1 Makabeo

Toko faha-11

58 Nandefasany vazy volamena sy fanaka fomban-databatra koa izy, sady nomeny lalana hisotro amina tsatokaty volamena, ary koa hitafy jaky sy hitondra jaigrafy volamena.

59 I Simona rahalahiny kosa notendren'i Antiokosa ho mpitari-tafika amin'ny faritany eo anelanelan'ny Fiakaran'i Tiro sy ny sisin-tanin'i Ejipta.

60 Niainga i Jonatana tamin'izay, ka nitety ny faritany manontolo andrefan'i Eofrata ary nifindrafindra tanana. Nivory homba azy sy hiara-miady aminy avokoa ny miaramila rehetra tany Siria. Tonga tao Askelona izy, ka notsenain'ny mponina tamim-pomba manetriketrika.

61 Avy teo izy dia nankany Gaza ; saingy nanidy vavahady teo anoloan'i Jonatana ny mponina, ka sady nataony fahirano ny tanana no namaboany sy nodorany ny tanana madinika manodidina azy.

62 Koa nitaraina tamin'i Jonatana ny olona tao Gaza; dia nekeny ny hihavana tamin'ireo, nefa nalainy ho antoka ny zanakalahin'ny lehibeny ka nalefany ho any Jerosalema. Noteteziny toy izany ny tany hatrany Damasy.

63 Ren'i Jonatana tamin'izay fa tonga ao Kedesa any Galilea ireo jeneralin'i Demetry sady nitondra tafika goavana hisakanana azy amin'ity asa tontosainy.

64 Koa niroso i Jonatana hifanehatra aminy, fa i Simona rahalahiny no napetrany tao Jodea.

65 Lasa nankany Bety-Tsoro i Simona nanodidina azy sy nanao fahirano azy naharitra andro maromaro.

66 Nangata-pihavanana taminy ny voafahirano ka nekeny; saingy nasainy nivoaka ny tanana ireo, dia noraisiny ho azy i Bety-Tsoro ka nametrahany andia-miaramila.

67 I Jonatana sy ny tafiny kosa nitoby teo akaikin'ny farihin'i Genesareta. Ny ampitsovao maraina no nidirany tao amin'ny lemak' i Hatsora.

68 Ary indreo ny miaramila hafa firenena tamy hitsena azy teo amin'io lemaka io, sady nandefa otrika teo an-tendrombohitra hamelezana an'i Jonatana. Ny ankamaroan'ny fahavalo no nandroso hanehatra azy teo anoloana,

69 fa nipoitra tampoka kosa ny otrika avy ao am-piereny ka nisantatra ady.

70 Dia vaky nandositra ny miaramila rehetra mpomba an'i Jonatana; tsy nisy nijanona afa-tsy i Matatia zanakalahin'i Absaloma ary koa i Joda zanakalahin'i Kalfy, samy jeneralin-tafika.

71 Tamin'izay i Jonatana dia nandriatra ny fitafiany sy nanosim-bovoka ny lohany ary nivavaka.

72 Avy eo izy vao lasa indray niady tamin'ny fahavalo ka nanosika azy hihemotra sy nampandositra azy.

73 Nahita izany ireo mpitsoaka ady nandao an'i Jonatana dia niverina taminy indray ka niara-nanenjika ny fahavalo hatrany Kedesa nisy ny tobiny; dia izy ireo indray no tonga nitoby tamin'io toerana io.

74 Nisy vatan-dehilahy andiany telo ireo miaramila hafa firenena no maty tamin'izany andro izany; ary niverina ho any Jerosalema i Jonatana.

Toko faha-12

1 Hitan'i Jonatana fa nanambina azy ny toe-javatra; ka nifidy olona izy nalefany tany Roma mba hanamafy sy hanavao ny fihavanan'ny Jiosy amin'ny Romanina.

2 Nandefasany taratasy araka izany tanjona izany koa i Sparta sy ny tanana hafa.

3 Ary nankany Roma ireto iraka, dia niditra tao amin'ny Antenimieran-doholona, ka nanao taminy hoe: -I Jonatana mpisorombe sy ny firenena jiosy no naniraka anay ho aty aminareo mba hanavao ny fihavanana amam-pifanekenareo aminy toy ny teo aloha.

4 Dia nomen'ny Antenimieran-doholona taratasy ireto iraka mba ho an'ny manampahefana romanina any amin'ny isan-tanana ho lalovany; ka hataon'ireo manampahefana ireo izay hiverenan'ny iraka soa aman-tsara any Jodea.

5 Izao kosa no kopian'ny taratasy nalefan'i Jonatana ho an'ny mponin'i Sparta:

6 "Izaho Jonatana mpisorombe sy ny loholom-pirenena ary ny mpisorona mbamin'ny vahoaka jiosy ankoatr'ireo no manoratra aminareo havanay monina ao Sparta ary koa miarahaba anareo.

