Bena-SirĂ ka

Toko faha-30

25 Ny fo mirana dia manampy hazotohomana sady mampifantoka tsara amin'ny sakafo.

Toko faha-31

1 Mampahia olona ny tsy fahitan-tory ateraky ny harena; ary manala torimaso rahateo koa ny fanahiana azy.

2 Na dia ny ho rendremana fotsiny aza dia sakanan'ny ahiahim-piambenana mova tsy ny aretina mafy mampandositra torimaso.

3 Milofo hampiavosa fananana ny mpanankarena; ary, rehefa miala sasatra izy, dia mivoky fahafinaretana.

4 Milofo hiaina mitsitsy foana ny mahantra; ary, rehefa miala sasatra izy, dia manjary sahirana.

5 Izay tia volamena dia tsy ialam-pahotana; ary izay fatra-pitady tombony dia ho entin'izany ho amin'ny lala-mania.

6 Betsaka no efa natolotra ho rava noho ny fankamamiam-bolamena, ary tonga teo anoloan'ireo ny fahaverezana ;

7 satria fandrika tokoa ny volamena ho an'ireo olona fatra-pitady azy ary ny tsy misaina rehetra dia voaringany.

8 Sambatra ny mpanankarena izay hita tsy manan-tsiny ary tsy mba nidodododo nitady volamena:

9 Iza moa izy mba hankalazantsika azy hoe sambatra? Fa nanao fitondrantena mahagaga izy teo anivon'ireo olona iray karazana aminy.

10 Iza no efa nozahan-toetra ny amin'izany ka nahatozo hatramin'ny farany? Ho foto-pireharehana ho azy tokoa izany! Iza no afa-nandika ny lalanan'Andriamanitra na koa afa-nanao ratsy, kanefa tsy nanao?

11 Dia ho voaorina mafy ny fananany, ary ho tanisaina eo am-pivoriana ny fiantrany.

12 Raha tafapetraka anoloan'ny latabatra be zava-tsoa, dia aza mitanatana vava ny amin'izany ianao ka ho loa-bolana hoe: "Sakafo be tokoa ireto!"

13 Aza hadinoina fa toe-dratsy ny manana maso liana. Fa inona moa no zava-boaary ratsy kokoa noho ny maso? Izany no itomaniany amin'ny toe-javatra isan-karazany.

14 Aoka ny tananao tsy hatsotranao amin'izay sakafo efa voatilin'ny mpifanila aminao, fandrao hifandona ao amin'ny loviabe ny tananareo!

15 Aoka ho hainao vinanina ny fanirian'ny namanao; ka amim-pisainana no anaovy ny fihetsikao rehetra.

16 Hano amim-pahalalam-pomba ny zavatra aroso eo anoloanao; ary aza misamontsamona ianao, fandrao dia hamparikoriko ny olona.

17 Aoka hitsahatra voalohany ianao noho ny maha tsara taiza anao; ary aza dia miseho ho tsy afa-po, fandrao mahasosotra olona ianao.

18 Raha tafapetraka hisakafo miaraka amin'ny maro ianao, dia aoka tsy hanatsotra tanana handray alohan'ny hafa!

19 Zavatra kely monja dia ampy ho an'ny olona tsara taiza: izany no tsy mahasempotsempotra azy eo am-pandriany.

20 Izay misakafo mahalala onony dia omban'ny torimaso mahasoa; mifoha maraina izy sady mavitri-tsaina. fa an'izay tsy mahalala voky kosa ny fijaliana vokatry ny tsy fahitan-tory, ary koa ny fandoavana sy ny areti-mandalo.

21 Raha noterena hihinam-be loatra ianao, dia mitsangana ka mandehana mandoa, ary hahazo fahamaivamaivanana ianao.

22 Anaka, henoy ange aho ary aza vingavingainao, dia ho hitanao any amparany any fa marina ny teniko: mahalala onony amin'izay rehetra ataonao, dia tsy hisy aretina hianjady aminao.

23 Izay malala-tanana amin'ny fanasana ataony dia hodokafan'ny vavan'ny olona rehetra, ka izany no porofo azo antoka fa nahafoy be izy.

24 Izay mahihitra amin'ny fanasana ataony dia himonomononan'ny iray tanana, ka izany no porofo mitombina fa mahihitra izy.

