Fahendrena

Toko faha-3

2 Hoatra ny maty izy eo imason'ireo adala ary tahaka ny loza ny fialany amin'izao fiainana izao;

3 toa fahalevonana ny fanalavirany antsika, kanjo ao amin'ny fiadanan'Andriamanitra izy.

4 Na dia niharam-pahoriana aza izy eo imason'ny olombelona, dia feno tsy fahafatesana kosa ny fanantenany.

5 Maivana anefa ny fahoriany raha mitaha amin'ny fahasambaram-be horaisiny. Nozahan'Andriamanitra toetra izy ka hitany fa mendrika Azy;

6 notsapainy toy ny volamena atao amin'ny memy izy ka sitrany toy ny sorona dorana manontolo natolotra teo amin'ny alitara.

7 Amin'ny fotoam-pitsaran'Andriamanitra, dia hamirapiratra fatratra izy, ary ho tahaka ny pitik'afo hivoivoy amin'ny bozaka sy handoro azy.

8 Ireo olo-marina ireo no hitsara ny firenena sy hitondra ny vahoaka; ary hanjaka aminy mandrakizay ny Tompo.

9 Izay mitoky amin'ny Tompo dia hahafantatra fa azo antoka ny fikasany; izay tsy mivadika aminy no hitoetra eo anilany amim-pitiavana , satria fahasoavana sy antra no an'ny voafidiny.

10 Fa ny tsy mpivavaka kosa handray ny famaizana sahaza ny fisainany, noho izy nanivaiva ny olo-marina sy nanalavitra ny Tompo.

11 Fa loza no miandry izay manao tsinontsinona ny Fahendrena sy ny fampianarany: foana ny fanantenany, tsy mahasoa ny fisasarany, ary tsy ilaina akory ny asany;

12 adala ny vadiny, maditra ratsy ny zanany, ary voaozona ny taranany.

13 Fa sambatra ny vehivavy momba izay tsisy pentina ny fitondrantenany ary tsy mbola nanao firaisana voarara ; Fa hahazo ny valisoan'izany izy amin'ny fitsaran'Andriamanitra ny olona.

14 Sambatra koa ny lehilahy tsy miteraka sady tsy mba nanao ratsy tamin'ny tanany ary tsy nisain-dratsy hanohitra ny Tompo; satria ny toetra mahatoky nasehony dia hanomezana azy fanambinana manokana ary hahazoany anjaram-pahafinaretana ao amin'ny fonenan'ny Tompo.

15 Fa ny ezaka ho amin'ny hatsaram-panahy dia misy vokatra heni-boninahitra; koa izay mifototra amin'ny Fahendrena dia tsy mba hivaona toetra.

16 Ireo zanaky ny fijangajangana kosa dia tsy hivelatra araka ny tokony ho izy; ary ho foana izay taranaka avy amin'ny firaisana tsy ara-dalana.

17 Fa na dia ela velona aza izy ireny, dia tsy horaharahain'ny olona; ary ny fahanterany hatramin'ny farany dia tsy mba hisy hajany akory.

18 Ary raha malaky maty izy ireny, dia tsy mba hanam-panantenanana fiononana amin'ny andro fitsarana.

19 Fa ny taranaka mpanao ratsy dia mampalahelo ny fiafarany.

Toko faha-4

1 Aleo tsy manan-janaka nefa manana hatsaram-panahy, fa tsy ho faty ny fahatsiarovana azy, satria sitrak'Andriamanitra sy ny olona izy.

2 Raha velona eo imaso izy, dia alain-tahaka; rehefa tsy eo intsony kosa izy, dia malahelo azy ny olona ; any amin'ny mandrakizay izy dia mirenty voasatroboninahitra, satria ny fifaninanana nandreseny no ahazoany valisoa tsy mety simba.

3 Fa ny taranaky ny tsy mpivavaka kosa, na dia maro aza, dia tsy vanon-koinona. Toa zana-kazo ratsy izy ka tsy ho latsaka lalina ny fakany ary tsy hiorina mafy ny fotony;

4 fa na maniry sampana fotoana fohy aza izy, dia tsy mafy orina ka ho voahozongozon'ny rivotra ary ho voaongotry ny tadio mifofofofo.

5 Mipika alohan'ny fotoana ny rantsany; manta tsy azo hanina ny voany ka ho very foana, tsy misy ilana azy.

6 Fa amin'ny andro fitsarana, ireo zaza nateraky ny firaisana voarara dia hijoro ho vavolombelona ny amin'ny faharatsian'ny raiamandreniny.

7 Fa ny olo-marina kosa, na dia maty alohan'ny fotoana aza, dia hahita fialan-tsasatra.

8 Natao ho hajaina ny fahanterana; kanefa tsy dia ny fahelavelonana ny hamaroan'ny taona iainana no mahatonga ny olona ho mendri-kaja.

