Fahendrena
Toko faha-18
3 Ho solon'ny haizina dia andry afo kosa no nomenao hitarika ny olonao amin'ny lalana tsy fantatra. Io no masoandro tsy mahamay nanaraka azy tamin'izany diany malaza izany.4 Ho an'ireo fahavalony kosa dia mendrika azy ny tsy hanan-kazavana sy ho voagejan'ny haizim-pito, satria ireo no nitana sy nangeja ny zanakao izay tokony handraisan'izao tontolo izao ny hazavana tsy mety maty avy amin'ny Lalananao.
5 Nanapa-kevitra handringana ny zanaky ny olonao masina ireo fahavalon'ny vahoakanao, saingy nisy zaza iray voavonjy na dia efa nariana ho rembin'ny fahafatesana aza. Ho famaizana azy dia zanany marobe no nalainao ka nasainao natelin'ny onjan-dranomasina misamboaravoara avokoa.
6 Efa nahalala mialoha kosa izay hitranga amin'izany alina izany ireo razanay mba hananany herim-po bebe kokoa ny fahafantarana izay fianianana ninoany.
7 Io alina io dia niandrasan'ny vahoakanao ny fanafahana ny olo-marina sy ny fandringanana ny fahavalony.
8 Koa ny famaizana izay namelezanao ny fahavalonay ihany no tonga voninahitray tamin'ny niantsoanao anay ho Anao.
9 Ny mpivavaka taranaky ny olonao masina dia nanao sorona mangingina ka niara-nifanaiky tamin'ny lalanan'Andriamanitra, lalana izay mitaky fa hiombonan'ny olona masina ny soa sy ny loza; ka nohirainy sahady ny hira fideran'ireo razana.
10 Ho setrin'ny feony kosa dia nanakoako ny tabataba misaritaka nataon'ireo fahavalo; ary re hatraiza hatraiza ny fidradradradran'ireo mitomany ny zanany.
11 Mitovy ihany ny famaizana namelezanany andevo sy ny tompo, ary sahala ny fijaliana nahazo ny mpanjaka sy ny vahoaka.
12 Karazam-pahafatesana iray ihany no nahavoa azy rehetra; koa tsy hita isa ny faty ary tsy araky ny velona intsony ny fandevenana azy, fa fongotra vetivety monja ny taranany lalainy indrindra.
13 Ireo Ejiptianina tsy nino noho ny fanaovana majika dia niaiky ny maha zanak'Andriamanitra ny vahoaka Israely, rehefa naringana ny lahimatoany.
14 Raha nisasaka ny alina, dia fanginana amam-piadanana no nanjaka hatraiza hatraiza.
15 Niala tampoka avy teo amin'ny seza fiandrianany tany an-danitra ilay Teninao mahery, ka toy ny mpiady tsy mifaditrovana no niantefany teo anivon'ny tany voaozona;
16 ary ny didinao tsy azo ovana no toa sabatra maranitra narangarangany. Ary nipaka tamin'ny lanitra ny lohany fa ny tongony kosa nitehina tamin'ny tany; koa nitsangana namafy fahafatesana hatraiza hatraiza izy.
17 Tamin'izay dia nanonofy ratsy mampitebiteby tokoa ny olona ka azon-korohoro tsy nampoizina.
18 Dia nitolefika etsy sy eroa toy ny efa ho faty izy ka nilaza ny anton'ny hahafatesany,
19 satria nanambara izany taminy ny nofy nampivadi-po azy, mba tsy hahafatesany tsy mahalala izay anton'ny nijaliany mafy toy izany.
20 Tongan'ny fahafatesana ihany koa ny olo-marina, fa maro taminy no ringana tany an-taniefitra; kanefa tsy naharitra ela akory ny fahatezeranao, Tompo o.
21 Fa nisy lehilahy tsy manan-tsiny nijoro faingana niaro azy ireo ka nandray ny fiadiana maha mpisorona azy, dia ny vavaka sy ny fanolorana vovo-javamanitra fanoneran-keloka. Sahy niatrika ny fahatezeranao izy ka nampitsahatra ny loza ary dia niseho ho mpanomponao.
22 Nandresy ny fahatezeranao izy, saingy tsy tamin'ny fahatanjaham-batana na tamin'ny herin'ny fiadiana; fa ny teny no nentiny nandresy ilay mpampihatra ny famaizanao, ka nahatsiarovany ny fianianana sy ny fanekem-pihavanana nataonao tamin'ireo razanay.
23 Efa nifanongoa ny faty fony i Aharona nanelanelana nisakana izany fandringanana izany ka nanampin-dalana azy tsy hankany amin'ny sisa velona.
24 Fa teo amin'ny akanjo lavany nisy ny efoda no nasehoan-tsary izao tontolo izao; voasokitra tamin'ny vatosoa efatra andalana ny anarana be voninahitr'ireo razamben'ny Israelita; ary ny famantarana ny fiandriananao no teo amin'ny satroboninahiny.
25 Nihemotra ny mpandringana raha nahita izany ka raiki-tahotra mihitsy. Fa na dia ny fahatsapana kely ny fahatezeranao ihany aza manko dia ampy tsara.
