Estera Grika
Toko faha-F
6[3] Ilay loharano kely anankiray nanjary ony; dia nisy hazavana sy masoandro, ary nisy ranobe. Ny ony dia i Estera izay nampakarin'ny amperôra ho vady sy nasandrany ho mpanjakavavy. 7[4] Ny dragona anankiroa dia i Hamàna sy ny tenako. 8[5] Ny hafa firenena dia ireo izay nivory hanafoana ny anaran'ny Jiosy; 9[6] ary ny fireneko dia i Israely izay nitaraina tamin'Andriamanitra ka novonjeny. Ny Tompo no namonjy antsika vahoakany sy nanafaka antsika tamin'ireo loza rehetra nananontanona antsika rehetra ireo; ka famantarana sy zava-mahagaga goavana, izay tsy mba nitranga teo amin'ny hafa firenena, no nataon'Andriamanitra ho antsika. 10[7] Izany no nandaharany anjara roa, ny iray ho an'ny vahoakany ary ny iray ho an'ny hafa firenena rehetra. 11[8] Ireo anjara roa ireo dia tanteraka tamin'ny andro sy ora ary fotoana voatendrin'Andriamanitra hamaliana ny hafa firenena rehetra: 12[9] niahy ny vahoakany Andriamanitra ary nanome rariny an'ireo voatokany ho fananany. 13[10] Koa ireo andro anankiroa amin'ny volana Adara ireo, izany hoe ny andro faha-14 sy faha-15, dia hankalazain'ny Jiosy ka hanaovany fivoriana amin-kafaliana sy amin-karavoana eo anatrehan'Andriamanitra. Isaky ny taranaka ho avy dia hatao hatrany hatrany izany eo amin'ilay Israely vahoakan'Andriamanitra.»14[11] Tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Ptôlemeo sy i Kleôpatra, dia i Dôsity, izay nilaza ny tenany fa mpisorona sady taranak'i Levỳ, ary koa i Ptôlemeo zanany lahy no nitondra izany tantara momba ny fetin'ny «Porîma» izany. Nolazain'izy mianaka fa tena ilay rijan-tenin'ny tantara tokoa izany ary i Lisimàka zanakalahin'i Ptôlemeo, izay anisan'ny mponin'i Jerosalema, no nanao ny dikanteniny.
Fahendrena
Toko voalohany
1 Tiava ny fahamarinana, ianareo mpanapaka ny tany. Aoka ho amin'ny saina mahitsy no hiheveranareo ny Tompo, ary ho amin'ny fo tsotra kosa no hitadiavanareo Azy.2 Fa izay tsy mizaha toetra Azy no mety hahita Azy; ary izay matoky Azy no isehoany.
3 Satria ny hevi-petsy mampisaraka amin'Andriamanitra; ary ny fahefany voazaha toetra mampahamenatra ny adala.
4 Tsy idiran'ny Fahendrena ny fanahy mpanao ratsy; ary tsy mba itoerany koa ny vatana andevozin'ota.
5 Izy no Fanahy Masina mpanabe ny olona, ka mandositra ny fihatsarambelatsihy sy manalavitra ny hevitra adala; ary Izy no voailikilika, rehefa miseho ny tsy fahamarinana.
6 Ny Fahendrena dia fanahy tia olona ka tsy mamela ho afa-maina izay miteny ratsy an'Andriamanitra; satria io Andriamanitra io dia vavolombelona mahita ny atifanahiny sy mahafantatra ny fony araka ny marina ary mandre izay lazain'ny lelany.
7 Fa manerana ny tany ny Fanahin'ny Tompo, ka mihazona mafy izao rehetra izao ary mahafantatra ny teny voatonona.
8 Noho izany, tsy misy afa-miery na iza na iza ratsy fiteny; ary tsy ho azony idifiana ny famaizana sahaza azy.
9 Fa hanaovam-pamotorana ny fikasan'ny tsy mpivavaka ka hatrany amin'ny Tompo no ho tafapaka ny akon'ny teniny ho porofon'ny ratsy nataony.
10 Mailo ny sofin'Andriamanitraka mihaino ny zava-drehetra; ary tsy misy tsy reny na dia ny monomonona malefaka aza.
11 Koa fadio ny monomonona tsy amin'antony, tano ny lela mba tsy hanaratsy olona; fa ny teny an-tsokosoko dia tsy maintsy misy fiantraika , ary ny mpilaza endrikendrika dia mahafaty ny tenany ihany.
12 Aza mitady fahafatesana amin'ny fiainana maniasia; ary aza mihantsy fahaverezana amin'ny asan-tananareo.
13 Satria Andriamanitra tsy namorona ny fahafatesana; ary tsy sitrany ny hahavery ny miaina.
14 Nohariny mba hisy manko ny zava-drehetra; ka mahasoa eto amin'izao tontolo izao ny fifandimbiasan-taranaka. Tsy misy poizina mandoza ao aminy; ary tsy mba ny fahafatesana no manjaka eto ambonin'ny tany,
15 satria tsy mety maty ny fahamarinana.
