Bena-SirĂ ka
Toko faha-37
26 Ny olon-kendry dia tonga mahatoky eo anivon'ny mpiray firenena aminy, ary haharitra mandrakizay ny lazany.27 Anaka, tsapao toetra ny tenanao raha mbola velona koa ianao; hevero izay maharatsy io tenanao io ka aza omena azy mihitsy izany.
28 Tsy sahaza ny besinimaro ny zava-drehetra sady tsy ary ho sitraky ny olon-drehetra.
29 Aza fatra-pitady ny hanim-py isan-karazany ary aza dia fandrombandrombaka sakafo,
30 satria ny hanina be loatra miteraka faharisarisana ary ny fisesehan-tsakafo dia mahatonga areti-mandalo.
31 Nahafaty olona maro ny fisesehan-tsakafo, fa izay mitandrina kosa ho lava andro iainana.
Toko faha-38
1 Omeo ny haja tandrify azy ny dokotera, satria ilainao izy sady noarin'ny Tompo koa.2 Eny, ilay Avo Indrindra no iavian'ny fahasitranana ary Izy Mpanjaka no ahazoanao io fanomezana io.
3 Ny dokotera kosa afa-mirehareha amin'ny fahaizany; ary igagana azy izany eo anatrehan'ireo lehibe.
4 Ny TOMPO no nahary ny fanafody vokatry ny tany, ka tsy manao ireny tsy ho zavatra ny olona misaina.
5 Tsy tapa-kazo iray ve no nampiasain'i Mosesy hahatonga ny rano ho azon'ny vahoaka sotroina , ka hahafantarany ny herin'Andriamanitra?
6 Notolorany fahaizana koa ny olona mba hanome voninahitra Azy amin'ny asa mahagaga vitany.
7 Ny mpanamboatra fanafody no mampiasa ireny asa mahagaga vitan'ny Tompo ireny mba hanaovana zavatra mifangaroharo; dia entin'ny dokotera kosa izany hitsaboana sy hanalefahana ny fanaintainana; ka mitohy ny asa faharian'Andriamanitra, sady Izy no iavian'ny fahasalamana eran-tany.
9 Anaka, raha marary ianao, dia aza manao tsirambina; fa mangataha amin'ny Tompo, dia hositraniny ianao.
10 Mitsahara amin'ny fahotanao, ary izay hitsiny no aoka hataonao; aoka hodiovinao ny fonao ho afaka amin'ny heloka isan-karazany!
11 Raha zakan'ny fari-panananao izany, dia vovo-javamanitra sy lafarinina tsara indrindra no aoka ho entinao hatolotra ny Tompo mba ho fampahatsiarovana ho Azy ; dia andraraho menaka ny fanatitrao.
12 Avy eo omeo toerana ny dokotera fa noarin'ny Tompo koa izy; ary aoka tsy hohalaviriny ianao, satria misy ilanao azy!
13 Misy ihany ny fotoanandro izay ahombiazan'ny tanany,
14 satria hivavaka amin'ny Tompo koa izy mba hanome fahombiazana azy hahatonga fitoniana sy fahasitranana ka hanalava ny andro iainan'ny olona.
15 Izay manota eo imason'ny Mpahary azy no aoka ho latsaka eo an-tanan'ny dokotera!
16 Anaka, itomanio tokoa ny maty; ary aoka hanao fidradradradrana ianao toy ny olona efa iharan-doza lehibe! Dia ataovy amin'ny nofon'ny maty izay fandevenana tandrify azy ary aza atao tsirambina ny fasany.
17 Mitomania fatratra ary mamoaha sento mafy; manaova fisaonana araka ny sahaza ny maty, indray andro na indroa andro mba tsy hisian'ny vava ratsy; dia mionona hampisava ny alahelonao.
18 Fa mety hahatonga fahafatesana ny alahelo; ary mampihena ny hery ny alahelon'ny fo.
19 Rehefa ory mafy ny tena dia mihombo ny alahelo; ka izay miaina toa olo-mahantra dia toa mahatsapa ho voaozona.
20 Aza avela ho difotr'alahelo ny fonao, roahy izy ary hevero ny hiafaranao.
21 Aza hadinoina izao: ny maty tsy hiverina intsony; ka tsy hahasoa azy ny fahorianao sady hanimba ny tenanao.
22 Tsarovy izay zavatra nihatra taminy, satria toy izany koa no hihatra aminao: ny azy omaly fa ny anao rahampitso.
23 Ao anaty fitsaharana ny maty, ka atsaharo ny fieritreretana azy; ary mionona ianao ny aminy, satria efa lasana ny fanahiny.
24 Ny fahendrena dia azon'ny mpahalala azy noho ny fananany fotoana hisainana; ary izay kely asa herehina no hihahendry.
25 Ahoana moa no hahatonga hendry ny mpiasa tany mitana angadinomby? Ny ireharehany dia ny mampandihy lefona fanindronana , sy ny miroaka omby ary ny lany andro mampiasa azy; ny hany foto-dresany dia momba ny vantotr'ombalahy.
