1 Makabeo
Toko faha-15
28 I Atenoby, anankiray amin'ireo "sakaizan'ny mpanjaka", no nirahin'i Antiokosa mba hampita amin'i Simona izao teny izao: -Ianareo efa mitana an'i Jopa sy i Gezera ary ny toera-mafin'i Jerosalema; samy tanana anisan'ny fanjakako ireo,29 saingy noravanareo ny faritra manodidina azy. Zavatra betsaka ihany koa no simbanareo teo amin'ny tany ary toerana maro anisan'ny fanjakako no lasanareo.
30 Koa ankehitriny, avereno amiko ny tanana nalainareo ary efao amiko ny hetran'ny toerana lasanareo ivelan'ny faritanin'i Jodea.
31 Raha lavinareo ny hanao izany, dia manomeza ianareo volafotsy 1300 kilao ho solon'ireo tanana ireo, ary volafotsy toraka izany koa ho setrin'ny fanimbana nataonareo sy ny hetra tandrifin'ireo tanana ireo. Fa raha tsy izany, dia ho avy hiady aminareo izahay.
32 Rehefa tonga tany Jerosalema i Atenoby, "sakaizan'ny mpanjaka", dia gaga tokoa nahita ny firentirentin'i Simona sy ny lalimoara feno fanaka volamena amam-bolafotsy ary ny fitaovana marevaka nananany. Nampitain'i Atenoby ny tenin'ny mpanjaka,
33 fa novalian'i Simona hoe: -Tsy naka tanin'olon-kafa izahay na nahalasa zavatr'olona; fa ny lovan-drazanay, izay voatanan'ny fahavalonay nandritra ny fotoana vitsivitsy, no nalainay.
34 Nanararaotra fotoana manambina izahay mba hahazoana ny lovan-drazanay.
35 Ary raha ny amin'i Jopa sy i Gezera izay takinao, dia nanisy ratsy be loatra ny firenenay sy ny taninay ireo tanana roa ireo, kanefa hanome volafotsy 2600 kilao ihany izahay ho solon'ireo tanana ireo. Tsy namaly i Atenoby na indraim-bava aza,
36 fa lasa niverina an-katezerana ho any amin'ny mpanjaka. Dia nolazainy tamin'i Antiokosa ny valinteny azony sy ny firentirentin'i Simona mbamin'ny zavatra rehetra hitany; ka nahatezitra mafy ny mpanjaka izany.
37 Niondrana an-tsambo kosa i Trifona ka nandositra ho any ortosia.
38 Ka dia i Kendebeo no notendren'ny mpanjaka Antiokosa ho komandin-tafika teo amin'ny faritra amoron-dranomasina sady nomeny miaramila an-tongotra sy an-tsoavaly.
39 Ary nodidian'i Antiokosa izy hiorin-toby tandrifin'i Jodea ary koa hanorina indray ny tanana Kedrona sy hanamafy ny vavahadiny mba hahazoana miady amin'ny vahoaka jiosy.
40 Dia nankany Jamnia i Kendebeo ka nanomboka nanelingelina ny Jiosy, fa nitsofotsofoka tao Jodea sy nanao sambo-belona na namono nahafaty olona.
41 Naoriny indray i Kedrona, dia nametrahany miaramila an-tongotra sy an-tsoavaly, izay hivoaka hisafo eny an-dalamben'i Jodea araka ny nandidian'ny mpanjaka azy.
Toko faha-16
1 Niakatra avy any Gezera i Johany, ka nilaza tamin'i Simona rainy ny nataon'i Kendebeo.2 Dia nantsoin'i Simona i Joda sy i Johany zanany roa lahy zokiny indrindra, ka nitenenany hoe: -Izaho sy ireo rahalahiko ary ny ankohonan-draiko dia nandresy ny fahavalon'i Israely hatramin'ny fahatanoranay ka mandraka androany; ary matetika izahay no nahomby tamin'ny fanafahana ny Israelita.
