tompo anie Ilay avy, ilay Mpanjakan'i Israely!

14 I Jesoa kosa nahita zana-boriky anankiray, ka nitaingina azy, araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe:

15 Aza matahotra, ry mponina ao Tsiona! Indro fa tonga ny Mpanjakanareo mitaingina zana-boriky!

16 Izany zavatra izany dia tsy azon'ny mpianany tamin'ny voalohany; fa rehefa nomen'Andriamanitra voninahitra i Jesoa, vao tsaroan'ny mpianany fa voalazan'ny Soratra Masina ny amin'i Jesoa izany sady nataon'ny olona taminy.

17 Vavolombelona manambara an'i Jesoa ny vahoaka izay niaraka taminy fony Izy niantso an'i Lazara hiala tao am-pasana sy nanangana azy ho velona avy any amin'ny maty.

18 Izany koa no nitsenan'ny vahoaka azy: efa ren'izy ireo manko ny nanaovan'i Jesoa izany famantarana izany.

19 Tamin'izay ny Farisianina dia nifampilaza hoe: Hitanareo fa tsy mahefa na inona na inona ianareo! Jereo fa lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao.

20 Nisy Grika vitsivitsy anisan'izay niakatra tao Jerosalema hivavaka mandritra ny fankalazana.

21 Nohatonin'ireo i Filipo, izay avy any Betsaida tananan'i Galilea, ka nanaovany fangatahana hoe: Mba te hahita an'i Jesoa izahay, tompoko!

22 Dia lasa i Filipo nilaza tamin'i Andrea; ary i Andrea sy i Filipo no lasa nilaza tamin'i Jesoa.

23 Dia hoy i Jesoa tamin'izy roa lahy: Tonga ny fotoanandro hanomezam-boninahitra ny Zanak'olona.

24 Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy maty ny voam-bary latsaka ao amin'ny tany, dia mitoetra irery; raha maty kosa izy, dia mahavokatra be.

25 Izay mandala ny ainy no hahavery azy; fa izay tsy mandala ny ainy eto amin'izao tontolo izao no hitahiry azy ho aina maharitra mandrakizay.

26 Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy; ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran'ny mpanompoko. Raha misy olona manompo Ahy, dia homen'ny Raiko voninahitra izy.

27 Ankehitriny, mangorohoro ny fanahiko, ka inona re no holazaiko? Hoe: Ray o, vonjeo Aho ho afaka amin'izao ora fijaliana izao? Kanefa ny handalo amin'izao ora fijaliana izao indrindra no nahatongavako.

28 Ray o, omeo voninahitra ny anaranao! Tamin'izay dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Efa nomeko voninahitra ny anarako ary mbola homeko voninahitra indray.

29 Ny vahoaka izay teo ka nahare, dia nanao hoe: Kotro-baratra izany! Fa hoy ny sasany: Anjely no niteny taminy!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.948