7 Tany aloha dia efa nisy taratasy noraisin'i Onia mpisorombenay; i Areiosa, izay nanjaka taminareo fahiny, no nandefa io taratasy io ka nilaza fa havanay ianareo, araka ny voaporofon'ny kopia etsy ambanin'ity taratasiko ity.

8 Noraisin'i Onia tamim-pomba manetriketrika ny iraka reo; ary noraisiny koa ilay taratasy milaza mazava ny fiaraha-miasa sy fisakaizana.

9 Efa manana ny boky masina eo am-pelatananay izahay ho fiononam-po, ka tsy voatery hila izany zavatra izany,

10 saingy niezaka nandefa iraka taty aminareo ihany izahay hanavao ny fifankatiavana amam-pisakaizana ifamatorantsika, mba tsy ho zary olon-kafa aminareo izahay; taona maro manko izay no efa lasa, hatramin'ilay nandefasanareo iraka taty aminay.

11 Izahay aloha, amin'ny fotoana rehetra, dia tsy mitsaha-mahatsiaro anareo fony manolotra sorona sy mivavaka na amin'ny fety fankalazanay na amin'ny andro masina hafa, araka izay mety sy tokony hahatsiarovan-kavana.

12 I falianay koa ny lazanareo,

13 saingy izahay no hodidinin-doza maro amam-pamelezana tsy an-kijanona ary iadian'ireo mpanjaka manodidina anay.

14 Tsy satrinay tamin'izany ny nanahirana anareo sy ireo mpiara-miasa aminay ary sakaizanay hafa koa.

15 Fa manana ny vonjy avy amin'Andriamanitra hanampy anay izahay; ka dia Izy no manafaka anay sy manetry ny fahavalonay.

16 Kanefa nofidinay i Nomeniosa zanakalahin'i Antiokosa ary koa i Antipatera zanakalahin'i Jasona, ka nirahinay ho any amin'ny Romanina mba hanavao ny fisakaizana sy fiaraha-miasa nifanaovanay fahiny taminy."

17 Nohafaranay izy roa lahy hankaty aminareo koa mba hiarahaba anareo sy hitondra ny taratasinay momba ny fanavaozana ny fihavanantsika.

18 Ary ankehitriny, dia ny mamaly anay ny amin'izany no mety hataonareo.

19 "Izao no kopian'ny taratasy efa nampitondraina taloha tamin'i Onia:

20 Izaho Areiosa, mpanjakan'i Sparsiata, no manoratra aminao, ry Onia mpisorombe, ary miarahaba anao."

21 Misy tahirin-tsoratra momba ny Sparsiata sy ny Jiosy nahitana fampihavana ny firenena roa tonta ary samy taranak'i Abrahama.

22 Ka amin'izao ahalalantsika an'izany izao, tsara ho anay ny anoratanareo ny amin'ny toe-karenareo.

23 Fa izahay kosa dia manoratra aminareo hoe: Anareo ny biby fiompinay sy ny fanananay tahaka ny maha anay ny biby fiompinareo sy ny fanananareo. Noho izany, omenay baiko ny irakay hanao filazana araka izany aminareo."

24 Nahare i Jonatana fa niverina hamely azy ny jeneralin'i Demetry, mitondra tafika lehibe lavitra noho ny teo indray.

25 Ka niala tao Jerosalema i Jonatana, dia lasa nisehatra azy tao amin'ny faritr'i Hamata ; fa tsy navelany ho afa-kitsofoka amin'ny taniny akory ireo.

26 Nandefa mpitsikilo ho any an-tobin'ny fahavalo i Jonatana; ka nony tafaverina ireo, dia nilaza fa nikasa hanao sovok'ady amin'ny alina ny tafika sirianina.

27 Nony lentika ny masoandro, dia nodidian'i Jonatana ireo mpomba azy mba hiari-tory ka hitam-piadiana tontolo alina ho vonon-kiady; ary nandefa sany mpitily koa manodidina ny toby israelita.

28 Ren'ny fahavalo kosa fa mivonon-kiady i Jonatana sy ireo mpomba azy, ka raiki-tahotra mafy izy; nivadi-po ny tafika sirianina, dia nandrehitra afo teo an-toby ary lasa nandositra.

29 Maraina ihany vao fantatr'i Jonatana sy ireo mpomba azy ny zava-nitranga, satria hitany nirehitra hatrany ny afo.

30 Dia lasa nanenjika ny fahavalo i Jonatana, nefa tsy nahatratra azy intsony fa efa tafita ny ony Eleotera ireo.

31 Tamin'izay i Jonatana dia nihodina hamely an'ireo Arabo atao hoe Zabadeanina; noreseny ireo ary nobaboiny ny fananany.

32 Avy teo izy dia nankany Damasy sady nitety ny faritra manontolo.

33 I Simona koa teo an-daniny dia niainga hiantafika sy nandroso hatrany Askelona sy hatrany amin'ireo trano mimanda mifanila aminy; dia nihodina nankany Jopa izy sy nitana an'io tanana io,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.0461