Fahendrena
Toko faha-16
3 Koa na dia lian-kihinana aza ireo fahavalonao, dia tsy nazoto homana nahita ireo biby ratsy nalefa hamely azy ; fa ny olonao kosa, na dia sendra tsy fisiana vetivety aza, dia nahazo sakafo matsiro.4 Mosary tsy azo ihodivirana no tsy maintsy nampijaliana ireo mpampahory, fa ampy ho an'ny vahoakanao kosa ny nanehoana ny fampijaliana ireo fahavalony.
5 Marina fa romotra namely ny vahoakanao ny biby misy poizina ka maro no maty voakaikitry ny menarana miolikolika. Kanefa tsy naharitra hatramin'ny famongorana azy ny fahatezeranao.
6 Ho fampitandremana no namelanao azy hitebiteby fotoana fohy, Tompo o; dia nahazo mari-pamonjena izy mba hahatsiarovany ny didin'ny lalananao.
7 Fa izay nitodika tamin'izany marika izany dia sitrana, tsy noho ilay zavatra nojereny akory fa noho Ianao Mpamonjy ny olona rehetra.
8 Koa noporofoinao tamin'ny fahavalonay fa Ianao no manafaka amin'ny ratsy isan-karazany.
9 Ireo moa dia maty voakaikitry ny valala sy ny lalitra, ka tsy hita izay fanafody hamonjena ny ainy, satria mendrika ho faizin'ny biby toy izany izy.
10 Fa ireto zanakao kosa tsy mba resin'ny kaikitr'ireo bibilava misy poizina, satria tonga namonjy sy nanasitrana azy ny fitiavanao.
11 Mba hahatsiarovany ny teninao no nahavoatsindrona azy, kanefa dia nalaky voavonjy izy fandrao hadinony tanteraka izany ka ho very anjara amin'ny soa ataonao izy.
12 Ary tsy mba ahitra na menaka ahosotra, Tompo o, no namerim-pahasalamana azy, fa ny Teninao izay mahasitrana ny rehetra.
13 Satria manam-pahefana amin'ny fiainana sy ny fahafatesana Ianao, ka mampidina hatrany am-bavahadin'ny toeran'ny maty sady mampiakatra avy any indray.
14 Noho ny haratsiam-panahin'ny olona, dia mety hainy ny mamono mahafaty kanefa tsy hainy kosa ny mamerina indray ny aina efa lasa na ny manafaka izay fanahy voagadran'ny toeran'ny maty.
15 Tsy azo atao anefa ny miala amin'ny fahefanao.
16 Koa nokapohin'ny sandrinao mahery ireo hafa firenena izay nanda tsy hahalala Anao fa nianjadian'ny oram-be mivatravatra sy havandra aman'oram-baratra tsy mifaditrovana izy, ary nolevonin'ny afo.
17 Ary ny mahagaga indrindra dia izao: vao mainka niredareda ny afo tao amin'ny rano izay mamono ny zavatra rehetra, satria miady ho an'ny olo-marina izao tontolo izao!
18 Mbetika anefa dia nihamalefaka ny lelafo mba tsy handevona ireo biby nalefa hamely ny tsy mpivavaka ka hahafantarany kosa fa manaraka azy hatrany ny fitsaranao, Andriamanitra o.
19 Mbetika mahery vaika tsy toy ny fahita ny firedaredan'ny afo, na dia ao afovoan'ny rano aza, mba handevona ny vokatra amin'io tany voaozona io.
20 Ny vahoakanao kosa anefa tsy mba toy izany, fa novokisanao hanin' anjely; koa na dia tsy misasatra aza izy, dia nomenao mofo voavoatra avy any an-danitra izay manan-tsiro isan-karazany sady sahaza ny fitiavan'ny tsirairay.
21 Izany sakafo avy aminao izany dia maneho ny halemem-panahinao amin'ireo zanakao sady mifanaraka amin'ny fanirian'izay mihinana azy no mifanentana koa amin'ny fitiavan'ny tsirairay.
22 Fa na dia tahaka ny oram-panala sy ny rano mandry aza izy, dia nahatanty ny afo ka tsy niempo; izany no hahafantaran'ny vahoakanao fa nandevona ny vokatr'ireo fahavalo ny afo izay nirehitra sy nitselatra tao anaty havandra aman'orana.
23 Ho setrin'izany kosa, mba hahafahan'ny olo-marina mivelona, dia nanadino ny maha hery mpandrava azy izany afo izany.
24 Satria ny voaary izay vonon-kanompo Anao Mpahary azy dia manampatra ny heriny hamaizana ny ratsy fanahy, fa milefaka kosa ho fanasoavana ireo matoky Anao.
25 Izany no nanekeny izay mety ho fiovana rehetra ka nanompoany ilay fanomezana avy taminao izay hamelona ny besinimaro araka ny fanirian'izay mila izany.
26 Avy amin'izany, Tompo o, no hianaran'ireo zanakao tianao ireo, fa tsy ny vokatry ny namboleny akory no mamelona ny olona, fa ny teninao no mitahiry ny mino anao.
