1 Makabeo
Toko faha-12
34 satria reny fa nikasa hanolotra ny trano mimanda amin'i Demetry ny mponina; ka dia nametrahany andia-miaramila teo mba hiambina azy.35 Nony tafaverina tao Jerosalema i Jonatana, dia namory ny loholom-bahoaka; ka tapa-kevitra ny mpivory fa hanorina trano mimanda ao Jodea.
36 Tinapany koa ny hanondrotra ny mandan'i Jerosalema, ary ny hanisy tamboho avo eo anelanelan'ilay toera-mafy sy ny tanana mba hampisaraka azy roa ireo; ka hiavahan'ny toera-mafy sady tsy hahazoana mivarotra na mividy zavatra amin'ny miaramila sirianina mitoby ao.
37 Nifarimbona hanao ny fanarenan-tanana ny mponina, indrindra fa nirodana ny manda manamorona ny lohasahan-driaka Kidrona; ary namboarina koa ny ampahan'ny tanana atao hoe Kafenata.
38 I Simona kosa nanorina an'i Hadida teo amin'ny lemak'i Sefela, dia nanisy vavahady sy hidy mafy azy.
39 I Trifona dia naniry hanjaka amin'i Azia sy hitondra ny satroboninahi-panjakana ary hamono hahafaty an'i Antiokosa mpanjaka.
40 I Jonatana no natahorany tsy hamela azy hanao izany sy hiady hanohitra azy; ary nitady izay hevitra hisamborana an'i Jonatana sy hamonoana azy i Trifona, ka lasa nankany Bety-Seana.
41 Fa niroso hitsena azy koa i Jonatana nitondra miaramila voafantina nisy andiany efapolo, ka nandroso ho any Bety-Seana.
42 Rehefa nahita an'i Jonatana tonga nomban-tafika goavana i Trifona, dia tsy sahy nisambotra azy
43 fa nandray azy tamim-pomba manetriketrika sady nanolotra fanomezana ho azy; nentiny haseho tamin'ny sakaizany rehetra izy ka nodidiany avokoa na ireo sakaizany na ireo miaramilany hanoa azy toy ny tenany.
44 Avy eo izy dia niteny tamin'i Jonatana hoe: -Ahoana ange no dia nanasaranao io tafika manontolo io, nefa tsy misy ady akory amintsika?
45 Koa ampodio ho any an-tranony ireo miaramila ireo; fa izay vitsivitsy hanaraka anao no fidio, dia ndeha ianao hiaraka amiko ho any Ptolemaida. Hatolotro anao manko io tanana io mbamin'ny trano mimanda hafa ary koa ny miaramila tavela ao sy ny mpiasam-panjakana rehetra, satria izany no nankanesako aty. Avy eo aho vao hiverina any Antiokia.
46 Natoky an'i Trifona i Jonatana ka nanao araka izay nolazainy; nampodiny ny tafiny, ary niverina ho any Jodea ireo.
47 Andiany telo monja no miaramila notanan'i Jonatana teo aminy, ka ny andiany roa nalefany ho any Galilea fa ny andiany anankiray no hany nanaraka azy.
48 Kanjo vantany vao tafiditra tao Ptolemaida i Jonatana, dia nohidian'ny mponina ny vavahady; nosamborin'ireo i Jonatana, ary novonoiny tamin'ny sabatra kosa izay rehetra niara-niditra taminy.
49 Nandefasan'i Trifona miaramila sy mpitaingin-tsoavaly koa tany Galilea sy tany amin'ny lemaka lehibe mba hamono ny miaramila rehetra napetrak'i Jonatana.
50 Noheverin'ireo kosa fa voasambotra i Jonatana sady niara-novonoina tamin'izay nanaraka azy; ka nifampirisika izy, dia nandroso nilahatra nifanety sy vonon-kiady.
51 Nony hitan'ireo mpanenjika azy fa vonon-kiaro ny ainy tokoa ny andian-tafika anankiroa, dia niverin-dalana izy,
52 ny miaramila israelita rehetra kosa tonga soa aman-tsara tany Jodea. Nitomany an'i Jonatana sy ny namany izy, sady raiki-tahotra mafy; i Israely manontolo kosa nanao fisaonana lehibe.
53 Tamin'izay ny hafa firenena rehetra manodidina no nitady handevona an'i Israely, fa hoy ireo anakampony hoe: "Efa tsy manana filoha nampanampy intsony ny Jiosy; ka ndeha hasiantsika amin'izao ireo, dia hataontsika fongotra ny fahatsiarovana azy eo amin'ny olombelona."
Toko faha-13
1 Ren'i Simona fa namory tafika lehibe i Trifona mba hankany Jodea sy handrava io faritany io.2 Nony hitan'i Simona fa raiki-tahotra sy nivadi-po ny vahoaka jiosy, dia niakatra tany Jerosalema izy, niantso ny vahoaka hivory
3 sy nampirisika azy nanao hoe: -Fantatrareo tokoa ny zava-drehetra nataon'ireo rahalahiko sy ny tenako ary ny fianakavian-draiko manontolo mba hiarovanany lalana amam-tempolintsika; fantatrareo ny ady natrehinay mbamin'ny fahoriana niaretanay.
