1 Makabeo
Toko faha-13
31 Tamin'izay koa no nanaovan'i Trifona hafetsena i Antiokosa, mpanjaka tanora, ka novonoiny ho faty.32 Dia izy no tonga mpanjaka nandimby azy sy nitondra ny satro-piandrianana maha mpanjakan'i Azia ary nampidi-doza lehibe tamin'ny tany.
33 I Simona kosa nanorina indray ireo tanana mimandan'i Jodea, ka nohodidininy tilikambo avo sy manda matevina ary vavahady misy hidy mafy sady nametrahany hanina fitahiry.
34 Nifidy olona koa izy nirahiny ho any amin'i Demetry mpanjaka, mba hangataka fanafoanan-ketra ho an'i Jodea, satria raharahan-tonta kely avokoa ny nataon'i Trifona.
35 Dia nasain'i Demetry mpanjaka nomena valinteny mifanaraka amin'izany i Simona, ka toy izao ny taratasy nosoratany ho azy:
36 Izaho Demetry mpanjaka no manoratra aminareo sy miarahaba anareo, ry Simona mpisorombe sady sakaizan'ny mpanjaka" sy ry loholona amam-pirenena jiosy.
37 Voarainay ny fehiloha volamena sy ny sampan-drofia nampitondrainareo; ka vonona izahay hanao fanekem-pihavanana ankapobe aminareo sy hanoratra amin'ny mpiasam-panjakana mba hanomezany anareo fanafoanan-ketra samihafa.
38 Izay rehetra efa tinapakay ny aminareo aloha dia tsy miova ; ary aoka ho fanananareo ny tanana mimanda naorinareo!
39 Avelanay avokoa ny hadisoana sy fandikan-dalana vitanareo hatramin'izao andro izao; toy izany koa ny hasin'andriana tokony haloanareo. Ary raha nisy hetra hafa notakina tao Jerosalema dia tsy hotakina intsony izany.
40 Raha misy aminareo mazoto hilatsa-tena ny ho anisan'ny miaramila mpiambina ahy, aoka izy hilatsaka! Ny fihavanana anie no ho tanteraka eo amintsika!"
41 Tamin'ny taona faha-170 no nahafahan'i Israely teo amin'ny fifehezan'ny hafa firenena.
42 Ka ny vahoaka israelita dia nanomboka nanoratra tamin'ny raki-tsoratra amam-pifanekena hoe: "Tamin'ny taona voalohany nanapahan'i Simona mpisorombe sy mpitari-tafika ary mpifehy ny Jiosy. "
43 Tamin'izany andro izany i Simona dia nanao fahirano an'i Gezera. Nasainy nanemitra io tanana io ny miaramilany; dia nampanangana tilikambo azo akodia izy, ka nampandroso izany hanakaiky ny tanana; ary notonafany vato ny tilikambo anankiray teo amin'ny manda ka azony.
44 Dia nirotsahan'ireo mpanafika i Gezera, ka loza ny hatairana vokatr'izany.
45 Ary niakatra teny ambony manda ny mponina, nomban'ny vady aman-janany, dia nandriatra fitafiana ary nandefa feo fitarainana mafy nangataka an'i Simona hanao raharaham-pihavanana
46 sady niteny hoe: "Aza valiana araka ny haratsiam-panahinay izahay fa araka ny indrafonao."
47 Nifandamina tamin'ny Gezerita ihany i Simona ka tsy namely azy intsony. Kanefa noroahiny hiala ny tanana ireo, nodioviny ny trano nisy sampy; dia niditra an'i Gezera tamin-kira fiderana amam-pisaorana an'Andriamanitra izy.
48 Nony voaesotr'i Simona tao an-tanana ny fahalotoana rehetra ara-pivavahana, dia nametrahany olona mpankato ny lalana i Gezera sady nohamafisiny ny mandany ary nanorenany trano ho azy koa.
49 Ireo olona voahitsoka tao amin'ny toera-mafin'i Jerosalema dia tsy nahazo nivezivezy teo amin'ny faritany manodidina mba hividy na hivarotra zavatra; ka voan'ny mosary mafy ireo, ary maro no matin'ny hanoanana.
50 Niantso vonjy tamin'i Simona izy mba hanao raharaham-pihavanana; dia nekeny tokoa izany. Saingy noroahin'i Simona hiala tao amin'ny toera-mafy ireo; ary ny toerana kosa nodioviny ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra ara-pivavahana.
51 Tamin'ny taona faha-171, volana faharoa sy andro faha-23, dia velom-pihobiana ny Jiosy no niditra tao amin'io toera-mafy io, ka nitondra sampan-drofia sady nanao hira fiderana amam-pisaorana an'Andriamanitra nomban'ny valiha sy kipantsona ary harpa; fahavalo lehibe manko no voafongotra tao Israely.
52 Nodidian'i Simona hankalazaina amin-kafaliana isan-taona izany andro izany.
53 Nohamafisiny ny tamboho teo amin'ny tendrombohitry ny tempoly, teo akaikin'ilay toera-mafy; dia nonina teo izy sy ny ankohonany.
54 Ary hitan'i Simona falehilahy be herimpo i Johany zanany lahy; koa natolony azy ny fifehezana ny andian-tafika rehetra. Ary i Gezera no nataon'i Johany fonenana.
