Fahendrena

Toko faha-7

15 Homen'Andriamanitra ahy anie ny hiteny araka ny hevitra mitombina ary koa ny hanana fisainana mendrika ny fanomezana noraisiko taminy. Fa Izy no mitarika ny Fahendrena sy manoro lalana ny hendry.

16 Eo ambany fahefany isika, dia isika sy ny tenintsika ary ny fahatakaran-javatra sy ny haitao isan-karazany.

17 Izy no nanome ahy fahalalana ny tena zava-misy marina, ka nampahafantatra ahy ny firafitry ny tontolo sy ny asan'ireo foto-javatra ;

18 nampahafantariny ahy ny fizaram-potoana, dia ny fiandohany sy antenantenany ary fiafarany, ny fifandimbiasan'ny fisarahan-taona sy ny fiovan'ny tonontaona,

19 ny fitsingerin'ny taona sy ny toeran'ny kintana,

20 ny fomban'ny biby sy ny fihetsiky ny bibidia, ny herin'ny fanahy sy ny fisainan'ny olona, ny karazan-java-maniry samihafa sy ny herim-panasitranan'ny fakany.

21 Ny zava-miafina sy miharihary dia fantatro avokoa, satria ny Fahendrena mpamorona ny zava-drehetra no nampianatra ahy izany.

22 Fa ao amin'ny Fahendrena dia misy fanahy manan-tsaina sy masina, tokana saingy maro sahanina, kinga sy mihetsiketsika, maninteraka sady tsisy pentina, mazava, tsy miova, sakaizan'ny tsara, mailaka,

23 mahaleo tena, manao soa, sakaizan'ny olona, hentitra, mahatoky, heni-pahatoniana, mahefa ny zavatra rehetra, miambina ny zavatra rehetra, ary maninteraka ny fanahy rehetra, na ny manan-tsaina, na ny madio na ny faran'izay kinga indrindra.

24 Fa ny Fahendrena dia mailaka kokoa noho izay fihetsehana rehetra, ka mamonto ny zava-drehetra sy maninteraka azy noho ny hadiovany.

25 Fofonain'ny herin'Andriamanitra izy, famirapiratana mangarangarana apariaky ny voninahitry ny Tompon'izao rehetra izao, ka tsy tafatsofoky ny zava-maloto.

26 Taratry ny fahazavana mandrakizay izy, fitaratra tsisy pentina ahitana ny asan'Andriamanitra, ary koa endriky ny hatsaram-pony.

27 Na dia irery aza ny Fahendrena, dia mahefa ny zavatra rehetra; na dia tsy miova koa aza izy, dia manavao ny zavatra rehetra. Mamangy ny fanahin'ny olona masina izy, isaky ny taranaka mifandimby, mba hahatonga ireny ho sakaizan'Andriamanitra sy ho mpaminany;

28 satria Andriamanitra tsy mba tia afa-tsy izay mifankazatra amin'ny Fahendrena.

29 Fa mamiratra noho ny masoandro izy ary manoatra noho ny kintana isan-karazany. Manan-tombo lavitra izy raha mitaha amin'ny fahazavan'ny andro;

30 satria dimbiasan'ny alina izany, fa ny Fahendrena kosa tsy mba resin'ny ratsy.

Toko faha-8

1 Hatrany amin'ny isam-bazantany no itaran'ny fahefan'ny Fahendrena; ka mifehy izao tontolo izao amin-kalemem-panahy izy.

2 Ny Fahendrena no tiako sy nokatsahiko hatramin'ny fahatanorako; naniry azy ho andefimandriko aho, ka raiki-pitia tamin'ny bikany.

3 Mampiharihary ny fahamboniam-piaviany izy, satria miara-monina amin'Andriamanitra; ary tia azy ny Tompon'izao rehetra izao.

4 Fa ny fahalalan'Andriamanitra no iombonany ka afa-misafidy ny asany izy.

5 Raha zava-tsoa tokony ho irina ny harena amin'izao fiainana izao, inona no manan-karena kokoa noho ny Fahendrena izay mahavita ny zavatra rehetra.

6 Raha mahavita zavatra ny fahalalantsika, tsy vao mainka manoatra noho izany ve ny Fahendrena izay mpamorona ireo zava-misy?

7 Tia fahamarinana ve ianareo? Izy no mahavokatra ireo hatsaram-panahy, mampianatra ny fahononana amam-pahamalinana ary ny fahamarinana amam-paherezana; tsy misy ilain'ny olombelona kokoa noho ireny amin'izao fiainana izao.

8 Maniry hanam-pahalalana lalindalina kokoa ve ianareo? Fa ny Fahendrena dia mahafantatra ny lasa ary mahay maminavina ny ho avy, mahatakatra ny oha-teny misafelika sy mahavaly ny ankamantatra, mahalala mialoha ny famantarana aman-java-mahatalanjona sy ny fizotran'ny vanim-potoana aman-tononandro.