Toko faha-19
1 Fa tsy maintsy niharan'ny fahatezeranao tsy misy antra hatramin'ny farany kosa ireo fahavalo, satria fantatrao mialoha, Tompo o, izay zavatra hataony:2 fantatrao fa rehefa navelany handeha ny vahoakanao sady nododonany hiala faingana, dia hiova hevitra indray izy ka hanenjika azy.
3 Koa raha tsy afa-tsaona akory izy fa mbola nitomany teo amin'ny fasan'ireo havany maty, dia nandray fanapahan-kevitra adaladala indray izy ka nanenjika ho toy ny mpandositra ireo efa nitalahoany handeha.
4 Tendry sahaza tsy azo ialana no nanosika azy ho amin'izany fiafarana izany ka nahatonga azy hanadino ny lasa mba ho feno lanja ny famaizana mbola tsy ampy tamin'ny fijaliany taloha.
5 Fa raha nanohy ny diany mahagaga ny vahoakanao, izy kosa nahita fahafatesana manaitra.
6 Fa novana indray hifanaraka amin'ny baikonao ny voaary manontolo araka ny karazany avy mba hiarovana ny zanakao amin'ny loza rehetra.
7 Dia nisy rahona hitanandrakotra ny toby, ary indro tany maina no nitranga teo amin'izay nisy rano; nisy lalana azo naleha teo afovoan'ny Ranomasina Mena ka tonga lemaka maitso mavana ny onja misamboaravoara.
8 Teo no nandalovan'ny vahoakanao iray manontolo, izay narovan'ny tananao sady nanatrika zava-mahagaga sy mahatalanjona.
9 Niely toy ny soavaly eny an-tanimbilona izy ary nifalihavanja toy ny zanak'ondry teo am-piderana Anao, ry Tompo mpanafaka azy.
10 Satria mbola tsaroany ny lasa fony izy nitoetra tany an-tany hafa: fa ny tany, izay mpanome taranaka biby fiompy dia lasa namokatra moka; ary ny ony, izay mpanome trondro, dia namoaka sahona marobe.
11 Taty aoriana dia tarana-borona vaovao koa no hitan'ny vahoakanao; fa raha nentin-kanoanana iny izy, dia nangataka hanim-py:
12 koa mba hahafa-po azy, dia nisy papelika marobe niakatra avy any an-dranomasina.
13 Ary nianjera tamin'ny mpanota kosa ny famaizana taorian'ny tselatra sy ny kotro-baratra mafy izay fambara mialoha. Rariny loatra ny fijalian'ireo Ejiptianina noho ny helony satria fankahalana lozantany no nasehony tamin'ny vahiny.
14 Marina fa fahiny ny mponin'i Sodoma dia tsy nety nampiantrano olon-tsy fantatra. Fa ireo kosa nanandevo ny vahiny izay nanao soa taminy.
15 Nofaizina ihany iretsy voalohany noho ny fiheverany ireo vahiny ho fahavalo, mainka fa ireto:
16 rehefa avy nandray an-kafaliana ny vahiny manko izy sady niantoka fitovian-jo ho azy, dia nampitambesatra asa an-terivozona taminy taty aoriana.
17 Izany no namelezana azy fahajambana, tahaka ny olon'i Sodoma teo am-baravaran'i Lota olo-marina : voasaron'ny haizina mikitroka ireto lehilahy ireto no nitsapatsapa nikaroka ny varavaran'ny tranony avy.
18 Na dia samy manana ny feony aza ny tadim-baliha tsirairay avy, dia afaka mirindra kosa hanome feon-kira isan-karazany. Tahaka izany koa no zava-nisy fahizay: nifandrindra amin'ny fomba vaovao ireo singan-javatra. Hita mazava izany, rehefa dinihina ny zava-nitranga tamin'izay,
19 ny biby an-tanety nanjary biby anaty rano, fa ny biby mpilomano nandeha an-tanety.
20 Vao mainka nirehitra anaty rano ny afo, fa ny rano nanadino ny hamono azy ho faty.
21 Tetsy an-daniny kosa ny lelafo dia tsy nahamay akory ny nofon'ireo biby mareforefo izay nivezivezy teo aminy; ary tsy voaempony koa ilay hanina avy any an-danitra, na dia mitovy amin'ny vongan-dranomandry mora miempo aza.
22 Tompo o, tamin'ny lafiny rehetra no nataonao lehibe sady nomenao voninahitra ny vahoakanao. Tsy mba nataonao tsirambina izy, fa novonjenao mandrakariva hatraiza hatraiza.
Bena-SirĂ ka
Toko voalohany
1 Ny fahendrena rehetra dia avy amin'ny TOMPO ary koa mitoetra miaraka aminy mandrakizay.2 Iza moa no mahisa ny fasika eny amoron-dranomasina sy ny teten-dranonorana ary ireo andron'ny mandrakizay?
3 Iza moa no mahatakatra ny haavon'ny lanitra sy ny haben'ny tany ary ny halalin'ny ranomasimbe?
4 - 5. Voaary talohan'ny zava-drehetra ny fahendrena; efa hatrizay hatrizay no isian'ny fisainana malina.
6 - 7. Iza moa no nanambarana ny foto-pahendrena ary iza no nahalala ny zavatra efany?