Fahendrena

Toko faha-9

14 Raha izahay olombelona mety maty manko dia mihambahamba ny hevitray, tsy azo ianteherana ny eritreritray;

15 satria ny fanahinay vesaran'ny vatanay mety lo, ary ny sainay be herehina dia vizan'ity fonony eto an-tany ity.

16 Efa manahirana anay ny maminavina ny zava-misy eto an-tany, ary mananosarotra anay ny mahita ny zavatra antomotra ny tananay; koa iza ary no hahatakatra izay zava-misy any an-danitra?

17 Ary ny sitraponao, Tompo o, iza no mba nahalala izany, raha tsy nomenao ny Fahendrena sy nanirahanao ny Fanahinao Masina avy any ambony any?

18 Izany no nahavoahitsy lalana ny mponina teto ambonin'ny tany, ka nahalalan'ny olona ny sitrakao sy namonjen'ny Fahendrena azy."

Toko faha-10

1 Ny Fahendrena no niaro ny olona voalohany izay noforonina ho rain'ny tontolo, fony izy mbola irery. Avy eo, rehefa nanao fahotana ny olona, dia ny Fahendrena no nanafaka azy tamin'izany

2 sady nanome azy hery hifehezana ny zavaboaary rehetra.

3 Fa nisy olona anankiray tsy marina izay niala tamin'ny Fahendrena noho ny fahatezerany, ka levon'ny haromotany nahafaty rahalahy.

4 Noho ny aminy dia safo-drano ny tany; ka mbola ny Fahendrena ihany no namonjy azy, rehefa nitarika ny olo-marina hamakivaky ny onja tamin'ny sambo hazo tsotsotra.

5 Ary fony ireo firenen-tsamihafa niray tsikombakomba hanao ratsy ka tonga tsy nifankahazo fiteny intsony, dia fantatry ny Fahendrena ilay olo-marina; ka notahiriziny tsy ho azo kianina teo anatrehan'Andriamanitra izy, ary narovany hahery tsy ho resin'ny fitiavan-janaka.

6 Rehefa naringana ny tsy mpivavaka, dia Izy no nanafaka ny marina izay nandositra ny afo niatonta tamin'ireo tanana dimy.

7 Ho vavolombelon'ny haratsiam-panahiny, dia izao no mbola hita ao: tany karankaina sy mivoaka etona, hazo mamoa tsy mety masaka, ary andry vongan-tsira mijoro hahatsiarovana olona iray tsy nino.

8 Nanamavo ny Fahendrena ireny tsy mpivavaka ireny, ka sady tsy afa-nahalala ny tsara akory no namela mari-pahatsiarovana ny hadalany ho an'ny taranak'olombelona ihany koa. Izany no tsy hahavery tadidy ireo tanana ireo ao anatin'ny fahadisoana vitany.

9 Nefa dia nafahan'ny Fahendrena tamin'ny fahoriana rehetra ireo mpanompony.

10 Ilay olo-marina izay nandositra ny fahatezeran'ny rahalahiny, dia ny Fahendrena no nitarika azy tamin'ny lala-mahitsy sy naneho azy ny fanjakan'Andriamanitra ary nampahafantatra azy ny zava-masina. Izy no nampahomby azy tamin'ny fisasarany ka nampitombo ny vokatry ny fiezahany.

11 Nanampy azy koa ny Fahendrena tsy ho voambakan'ny mpampahory mahidy ka nampanankarena azy tamin'ny farany.

12 Nambenany tamin'ny fahavalony izy ary narovany tamin'ny mpamela-pandrika; nomeny fandresena tamin'ny ady mafy izy hampahafantarany azy fa ny fitiavam-bavaka dia mahery noho ny zavatra rehetra.

13 Nisy koa olo-marina namidy ka tsy mba nilaozan'ny Fahendrena fa narovany tamin'ny fahotana.

14 Niara-nidina taminy tao an-davaka izy ary tsy nandao azy am-patorana mandra-panomeny azy ny fahefam-panjakana sy ny fifehezana an'ireo mpamoritra azy fahiny. Noporofoin'ny Fahendrena araka izany fa mpandainga ireo mpiampanga ilay olo-marina; ary izy kosa nomeny voninahitra mandrakizay.

15 Ny vahoaka masina sady taranaka tsy azo kianina dia nafahan'ny Fahendrena tamin'ny firenena izay namoritra azy.

16 Ny mpanompon'ny Tompo anankiray no nidirany tao amin'ny fanahiny; ka mpanjaka mahatahotra no nifanandrinany tamin'ny zava-mahagaga sy famantarana.

17 Nomeny valin-kasasarana ilay vahoakan'Andriamanitra sady notarihiny tamin'ny lalana izay voafafy zava-mahagaga. Ho azy ny Fahendrena dia nanjary toa alokaloka nony antoandro ary toa famirapira-kintana nony alina.

