2 Makabeo

Toko faha-2

27 Tsy latsaka noho ny an'izay mandahatra ny fanasana ka mitady hahafa-po ny olona nasaina ny hasarotany; saingy mba hahatonga ahy ho mendrika ny fankasitrahan'ny mpamaky maro, dia zakaiko amin-kafaliana izany asa mavesatra izany.

28 Ka ny filazana antsipiriany ny zava-nitranga tsirairay, dia avelako ho anjaran'ny mpanoratra ny tantara ; fa ny soritra momba ny famintinana azy kosa no hikelezako aina harahina.

29 Rehefa manorina trano vaovao, dia ny fitambaran'ny taotrano no adidin'ny TOMPO marika; fa ny mitady ny zavatra ilaina momba ny fanaingoana azy kosa no tsy maintsy ilofosan'ny miandraikitra ny handravaka sy handoko azy: toraka izany indrindra no anjara asako, araka ny hevitro.

30 Ny mpandahatra ny tantara no mamotopototra izay lazainy sy mijery ny lafin-javatra rehetra ary mifantoka amin'ny antsipiriany rehetra,

31 fa ny mpanao fandravonan-tantara kosa dia tokony homen-dalana hikendry ny famintimpintinan-javatra ary tsy mba hilaza feno ny zava-niseho.

32 Aoka hatomboko amin'izao ary ny fitantarako, fa tsy hampiako intsony izay voalaza izay; satria hadalana ny lava fiteny alohan'ny tantara, nefa mifintina fiteny amin'ny tena tantara.

Toko faha-3

1 Faha Onia mpisorombe, dia nitoetra tao anaty fandriampahalemana tanteraka ny mponin'i Jerosalema tanana masina; fatra-pitandrina ny lalanan'Andriamanitra izy ireo, noho ny fitiavam-bavak'i Onia sy ny fankahalany ny ratsy.

2 Na ny tenan'ireo mpanjaka aza dia nanaja ny tempoly sy nandravaka azy tamin'ny fanomezana sarobidy,

3 hany ka i Seleokosa mpanjakan'i Azia mihitsy no niantoka ny lany rehetra tamin'ny fanaovan-tsorona, avy amin'ny vola niditra ho an'ny tenany.

4 Nisy kosa izay Simona anankiray izay, anisan'ny antoko-mpisoron'i Bilga izy sady voatendry hitantana ny tempoly. Tsy nifanaraka tamin'ny mpisorombe i Simona ny amin'ny fisafoana ny tsena ao an-tanana.

5 Tsy afa-nandresy tosika an'i Onia izy, ka lasa nankany amin'i Apolony, zanakalahin'i Tsasea sady governoran'i Koila-Siria sy i Fenisia.

6 Nolazain'i Simona azy fa ny trano fitahirizan-drakitry ny tempoly, ao Jerosalema, dia feno vola mihoa-pampana, misy harena tsy taka-pesimpesenina, tsy mifanentana velively amin'ny zavatra ilaina hanaovan-tsorona; ary azon'ny mpanjaka baboina avokoa izany rakitra izany.

7 Nony tafaresaka tamin'ny mpanjaka i Apolony, dia nampahafantatra azy izany harena voalazan'i Simona izany. Ka nirahin'i Seleokosa i Heliodora izay filohan'ny raharaham-panjakana, ary nomeny teny mba haka izany harena voalaza izany.

8 Niainga avy hatrany i Heliodora mody hoe hizahazaha ny tananan'i Koila-Siria sy i Fenisia, kanjo ny hanatanteraka ny hevitry ny mpanjaka no tena fotony.

9 Nony tonga tao Jerosalema i Heliodora, dia noraisin'ny mpisorombe sy ny iray tanana tamim-pitiavana. Notantarain'i Heliodora ny zavatra reny ary nasehony ny anton'ny fahatongavany; kanefa nanontaniany na marina tokoa na tsia izany zavatra izany.

10 Dia nasehon'ny mpisorombe tamin'i Heliodora fa ny ao anaty fitahirizan-drakitra dia ny vola napetraka hanasoavana ny mpitondra tena sy ny kamboty ,

11 ary ny ampahany koa an'i Hirkana zanakalahin'i Tobia sady olona ambony toerana. Ny tontalin'ny harena voatahiry dia volafotsy 11000 kilao ary volamena 5500 kilao, fa tsy izay nolazain'i Simona mpandainga sy mpankahala fivavahana akory no tena toe-javatra.

