Genesỳ

Toko faha-2

20 Dia nomen-draolombelona anarana ny biby fiompy rehetra sy ny voro-manidina rehetra ary ny bibidia rehetra, kanefa tsy hitany izay mpanampy sahaza azy.

21 Ary ny TOMPO Andriamanitra nahatonga an-draolombelona ho sondrian-tory sy ho renoka, dia nalainy ny taolana iray tamin'ny tehezany ka nosoloany nofo.

22 Izany taolan-tehezana nalainy tamin-draolombelona izany no namboarin'ny TOMPO Andriamanitra ho vehivavy izay nentiny teo amin-draolombelona.

23 Tamin'izay dia hoy raolombelona hoe: Ity ahay mba mitovy amiko, fa taolana avy amin'ny taolako ity sady nofo avy amin'ny nofoko; hatao hoe vehivavy ity, satria lehilahy no nanalana azy.

24 Izany no handaozan'ny lehilahy ny rainy sy ny reniny ka hifikirany amin'ny vadiny, ary hanjary tena iray ihany izy roa.

25 Ary nitanjaka ny lehilahy sy ny vadiny nefa tsy nahalala henatra.

Toko faha-3

1 Ary ny bibilava no fetsy indrindra, tamin'ny bibidia rehetra nataon'ny TOMPO Andriamanitra. Hoy izy tamin-dravehivavy: -Marina ve fa noraran'Andriamanitra tsy hihinana ny voan'ny hazo rehetra ao an-jaridaina ianareo?

2 Dia namaly ny bibilava ravehivavy hoe: -Azonay hanina ihany ireo voankazo ao an-jaridaina,

3 afa-tsy ny voan'ny hazo eo afovoan'ny zaridaina izay efa nandraran'Andriamanitra anay tsy hohanina na hokasihina akory, fandrao mahafaty anay.

4 Hoy kosa ny bibilava taminy: -Tsy ho faty tsy akory ianareo!

5 Saingy fantatr'Andriamanitra fa amin'ny andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ary ho tonga tahaka an'Andriamanitra ianareo ka hahalala ny tsara sy ny ratsy.

6 Ary hitan-dravehivavy fa maha te hihinana ny voan'ilay hazo sady mahasarika ny maso no mampitsiriritra hahazoana fahiratan-tsaina. Dia nitoazany ny voany ka nohaniny; ary nomeny koa ny vadiny izay niaraka taminy ka nihinana.

7 Dia nahiratra ny mason'izy mivady ka fantany fa mitanjaka izy. Ary nanjaitra ravin'aviavy izy roa ka nataony sikina ho azy.

8 Ary nony hariva, rehefa nitsoka ny rivotra, dia nandre ny feon'ny TOMPO Andriamanitra nitsangantsangana tao an-jaridaina ralehilahy sy ny vadiny ka niery ny tavany tao anaty hazo.

9 Niantso an-dralehilahy ny TOMPO Andriamanitra ka nanao taminy hoe: -Aiza moa ianao?

10 Dia namaly izy hoe: -Nandre ny feonao tao an-jaridaina aho, dia natahotra fa mitanjaka, koa dia niery.

11 Fa hoy ny TOMPO hoe: -Iza no nampahafantatra anao fa mitanjaka ianao? Moa nihinananao va ny voan'ny hazo izay norarako tsy hohaninao?

12 Dia namaly ralehilahy hoe: -Ny vehivavy izay nomenao ho namako no nanome ahy ny voan'io hazo io, ka dia nihinana aho.

13 Ary hoy ny TOMPO Andriamanitra tamin-dravehivavy: -Nahoana ianao no nanao izany? Fa namaly kosa ravehivavy hoe: -Voafitaky ny bibilava aho ka nihinana.

14 Dia hoy ny TOMPO Andriamanitra tamin'ny bibilava: -Satria nanao izany ianao, dia ozoniko. Amin'ny biby fiompy sy ny bibidia rehetra, dia ianao ihany no handeha amin'ny kibonao, sady hihinana vovo-tany amin'ny andro rehetra hiainanao.

15 Hampifankahalaiko ianao sy ny vehivavy, ary ny taranakao sy ny taranany. Ny tarana-behivavy no hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombalahitongotry ny taranany.

16 Avy eo dia hoy ny TOMPO Andriamanitra tamin-dravehivavy: -Hampitomboiko ny fanaintainanao rehefa bevohoka ianao, ary fahoriana no hiterahanao ny zanakao; ny vadinao no hifatraran'ny fanirianao, nefa izy no hifehy anao.

17 Farany ralehilahy na i Adama dia nilazan'ny TOMPO Andriamanitra hoe: -Satria nihaino ny feom-badinao ianao ka nihinana tamin'ny voan-kazo izay efa nandrarako anao tsy hohanina, dia voaozona ny tany noho ny fahadisoanao; tsy maintsy hiasa mafy ianao mba hahazoanao hanina mandritra ny andro rehetra hiainanao.

18 Fa tsilo sy songosongo no hovokarin'ny tany ho anao; ary anana no hohaninao.

19 Ny hatsembohan'ny tavanao no hihinananao hanina mandra-piverinao amin'ny tany izay nanalana anao. Fa vovo-tany ianao, ka hiverina ho vovo-tany.