26 Ny hanao vavasa no ifantohan'ny fony; ary ny hampahazo vilona ny vantotr'ombivavy no mba mahatonga azy hiari-tory.
27 Toy izany koa ny mpandrafitra hazo sy ny mpanorin-trano izay samy manao ny raharahany andro aman'alina; ohatra ny mpisikotra marika amin'ny tombokase dia tsy sasatry ny manovaova endri-javatra; ny hamoaka ny sary alain-tahaka no ifantohany ary ny hahavitana taozavatra lavorary no mba mahatonga azy hiari-tory.
28 Toy izany koa ny mpanefy vy izay mipetraka eo anilan'ny riandriana sy mandinika ny akoram-by hotefeny; mampitsonika hatsembohana azy ny eton'afo ary miaritra ny hafanan'ny lafaoro izy, mampaharenin-tsofina azy ny fikatrokatroky ny tantanana ary dinihin'ny masony ny fanaka izay alain-tahaka; ny hamitana taozavatra lavorary no ifantohan'ny fony, ka ny mandambolambo izany ho lavorary no mba mahatonga azy hiari-tory.
29 Toy izany koa ny mpanefy tanimanga izay mipetraka eo anilan'ny taozavatra efainy sy manodinkodin-kodiarana amin'ny tongony; ny taozavatra tontosainy no ahiny lalandava, ary isa voafetra no tratrarin'ny asany isan-karazany ;
30 ny tanany no amolavolany ny tanimanga izay efa nohosihosen'ny tongony mba halemy; ny mandambolambo ny asany no ifantohan'ny fony ary ny fanadiovana ny lafaoro no mahatonga azy hiari-tory.
31 Ireo olona rehetra ireo dia mitoky amin'ny tanany ary samy manam-pahaizana amin'ny asany avy.
32 Raha tsy misy azy ny olona, tsy hahaorina tananana ho afaka honina ao na hivezivezy ao; kanefa tsy mba hakana hevitra izy eo amin'ny antenimieram-bahoaka,
33 na mba homen-kaja eo amin'ny fivoriana , na mba hitoetra eo amin'ny sezan'ny mpitsara; tsy mba hahafantatra na hampamirapiratra ny fotopototry ny fahaizana sy ny rariny izy, ary tsy mba ho hita mihitsy eo anivon'ireo lehibe.
34 Kanefa ny zava-boaary no hamafisiny eto amin'izao tontolo izao ; ary ny hamitana ny raharahany no anaovany fivavahana.
Toko faha-39
1 Hafa noho izany kosa izay mampifantoka ny fony handinika ny lalanan'ilay Avo Indrindra ka mianatra ny fahendren'ntaolo rehetra ary manokana ny fotoana malalaka hieritreretana ny hafatr'ireo mpaminany.2 Halatsany ao am-pony ny tantaran'ny olo-malaza ary ho takariny ny fanoharana saro-pantarina.
3 Hianarany ny hevi-miafin'ny oha-bolana ary handaniany andro ny fanoharana misy ankamantatra.
4 Koa eo afovoan'ny lehibe no hanompoany, ary eo anatrehan'ny mpanapaka no hisehoany; izy no halefa hankany an-tany hafa, satria samy efa tsapany avokoa ny lafy tsara sy lafy ratsy eo amin'ny olona.
5 Mazoto fo tokoa izy raha vao maraina mba hankeo amin'ny Tompo Izay nahary azy, ka hivavaka eo anatrehan'ilay Avo Indrindra; eny, hisoka-bava hiloatra tonombavaka izy ary hanao fifonana noho ny fahotany.
6 Raha sitrak'ilay TOMPO lehibe izany, dia ho feno ny fanahy fahiratan-tsaina izy, hamafy mikararana ny teny fahendrena, ary hanome saotra ny Tompo amin'ny fivavahany.
7 Hitsiny no izoran'ny heviny sy ny fahaizany; ary ny zava-miafin'ny Tompo no ho eritreretiny.
8 Hampiseho ny fampianarana nanofanana azy izy, ka ny hireharehany dia ny lalana izay mirakitra ny fanekem-pihavanan'ny Tompo.
9 Maro no hidera ny fahiratan-tsain'ny mpahay lalana, ary tsy ho hadinoina na oviana na oviana izany; tsy mba ho levona ny fahatsiarovana azy ary haharitra ny lazany eo amin'ny taranaka mifandimby.
10 Ireo firenena hitanisa ny fahendreny, ary ny fiangonana hanambara ny fiderana azy.
11 Raha mbola velona izy, dia hamela laza mihoatra noho ny an'ny olona arivo hafa; ary raha maty izy, dia ampy azy izany.