18 Nampamakiny ny Ranomasina Mena izy ary notarihiny lalana teo afovoan'ny fiavosan-drano anankiroa.

19 Fa ireo fahavalony kosa nalentiny ho faty; ka avy any amin'ny fanambanin'ny lalina any no natsipiny ho eny amoron-drano.

20 Koa dia norobain'ny marina ny tsy mpivavaka. Nihira ny anaranao masina izy, Tompo o, ary niara-nankalaza ny herinao niaro azy.

21 Fa nampisoka-bava ny moana ny Fahendrena ary namaha ny lelan'ny zaza madinika.

Toko faha-11

1 Ny Fahendrena dia nanambina ireo asan'ny Israelita noho ny nataon'ny mpaminany masina iray.

2 Namaky taniefitra tsy misy mponina ireo ary nanangan-day tamin'ny toerana izay tsy mbola nodiavina akory.

3 Nahatohitra ny fahavalony izy ary nahatosika izay nifanandrina taminy.

4 Main'ny hetaheta ireo Israelita ka niantso Anao, Tompo o; dia nomenao rano avy amin'ny vatolampy mideza sy fanalana hetaheta avy amin'ny vato mafy.

5 Koa ny zavatra nenti-namaizana ny Ejiptianina fahavalony no tonga fitahiana ho azy kosa tao anatin'ny fahoriany.

6 Ho sazin'ireo nanome didy hampamono ny zaza menavava, dia nolotoinao tamin'ny ra miharo fotaka ny ranon'ilay ony tsy mety ritra.

7 Ny Israelita vahoakanao kosa nomenao ranobe tsy nampoiziny akory.

8 Fa nasehonao tamin'ny hetaheta nahazo azy ny fomba namaizanao ny fahavalony.

9 Tamin'izany fitsapana izany manko, na dia nofaizinao tamim-pamindram-po aza izy, dia nahalala ny hamafin'ny fijaliana mihatra amin'ny tsy mpivavaka tsaraina amim-pahatezerana.

10 Ny olonao dia notsapainao toy ny fananatry ny ray; ny hafa kosa notsarainao toy ny fanameloky ny mpanjaka sarotiny.

11 Niharam-pijaliana avokoa ireo na lavitry ny olona na akaiky azy.

12 Alahelo roa sosona no nahazo azy: nisento izy nahatsiaro ny lasa;

13 ankoatra izany, reny fa ny famaizana nidona taminy dia nody fitahiana ho an'ny Israelita, koa dia tsapany fa tao ny Tompo.

14 Fa ilay nariany fahiny hotandindomin'ny fahafatesana, sy noroahiny tamim-paniratsirana , no nampitolagaga azy tamin'ny farany satria voan'ny hetaheta mafy kokoa noho ny an'ny marina izy.

15 Ny hevitra adaladala vokatry ny haratsian'ireo Ejiptianina no namitaka azy ka nitarika azy hivavaka amin'ny biby mandady tsy manan-tsaina sy amin'ny biby hafa maharikoriko; koa biby marobe tsy manan-tsaina no nalefanao taminy ho famaizana azy.

16 Izany no hahafantaran'ny Ejiptianina fa izay nanotany ihany no hamaizana azy.

17 Tsy nanahirana ny tananao mahery izay nahary izao tontolo izao tamin-javatra tsy misy endrika ny mandefa orsa na liona masiaka aminy

18 na koa biby mahatahotra tsy fantatra vao noarina sady feno haromotana, afaka mamoaka fofonaina afo na manely setroka mamofon-dratsy na mampiasa ny masony handefasana tselatra mampivarahontsana.

19 Tsy nila hamely ny fahavalonao akory ny biby toy ireny mba handringana azy; fa ny fahitan'ny olona azy fotsiny dia ampy hahafatin'ny tahotra azy.

20 Ary na tsy misy an'ireny biby ireny aza, fofonainao indray mitsoka fotsiny dia mahafaty ny fahavalonao, rehefa ho enjehin'ny fahamarinanao sy voafafan'ny fofonainao mahery. Saingy tsy izany, fa ny zavatra rehetra dia voalamindaminao avokoa araka ny fatra aman-drefiny sy araka ny isa aman-danjany.

21 Eo am-pelatananao mandrakariva ny herinao lehibe, Tompo o, ka iza no hahatohitra ny herin-tsandrinao?

22 Eo anoloanao izao tontolo izao dia toy ny vatomizana maivan-kely fampiasa amin'ny lela-mizanana toy ny ranonando indray mitete izay latsaka an-tany amin'ny maraina.

23 Kanefa iantranao avokoa ny olona satria mahefa ny zava-drehetra Ianao, ka tsy mijery izay fahotany mba hitaomana azy hibebaka.

24 Tianao ny zavatra rehetra misy ary tsy misy halanao izay nataonao; fa raha nisy iray nankahalainao, dia tsy ho noarinao akory.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.2412