3 Ankehitriny ny tenako efa antitra, ianareo kosa efa ampy taona noho ny fitahian'Andriamanitra; ka aoka ianareo handimby ahy sy ny rahalahiko. Mandehana miady ho an'ny firenentsika, ary homba anareo anie ny fanampiana avy amin'Andriamanitra!
4 Dia nifantenan'i Johany mpiantafika andiany roapolo ary koa mpitaingin-tsoavaly teo amin'ny tany, ka niainga ireo mba hamely an'i Kendebeo ary nitoby alina tao Modina.
5 Nifoha maraina ireo miaramila ireo, dia niroso ho eo amin'ny tany lemaka; ary indro tafika maro be an-tongotra sy an-tsoavaly no tamy hifanehatra aminy. Ranon-driaka anankiray no nanelanelana azy roa tonta.
6 Niorin-toby tandrifin'ny fahavalo i Johany sy ny tariny. Hitan'i Johany fa natahotra ny hiampita ny ranon-driaka ny miaramilany, ka dia ny tenany no nita voalohany; rehefa nahita izany ireto mpianta finy, vao nita nanaraka azy.
7 Nozarain'i Johany ho antokony roa ary nalahany teo anelanelan'ny miaramila an-tongotra ny an-tsoavaly, satria maro dia maro ny mpitaingin-tsoavalin'ny fahavalo.
8 Dia notsofin'ny Israelita ny trompetra fanaingana hiady, ka nitodi-doha nitsoaka i Kendebeo sy ny tafiny; fahavalo maro no nitsingidina maty, ary ny sisa nitady fialofana tao amin'ny tanana mimandan'i Kedrona.
9 I Joda rahalahin'i Johany dia naratra tamin'izay, fa i Johany kosa no nanenjika ny mpandositra ambara-pipakany tany Kedrona, izay vao naorin'i Kendebeo indray.
10 Nisy nandositra hatrany amin'ireo tilikambo teo akaikin'i Asdoda ; fa nodoran'i Johany kosa ny tanana ka nahafatesana vatan-dehilahy andiany roa ny fahavalo. Izay i Johany vao niverina soa aman-tsara ho any Jodea.
11 I Ptolemeo, zanakalahin'i Abobosa, no voatendry ho mpitari-tafika teo amin'ny lemak'i Jerikao; nanam-bolamena sy volafotsy betsaka izy,
12 satria vinantolahin'i Simona mpisorombe.
13 Nahatonga an'i Ptolemeo hiavonavona am-po sy haniry ho tompon'ny tany izany; dia nisain-dratsy izy hamely an'i Simona mbamin'ireo zanany lahy ka hahafaty azy am-pitaka.
14 Tamin'izay i Simona dia nitsiditsidika ireo tananan'i Jodea ary nilofo nitantana azy; ka nidina tany Jerikao izy sy ny zanany roa lahy Matatia sy Joda, tamin'ny taona faha-177, volana faha-11 na hoe volana Sebata.
15 Noraisin'ity zanakalahin'i Abobosa izy telo mianaka, tao amin'ilay tanana mimanda kely nampanaoviny ka nantsoina hoe Doka; nanomanan'i Ptolemeo fanasana lehibe ny vahiny, kanefa nanafenany miaramila tao.
16 Nony mamo i Simona sy ireto zanany lahy, dia nitsangana i Ptolemeo sy iretsy miaramilany ka nandray fiadiana sy niantoraka tamin'i Simona tao an-trano fanasana, ary namono nahafaty azy sy ny zanany roa lahy mbamin'ny mpanompony vitsivitsy.
17 Fivadihana mahatsiravina sady famalian-dratsy ny soa no nataon'i Ptolemeo tamin'izany.
18 Avy eo dia tatitra an-tsoratra momba ny zava-nitranga no nalefan'i Ptolemeo ho an'i Antiokosa mpanjaka; sady nangatahany koa izy handefa miaramila hanampy azy mba hanolorany aminy ny tany aman-tananan'ny Jiosy.
