Fahendrena

Toko faha-11

25 Ary ahoana no haharetan'ny zavatra iray raha tahiny tsy sitrakao izany; na ahoana no hampisy azy raha tsy nantsoinao ho amin'ny fisiana izy?

26 Kanefa mitsimbina azy rehetra Ianao satria Anao avokoa ireo, ry Tompo mankamamy aina o!

Toko faha-12

1 Fa ny fofonainao tsy mety maty dia ao amin'ny voaary rehetra.

2 Izany no amaizanao miandalana ireo olo-meloka. Anarinao izy ka ampahatsiarovinao ny fahotany mba hialany amin'ny ratsy ka hinoany Anao, Tompo o.

3 Izany koa no efa nataonao tamin'ny mponina taloha teo amin'ny Taninao Masina.

4 Nankahalainao ireo olona ireo noho ny zava-maharikoriko tontosainy: dia fanaovana majika, fombam-pivavahana maloto,

5 famonoan-jaza tamin-kabibiana, ary fanasam-be ihinanana nofon'olona mbamin'ny rany sy ny taovany. Ireo mpahay fomba maizimaizina tra-tehaka eo anivon'ny filerana,

6 ireo ray aman-dreny mpamono zaza izay tsy afa-miaro tena akory dia nokasainao haringana tamin'ny tanan'ny razanay

7 hany ka io tany izay maminao mihoatra noho ny hafa rehetra io dia handray ireo zanak'Andriamanitra ho mponina mendrika honina aminy.

8 Kanefa ireo mponina taloha teo koa dia notsimbininao satria olombelona izy, ka fanenitra no nalefanao hialoha lalana ny tafikao mba ho miandalana ny handringanany azy.

9 Marina fa ireo tsy mpivavaka ireo dia azonao natolotra an'ady teo an-tanan'ny olo-marinana naringana indray maka tamin'ny biby masiaka na tamin'ny didy tsy azo ivalozana.

10 Kanefa miandalana no nampiharanao famaizana mba hahazoan'ireo olona ireo mibebaka, na dia fantatrao aza fa mivaona toetra izy, sady ratsy fanahy hatramin'ny niterahana azy ka tsy hiova fisainana na oviana na oviana,

11 satria taranaka voaozona hatrany am-piandohana ireo. Ary tsy mba noho ny fahatahoranao olona no namelanao ny fahotany ho afa-maina.

12 Koa zovy no ho sahy hilaza aminao hoe: Inona ity nataonao? Iza no hanohitra ny fanapahan-kevitrao? Iza no hitory Anao ho nandringana vahoaka izay noarinao? Iza no sahy hitsangana eo anatrehanao hisolovava ny olo-meloka?

13 Tsy misy manko Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Izay mahakarakara ny zava-drehetra; tsy misy andriamanitra hafa hanehoanao ny fitsarana marina ataonao.

14 Tsy misy koa mpanjaka na mpanapaka sahy nanohitra anao mba hiaro izay nofaizinao.

15 Marina Ianao, Tompo o, ka mitondra izao tontolo izao araka ny fahamarinana; heverinao fa tsy mifanaraka amin'ny herinao ny manameloka izay tsy mendrika ho faizina.

16 Fa ny herinao no loharanom-pahamarinanao, ary satria Tompon'ny zava-drehetra Ianao dia mitondra azy rehetra amin-kamorampo.

17 Izay tsy mino ny fahefana feno anananao no anehoanao ny herinao; ary izay olona mahalala izany kosa dia ataonao mangaihay raha sahy mihantsy Anao.

18 Kanefa noho Ianao mifehy ny herinao, dia amim-pahatoniana no itsaranao ary amin-kamorampo fatratra no itondranao anay. Saingy, rehefa tianao, dia mampihatra fahefana Ianao.

19 Ny nanaovanao izany, Tompo o, no nampianaranao ny vahoakanao fa tokony ho sakaizan'ny olona ny marina; ary nameno fanantenana ny zanakao Ianao satria omenao fahazoa-mibebaka izy, raha manota.

20 Tamin'ny faharetana sy fahononana fatratra no namaizanao ny fahavalon'ireo zanakao na dia mendrika ny ho faty aza izy, fa nomenao fotoana sy andro hialany amin'ny faharatsiana.

21 Fitsimbinana manao ahoana kosa no nitsaranao ny zanakao, satria ny razany efa nomenao fianianana sy fanekem-pihavanana nomban'ny fampanantenana zava-tsoa!

22 Koa ho fanabeazana anay, dia nanarinao tamim-pahononana ny fahavalonay mba hiheveranay ny fahatsaranao rehefa mitsara ny hafa izahay ary hanantenanay ny fitiavanao rehefa tsarainao izahay.

23 Izany, ry Tompo, no nampijalianao izay nitondra tena toy ny hafa firenena tamin'ny fahadalany; ary ny nampijalianao azy dia ireo biby maloto izay nivavahany ihany.

24 Satria efa niriorio loatra tamin'ny lalan'ny hadisoana izy, ka nanao ho andriamanitra ireo biby faran'izay ratsy sy faran'izay maharikoriko, fa nanaiky ho voafitaka toy ny zaza tsy manan-tsaina.

