Fahendrena

Toko faha-5

13 Isika koa dia toy ny sambo na ny voro-manidina na ny zana-tsipika. Fa teraka isika, avy eo dia manjavona; ka tsy mba misy azontsika aseho akory izay mariky ny hatsaram-panahy, fa ny haratsiantsika ihany no nandevona antsika."

14 Eny, ny fanantenan'ny tsy mpivavaka dia tahaka ny akofa entin'ny rivotra, na tahaka ny fanala maivana faohin'ny tadio, ho foana toy ny setroka aelin'ny tsio-drivotra izany ary ho levona toy ny fahatsiarovana vahiny izay nihelina indray andro monja.

15 Fa velona mandrakizay kosa ny olo-marina; hanome valisoa azy ny Tompo, ary hiahy azy ilay Avo Indrindra.

16 Avy amin'ny tanan'ny Tompo no handraisany ny fanjakana mamirapiratra sy ny satroboninahitra kanto. Fa ny tanany ankavanana no iarovany azy; ary ny sandriny no anaronany azy toy ny ampinga.

17 Handray ny zotom-pony ho enti-miady Izy ary hampirongo fiadiana ny zava-boaary hamelezana ny fahavalony.

18 Hitafy ny fahamarinana Izy ho akanjo vy fiarovan-tratra, handray ny fitsarana ara-drariny ho satro-by fiarovan-doha,

19 handray ny fahamasinana ho ampinga tsy mety resy,

20 ary hampiasa ny fahatezerany tsy azo ifonana ho sabatra maranitra ; izao tontolo izao koa dia hiaraka amin'ny Tompo hiady amin'ny adala.

21 Tahaka ny zana-tsipika alefa amin'izay ikendrena azy avy amin'ny tsipika voahenjana mafy no hitsoriahan'ny tselatra avy amin'ny rahona ka hiantefany mahitsy amin'ny tanjona.

22 Hilatsaka mivatravatra ny havandra toy ny vato alefan'ny antsamotady. Hisafoaka ny onjan-dranomasina hamely ireo fahavalon'Andriamanitra; ary hanafotra azy tsisy indrafo ny ony.

23 Hifofofofo hamely azy ny rivo-mahery ka hampihahaka azy toa tadio. Dia hiova ho taniefitra ny tany manontolo noho ny tsy fahamarinany; ary ny ratsy nataon'ireo manampahefana ihany no hampiongana ny seza fiandrianany.

Toko faha-6

1 Mihainoa ka mamantara ianareo mpanjaka! Mianara ianareo mpifehy amin'ny tany tontolo.

2 Sokafy ny sofinareo, ry mpitondra vahoaka sy mpirehareha amin'ny fifehezana firenena maro :

3 Aoka ho fantatrareo fa ny Tompo no nanome anareo ny fitondrana ary Andriamanitra Avo Indrindra no nanome anareo ny fahefana ; dia handinika ny asanareo Izy ka hamantatra ny fikasanareo.

4 Koa raha ianareo mpandraharahan'ny fanjakany tsy mba nitsara araka ny hitsiny na nitandrina ny lalanana nandeha araka ny sitrapon'Andriamanitra,

5 dia hitranga tampoka aminareo amin'ny fomba mahatahotra Izy, satria fitsarana tsy azo ivalozana no miandry ireo olona ambony.

6 Ny madinika dia amindrana fo sy avela heloka fa ho henjana kosa ny hijerena ny manampahefana.

7 Tsy hilefitra na amin'iza na amin'iza ny Tompon'ny olon-drehetra ary tsy hampihontsina Azy izay fahalehibeazana, fa samy noariny na ny kely na ny lehibe ka mitovy ny fiahiny azy.

8 Saingy famotorana henjana kosa no hataony amin'ny manampahefana.

9 Koa ianareo mpanjaka no iantefan'ny teniko mba hianaranareo ny fahendrena ka tsy hahasolafaka anareo.

10 Izay mitandrina ny lalana masina amim-pahamasinana manko no hoekena ho masina; ary izay mety hianatra azy no haharo tena amin'ny andro fitsarana.