12 Ankoatra izany, tsy azo atao velively ny mamabo ny fananan'ireo olona nitoky amin'ny fahamasinan'ity toerana ity ary amin'ny fiambonian'ny tempoly izay hajaina eran'izao tontolo izao sady tsy azo zimbazimbaina.

13 I Heliodora kosa, noho ny didy azony tamin'ny mpanjaka, dia niziriziry mihitsy fa tsy maintsy ho entina hanatevina ny tahirin-drakitry ny mpanjaka izany vola izany.

14 Koa tamin'ny fotoanandro voafetrany, dia lasa izy niditra ny tempoly mba hizaha izany harena izany. Hatairana lehibe no nihanaka eran'ny tanana manontolo tamin'izay.

15 Dia niankohoka teo anoloan'ny alitara ireo mpisorona niakanjo ny fanamiana fisoronany, ka nitaraina tamin'Andriamanitra mba hitahiry tsy hisy banga izany harena izany ho an'izay nametra ka azy, satria Izy Andriamanitra rahateo no mpanao ny lalana momba ny zavatra napetraka ho tahirizina.

16 Voatsindrona lalina ny fon'izay nahita ny tarehin'ny mpisorombe, satria ny endriny sy ny fiovan'ny lokon-tavany dia naneho ny fanahiana nanjo ny fanahiny.

17 Raiki-tahotra izany lehilahy izany ary nangovitra ny vatany; ka niharihary teo imason'ny olona rehetra ny fahorian'ny fony.

18 Nidodododo nanao andiany ny mponina nivoaka ny tranony avy, ka niara-nivava ka mba hidify ny tempoly izao fanimbazimbana mananontanona azy izao.

19 Ny lalambe rakotry ny vehivavy nitafy akanjo fisaonana hatreo an-tratrany no homidina ; zazavavy, izay mbola voatazona hihiboka an-trano, dia nidodododo koa; ao ny nankeo am-baravarambe, ao ny nankeny amin'ny manda, ao ny nitsirika teo am-baravarankely,

20 ka samy nanandra-tanana tamin'Andriamanitra sady nanao vavaka fitarainana.

21 Nampangorakoraka ny hareraham-pon'ireto vahoaka nifanjevo sy ny fanahian'ity mpisorombe feno tebiteby.

22 Tamin'izay ny Jiosy dia nitaraina hatrany tamin'ilay TOMPOn'izao rehetra izao hitahiry sy hiantoka tanteraka tsy misy ahabangana ny zavatra napetraka mba ho an'izay nametraka azy.

23 I Heliodora kosa efa niroso hanatanteraka izay zavatra tinapaka.

24 Fony izy mbamin'ny mpiambina azy efa mby teo akaikin'ny fitahirizan-drakitra no nanao fisehoana lehibe ilay Mpifehy ireo fanahy ao an-danitra sy ny fahefana isan-karazany; hany ka izay rehetra sahy nankeo amin'io toerana io dia voakapok'izany herin'Andriamanitra izany ka tsy nanan-kery hahavita na inona na inona fa nivarahontsana teo.

25 Hitan'i Heliodora ity soavaly voarakotra haingo sarobidy sady nana-mpitaingina mampatahotra sy mirongo fiadiana volamena; nitsatoka nitroatroatra ilay soavaly no nampitsikaroka ny tongony anoloana hamely an'i Heliodora.

26 Niaraka tamin'izay koa indreo niseho taminy ny zatovo roa lahy omban-kery mampitolagaga sy rako-pahazavana manjelatra ary nitafy akanjo marevaka fatratra; dia teo an-kilany an-daniny avy izy roa lahy no nijoro, ka nikapoka azy nifanesy tsy an-kijanona.

27 Niankarapoka tampoka tamin'ny tany i Heliodora, sady voahodidin'ny haizim-pito, dia noraisim-potsiny napetraka teo amin'ny filanjana anankiray;

28 ka ilay lehilahy, vao avy nidtra tao amin'ny efitrano nisy ny tahirin-drakitra voalaza, ary nomban'ny mpanotrona maro sy izay rehetra mpiambina azy, dia indro tsy nahazaka tena fa nobetain'olona izay voatery niaiky an-karihary ny fahefan'Andriamanitra.