27 Io sakafo izay tsy mety levon'ny afo io, dia mora miempono ny voataniky ny tana-ma soandro kely fotsiny.
28 Tianao hampianarina hifoha alohan'ny masoandro izahay mba hisaotra Anao sy hivavaka aminao alohan'ny andro miposaka.
29 Fa ny fanantenan'ny olona tsy mahay mankasitraka kosa dia hiempo toy ny fanalan-dririnina sy hanjavona toy ny rano tsy ilaina.
Toko faha-17
1 Tompo o, lehibe sy sarotra hazavaina ny fitsaranao; ka dia izany no nampivaona ny olona tsy nety nianatra ny aminao.2 Ny haratsiam-panahiny no nahatonga azy hihevitra ny firenenao masina ho eo ambany fahefany; koa dia voagadran'ny haizina sy voababon'ny alina tsy misy fiafarany izy ary voahidy aman-tranony ka nivalampatra tao, niery ny fiahianao mandrakizay.
3 Noheveriny fa hitoetra tsisy mpahita ny fahotany miafina, voasarona voaly matevin'ny fanadinoana; kanjo nihahaka ireo olona ireo fa azon-tahotra mafy ary nivarahontsan'ny fahitana mampihoron-koditra.
4 Tsy naharo azy tamin'ny tahotra ny toera-mangina niafenany, fa feo mampatahotra no mirohondrohona manodidina azy ary matoatoa mamohehatra sady maloka endrika no niseho taminy.
5 Na ny afo mahery indrindra aza tsy nampahazava azy ary ny fanjopiakan'ny kintana tsy nahatantera-pahazavana izany alina mahatsiravina izany.
6 Fa afon'arina mirehitra ho azy no sisa niseho taminy ka nameno tahotra azy ; rehefa dify anefa izany fahitana izany, dia vao mainka nihoron-koditra izy ka nihevitra izay hitany ho mbola ratsy kokoa.
7 Fa tsy manan-kery ny fitaka ataon'ny mpanao majika ary tonga henatra ho azy ny fahalalana nihamboany.
8 Nilaza tena ho mahay mandroaka ny horohoro aman-tahotra amin'ny fanahin'olona marary izy, kanjo izy aza mba mararin'ny tahotra mahatsikaiky.
9 Ary na dia tsy nisy zavatra tokony hampahatahotra azy akory aza, ny fandalovan'ny biby sy ny fisiokan'ny bibilava ihany dia mampangitakitaka azy,
10 efa ho fatin'ny tahotra izy ka tsy sahy mijery ao amin'ny maizina izay tsy azony ialana.
11 Fa vavolombelon'ny hakanosany ny faharatsiam-panahy ka manamelo-tena; enjehin'ny eritreriny izy ka tonga misaintsaina ny ratsy kokoa hatrany.
12 Ny tahotra dia tsy inona akory fa fandavana ny fanampian'ny saina.
13 Fa arakaraka ny tsy itokiana izany fanampiana izany ao anaty no vao mainka tsy ahalalana izay mahatonga ny fahoriana.
14 Ireo olona ireo kosa tsy tafandry mandry tamin'izany alina tsy manan-kery sady nipoitra avy any amin'ny fanambanin'ny toeran'ny maty izany, dia toeran'ny maty tsy manan-kery ihany koa.
15 Fa sady nenjehin'ny matoatoa mahatsiravina izy no nivarahontsana very fanahy noho ny tahotra tampoka tsy nampoiziny.
16 Izay olon-kafa tonga teo koa dia samy lavo tamin'ny tany ary voagadra sy voatana an-trano maizina tsisy hidiny.
17 Na mpamboly na mpiandry ondry na mpiasa manao asa mafy any an-kodahoda, dia samy tratry ny loza avokoa, tsy afa-miala amin'izay anjarany.
18 Ny haizim-pito no toy ny gadra namatotra azy rehetra.
19 Nampivarahontsana azy rehefa mety feo reny toy ny fitsokan'ny rivotra, ny hiram-borona mahafinaritra anaty kirihitra, ny firohondrohon'ny rian-dranomahery, ny fidoboky ny vato mikodia, ny rodorodo tsy hita maso fanaon'ny biby mifalihavanja, ny faneron'ny biby masiaka, na koa ny ako averin'ny lavaky ny tendrombohitra.
20 Nohazavain'ny hazavana mamirapiratra ny tontolo ka nanohy miadana ny asa fanaony.
21 Fa ireo kosa voasaron'ny ali-mampahory izay tandindon'ny haizim-pito efa niandry azy. Nefa mbola navesatra taminy mihoatra noho ny haizim-pito aza ny tenany ianjadian'izany.
Toko faha-18
1 Nandritra izany fotoana izany dia nisy hazavana lehibe namirapiratra tamin'ny olonao masina. Ren'ireo Ejiptianina fahavalony ny feony saingy tsy hitany kosa ny tavany; ary satria tsy mba nijaly tahaka azy izy, dia nambarany hoe sambatra.2 Nisaorany koa izy satria na dia nasiana ratsy aza, dia tsy mba nitady hamaly faty; ary nangatahiny famelana izy noho ny nankahalany azy.