Bena-SirĂ ka

Toko faha-32

19 Aza manao zavatra tsy amim-pandinihana, dia tsy hanenina ianao rehefa vita izany.

20 Aza mandeha amin'ny lalana be vato misakantsakana ianao, mba tsy ho tafintohina amin'ny toerana misy azy.

21 Aza matokitoky foana ny lalana mitovy tantana;

22 ary mitandrema tena ianao ny amin'ny zanakao.

23 Amin'izay rehetra ataonao, dia mitandrema tena satria fitandremana ny didin'Andriamanitra koa izany.

24 Izay mitoky amin'ny Lalanadia miezaka hitandrina ny didy; ary izay matoky ny Tompo dia tsy hiharam-pahavoazana.

Toko faha-33

1 Izay manaja ny TOMPO dia tsy hisy ratsy hanjo azy; fa ho vonjeny hatrany izy isaka izay fitsapana mihatra.

2 Ny olon-kendry tsy mba mankahala ny Lalana; fa izay mihatsaravelatsihy amin'izany kosa dia tahaka ny sambo asian'ny tafio-drivotra.

3 Mitoky amin'ny tenin'ny TOMPO ny olona mahira-tsaina; ary ho azy ny Lalana dia mendrika hitokiana tahaka ny valintenin'ny Orima sy ny Torima.

4 Omany ny teninao, dia ho henoina ianao; angony ny fahalalanao, vao mamaly ianao.

5 Ny fihetseham-pon'ny olona adala dia mivadibadika toy ny kodiaran-kalesy; ary ny fomba fisainany kosa dia haingam-pihodina toy ny lahin-tangerina.

6 Ny sakaiza mpanamavo namana dia manahaka ny lahin-tsoavaly izay maneno amin'ny olona rehetra mitaingina azy.

7 Nahoana moa ny andro anankiray no manan-danja kokoa noho ny andro iray hafa, kanefa samy avy amin'ny masoandro ihany ny fahazavan'ny andro tsirairay mandavantaona?

8 Tao an-tsain'ny TOMPO no nanavahana azy ireo: eny, Izy no nandahatra ny fizaran-taona sy ny fankalazana;

9 ka ny andro sasany nasandrany sy nohamasininy, fa ny sasany kosa nataony ho anisan'ny andro tsotra.

10 Eny, avy amin'ny vovotany ny olombelona rehetra sady avy amin'ny tany rahateo koa no namoronan'Andriamanitra an'i Adama ;

11 kanefa tamim-pahendrena lehibe no nanaovan'ny Tompo azy ireo ho samy hafa sy nampandehanany azy isan-tokony amin'ny lalana samy nalehany avy.

12 Ny olombelona sasany notahiny sy nasandrany, ny sasany natokany ho afaka manakaiky Azy; fa ny hafa kosa nozoniny sy naetriny ary naongany hiala amin'ny toeran'izy ireo.

13 Tahaka ny tanimanga eo an-tanan'ny mpanefy ka azony volavolaina araka izay itiavana azy; toy izany koa ny olona eo an-tanan'Ilay nanao azy ka ho valiany araka izay heveriny ho mety.

14 Eo anatrehan'ny ratsy ny tsara; eo anatrehan'ny fahafatesana ny fiainana; toy izany koa ny olona mpanota dia eo anatrehan'ny olona tia vavaka.

15 Diniho araka izany avokoa ary ny asan'Ilay Avo Indrindra, fa mifanindrana tsiroaroa izy ireo ka ny iray mifanohitra amin'ny iray hafa.

16 Izaho kosa no farany niari-tory handinika tahaka ny mpitsimpona voaloboka aorian'ny mpioty;

17 fa noho ny fitahian'ny TOMPO dia niroso teo alohan'ny mpioty aho, ka nameno ny famiazam-boaloboko tahaka an'ireo mpioty ireo koa.