9 Koa tapa-kevitra aho haka azy ho namana eo amin'ny fiainako; fantatro fa ho mpanolotsaina ahy hanao ny soa izy sady ho mpankahery ahy amin'ny fanahiana sy ny alahelo.

10 Fa hoy aho anakampo hoe: "Ny fahendrena no hahazoako voninahitra eo amin'ny vahoaka sy haja eo amin'ny anti-panahy na dia mbola tanora aza aho.

11 Hahafantatra ny fahiratan-tsaiko ny olona rehefa manao fitsarana aho, ary hitolagaga eo anatrehako ny lehibe.

12 Raha mangina aho, dia hiandry ahy hiteny izy; raha miteny aho, dia hifantoka hihaino izy; ary raha mihalava ny kabariko, dia hitampim-bava ho fanajana ahy izy.

13 Izy no hahazoako ny tsifahafatesana; ka fahatsiarovana mandrakizay no havelako ho an'ny taranaka.

14 Hitondra vahoaka aho, ary hoeken'ireo firenen-kafa.

15 Hatahotra ahy ny mpanjaka lozabe, raha vao mandre ny amiko; halemy fanahy amin'ny vahoakako aho ary hahery fo amin'ny ady.

16 Hiala sasatra eo anilan'ny Fahendrena aho rehefa mody ao an-tranoko, fa tsy mba misy ngidy na alahelo ny fiarahana sy fiombonana aminy, fa fifaliana sy firavoravoana ihany."

17 Nodinihiko tao anatiko tao izany zavatra izany; ary takatro tao am-poko fa hoe: Miantoka ny tsifahafatesana ny firaiketana amin'ny Fahendrena;

18 fahafinaretana lavorary no vokatry ny fisakaizana aminy; harena tsy mety ritra no vokatr'ireo asan'ny tanany; hahazoana fahiratan-tsaina ny fifankazarana tsy tapaka aminy ary hahazoan-daza ny fifandraisana amin'ny teniny. Izany no nivezivezeko nitady tetsy sy teroa izay fomba hahazoana azy ho andefimandriko.

19 Marina fa zaza tsara toetra aho sady nandray fanahy mahafatra-po;

20 na izao angaha: efa mahafatra-po rahateo aho, ka tonga tao amin'ny vatana tsisy loto.

21 Fantatro kosa fa tsy hahazo ny Fahendrena aho, raha tsy omen'Andriamanitra ahy izany; ary ny mahalala ilay fiavian'io fanomezana io dia efa porofon'ny fahiratan-tsaina. Koa nitodika tamin'ny Tompo aho sy nivavaka taminy; ka araka ny foko manontolo no nilazako taminy hoe:

Toko faha-9

1 "Ry Andriamanitry ny razako sady Tompo loharanon'ny famindrampo o, ny teninao no nanaovanao izao rehetra izao,

2 ny Fahendrenao no namboaranao ny olombelona ho Tompon'ny zavaboaarinao rehetra

3 ka hifehy an'izao tontolo izao am-pahamasinana sy am-pahamarinana ary hitsara amim-pahitsiana.

4 Mba omeo ahy ny fahendrena izay miray sezafiandrianana aminao, ary aza esorina tsy ho isan'ny zanakao aho.

5 Mpanomponao manko aho ary zanaky ny mpanompovavinao , olona osa sy fohy andro iainana, tsy ampy fahatakarana ny didy aman-dalana.

6 Fa na misy aza olombelona tanteraka, kanefa tsy manana ny fahendrena avy aminao, dia naman'ny tsinontsinona ihany.

7 Ianao no nifidy ahy ho mpanjakan'ny vahoakanao, ho mpitsaran'ny zanakao lahy sy vavy.

8 Ianao no nandidy ahy hanorina tempoly eo an-tendrombohitrao masina sy alitara ao an-tanana fonenanao araka ny modelin'ny tranolay masina izay nomaninao hatramin'ny voalohany.

9 Eo anilanao ny Fahendrena ka mahalala ny asanao; efa teo izy fony nanao izao tontolo izao Ianao. Fantany izay sitraka eo imasonao sy izay mahitsy araka ny didinao.

10 Ampidino avy any an-danitra masina izy; avy any amin'ny sezafiandriananao be voninahitra no aniraho azy hiasa eo anilako ka hahafantarako izay sitrakao.

11 Mahay ary mahafantatra ny zava-drehetra izy, ka hitari-dalana ahy amin'ny asako araka ny fahamalinana ary hiaro ahy noho ny voninahiny.

12 Koa ho sitrakao ny asako, dia hitsara ara-drariny ny vahoakanao aho ary ho mendrika ny seza fiandrianan-draiko. "

13 "Iza no olombelona afaka hahalala ny sitraponao, Andriamanitra o? Iza no hahatakatra ny fikasanao, Tompo o?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9728