1 Makabeo
Toko faha-14
27 ary izao no kopian'ireo teny ireo: "Tamin'ny andro faha-18-n'ny volana Elola, taona faha-172, na hoe taona fahatelo nanapahan'i Simona mpisorombe tao amin'ny kianjan'ny vahoakan'Andriamanitra,28 dia nisy fivoriambe nataon'ny mpisorona mbamin'ny sarambabem-bahoaka sy ny lohandoham-pirenena ary ny loholom-paritany. Ka teo no nampahalalana anay ireto zavatra ireto.
29 Tamin'ny ady maro natao teto amin'ny tanintsika, i Simona zanakalahin'i Matatia sady mpisorona anisan'ny antokon'i Joiariba ary koa ireo rahalahin'i Simona dia samy nanao vy very ny ainy; nanohitra ny fahavalom-pirenena ireo mba hijoroan'ny tempoly mbamin'ny lalana, ka nampahazo voninahitra lehibe ny fireneny.
30 I Jonatana no namory ny firenentsika sy tonga mpisorombe teo amintsika, vao nodimandry.
31 Dia nitady hanafika ny tanin'i Jodea ny fahavalo mba handrava azy sy handroba ny tempoly.
32 Fa nitsangana kosa tamin'izay i Simona ka niady ho an'ny fireneny; vola aman-karena betsaka no nafoin'ny tenany sy nolaniny mba hamonona na fiadiana ho an'ny vatan-dehilahin'ny tafi-pirenena sy hanomezan-karama azy.
33 Nohamafisiny ny tananan'i Jodea ary koa i Bety-Tsoro izay miorina eo amin'ny sisin-tany sady fitahirizam-piadiana teo aloha ho an'ny fahavalo; dia nametrahany andia-miaramila jiosy tao.
34 Nohamafisin'io Simona io koa i Jopa izay miorina eo amoron-dranomasina sy i Gezera izay eo amin'ny sisintanin' i Asdoda sady nonenan'ny fahavalo teo aloha; ka Jiosy no namponeniny tao sy namononany ny zavatra rehetra ilainy hivelomany.
35 Hitan'ny vahoaka ny toetra mahatoky nananan'i Simona sy ny voninahitra kendreny ho azon'ny firenena; ka dia natsangany ho lehibeny sy ho mpisorombeny izy noho ny zavatra rehetra vitany ary ny toetra mitandro ny rariny sady mahatoky nasehony tamin'ny fireneny. Niezahany tamin'ny fomba isan-karazany koa ny hanandratra ny fireneny.
36 Nandritra ny androm-piainany, dia nahomby izy tamin'ny nataony handroahana tao Joda ny hafa firenena sy ireo na mahatra teo amin'ny Tananan'i Davida tao Jerosalema; nahavita toera-mafy teo manko ireo ka nivoaka avy ao mba hanimbazimba ny manodidina ny tempoly sy haniratsira lozan-tany ny fahamasinany.
37 Miaramila jiosy no namponenin'i Simona tao amin'io toera-mafy io sady nohateveniny ny toerana mba handry feizay ny faritany sy ny renivohitra; ary nasondrony ho avo ny mandan'i Jerosalema.
38 "Izany no nanamafisan'i Demetry mpanjaka ny maha mpisorombe an'i Simona
39 sy nanendreny azy ho anisan'ny sakaizan'ny mpanjaka"" ary nanomezany azy voninahitra ambony."
40 Ren'i Demetry manko fa hoe ny Romanina dia niantso ny Jiosy ho sakaiza sy mpifarimbona ary havana sady nandray tamim-pomba manetriketrika ny irak'i Simona.
41 Reny koa fa sitraky ny Jiosy sy ny mpisorony ny hahafiloha sy mpisorombe an'i Simona mbamin'ny taranany mandra-pisehon'izay mpaminany mahatoky,
42 izy koa no ho tonga mpitari-tafiky ny Jiosy, hikarakara ny zavatra momba ny tempoly, hanendry ny lehiben'orinasa sy ny mpandraharaham-panjakana ary ny mpiandraikitra fitaovam-piadiana sy tanana mimanda.
43 I Simona tokoa no mpikarakara ny zavatra momba ny tempoly, ka hanaiky azy ny olona rehetra; ny taratasim-panjakana rehetra ao Jodea dia hosoratana amin'ny anarany; ary ny tenany hitondra akanjo jaky sy mari-boninahitra volamena.
44 Na iza na iza amin'ny vahoaka na amin'ny mpisorona dia tsy misy mahazo manafoana ireo zavatra tinapaka ireo na dia iray aza; tsy misy mahazo miantso fivoriana eo amin'ny tanin'i Jodea raha tsy nomen'i Simona lalana; tsy misy mahazo mitondra akanjo jaky aman-jaigrafy volamena.
45 Na iza na iza manao zavatra mifanohitra amin'ireo didy ireo, na manafoana ampahany aminy, dia hiharam-pamaizana.
46 "Sitraky ny vahoaka rehetra ny anomeza na fahefana an'i Simona hanao araka ireo didy ireo.
47 Neken'i Simona sady nankasitrahiny rahateo ny hanao ny raharaha maha mpisorombe sy mpitari-tafika ary mpifehy ny Jiosy mbamin'ny mpisorona, izany hoe ny ho eo ambonin'ny olon-drehetra."
48 Notapahin'ny Jiosy fa hosoratana amin'ny takelaka halimo izany teny izany, ka hapetraka amina toerana miharihary eo amin'ny kianjan'ny tempoly,
49 ary hasiana kopian'izany koa ao amin'ny efitrano firaketana mba hampiasain'i Simona sy ny zanany.
