Bena-SirĂ ka

Toko faha-29

3 Tano ny teninao ary aoka hahatoky azy ianao, dia ho hitanao mandrakariva izay ilainao.

4 Heverin'olona maro ho toy ny zavatra hitany sy azony tahirizina ho fananany ny zavatra izay nampisamborina azy; ka miteraka fahasahiranana izany ho an'ireo nanampy azy.

5 Hanoroka ny tananao ny mpitrosa ary hanao teny malefaka ny amin'ny fanananao ambara-pahazony ny volanao; kanjo amin'ny fotoana famerenany , dia manao hataka andro izy ka teny fitarainana hatrany no havaliny ary ny andro sarotra no homeny tsiny.

6 Raha mba manan-kaloa ihany ny mpitrosa, dia zara raha ny antsasaky ny nosamboriny no azo ka hataon'ny mpampisambotra ho vintana tsara izany. Fa raha tsy manan-kaloa ny mpitrosa, dia very maina ny fananan'ny mpampisambotra ary tonga fahavalony kosa ity mpitrosa izay hamaly azy ozona sy ompa ary fanesoana ho solom-boninahitra.

7 Koa maro no manda tsy hampisambotra noho izany faharatsian'ny olona izany, fa matahotra izy sao very maina ny volany.

8 Kanefa aoka ianao hahari-po amin'ny ory, ary aza mangataka andro amin'ny fiantrana azy!

9 Aoka ny didin'Andriamanitra no hamonjenao ny sahirana , ary aza ampialanao maina izy noho ny fahantrany !

10 Aoka ianao ho vonona ho very vola hanasoavanao ny mpiray tampo aman-tsakaiza, toy izay hamela vola ho very foana ho harafesina ao ambanin'ny vato!

11 Ampiasao araka ny didin'ilay Avo Indrindra ny harenao , dia hahasoa anao bebe kokoa noho ny volamena izany.

12 Aoka ianao hanidy ny fiantrana vitanao ho ao anatin'ny fitahirizan-drakitrao, fa hanafaka anao amin'ny loza isan-karazany izany ;

13 mihoatra noho ny ampinga mafy sy ny lefona mahery no hiadiany hiaro anao eo anoloan'ny fahavalo.

14 Ny olona tsara fo dia ho mpiantoka ny namany, fa izay efa lany henatra ihany no handao azy.

15 Aza manadino ny soa nataon'ny mpiantoka, fa ny ainy no efa nomeny hisoloanao.

16 Ny mpanota no handany foana ny haren'ny mpiantoka azy

17 ary ny tsy mpankasitraka no handao izay namonjy azy.

18 Ny mitolo-tena ho mpiantoka dia efa nahavery olona maro izay niadana tsara, ary efa nampivembena azy ireo tahaka ny onjan-dranomasina; nahalao monina olona manampahefana izany ary nampirenireny azy tany amin'ny firenen-kafa.

19 Dodona ny mpanota hilatsaka ho mpiantoka, saingy fatra-pitady tombom-barotra loatra izy ka hiharan'ny famelezana any am-pitsarana.

20 Vonjeo ny namanao araka izay zakanao, kanefa tandremo sao mamandri-tena ianao.

21 Ny lohalaharana amin'ny tohan'aina dia ny rano sy ny sakafo ary ny fitafiana mbamin'ny trano hitandroana ny haja.

22 Aleo miaina mahantrahantra ao an-tranon'ny tena toy izay sakafo mandany be any an-tranon'olon-kafa.

23 Aoka hianina ianao, na be na kely anananao , dia tsy handre ny tenanao esoina ho vahiny!

24 Fiainana mampiferinaina ny mitety trano, sady atao vahiny ianao ka tsy mahazo miloa-bava.

25 Hanome hanina amam-pisotro ny tompon-trano ianao, kanefa tsy hahazoanao fankasitrahana akory izany; ary fanampin'izany aza ianao handre teny mangidy hoe:

26 Avia, ry vahiny, amboary ny sakafo; ary raha manan-javatra ianao, omeo ahy ho haniko.

27 Na hoe: "Mandehana any, ry vahiny, omeo ny mendrika azy kokoa ny toerana; hiara-mitoetra amiko ny rahalahiko ka mila ny tranoko aho."