19 Nisy olon-kafa koa nirahin'i Ptolemeo ho any Gezera mba hamono hahafaty an'i Johany; ary nandefasany taratasy ireo komandin-tafika jiosy ka nasainy hiandany aminy sady nampanantenainy homena volafotsy sy volamena ary fanomezana.
20 Mbola nisy olona hafa koa nirahin'i Ptolemeo mba hanao izay hakana an'i Jerosalema sy ny tendrombohitry ny tempoly,
21 saingy nisy nisosoka mialoha handeha hampandre an'i Johany tao Gezera ny namonoana ho faty an-drainy mbamin'ireo rahalahiny sady nanampy hoe: -Naniraka olona i Ptolemeo mba hamono hahafaty anao koa.
22 Tohina mafy i Johany nony nandre izany vaovao izany; dia nosamboriny kosa ireo olona tonga hamono azy, dia novonoiny ho faty, satria fantany tsara ny fikasany hahafaty azy.
23 Ny sisa amin'ny tantaran'i Johany, ny ady nataony, ny herimpo nasehony, ny manda nampanaoviny mbamin'ny zavatra hafa rehetra vitany
24 dia efa voasoratra avokoa ao anatin'ny boky mitantara ny vaninandro naha mpisorombe azy, nanomboka tamin'ny andro nandimbiasany an-drainy.
2 Makabeo
Toko voalohany
1 "Izahay Jiosy eto Jerosalema sy manerana an'i Jodea dia manoratra aminareo mpiray firenena Jiosy aty Ejipta ; miarahaba anareo ary mirary anareo hiadam-pinaritra.2 Enga anie Andriamanitra hanototra soa anareo ka hahatsiaro ny fanekempihavanana nataony tamin'i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba izay samy mpanompony mahatoky!"
3 Ianareo rehetra anie samy homeny fo mitsaoka Azy sy manatanteraka ny sitrapony amim-pahazotoana sy amim-piniavana!
4 Hosoka fa ny hahazo ny lalana amam-pitsipiny anie ny fonareo ary hataony heni-piadanana.
5 Hihaino ny vavakareo anie Izy ary hamela heloka anareo ka tsy handao anareo amin'ny androm-pahoriana!
6 Manao izany vavaka izany ho anareo izahay aty izao ankehitriny izao.
7 "Tamin'ny taona faha-169 , fony nanjaka i Demetry , no efa nanoratanay Jiosy eto Jerosalema ho anareo ka nilazanay hoe: Fahoriana mangidy tokoa no nianjady taminay, nanomboka tamin'ny nivadihan'i Jasona sy ireo mpomba azy ka tsy niraharahany intsony ny tany masina sy ny fanjakan'Andriamanitra.
8 Nodorany ny vavahadin'ny tempoly, ary novonoiny ny olona tsy manan-tsiny. Saingy nivavaka tamin'ny TOMPO izahay ary nohenoiny ny vavakay; ka dia azonay atao indray ny manolotra ny sorona sy ny lafarinina tsara indrindra ary koa ny mandrehitra ny jiron'ny tempoly sy ny mandahatra ny mofo voatokana ho an'Andriamanitra.
9 Ankehitriny kosa manoratra aminareo izahay hanaingana anareo hankalaza ny fetin'ny Trano tomboka , amin'ny volana Kisleo."
10 Voasoratra tamin'ny taona faha-188. "Izahay Jiosy eto Jerosalema sy Jodea ary koa ny antenimieran-doholona sy ny tenako Joda dia manoratra aminao ry Aristobola mpanolotsain'ny mpanjaka Ptolemeo sady taranaky ny mpisorona voahosotr'Andriamanitra ary koa aminareo Jiosy aty Ejipta. Miarahaba anareo izahay ary mirary anareo ho salama soa aman-tsara.
11 "Misaotra an'Andriamanitra fatratra izahay, satria novonjeny ho afaka amin'ny loza lehibe fony Izy niaro anay teo anatrehan'ny mpanjaka,
12 fa Andriamanitra mihitsy no nandroaka an'ireo fahavalo nilahatra hamely ny tanana masina.