29 Voakapoky ny herin'Andriamanitra i Heliodora ka niampatra tsy nahateny, namoy fo ary tsy nanantena ho velona intsony.

30 Ny Jiosy kosa nankalaza ny Tompo noho ny nanomezany voninahitra ny toerany masina; ka ny tempoly, izay vao teo no teo no feno olona nivarahontsana sy nitebiteby, dia tonga feno hafaliana amam-piravoravoana noho ny fisehoan'ilay Tompon'izao rehetra izao.

31 Vetivety taorian'izay, ny sasany tamin'ireo naman'i Heliodora dia niangavy an'i Onia hivavaka amin'ilay Avo Indrindra mba hamelona an'ity lehilahy mitsitra efa manary aina.

32 Ka dia nanolotra sorona ho fahasitranan'i Heliodora ny mpisorombe, satria natahotra izy fandrao ny mpanjaka hihevitra fa ny Jiosy no nitady hamono an-dralehilahy.

33 Mbola manolotra ny sorona fanalana ny ota kosa ny mpisorombe, no niseho tamin'i Heliodora indray ireo zatovo nitafy akanjo toy ny aninkeheo ihany ka nitsangana teo akaikiny sady nilaza taminy hoe: -Omeo fisaorana mitafotafo i Onia mpisorombe fa noho izy ihany no namelan'ny TOMPO anao ho velona.

34 Ianao kosa, rehefa nofaizin'Andriamanitra toy izao, dia torio amin'ny olona rehetra ny fahefana lehibe ananan'Andriamanitra. Nony avy nilaza izany ireo zatovo, dia lasa tsy hita itsony.

35 Taorian'izay i Heliodora dia nanolotra sorona tamin'ny TOMPO sy nampanantena hanao fanomezana maro ho azy noho izy nitahiry ny ainy. Avy eo nanome toky an'i Onia i Heliodora fa hihavana aminy; ary niverina niaraka tamin'ny miaramilany izy ho any amin'ny mpanjaka.

36 Nataony tsara laza tamin'ny olona rehetra ny asan'ilay Andriamanitra lehibe indrindra, dia asa hitan'ny masony tokoa.

37 Nanontanian'ny mpanjaka i Heliodora ny amin'izay olona tokony hirahina ho any Jerosalema indray, ka izao no navaliny azy:

38 -Raha manana fahavalo ianao na olona mpikomy amin'ny fitondranao, dia izy no iraho any. Horotiky ny kapoka izy, vao tafaverina aty aminao, raha tahiny ka mba afaka ihany, satria miharihary fa misy hery avy amin'Andriamanitra tokoa io toerana io.

39 Ilay Andriamanitra manana ny fonenany any an-danitra no miambina sy miaro io toerana io; ka izay tonga ao omban-kevitra ratsy, dia asiany sy ataony levona mihitsy.

40 Izany no zava-nitranga momba an'i Heliodora ary toy izany no tsy nahavoaroba ny tahirin-drakitry ny tempoly.

Toko faha-4

1 Io Simona voalaza tetsy aloha io, ilay mpitati-bolana ny amin'ny tahirin-drakitry ny tempoly sady mpamadika ny tanindrazany, io ihany koa no nanendrikendrika an'i Onia ho namelively an'i Heliodora sy fototry ny loza nihatra taminy.

2 Sahin'i Simona nolazaina ho mpikomy amin'ny fitondrana aza i Onia, ilay mpanao soa ny tanana sy mpiaro ny mpiray firenena aminy ary mpitandro mafana fo ny lalana.

3 Lasa lavitra loatra izany fankahalana izany ka vonoan'olona mihitsy no vitan'ny anankiray amin'ireo mpomba an'i Simona.

4 Tsapan'i Onia ny loza aterak'izany fifampiandaniana izany; ary hitany fa i Apolony, zanakalahin'i Menestea sady governoran'i Koila-Siria mbamin'i Fenisia, dia mampirisika ny haratsian'i Simona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9677