Jôhany

Toko faha-8

29 Ary Ilay naniraka Ahy dia miaraka amiko; fa tsy avelany ho irery Aho, satria manao izay mahafaly Azy lalandava!

30 Tamin'i Jesoa niteny izany, dia maro no nino Azy.

31 Dia hoy i Jesoa tamin'ireo Jiosy nino Azy: Raha maharitra mitana ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa;

32 sady ho fantatrareo ny marina, ary ny marina no hanafaka anareo!

33 Fa novalian'ireo hoe: Taranak'i Abrahama izahay ary tsy mba nandevozin'olona na oviana na oviana; ka ahoana no ataonao hoe: Ho afaka ianareo?

34 Dia hoy i Jesoa taminy: Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay rehetra manao fahotana dia andevozin'ny fahotana.

35 Tsy hijanona ao an-trano lalandava ny mpanompo, fa ny zanaka no mijanona ao lalandava.

36 Koa raha ny Zanaka no manafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo.

37 Fantatro fa taranak'i Abrahama ianareo, kanefa mitady hamono Ahy satria tsy tafalatsaka ao anatinareo ny teniko.

38 Izaho izay milaza izay efa hitako teo amin'ny Raiko; ianareo kosa manao izay efa renareo tamin'ny rainareo!

39 Dia niteny tamin'i Jesoa ry zareo nanao hoe: I Abrahama no rainay! Fa hoy i Jesoa taminy: Raha tena zanak'i Abrahama ianareo, dia ho nanao ireo asan'i Abrahama.

40 Nefa ankehitriny tadiavianareo hovonoina Aho, dia Izaho nilaza taminareo ny marina izay efa reko tamin'Andriamanitra: tsy mba nanao izany i Abrahama!

41 Fa ianareo kosa dia ny asan'ny rainareo no ataonareo. Dia hoy ireo taminy: Tsy zaza sary izahay no nateraka; tokana ihany ny rainay, dia Andriamanitra.

42 I Jesoa kosa nanao taminy hoe: Raha Andriamanitra no tena Rainareo, dia ho tia Ahy ianareo, satria avy tamin'Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako aty; tsy avy amin'ny tenako no nahatongavako, fa Izy no naniraka Ahy.

43 Ahoana no tsy ahazoanareo ny fiteniko? Satria tsy mahay mihaino ny teniko ianareo.

44 Ny devoly no ray niavianareo, ka ny filandratsin'ny rainareo no satrinareo hatao. Ny devoly dia mpamono olona hatrany am-boalohany; ary tsy nitoetra tamin'ny marina izy, satria ny marina tsy ao aminy. Raha mandainga izy, dia miteny araka ny toetrany satria mpandainga izy sady rain'ny mpandainga.

45 Fa Izaho kosa tsy inoanareo, satria ny marina no lazaiko.

46 Iza moa aminareo no afaka hanaporofo fa nanota Aho? Raha ny marina no lazaiko, nahoana ianareo no tsy mino Ahy

47 Izay avy amin'Andriamanitra no mihaino ny tenin'Andriamanitra; izany no tsy ihainoanareo, satria tsy avy amin'Andriamanitra ianareo!

48 Dia niteny tamin'i Jesoa ny Jiosy nanao hoe: Tsy marina ve ny filazanay fa Samaritanina Ianao sady ondranondranana?

49 Fa novalian'i Jesoa hoe: Izaho tsy ondranondranana fa manome haja ny Raiko; fa ianareo kosa tsy manome haja Ahy.

50 Saingy Izaho tsy mitady ny voninahitro, fa ao Ilay mitady izany ho Ahy sady mitsara ara-drariny.

51 Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy ho faty na oviana na oviana izy.

52 Dia hoy ny Jiosy taminy: Fantatray ankehitriny fa ondranondranana Ianao! Efa maty i Abrahama sy ireo mpaminanin'Andriamanitra, fa Ianao kosa milaza hoe: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy hanandrana fahafatesana izy na oviana na oviana.

53 Angaha Ianao lehibe noho ny rainay, dia i Abrahama izay efa maty? Ny mpaminany koa efa maty, manao Anao ho iza moa Ianao?

54 Fa novalian'i Jesoa hoe: Raha manome voninahitra ny tenako Aho, dia tsinontsinona ny voninahitro; ny Raiko, Izay lazainareo fa Andriamanitrareo, no manome voninahitra Ahy!