16 Ny fahafatesana kosa no nantsoin'ny tsy mpivavaka amin'ny fihetsiny sy ny fiteniny; misakaiza aminy koa ireo ka fatra-pitia azy ary manao fanekem-pihavanana aminy , ka mendrika ho mpiandany aminy.
Toko faha-2
1 Fa diso hevitra izy raha nifampilaza hoe: "Fohy sady be fahoriana ny fiainantsika; ary tsy misy fanafana intsony ho an'ny olona, rehefa tonga ny fiafarany; sady tsy mbola nisy olona fantatra ho tafaverina avy any amin'ny toeran'ny maty.2 Kisendrasendra no niterahana antsika; ary aorian'izao fiainana izao dia ho tahaka ny tsy nisy akory isika. Setroka ihany ny fofonaintsika; ary ny hevitra dia toa pitik'afo atselatry ny fitepon'ny fontsika
3 Koa raha vantany vao maty izany, dia hiraraka ho lavenona ny vatantsika ary toy ny rivotra tsy hay tazonina no ialan'ny fanahy.
4 Rehefa ela ny ela, dia ho hadino ny anarantsika; ary tsy misy olona hahatsiaro ny asantsika. Fa handalo toy ny rahona ny fiainantsika ka tsy hamela dindo; hisava toy ny zavona roahin'ny tara-masoandro sady aparitaky ny hafanany.
5 Tahaka ny fihelin'ny aloka ny androm-piainantsika; ary tsy azo ahemotra ny fiafarany, satria naraikitra toa voatombokase izany ka tsy misy afaka miverina ilalana.
6 Koa andeha isika hiarana amin'ny zava-tsoa ankehitriny, ary hararaoty ny zavaboa ary araka ny hafanampon'ny fahatanorana.
7 Aoka isika himamo amin-divay tsara indrindra sy ho afa-dia na amin-java-manitra; ary aza avelantsika handalo foana ireo voninkazon-dohataona.
8 Bokom-bonin-draozy no ataovy fehilohantsika, dieny mbola tsy malazo ireny.
9 Aoka isika tsy hisy hanadino izany filibantsika izany; fa asiontsika marika hatraiza hatraiza ho fahatsiarovana ny filanonantsika, satria anjara sy vintana ho antsika izany.
10 Ampahoriontsika ny mahantrana dia marina aza ireo, aza tsimbinintsika ny mpitondra tena ary aza hajaintsika ny antitra fotsy volo.
11 Fa aoka ny hery, ho antsika, no ho filamatry ny rariny, satria tsy misy ilana ny fahosana.
12 Aoka ho enjehintsika ny marina fa manelingelina antsika; manohitra ny fanaontsika izy sady manome tsiny antsika ho mpandika lalana, ary miampanga antsika ho tsy mpiraharaha fanabeazana.
13 Mihambo ho mahalala an'Andriamanitra izy ary milaza ny tenany ho zanaky ny Tompo.
14 Tonga fanakianana ny fisainantsika izy ka tsy zakantsika na ny fahitana azy fotsiny aza.
15 Fa tsy tahaka ny an'ny olon-kafa ny fiainany ary hafahafa ny fombafombany.
16 Fahalovana no fiheverany antsika; ka fadiny toy ny loto ireo fanaontsika. Ny olo-marina no ho sambatra fiafara, hoy ny fanambarany, ka dia mirehareha ho manana an'Andriamanitra ho rainy izy.
17 Aoka izany teniny izany hozahantsika raha azo antoka; ary aoka hodinihintsika izay hitranga rehefa tonga ny andro hahafatesany.
18 Fa raha zanak'Andriamanitra ny olo-marina, dia ho tonga Izy hamonjy azy ka hanafaka azy eo an-tanam-pahavalo.
19 Koa aoka izy ho sedraintsika amin'ny latsa sy ny fampijaliana mba hahafantarana ny fahatoniany sy hitsapana ny faharetany.
20 Aoka izy ho helohintsika ho faty amin'ny fomba mahamenatra, satria Andriamanitra, araka ny filazany no hirotsaka an-tsehatra hanafaka azy."
21 Izany no fisainan'ireo tsy mpivavaka; diso hevitra anefa izy amin'izany satria hajambain'ny faharatsiany.
22 Tsy mba fantany akory ny fikasa-miafin'Andriamanitra; tsy mba nanantena valisoa amin'ny fahamasinam-piaina izy ary tsy mba mankamamy ny hajan'ireo madio am-panahy.
23 Satria noarin'Andriamanitra ho tsy mety maty ny olombelona, ka nataony mitovy endrika aminy ;
24 kanefa ny fialonan'ny devoly no nampiditra ny fahafatesana teto amin'izao tontolo izao ; ka izay momba ny devoly ihany no tsy maintsy hiharan'izany.
Toko faha-3
1 Eo an-tanan'Andriamanitra ny fanahin'ny olo-marina ka tsy misy fijaliana hahatratra azy intsony.