Genesỳ

Toko faha-4

21 Nisy rahalahiny natao hoe Jobala, io no razamben'ireo rehetra mpitendry kabosy sy mpitsoka sodina.

22 I Tsila kosa dia niteraka an'i Tobala-Kaina izay mpanefy ny zava-maranitra rehetra vita amin'ny varahina na vy. Ny anabavin'i Tobala-Kaina dia i Nahama.

23 Hoy i Lameka tamin'ny vadiny: -Ry i Hada sy i Tsila o, henoy aho! Ry vadin'i Lameka, atongilano ny sofinareo amin'ny teniko: Namono nahafaty olona aho satria nokapohiny, ary namono nahafaty tovolahy aho satria noratrainy.

24 Raha valiana fito heny izay mahafaty an'i Kaina, dia hovaliana 77 heny kosa izay mamono mahafaty an'i Lameka.

25 Ary i Adama sy ny vadiny dia mbola nanan-janaka iray hafa koa, ka ny anarany dia nataon'i Eva hoe Seta, satria hoy izy hoe: -Nomen'Andriamanitra zanakalahy hafa indray aho ity ho solon'i Abela izay novonoin'i Kaina ho faty.

26 Ary i Seta kosa niteraka lahy nantsoiny hoe Enosa. Hatreo vao nivavaka tamin'Andriamanitra ny olona ka niantso Azy hoe TOMPO.

Toko faha-5

1 Ity no lisitry ny taranak'i Adama: Tamin'ny andro naharian'Andriamanitra ny olombelona, dia nataon'Andriamanitra manahaka Azy ny olombelona.

2 Lehilahy sy vehivavy no nahariany azy, dia nitsodrano azy Izy ka niantso azy hoe olombelona tamin'ny andro nahariany azy.

3 Rehefa feno 130 taona i Adama, dia niteraka zazalahy manahaka azy sy mitovy endrika aminy ary nantsoiny hoe Seta.

4 Taorian'ny nahaterahan'i Seta, dia mbola velona nandritra ny 800 taona i Adama, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy maro.

5 Nisy 930 taona ny andro rehetra niainan'i Adama, dia maty izy.

6 Rehefa feno 105 taona i Seta, dia niteraka an'i Enosa.

7 Taorian'ny nahaterahan'i Enosa, dia mbola velona nandritra ny 807 taona i Seta, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy maro.

8 Nisy 912 taona ny andro rehetra niainan'i Seta, dia maty izy.

9 Rehefa feno 90 taona i Enosa, dia niteraka an'i Kenana.

10 Taorian'ny nahaterahan'i Kenana, dia mbola velona nandritra ny 815 taona i Enosa, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy maro.

11 Nisy 905 taona ny andro rehetra niainan'i Enosa, dia maty izy.

12 Rehefa feno 70 taona i Kenana, dia niteraka an'i Mahalalela.

13 Taorian'ny nahaterahan'i Mahalalela, dia mbola velona 840 taona i Kanana, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy maro.

14 Nisy 910 taona ny andro rehetra niainan'i Kenana, dia maty izy.

15 Rehefa feno 65 taona i Mahalalela, dia niteraka an'i Jerada.

16 Taorian'ny nahaterahan'i Jereda, dia mbola velona nandritra ny 830 taona i Mahalalela, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy maro.

17 Nisy 895 taona ny andro rehetra niainan'i Mahalalela, dia maty izy.

18 Rehefa feno 162 taona i Jereda, dia niteraka an'i Henoka.

19 Taorian'ny nahaterahan'i Henoka, dia mbola velona 800 taona i Jereda, ary niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy maro.

20 Nisy 962 taona ny andro rehetra niainan'i Jereda, dia maty izy.

21 Rehefa feno 65 taona i Henoka, dia niteraka an'i Metosela.

22 Ary niara-nandeha tamin'Andriamanitra i Henoka, ka taorian'ny nahaterahan'i Metosela dia mbola velona 300 taona izy ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy maro.

23 Nisy 365 taona ny andro rehetra niainan'i Henoka.

24 Niara-nandeha tamin'Andriamanitra izy; ary tsy hita izy satria nalain'Andriamanitra ho any aminy.

25 Rehefa feno 187 taona i Metosela, dia niteraka an'i Lameka.

26 Taorian'ny nahaterahan'i Lameka, dia mbola velona nandritra ny 782 taona i Metosela ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy maro.

27 Nisy 969 taona ny andro rehetra niainan'i Metosela, dia maty izy.

28 Rehefa feno 182 taona i Lameka, dia niteraka zazalahy,

29 ary ny anarany nataony hoe Noa, fa hoy izy hoe: -Ity no hampionona anay amin'ny asa mafy sy ny fahasahirananay noho ny nanozonan'ny TOMPO ny tany.

30 Taorian'ny nahaterahan'i Noa, dia mbola velona 595 taona i Lameka, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy maro.

31 Nisy 777 taona ny andro rehetra niainan'i Lameka, dia maty izy.

32 Efa 500 taona i Noa raha niteraka an'i Sema sy i Hama ary i Jafeta.

Toko faha-6

1 Ary rehefa nanomboka nihamaro ny olona teto ambonin'ny tany ka niteraka zazavavy maro,

2 dia hitan'ireo zanakalahin'andriamanitra fa tsara tarehy ireny zazavavy ireny, ka nifidianany izay ho vadiny.

3 Koa hoy ny TOMPO hoe: Tsy hitoetra mandrakariva ao amin'ny olona ny Fanahiko noho ny faniasiavany; amin'ny maha nofo azy dia ho 120 taona ny andro iainany.

4 Tamin'izany fotoana izany no nisian'ireo rapeton'olona goavambe teto an-tany, ary mbola nisy koa aza tonga taty aoriana izay teraka avy tamin'ny fifanambadian'ireo zanakalahin'andriamanitra sy ny zanakavavin'ny olombelona. Izy ireny no olo-mahery sady lehilahy nanan-daza fahagola.

5 Ary hitan'ny TOMPO fa nitombo haratsiana ny olombelona teto an-tany, ka ny faniriana rehetra tao am-pony dia nirona ho amin'ny ratsy ihany mandavanandro.

6 Koa nanenina IZY ary nalahelo ny fony tamin'ny nanaovany ny olombelona teto ambonin'ny tany.

7 Dia hoy IZY hoe: Hofoanako tsy hisy ambonin'ny tany ny olombelona izay noariko sy ny biby rehetra na lehibe na kely, hatramin'ny voro-manidina, satria manenina Aho tamin'ny nanaovako ireo.

8 Fa i Noa kosa nahita famindrampo teo imason'ny TOMPO.

9 Izao no tantaran'i Noa: i Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny tamin'ireo mpiara-belona taminy, fa niara-nandeha tamin'Andriamanitra.

10 Telo lahy ny naterak'i Noa, dia i Sema sy i Hama ary i Jafeta.

11 Teo anatrehan'Andriamanitra dia efa nihalo ny mponin'ny tany sady feno herisetra.

12 Nijery Izy ka indro feno fahalovana ny tany, satria ny olombelona rehetra tambonin'ny tany no efa nanimba ny fitondrantenany avy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.8792