20 Ary ralehilahy nanao ny anaran'ny vadiny hoe Eva, izany hoe Aina, satria izy no renin'ny olombelona rehetra.

21 Ary ny TOMPO Andriamanitra nanamboatra akanjo hoditra ho an'i Adama sy ny vadiny ka nampiakanjo azy.

22 Dia hoy ny TOMPO Andriamanitra hoe: Indro ny olombelona fa efa tonga tahaka ny iray amintsika momba ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy; koa ankehitriny, aoka izy tsy haninjitra ny tanany haka ny voan'ny hazon'aina ka hihinana amin'izany, dia ho velona mandrakizay!

23 Noho izany, dia noroahin'ny TOMPO Andriamanitra hiala tao an-jaridainan'i Hedena ny olombelona mba handeha hiasa ny tany izay nanalana azy.

24 Rehefa avy nandroaka ny olombelona Izy, dia nametraka teo atsinanan'ny zaridaina ireo kerobima, izay mitondra sabatra misy lelafo midedadeda mba hiambina ny lalana mankany amin'ny hazon'aina.

Toko faha-4

1 Niraisan'i Adama i Eva vadiny, ka nitoe-jaza. Dia niteraka an'i Kaina izy, ary nanao hoe: Nahazo zazalahy noho ny amin'ny TOMPO aho.

2 Dia mbola niteraka an'i Abela rahalahiny koa izy. Ary i Abela dia mpiandry ondry, fa i Kaina kosa mpamboly.

3 Nony tonga ny fotoam-pahavokarana, dia nitondran'i Kaina fanatitra ho an'ny TOMPO ireo vokatry ny tany.

4 I Abela koa nitondra ireo voalohan-teraky ny ondriny hatao sorona ka nanolotra ny jaborany ho an'ny TOMPO. Ary ny Tompo nankasitraka an'i Abela sy ny fanatiny,

5 fa tsy nankasitraka kosa an'i Kaina sy ny fanatiny; koa tezitra mafy i Kaina sady nanjombona tarehy.

6 Ary hoy ny TOMPO tamin'i Kaina: -Nahoana no tezitra sady manjombona tarehy ianao? Raha manao ny tsara ianao, moa tsy hahatraka?

7 Fa raha tsy izany, dia toy ny biby mamitsaka eo am-baravaranao ny ota. Te hanapaka anao izy, kanefa ianao no tokony hifehy azy.

8 Dia hoy i Kaina tamin'i Abela rahalahiny: -Andeha isika ho any an-tsaha. Nony mby tany an-tsaha izy ireo, dia niantoraka teny amin'i Abela rahalahiny i Kaina ka namono nahafaty azy.

9 Ary ny TOMPO nanontany an'i Kaina hoe: -Aiza moa i Abela rahalahinao? Dia hoy i Kaina hoe: -Tsy fantatro! Moa mpitandrina ny rahalahiko va aho?

10 Fa hoy kosa ny TOMPO hoe: -Inona ity nataonao? Ny feon'ny ran'ny rahalahinao mitaraina amiko avy ao amin'ny tany.

11 Ankehitriny dia manozona anao ny tany izay misokatra hitelina ny ran'ny rahalahinao.

12 Raha hamboly ny tany ianao, dia tsy hanome vokatra ho anao intsony izy; ka dia ho mpitsoa-ponenana sy ho mpirenireny eny ambonin'ny tany ianao.

13 Dia niteny tamin'ny TOMPO i Kaina hoe: -Mavesatra loatra ny heloko!

14 Indro roahinao hiala eo amin'ny tany mahavokatra aho ankehitriny, ka tsy maintsy hiery lavitra Anao; ho mpitsoa-ponenana sy ho mpirenireny eny ambonin'ny tany aho, ka izay rehetra mahita ahy dia hamono ahy ho faty!

15 Fa namaly azy ny TOMPO hoe: -Tsia, fa na iza na iza mamono anao ho faty, dia hovaliana impito heny. Dia nametrahan'ny TOMPO famantarana teo amin'i Kaina mba tsy hisy hamono azy ho faty izay mifanena aminy.

16 Ary niala teo anatrehan'ny TOMPO i Kaina, ka nonina tao amin'ny tanin'i Noda, any atsinanan'i Hedena.

17 Niraisan'i Kaina ny vadiny, dia nitoe-jaza ka niteraka an'i Henoka. Dia nanorina tanana i Kaina, ka nampitondrainy ny anaran'i Henoka zanany lahy.

18 I Henoka no ray niteraka an'i Hirada; i Hirada no ray niteraka an'i Mehojaela; i Mehojaela no ray niteraka an'i Metosaela; ary i Metosaela kosa no ray niteraka an'i Lameka.

19 Nanambady anankiroa i Lameka: ny voalohany dia natao hoe Hada, ary ny faharoa nantsoina hoe Tsila.

20 I Hada dia niteraka an'i Jabala: io no razamben'ireo mpitoetra an-day miaraka amin'ny biby fiompy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.6594