4 Izany fiarovana an'i Israely izany no nahafatesan'ireo rahalahiko rehetra; ary izaho no hany sisa.
5 Koa ankehitriny, sanatriaviko ny hitsitsy ny aiko na inona na inona voina mihatra, satria tsy sarobidy mihoatra noho ny an'ireo rahalahiko ny aiko.
6 Fa ny tiako dia ny hiaro ny fireneko sy ny tempoly ary ny vady aman-janakareo, satria tafakambana handrava antsika ny hafa firenena rehetra noho ny fialonany antsika.
7 Nirehitra indray ny hafanam-pon'ny vahoaka, nony nandre izany teny izany,
8 ka namaly an'i Simona tamim-pihobiana izy nanao hoe:-Ianao no lehibenay, dimbin'i Joda sy i Jonatana rahalahinao.
9 Tariho izahay amin'ny ady hatrehinay, fa hotanterahinay avokoa izay holazainao.
10 Dia novorin'i Simona tamin'izay ny vatan-dehilahy rehetra afaka hiady; nohafainganiny ny famitana ny mandan'i Jerosalema ary nohamafisiny ny manodidina io tanana io.
11 Nalefany ho any Jopa i Jonatana zanakalahin'i Absaloma , nitondra miaramila maromaro; ka noroahin'io Jonatana io ny mponina tao, dia izy no nitoetra tao an-tanana.
12 Niala tao Ptolemaida i Trifona, nitondra tafika lehibe hankany Jodea; nentiny niaraka taminy koa i Jonatana voafatotra.
13 I Simona kosa niorin-toby tao Hadida , teo anoloan'ny lemaka.
14 Nony fantatr'i Trifona fa hoe i Simona no nandray ny fanapahana, nandimby an'i Jonatana rahalahiny sady efa nivonon-kiady taminy, dia nandefa iraka ho any aminy izy hilaza hoe:
15 -Ny andraikitr'i Jonatana rahalahinao dia tokony nandoavany vola ho an'ny tahirin-drakitry ny mpanjaka; noho izy tsy nanefa izany no itanako azy ho voafatotra.
16 Koa votsoriko ho afaka izy, raha toa ianao mandefa volafotsy 2700 kilao mbamin'ny zanany roa lahy mbola kely hatao antoka mba tsy hivadihan'i Jonatana hamely anay rehefa afaka izy.
17 Fantatr'i Simona fa ny hamitahana azy no nitenenan'ireo iraka ireo taminy toy izany. Kanefa nasainy nalaina ihany ny vola mbamin'ireo zaza roa lahy; natahotra manko izy sao hiharan'ny fankahalana lehibe avy amin'ny vahoaka israelita izay mety hilaza hoe:
18 Ny tsy nandefasan'i Simona ny volafotsy 2700 kilao sy ireo zaza roa no nahafaty an'i Jonatana.
19 Dia nalefany ary ireo zaza sy ny volafotsy 2700 kilao; kanjo nivadi-bolana tokoa i Trifona fa tsy namotsotra an'i Jonatana.
20 Taorian'izany i Trifona no niroso hanafika sy handrava an'i Jodea. Nisafelika izy sy ny miaramilany ka nihazo ny lalana mankany Adora; kanefa notanahin'i Simona sy ny tafiny hatrany ireo, na taiza na taiza nalehany.
21 Nandefa iraka ho any amin'i Trifona ny olona nitoby tao amin'ny toera-mafin'i Jerosalema, nangataka azy hihazo any an-taniefitra ka ho tonga faingana hitondra sakafo ho azy.
22 Dia nanomana ny mpitaingin-tsoavaliny rehetra i Trifona hankanesany any; kanjo latsaka be dia be ny vongam-panala tamin'io alina io, ka tsy afaka nankany Jerosalema izy noho ny vongam-panala; dia lasa izy nankany Gilehada.
23 Nony mby teo akaikin'i Baskama izy, dia nampamono an'i Jonatana ho faty sy nampandevina azy teo.
24 Ary nitodi-doha i Trifona ka lasa nody ho any amin'ny taniny.
25 Dia naniraka olona i Simona haka ny fatin'i Jonatana rahalahiny, ary nandevina azy tao Modina tananan-drazany.
26 Nisaona azy fatratra ny Israelita rehetra; ary naharitra andro maro no nitomaniany azy.
27 Izany fasan-drainy aman-drahalahiny izany dia nanorenan'i Simona rafi-bato avo mba ho tazan-davitra; ka nataony vato voalama na teo anoloany na teo ivohony.
28 Piramida fito mifanila koa no nasainy natsangana teo ambonin'ny fasana mba ho an-drainy aman-dreniny sy ho azy efa-dahy rahalahiny.
29 Ireo piramida ireo kosa nasainy nohodidinina andry avo; ary nohaingoina fitaovam-piadiana ireto andry avo ireto mba hahatsiarovana mandrakizay ny Makabeo; sady teo anilan'ny fitaovam-piadiana tsirairay dia nasiana sambo voasokitra natao tazan'izay rehetra miantsambo eny amin'ny ranomasina.
30 Toy izany no fasambe nasain'i Simona natsangana tao Modina, fasambe izay mbola ao mandraka androany.