25 Aza manao dontolahy amin'ny divay, satria efa nahavery olona maro izy io.

26 Ny lafaoro no isedrana ny hamafin'ny vy haofana ; toy izany koa ny divay no izahan-toetra ny fo, rehefa mifanditra ny samy mpiavonavona.

27 Tahaka ny aina ho an'ny olona ny divay, raha sotroiny araka ny tokony ho fatrany. Fiainana inona moa no an'izay tsy manan-divay? Satria ny hifalian'ny olona no nahariana azy.

28 Maharavo ny fo sy mahafaly ny fanahy ny divay, raha sotroina amin'ny fotoana mety sy amin'ny antonony.

29 Toetra masiaka kosa no ateraky ny divay nosotroina tafahoatra, fa sady mampitabataba olona no mampivembena azy.

30 Ny fihetseham-pon'ny olona tsy misaina dia ampitomboin'ny hamamoana haningotra azy; sady mampihena ny heriny izany no mahatonga fandratrana azy.

31 Amin'ny fanasana itosahan'ny divay, dia aza mandevilevy namana ianao na mamingavinga azy ao anatin'ny fifaliany; aza anaovanao teny fanalam-baraka izy ary aza terenao amin'ny fitakian-trosa.

Toko faha-32

1 Raha voatendry hitarika ny fanasana ianao, dia aoka mba tsy hieboebo amin'izany fa ho tahaka ny anankiray amin'ny mpihinana ; karakarao aloha ny toeran'ireo, vao mipetraka ianao.

2 Eny, rehefa vitanao avokoa ny andraikitrao, dia maka toerana amin'izay ianao mba hifalianao mahita ny mpihinana afa-po ary koa hahazoanao satroboninahitra noho ny fandaharanao tsara ny fanasana.

3 Mitenena, ry loholona, satria tandrifinao izany; mitenena araka ny fahalalana marina anananao, kanefa aza sakantsakananao ny mozika.

4 Rehefa mihaino mozika ny olona, dia aza manao kabary lava ianao ary aza manampatra ny fahendrenao amin'ny fotoana tsy sahaza izany.

5 Tahaka ny fitomboka vato soa menanapetraka amina firavaka volamena, toy izany koa ny mozika tsara rindra miaraka amina fanasana itosahan-divay.

6 Tahaka ny tombokase emeralda napetraka amina tahom-bolamena, toy izany koa ny feo mozika miaraka amina divay matsiro.

7 Mitenena, ry zatovo, raha tokony hataonao izany, saingy rehefa niangaviana indroa misesy ianao.

8 Fintimpintino ny kabarinao ka hahalaza be amin'ny teny vitsy; aoka ho toy ny mpahalala ianao kanefa koa mahay mahatam-bava!

9 Rehefa eo ampovoan'ny lehibe ianao, dia aza mihevi-tena ho mitovy aminy; ary amin'ny toerana misy loholona, dia aza manao be filaza loatra ianao.

10 Tselatra no mialoha ny kotrobaratra; toy izany koa fankateleman'ny hafa no mialoha ny olona mandanjalanja.

11 Rehefa tonga ny fotoana, dia mitsangana ary aza milasilasy ho farany eo ianao; modia faingana any an-tranonao ary aza mitaredretra eny an-dalana.

12 Any ianao no aoka hikorana sy hanao araka izay irinao, kanefa aza manota amin'ny teny be rehaka!

13 Ary noho izany rehetra izany, misaora an'Ilay nahary anao sady mampitobaka zava-tsoa ho anao.

14 Izay manaja ny TOMPO no handray anatra; ary izay mitady Azy dieny vao maraina no hahazo ny fanambinana avy aminy.

15 Izay mandinika ny Lalanany no hahazo fahafaham-po, fa ny mpihatsaravelatsihy ho tafintohina aminy.

16 Izay manaja ny TOMPO dia hahita ny hitsiny ary hampamirapiratra ny rariny hoatra fanilo.

17 Manda fananarana ny olona mpanota, fa mahita fialan-tsiny hanao ny sitrapony.

18 Ny olona izay tsara fanome torohevitra dia tsy manadino na oviana na oviana ny handinika; fa ny tsy mpivavaka sy ny mpiavonavona kosa dia tsy misy tahotra hampiahotra azy akory.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9523