55 Saingy tsy nahafantatra Azy ianareo; fa Izaho no mahalala Azy, ary raha milaza ho mahalala Azy Aho, dia ho mpandainga tahaka anareo. Eny, mahalala Azy Aho sady mitandrina ny teniny.

56 Heni-karavoana i Abrahama rainareo nanantena hahita ny androko; ary nahita izy ka faly.

57 Dia hoy ny Jiosy taminy: Tsy mbola dimampolo taona akory Ianao, ka dia hoe nahita Anao i Abrahama?

58 Fa novalian'i Jesoa hoe: Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy mbola ary i Abrahama, dia Izaho no Ilay hatrizay ka ho mandrakizay!

59 Tamin'izay dia naka vato hitorahana Azy ny olona; fa i Jesoa kosa niery ka lasa nivoaka ny kianjan'ny tempoly.

Toko faha-9

1 Raha nandalo ry i Jesoa, dia nahita lehilahy jamba hatry ny vao teraka.

2 Dia nanontany an'i Jesoa ny mpianany nanao hoe: Mpampianatra o, iza moa no nanota, ralehilahy io sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy?

3 Dia novalian'i Jesoa hoe: Tsy izy no nanota na ny ray aman-dreniny, fa mba hanehoana ny asan'Andriamanitra eo aminy.

4 Isika tsy maintsy manao ny asan'Ilay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; fa ho avy ny alina izay tsy ahafahan'iza na iza miasa!

5 Raha mbola eo amin'izao tontolo izao Aho, dia fahazavana ho an'izao tontolo izao.

6 Nony avy nilaza izany Izy, dia nandrora tamin'ny tany sy nanao feta tamin'ny rorany, ka nanosotra feta ny mason'ilay jamba

7 ary nanao taminy hoe: Ndeha ianao misasa maso any amin'ny dobo Siloa. (Siloa dia midika hoe Nirahina.) Dia lasa nankany izy ary nisasa maso ka nahiratra rehefa niverina.

8 Tamin'izay ireo mpiara-monina aminy sy ireo olona nahita fa mpangataka izy taloha, dia nanao hoe: Tsy ity ve ilay nipetraka nangataka? Ka hoy ny sasany: Izy io!

9 Fa hoy ny sasany: Tsia, fa olona mitovy aminy! Ralehilahy kosa nilaza hoe: Izaho mihitsy ity!

10 Dia hoy ny olona taminy: Fomba ahoana ary no nahiratan'ny masonao?

11 Fa novaliany hoe: Ilay Lehilahy atao hoe Jesoa no nanao feta sy nanosotra ny masoko, dia nanao tamiko hoe: Ndeha ianao mankany amin'ny dobo Siloa, dia misasa maso. Koa lasa nankany aho, dia nisasa maso ary nahiratra.

12 Dia hoy ny olona taminy: Aiza moa izany Lehilahy izay? Fa novaliany hoe: Tsy fantatro!

13 Dia nentin'ny olona tany amin'ny Farisianina ilay jamba taloha.

14 Andro sabata no nanaovan'i Jesoa ny feta sy nampahiratany maso azy;

15 koa ireo Farisianina indray no nanontany ilay jamba taloha ny amin'ny fomba nahiratany, ary izao no navaliny: Nasiany feta ny masoko, dia nisasa maso aho ka nahiratra!

16 Tamin'izay ny sasany tamin'ireo Farisianina dia nanao hoe: Tsy avy amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, satria tsy mitandrina ny fepetra momba ny sabata! Ny sasany kosa nanao hoe: Fomba ahoana moa no ahafahan'olona mpanota manao famantarana toy ireny? Dia nisara-tsaina ry zareo.

17 Ary hoy indray ireto Farisianina tamin'ilay jamba: Ianao kosa, ahoana no mba ilazanao Azy, raha nampahiratra ny masonao Izy? Ka novaliany hoe: Mpaminany Izy.

18 Tamin'izay ny manampahefana jiosy dia tsy nino hoe jamba taloha ralehilahy ka nahiratra, ambara-piantson-dry zareo ny ray aman-dreniny

19 nanontaniany hoe: Ralehilahy io ve no zanakareo izay lazainareo fa teraka jamba? Fomba ahoana ary no nahiratany ankehitriny?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.0105