Toko faha-14
1 Tamin'ny taona faha-172 dia novorin'i Demetry mpanjaka ny tafiny; ary nankany Mediao izy haka miaramila mpanampy mba ho entiny miady amin'i Trifona.2 Nony ren'i Arsaky , mpanjakan'i Persia sy i Media, fa niditra ny faritaniny iDemetry, dia nirahiny hanao azy sambo-belona ny iray tamin'ireo jeneraliny.
3 Dia roso ilay iraka; ka ny tafik'i Demetry noreseny, ny tenan'ny mpanjaka kosa nosamboriny ary nentiny ho any amin'i Arsaky sy nataon'io an-tranomaizina.
4 Nandry feizay ny tanin'i Jodea nandritra ny andro rehetra nitondran'i Simona. Nikely aina tokoa izy hampandroso ny fireneny; ka nankasitrahin'ny vahoaka ny fahefana amam-boninahitra nananany tamin'izany androny rehetra izany.
5 vao mainka nitombo voninahitra izy fony nahazo an'i Jopa hataony fitodian-tsambo ka hifandraisany amin'ireo nosin-dranomasina.
6 Nampitatra ny sisintanim-pireneny i Simona sady nahatazona mafy ny faritra nofeheziny
7 ary nampiverina Jiosy maro voasambo-belona an'ady. Azony ny tanana Gezera sy Bety-Tsoro ary koa ny toera-mafin'i Jerosalema, ka nesoriny avokoa ny fahalotoana ara-pivavahana tamin'ireo toerana ireo; ary tsy nisy olona nahatohitra azy.
8 Samy niasa ny taniny amim-piadanana ny vahoaka; ka ny saha nanome vokatra ary ny hazo teny an-demaka nanome voa.
9 Ny anti-dahy, nipetraka teny an-kianja, dia samy niresaka fitomboan-karena; ny tovolahy miakanjo ny fanamiana fanaova-matso sy fitondra an'ady.
10 Namatsy hanina ireo tanana i Simona, ary namonona fitaovam-panamafisana azy, hany ka niely hatrany am-paravazantany ny laza be voninahitra nananany.
11 Namerenany fiadanana indray ny tanindrazany, ka nifaly tamin-karavoana lehibe i Israely.
12 Samy nipetraka nilamina teny ambany voalobony aman'aviaviny avy ny tsirairay, fa tsy nisy olona nampitahotra azy intsony.
13 Nandao ny tanin'i Jodea ny mpanani-bohitra; ary resy avokoa ny mpanjaka fahavalo, tamin'izany andro izany.
14 Notohanan'i Simona ny mahantra rehetra teo amin'ny vahoakany; notandremany ny lalanan'Andriamanitra ary nofongoriny avokoa izay mpanohitra izany sy izay olon-dratsy.
15 Nataony mamirapiratra indray ny tempoly ary nohamaroiny ny fanaka masina.
16 Rehefa re tany Roma sy hatrany Sparta mihitsy aza fa hoe maty i Jonatana, dia nalahelo mafy ny mponin'ireo tanana ireo.
17 Ary nony fantany fa hoe i Simona rahalahiny no mpisorombe nandimby azy sy nifehy ny tanin'i Jodea mbamin'ny tanana ao aminy,
18 dia naka takelaka halimo ireo ary nanoratra ho any aminy hanavao ny fanekem-pivavahana nataony tamin'i Joda sy tamin'i Jonatana rahalahiny
19 Novakina teo anatrehan'ny vahoaka rehetra tafangona tao Jerosalema ny taratasy,
20 ary izao no kopian'ireo nalefan'ny Sparsiata: -Izahay, lehiben'ny Sparsiata sy mpiray tanana, no manoratra aminareo sy miarahaba anareo, ry Simona mpisorombe sy ry loholona mbamin'ny mpisorona sy ny vahoaka jiosy manontolo mpiray firenena aminy.
21 "Voaresak'ireo masoivoho nalefanareo ho aty amin'ny firenenay ny haja amam-boninahitra anananareo; sady nahafaly anay ny famangiany anay.
22 Ary ny teniny dia nosoratanay ao amin'ny raki-tsoratry ny firenenay toy izao: I Nomeniosa zanakalahin'i Antiokosa ary koa i Antipatera zanakalahin'i Jasona dia masoivohon'ny Jiosy, ka tonga taty aminay hanavao ny fisakaizana aminay."
23 Sitraky ny vahoakanay ny nandray an'ireo lehilahy ireo tamim-pomba manetriketrika sy ny nametraka ny kopian'ny lahateniny ao anatin'ny bokim-panjakana mba hitazonan'ny vahoaka sparsiata ny fahatsiarovana azy. Ary ny kopian'izao zavatra izao dia nosoratana ho an'i Simona mpisorombe."
24 Taorian'izany no nalefan'i Simona ho any Roma i Nomeniosa mba hanamafy ny fiaraha-miasa amin'ny Romanina; nitondra ampinga volamena lehibe milanja 44 kilao i Nomeniosa tamin'izay.
25 Nony nandre ireo zava-nitranga ireo ny vahoaka jiosy, dia nanao hoe: -Inona no mari-pankasitrahana hatolotsika an'i Simona sy ireo zanany?
26 Fa samy naneho herimpo tsy mety ketraka na ny tenan'i Simona na ireo rahalahiny na ny ankohonan-drainy ka niady tamin'ny fahavalon'i Israely mba hampiala azy ary nanao izay hahazoantsika fahafahana. Dia nisy teny nosokirin'ny Jiosy tamina takelaka halimo maromaro ka nahantony tamin'ireo andry tao an-tendrombohitraTsiona,