25 Koa tahaka ny atao amin'ny zaza adaladala, dia famaizana manahaka azy no nalefanao taminy.

26 Fa izay tsy niraika akory tamin'izany famaizana maivana izany, dia hiharan'ny sazy sahaza avy amin'Andriamanitra.

27 Sendaotran'ireo biby nampijaly azy izy ary nofaizin'izay nataony ho andriamanitra. Izay vao fantany sy nekeny fa ilay nolaviny tsy ho fantatra fahiny no tena Andriamanitra marina. Izany no nianjeran'ny fanamelohana faran'izay mafy taminy.

Toko faha-13

1 Fahadalana tsotra izao ny an'ny olona rehetra izay minia tsy mahalala an'Andriamanitra. Ny soa hita maso tsy nahafahany nahalala an'Ilay hatrizay ka ho mandrakizay; ary ny fandinihina ireo asany tsy nahafantarany an'Ilay Mpanao azy.

2 Fa izay nataony ho andriamanitra mpitondra izao tontolo izao dia ny afo, ny rivotra, ny tsio-drivotra, ny antokon-kintana, ny rano mivatravatrana ny masoandro sy ny volana.

3 Raha sodokan'ny hatsaran'ireo izy ka nanao azy ho andriamanitra, dia aoka ho fantany fa ny Tompo dia mihoatra lavitra noho ireny; satria Ilay loharanon'ny hatsaran-tarehy no nahary an'ireo zava-boaary ireo.

4 Ary raha talanjon'ny heriny sy ny fahombiazany izy, dia aoka ho fantany amin'izany fa mahery lavitra Ilay nanao azy.

5 Fa ny fahalehibeazana sy hatsaran-tarehy ananan'ny zava-boaary dia mampisaina antsika ny Mpahary azy noho ny fifanahafan'izy roa tonta.

6 Ireo olona ireo, na izany aza, dia tsy azo omen-tsiny be loatra, satria ny fitadiavana an'Andriamanitra sy ny faniriana hahita Azy no mety ho nampivily lalana azy.

7 Hodidinin'ny asan'Andriamanitra izy ka mandinika azy ireny fatratra; sodokan'ny endrika isehoany izy fa tsara tarehy loatra izay hitany.

8 Tsy mahafa-tsiny azy tanteraka anefa izany, satria raha nahazo fahalalana ampy

9 hahafahany maminavina ny fizotran'izao tontolo izao, dia ahoana kosa no tsy nahitany haingana ny Tompon'ireo zavatra dinihiny ireo?

10 Fa mahantra loatra ny olona izay manankina ny fanantenany amin-java-tsy miaina, dia izay miantso ho andriamanitra ny asan-tanan'olombelona: dia ny volamena sy volafotsy voatefy tam-pikaliana sy maneho sarin-java-miainana ny vato tsy ahoan-tsy ahoana saingy voasikotry ny mpahay asan-tanana fahiny.

11 Indro koa ohatra ny mpikapa hazo iray : Nitsofa hazo mora entina izy; dia hodirany amim-pitandremana izany ka amboariny amim-pahakingana ary amoronany fitaovana fampiasa amin'ny fiainana andavanandro.

12 Fa ny ambin-kazo kosa dia hataony kitay hahandroan-kanina hivokisany.

13 Ary ny ambin-kazo iray sisa izay tsy misy ilana azy intsony satria meloka sy feno tonontoniny, dia raisiny sy kapakapainy ho fanalana andro, ary amboariny amim-pahakingana sy fahaizana ka omeny endrik'olombelona

14 na ataony mitovy amin'ny biby ratsy; dia lokoany izany ka hosorany lokomena midorehitra, ary voasarona avokoa ny pentina rehetra taminy.

15 Avy eo dia fonenana sahaza azy no omaniny ka apetrany manolotra amin'ny rindrina ary apetany amin'ny fantsika.

16 Tandremany tsara tsy hianjera izany; fantany manko fa io tapa-kazo io dia tsy mahavonjy tena akory, satria sarin-tsampy mila tohana ihany.

17 Saingy izy rehefa mivavaka ho an'ny fananany na ho an'ny fanambadiany na ho an'ny zanany, dia tsy menatra ny hiteny amin'io zava-tsy miaina io. Amin'izay tsy manan-kery no angatahany fahasalamana;

18 amin'izay maty no italahoany fiainana; amin'izay tsy mahay na inona na inona no itadiavany fiarovana; ary amin'izay tsy afa-mamindra akory no angatahany ny ho tsara dia.

19 Farany, mba hahatsara ny fivelomany sy hampandroso ny raharaha ataony ary hampahomby ny asan'ny tanany, dia amin'izay osa tanana indrindra no angatahany fahatanjahana.

Toko faha-14

1 Olon-kafa indray no miomana hiondrana an-tsambo sy hisedra ny onjamaherin'ny ranomasina; ka tapa-kazo mora vaky noho ny sambo mitondra azy no antsoiny.

2 Fa noho ny fanirian-kahazo tombontsoa no nampaminavina io sambo io, ary ny fahakingan'ny mpahay asan-tanana no nandrafetana azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9792