Toko faha-15
1 Avy teo amin'ireo nosy grika no nandefasan'i Antiokosa zanakalahin'i Demetry taratasy ho an'i Simona mpisorombe sy mpifehy ny Jiosy ary koa ho an'ny firenena manontolo.2 Io taratasy io dia mirakitra izao hafatra izao: "Izaho Antiokosa mpanjaka no manoratra aminareo sy miarahaba anareo, ry Simona mpisorombe sy mpifehy ary koa ry firenena jiosy.
3 Noho ny nahazoan'ireo olon-dratsy ny fanjakan'ny razako, dia tiakony haka azy indray, mba hamerenako azy amin'ny toetrany taloha. Ka efa namory miaramila betsaka aho sy nanomana sambo mpiady maro,
4 ary nikendry hiantsona ao amin'izany tany izany aho ka hiakatra hamaly ny ratsy nataon'ireo olona nandringana azy sy nandrava tanana marobe teo amin'io fanjakako io.
5 Hamafisiko aminao indray ankehitriny, ry Simona, ny fanafoanan-ketra rehetra neken'ireo mpanjaka talohako mbamin'ny tombontsoa hafa rehetra nomeny anao.
6 Omeko lalana ianao hanefy vola misy ny sarinao ka hanan-kery amin'ny taninao.
7 Aoka hizaka tena i Jerosalema sy ny tempoly; ary aoka hipetraka ho fanananao avokoa ny fiadiana voaangonao sy ny tanana mimanda naorinao sady mbola tazoninao.
8 Manomboka izao no mankany koa ianao dia afahana amin'ny zavatra rehetra tsy maintsy aloa na mbola haloa ho an'ny tahirin'ny mpanjaka.
9 Rehefa ho azoko indray ny fanjakako, dia homeko voninahitra lehibe ny tenanao sy ny firenenao ary ny tempolin'i Jerosalema, ka hiharihary amin'izao tontolo izao ny voninahitrareo."
10 Tamin'ny taona faha-174 dia niainga ho any an-tanindrazana i Antiokosa; ary nirohotra nomba azy avokoa ny miaramila, hany ka olom-bitsy no sisa tafajanona teo amin'i Trifona
11 Nenjehin'i Antiokosa ary i Trifona, ka niezaka nandositra nankany Dora, teo amoron-dranomasina,
12 tsapan'i Trifona manko fa zava-dratsy maro no mivangongo aminy, sady ny tafiny rahateo nandao azy.
13 Tonga nitoby teo anoloan'i Dora kosa i Antiokosa nitondra mpiantafika nisy andiany 12 ary mpitaingin-tsoavaly nisy andiany valo.
14 Notemeriny ny tanana, sady nanatona avy any an-dranomasina koa ny sambo; ary voateriny an-tanety sy an-dranomasina ny mponin'i Dora, ka tsy nisy navelany hiditra na hivoaka ny tanana.
15 Tamin'izany no tafaverina avy any Roma i Nomeniosa sy ireo nanaraka azy, nitondra taratasy ho an'ny mpanjaka sy ho an'ny faritany maro, dia taratasy nirakitra izao teny izao:
16 "Izaho Losiosa, mpifehy ny Romanina, dia manoratra ho anao sy miarahaba anao, ry Ptolemeo.
17 Tonga taty aminay ny masoivoho jiosy, izay sakaizanay sy mpiara-miasa aminay. I Simona mpisorombe mbamin'ny vahoaka jiosy no naniraka azy hanavao ny fisakaizana sy fiaraha-miasa natao taloha.
18 Nitondra ampinga volamena nilanja 44 kilao ireo iraka ireo.
19 Noho izany, sitrakay ny manorata taratasy ho an'ny mpanjaka sy ho an'ny faritany maro mba tsy hanahirana ny Jiosy na hiady aminy, na hamely ny tananany sy ny fireneny, na koa hanampy an'izay miady aminy.
20 Noheverinay fa mety ny handraisanay izany ampinga natolotry ny Jiosy izany.
21 Koa raha misy olon-dratsy nitsoa-ponenana niala tao Jodea ka tonga aty aminareo, dia atolory an'i Simona mpisorombe izy ho faiziny araka ny lalanany."
22 Izany taratasy izany dia nalefa koa hoan'i Demetry mpanjaka sy ho an'i Atala ary ho an'i Ariarata sy ho an'i Arsaky.
23 Nandefasana azy koa ireto faritany rehetra ireto, dia i Sampsame, i Sparta, i Delosa, i Mindosa, i Sisiona, i Karia, i Samo, i Pamfilia, i Lisia, i Halikarnasy, i Roda, i Faselida, i Kosy, i Side, i Arado, i Gortina, i Knido, i Sipra, ary i Sirena.
24 Ny kopian'izany taratasy izany dia nalefa koa tamin'i Simona mpisorombe.
25 Mbola teo amin'ny zana-bohitr'i Dora i Antiokosa mpanjaka no nitoby nanao fahirano an'io tanana io; ka narosony hatrany ny miaramilany hamely an'i Dora sady namboatra milina fandrobahan-drindrina izy. Voahidin'i Antiokosa tao i Trifona, ka tsy nisy olona afa-niditra na nivoaka ny tanana.
26 Tamin'izay i Simona no nandefa fanampiana ho any amin'ny mpanjaka, dia miaramila voafantina andiany anankiroa mbamin'ny volafotsy sy volamena ary koa fitaovana be ihany.
27 Tsy vitan'ny hoe tsy nety nandray izany i Antiokosa, fa nofoanany koa ny fifanekena rehetra nataony taloha tamin'i Simona sady nihatahany izy.