11 Koa ankamamio sy irio fatratra ny teniko dia hahazo fanabeazana ianareo.

12 Mamiratra tsy mety matroka ny Fahendrena, ka mora tazan'ny olona tia azy ary mora hitan'izay mitady azy.

13 Mitsena izay maniry azy izy ka miseho aminy voalohany.

14 Izay mifoha maraina hitady azy, tsy ho sahirana fa hahita azy mipetraka eo am-baravarana.

15 Ny fifantohana aminy manko no fahatanteraham-pahendrena; ary izay miari-tory noho ny aminy dia halaky afaka ahiahy.

16 Mivezika etsy sy eroa izy mikatsaka izay mendrika azy; miseho aminy amim-pitiavana eny an-dalam-piainany izy ary manampy azy amin'ny eritreriny rehetra.

17 Ny fiandohan'ny Fahendrena dia ny faniriana marina ny hampianariny.

18 Izay maniry hampianariny no tia azy; ny mitia azy no mitandrina ny lalanany; ny mitandro ny lalanany no ahazoana antoka ny tsy fahalovana;

19 ary ny tsy fahalovana no mampanakaiky an'Andriamanitra.

20 Noho izany ny faniriana ny Fahendrena no manandratra ny olona ho tena mpanjaka.

21 Koa raha maminareo ny sezafiandriananareo sy ny fahefam-panjakanareo, ry mpanjakan'ny firenena, dia hajao ny Fahendrena fa hanjaka mandrakizay ianareo.

22 Fa inona no atao hoe fahendrena ary inona no niandohany? Hambarako aminareo izany ary hoborahiko aminareo ny zava-miafina. Hatomboko hatrany am-piandohany ka haharihariko mazava tsara izay tokony ho fantatra ny aminy; ary tsy hivily hiala amin'ny marina aho.

23 Lavitra ahy ny hiara-dalana amin'ny faniriana hitazon-javatra ho ahy irery fa sady toetra mandevona izany no tsy misy iraisany amin'ny Fahendrena.

24 Ny hamaroan'ny hendry kosa dia famonjena ho an'izao tontolo izao; ary ny mpanjaka manan-tsaina dia fanambinana ho an'ny vahoakany.

25 Koa meteza hampianarin'ny teniko ianareo, dia hahita tombon-tsoa amin'izany.

Toko faha-7

1 Olona mety maty tahaka ny rehetra koa aho ary taranaky ny voalohan'olona izay voavolavola tamin'ny tany. Voasokitra ho nofo tao an-kibon-dreniko aho,

2 ka nihamafy tao amin'ny rany nandritra ny folo volana. Ny nipoirako dia ny tsirinain-dehilahy sy ny fahafinaretam-piraisana izay mahasondrian-torimaso.

3 Raha vao teraka ihany koa aho, dia nifoka ny rivotra iaraha-manana; ary latsaka an-tany itoviam-pahoriana aho, ka tahaka ny zazakely rehetra dia tomany no voalohan'antsoko.

4 Nofonosina lamban-jaza aho sady nokenakenaina fatratra.

5 Tsy nisy mpanjaka izay nanam-piandohana hafa noho izany teo amin'ny fiainany.

6 Fa fomba tokana ihany amin'ny olon-drehetra no idirana sy ialana amin'ny fiainana.

7 Izany no antony nivavahako ka nanomezana ahy fahaiza-manavaka. Niantso aho, dia tonga tamiko ny fanahin'ny Fahendrena.

8 Naleoko izany toy izay ny tehim-panjakana sy ny sezafiandrianana; zava-poana amiko ny harena, raha mitaha aminy.

9 Tsy nampitoviko taminy ny vatosoa sarobidy indrindra, satria ny volamena manontolo eran-tany dia fasika kely ihany eo anatrehany ary ny volafotsy dia fotaka ihany raha manoloana azy.

10 Fa tiako noho ny fahasalamana amam-bika ny Fahendrena; ka tapa-kevitra ny hanana azy ho fahazavana aho, satria tsy mba mety lefy ny famirapirany.

11 Raha tonga tamiko ny Fahendrena, dia ny soa rehetra koa no niaraka taminy; harena tsy tambo isaina no teny an-tanany.

12 Nifaly tamin'ireo soa rehetra ireo aho, satria ny Fahendrena no nitondra azy tamiko; kanefa tsy mbola nahalala aho fa hay izy no renin'izany.

13 Izay nianarako tamim-pahatsorana taminy dia tsy mba tazoniko ho ahy irery, fa zaraiko amin'ny hafa; ary tsy mba afeniko ny hareny.

14 Rakitra tsy mety ritra ho an'ny olona izy, ka izay mahazo azy dia tonga sakaizan'Andriamanitra fa mankasitraka izay mianatra aminy izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.944