18 Hevero fa tsy ho an'ny tenako ihany no nanaovako fikelezana aina fa ho an'izay rehetra mitady fanabeazana.

19 Mba henoy aho ary anongilano sofina, ry lehiben'ny vahoaka sy ry filoham-pivoriana.

20 Na zanaka, na vady, na mpiray tampo, na sakaiza, dia aza misy omem-pahefana aminao, raha mbola velona aina koa ianao; ary aza afoy ho an'ny hafa ny fanananao, fandrao hanenina ianao ka hangataka azy indray.

21 Raha mbola velona sy manam-pofonaina ianao, dia aza avela hisy olona hanjakazaka aminao;

22 fa aleo ny zanakao no hangataka aminao, toy izay ianao no hanaraka ny baikon-janakao.

23 Amin'ny zavatra rehetra ataonao, dia aoka ianao no ho tompon'andraikitra; ary aza avela ho voatohintohina ny lazanao.

24 Rehefa tonga ny andro farany iainanao sy ny fotoana hahafatesanao, vao mizara fananana amin'ny mpandova.

25 Ny vilona sy ny kapoka ary ny entana no anjaran'ny boriky; fa ny hanina sy ny famaizana ary ny asa kosa no anjaran'ny mpanompo.

26 Ampiasao ny mpanomponao, dia hanam-pitsaharana ianao; fa raha avelanao hanao izay tiany izy, dia hitady fomba handosirana.

27 Mampiondrika ny vozom-biby ny zioga sy ny lamboridy; ary mamolaka ny mpanompo ratsy fanahy ny fampijaliana amam-pangirifiriana.

28 Iraho hiasa ny mpanomponao mba tsy hipetraka hidonana-poana,

29 satria ny fidonanahampoana dia mampianatra haratsiana maro.

30 Ampanaovy raharaha izy araka izay sahaza azy ; ary raha tsy manaiky izy, dia vesaro gadra. Kanefa aza mitaky mihoatra ny mety, na amin'iza na amin'iza, ary aza manao na inona na inona mifanohitra amin'ny rariny.

31 Raha mpanompo iray ihany no anananao, dia ento tahaka ny tenanao izy,fa herim-ponao no nahazoanao azy; raha io iray io ihany no anananao, dia ento tahaka ny rahalahinao izy , fa tahaka ny ainao no hilanao azy.

32 Raha ratsy fitondra azy ianao, ka lasa mitsoaka mandositra izy,

33 dia aiza no lalan-kalehanao hitady azy ?

Toko faha-34

1 Fanantenam-poana sy mamitaka no andrandrain'ny olona tsy misaina; ary ny nofy no mampisidina ny ketrina.

2 Toy ny misambotra aloka na manenjika rivotra ny olona manao ny nofy ho zavatra.

3 Tandindon-javatra no hitan'ny olona amin'ny nofy; tahaka ny sarin-tavany eo anoloan'ny tena tavany.

4 Inona no madio mety hipoitra avy amin'ny maloto , ary inona no marina mety hipoitra avy amin'ny lainga ?

5 Zava-poana ny sikidy sy ny fanandroana ary ny nofy; zava-poana toy izany koa ny anjoanjon'eritreritra izay ataon'ny vehivavy manaintaina mihetsi-jaza.

6 Raha tsy hoe nofy avy amin'ilay Avo Indrindra no nirahina mba hizahana toetra anao, dia aza avela hifantohan'ny fonao izany;

7 satria efa namitaka olona maro ny nofy ary lavo izay nanankim-panantenana taminy.

8 Lavorary ny Lalanan'Andriamanitra ka tsy misy fisolokiana toy ireny; ary lavorary koa ny fahendrena izay aloaky ny vava mahatoky.

9 Mahalala zavatra maro ny olona nitety tany; ary ny efa voasedra no miteny amim-pisainana.

10 Izay olona tsy mbola voasedra dia ho kely fahalalana,

11 fa izay efa nitety tany no manavosa haren-tsaina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.0421