Bena-SirĂ ka
Toko faha-4
30 Aoka tsy ho toy ny liona ianao eo amin'ny ankohonanao, kanefa olona kanosa eo amin'ny mpanomponao!31 Aoka ny tananao tsy hivelatra raha handray kanefa hikombona kosa rehefa hamerina.
Toko faha-5
1 Aza miantehitra amin'ny harenao ary aza manao hoe: "Ampy ahy izany!"2 Aza mety ho tarihin'ny fironanao mahery vaika mba hanaraka ny fanirian'ny fonao.
3 Aza manao hoe: "Iza no hanam-pahefana amiko?", satria hiharan'ny sazin'ny Tompoto koa ianao.
4 Aza manao hoe: "Efa nanota aho, kanefa tsy nisy zavatra nanjo ahy!", fa mahari-po tokoa ny Tompo.
5 Aza mitoky loatra havela heloka, hany ka hanampy ota ny ota.
6 Aza manao hoe: "Be hatsarampo Andriamanitra ka hamela ny heloka maro miavosa!", satria samy ao aminy ny indrafo sy ny hatezerana; ary hianjera amin'ny mpanota ny fahavinirany.
7 Aza mitaredretra hiverina amin'ny TOMPO, ary aza mangataka andro isan'andro izao; satria hipoaka tampoka ny fahatezerany, ka ho levona ianao amin'ny andro famaizany.
8 Aza miantehitra amin'ny harena azo tsy an-drariny, fa tsy hahefanao na inona na inona ireny amin'izay andro mahory anao.
9 Aza ny rivotra rehetra no ikororoham-bary ary aza ny lalana rehetra no andehanana toy ny fanaon'ny mpanota miroalela.
10 Miorena mafy amin'ny fihevitrao, ary aoka ho tokan-teny ianao!
11 Aoka hahafaingana anao ny mihaino, fa tsy hahamailaka anao ny mamaly !
12 Raha manan-kevitra ianao no mamalia ny namanao; fa raha tsy izany kosa, tampeno tanana ny vavanao.
13 Na ny voninahitra na ny henatra dia samy ao amin'ny resaka atao; ary ny tenin'ny olona ihany no mety hitarika faharavana ho azy.
14 Aza mitady laza ho mpanaratsy ary aza mamela-pandrika amin'ny fiteny, satria ny mpangalatra no iantefan'ny henatra ary ny mpiroa lela no iharam-panamelohana mafy.
15 Aza disona amin'ny zavatra kely na lehibe.
Toko faha-6
1 Aza mivadika ho fahavalon'ilay sakaizanao taloha, fa ny laza ratsy no mahamenatra sy mahafa-baraka: izany no ho anjaran'ny mpanota miroa lela.2 Aza manandra-tena amin'ny fikasanao, fandrao ny herinao ho montsamontsana tahaka ny ombalahy voarasarasa.
3 Ho toy ny hazo lany ravina sy foana voankazo ianao, hany ka hazo maina sisa no hamelanao ny tenanao.
4 Ny fanirian-dratsy dia mahavery izay manana azy ka mahatonga azy ho fihomehezan'ny fahavalony.
5 Ny teny mamy no mahabetsaka ny sakaiza, ary ny fomba fiteny malemy paika no mampitombo ny fifandraisana tsara.
6 Aoka ho maro izay olona mifampiarahaba aminao, nefa aoka iray monja amin'arivo no ho mpanolotsainao !
7 Raha te hahazo sakaiza ianao, fisedrana azy no aoka hahazoanao azy fa aza mba malaky matoky azy!
8 Misy manko sakaiza manao an'androny, fa tsy ho eo intsony izy amin'ny andro mahory anao;
9 misy koa sakaiza mivadika ho fahavalo, ka hanambara ny adinareo hahamenatra anao;
10 ary misy sakaiza hiara-misakafo aminao, fa tsy ho eo intsony izy amin'ny andro mahory anao.
11 Rehefa ambinina ianao, dia hiray volo aminao izy ka ho sahy hanome baiko an'ireo mpanomponao;
12 raha avy kosa izay hietrenao, dia hanohitra anao izy ary lasa hiery tsy ho hitanao intsony.
13 Aoka ianao hisaraka amin'ny fahavalonao, ary hitandrina ny amin'izay mihambo ho sakaizanao.
14 Ny sakaiza mahatoky dia fiarovana azo antoka, ka nahita raki-tsoa izay nahita azy;
15 tsy misy soa azo atakalo ny sakaiza mahatoky, tsy hay tombanana ny maha sarobidy azy.
16 Ody aina ny sakaiza mahatoky; izay manaja ny Tompo no hahita azy.
17 Izay manaja ny TOMPO no mampahitsy fisakaizana, satria izay toetrany no hotahafin'ilay namany.
18 Anaka, raha vao manomboka ny hatanoranao, dia meteza hanovo fanabeazana ianao; ary hahazoanao ny fahendrena izany, mandra-pahatongan'ny fahanteranao.
19 Aoka hanatona ny fahendrena ianao, ka toy ny mpiasa tany na ny mpamafy no iandraso ny voka-tsoa avy aminy: hisahirananao ihany manko ny mamboly azy, fa vetivety ianao dia hihinana ny vokany.
20 Sarotra tokoa ny mahazo fahendrena ho an'izay tsy manam-panabeazana; ka tsy haharitra mifikitra aminy raha ny olona tsy ampy fisainana:
21 toy ny vato ngeza ny fahendrena ho azy, ka hobatainy hitsapany herin-tena, nefa tsy ho ela akory dia hakifiny.
22 Araka ny anarany tokoa ny fahendrena, ka olom-bitsy ihany no isehoany.
23 Anaka, mba henoy aho ka raiso ny hevitro, ary aza lavinao ny tolotsaina omeko.
24 Ao amin'ny parapaingon'ny fahendrenano aoka hampidiranao ny tongotrao ary ao amin'ny gadrany ny vozonao !
25 Aondreho ny sorokao hibaby ny fahendrena, ary aza sosotra ianao amin'ny fatorany;
26 Aoka ho amin'ny fonao manontolo no hankanesanao eo aminy, ary aoka ho amin'ny herinao manontolo no hanarahanao ny sori-dalany!
27 Ataovy tsongodia izy ary katsaho, fa hiseho aminao ka ho fantatrao; ary rehefa voatazonao izy, dia aza avela ho votsotra.
28 Fiadanana vokatry ny fahendrena no ho hitanao amin'ny farany, ka hanjary fifaliana ho anao izy.
29 Ny parapaingony ho fiarova-mahery ho anao, ary ny gadrany ho fitafiam-boninahitra.
30 Eny, toa firavaka volamena ny ziogany ary toa dantelina volomparasy ny fatorany.
31 Hiakanjoanao toa fitafiam-boninahitra izy ary hisatrohanao ho fehiloham-piravoana.
32 Anaka, raha tianao, dia hobeazina ianao; ary raha miezaka ianao, dia hahay.
33 Raha mazoto mihaino ianao, dia hahazo fianarana; ary raha manongilan-tsofina, dia ho tonga hendry.