9 Fa ny fahendrena no misolo ny volofotsy ho an'ny olona; ary fiainana tsisy pentina no taom-pahanterana.

10 Fahiny dia nisy lehilahy nahafaly an'Andriamanitra ka tiany. Ary raha niara-belona tamin'ny mpanota izy, dia nafindra an-toeran-kafa.

11 Nesorina anefa izy mba tsy ho simban'ny ratsy ny sainy ary tsy ho voafitaky ny hafetsena ny fanahiny.

12 Fa ny fanangolen'ny rendrarendra dia mahatakona ny soatoavina; ary ny fandrebireben'ny faniriana dia mampihozongozona ny saina mahitsy.

13 Ao anatin'ny fotoana fohy io lehilahy io no tonga amin'ny fahalavorariana ka nahatratra ny fahafenoan'ny elavelona.

14 Sitraky ny Tompo ny fomba fiainany ka izany no nanesorany azy haingana tamin'izao tontolom-paharatsiana izao. Hitan'ny olona izany nefa tsy fantany; ary tsy mba tonga tao an-tsainy izao tarehin-javatra izao :

15 ny fahasoavana sy ny famindrampo dia ho an'ny olom-boafidin'ny Tompo ary mirotsaka an-tsehatra Izy ho fiahiana ny vahoaka voatokana ho Azy.

16 Ny fahafatesan'ny olo-marina dia manameloka ny fahaveloman'ny tsy mpivavaka; ary ny tanora tonga faingana amin'ny fahalavorariana dia manameloka ny olon-tsy marina tratra antitra.

17 Hahita ny fiafaran'ny hendry ny tsy mpivavaka,nefa tsy hahafantatra akory ny fikasan'Andriamanitra ny aminy na ny nametrahany azy amin-toerana azo antoka.

18 Hahita izany ireo ka haneso; kanefa mba hihomehy azy kosa ny Tompo.

19 Ho tonga faty tsy misy hajany izy aorian'ny fahafatesany , ka ho afa-baraka mandrakizay any amin'ny toeran'ny maty. Fa hongotan'Andriamanitra hatrany amin'ny fototra iorenany izy ary havariny mitsingoloka sady tsy hanan-kalahatra akory; ka ho ringana hatramin'ny farany izy ary ho azom-pahoriana mafy, ka tsy hisy hahatsiaro azy intsony.

20 Amin-tahotra no hanatonan'ireo tsy mpivavaka rehefa hampamoahin'Andriamanitra azy ny amin'ny fahotana vitany; ka hitsangana hiampanga azy ny helony.

Toko faha-5

1 Amin'izay ny olo-marina dia hijoro amim-pahatokiana fatratra eo anoloan'izay nampahory azy sy nanamavo ny fikelezany aina.

2 Koa raha mahita azy fotsiny ireo, dia hangitakitaky ny tahotra, sady ankona hahita azy voavonjy tsy araka ny nanampoizany azy.

3 Hanenina be vava ireo ka hifampiteny ary hitoreo amim-pangitaham-po hanao hoe:

4 "Indro ilay nataontsika fihomehezana fahiny sy lasibatry ny fanarabiantsika. Olona tsy nisaina isika nihevitra ny fiainany ho fahadalana ary ny fahafatesany ho fahafaham-baraka.

5 Kanjo indro izy ankehitriny fa isan'ireo zanak'Andriamanitra ka manana anjara eo anivon'ny anjely.

6 Noho izany, isika no naniasia lavitry ny lalam-pahamarinana; tsy mba nanazava antsika ny fahazavam-pahamarinana ary tsy niposaka tamintsika ny masoandrony.

7 Ny lalan'ny tsy fahamarinana sy ny fahaverezana no nizorantsika hanaranam-po; namakivaky ny taniefitra tsisy lalana isika, nefa tsy te hahalala ny sori-dalan'ny Tompo.

8 Inona no soa azontsika tamin'ny avonavontsika sy ny harena izay nireharehantsika?

9 Nandalo toy ny aloka ireny rehetra ireny, ary mora hadino toy ny hafatra izay ampitain'olona mihazakazaka.

10 Mitety onja mahery ny sambo; kanefa tsy hita ny soritry ny fandalovany na ny mariky ny vatan-tsambo eny anivon-drano.

11 Mamakivaky habakabaka ny voro-manidina; kanefa tsy misy hamantarana ny lalan-kizorany, satria kopahiny elatra ny rivo-malefaka ary manezaka mafy izy manavatsava azy; avy eo tsy hita akory ny mariky ny fandalovany.

12 Ny zana-tsipika dia alefa amin'izay kendrena; fa rehefa mikatona ny rivotra notriariny, dia tsy fantatra intsony izay lalana narahiny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.974