28 Mafy amin'ny olona manan-tsaina ireto zavatra ireto: dia ny fandatsana ataon'ny mpampiantrano sy ny fanalam-baraka ataon'ny mpampisambotra.

Toko faha-30

1 Izay tia ny zanany no mahavatra mikaravasy azy mba hifaliany aminy kosa any am-parany any.

2 Izay tsara fana be ny zanany hahazo fahafaham-po aminy; ary eo afovoan'ny olom-pantany no hireharehany aminy.

3 Izay mampianatra ny zanany dia hahatonga ny fahavalo hialona; ary eo anatrehan'ny sakaizany no hahazoany miravoravo ny aminy.

4 Maty ihany ny rainy nefa toy ny tsy maty , satria tahaka azy ilay navelany rehefa lasa izy.

5 Fony velona ny rainy, dia nahita azy sy nifaly taminy; ary rehefa maty kosa izy, dia tsy nitondra alahelo.

6 Ny zanany no navelany ho mpamaly ny fahavalony ary haneho fankasitrahana an'ireo sakaizany.

7 Izay mampihanta ny zanaka, diambola hamehy fery; ary hangotika ny atiny isaky ny antsoantson-janany.

8 Tonga maditra ny soavaly tsy voafolaka;ary mikorosy fahana ny zaza nampanaranim-po.

9 Raha tambatambazanao ny zanakao, dia hampangovitra anao; raha zatra sangisanginao izy, dia hampitomany anao.

10 Aza miara-mihomehy amin-janaka, fandrao hiaraka ory aminy ianao; ary any am-parany any aza dia hikitro-nify foana ianao.

11 Aoka ianao tsy hamela zanakahanao izay saim-pantany, raha mbola tanora izy; ary aza odian-tsy hita ny hadisoany.

12 Ataovy mangan-tehezana ny zanakao, raha mbola anaty fahazazana; fandrao ho tonga maditra izy, ka tsy hanaiky anao intsony.

13 Beazo ny zanakao ary milofosa hitaiza azy, fandrao ho tonga fandatsana anao ny fitondrantena mahamenatra hataony.

14 Aleo ny mahantra izay salama sy matanjaka, toy izay ny mpanankarena izay saozanim-batana.

15 Aleo salama sy finaritra toy izay hanana ny volamena rehetra; aleo vatana mavitrika toy izay harena tsy hita lany.

16 Tsy misy harena tsara noho ny fahasalamam-batana, ary tsy misy hafinaretana lehibe noho ny hafaliam-po.

17 Aleo maty toy izay velon-dratsy; ary aleo fitsaharana mandrakizay toy izay aretina maharitra.

18 Ny hanim-py aroso amin'ny olona malain-komana dia tahaka ny sakafo atao fanatitra eo ambony fasana :

19 inona no soa azon'ny razana amin'izany? Tsy azony hanina na hamboloina akory ilay sakafo. Toy izany koa no manjo ny olona izay tanahin'ny Tompo amin'ny aretina:

20 mijery dia mijery izay aroso azy izy sady misento, tahaka ny fisenton'ny lehilahy vositra izay mamihina tovovavy virijiny.

21 Aza avela hianjadian'alahelo ny fonao, ary aza mampahory tena amin'ny eritreritrao.

22 Ny hafaliam-po mampateza aina ny olo naary ny firavoany no mahela ny androny.

23 Ario dia ny fanahinao ka ampaherezo ny fonao, ary roahy lavitra anao ny alahelo; satria efa nahafaty olona maro ny alahelo sady tsy misy soa azo rehefa ianjadiany.

24 Ny fialonana amam-pahatezerana no mahafohy andro iainana, ary ny fanahiana no mahatonga fahanterana alohan'ny fotoana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9843