Jodita

Toko faha-15

1 Rehefa nandre ny zava-nitranga ireo miaramila izay teny amin'ny tranolainy avy, dia very hevitra.

2 Nianjadian'ny tahotra sy nivadi-po izy, ka indray niparitaka samy naka ho azy ary nandositra tamin'ny lalan-kely teny an-tany lemaka sy teny an-tendrombohitra.

3 Ireo nitana ny tampon-tendrombohitra manodidina an'i Betolia dia nitsoaka nandositra koa.

4 Nandefasan'i Hozia iraka ny tanana Betomestaima sy Bebay ary Koba sy Kolambamin'ny faritanin'i Israely manontolo hilaza ny zava-nitranga. Ary nanainga ny besinimaro ireto iraka mba hanenjika ny fahavalo sy handringana azy.

5 Vao nandre izany ny Israelita rehetra, dia indray niantoraka tamin'ny fahavalo ary nanamontsana azy hatrany Kola. Ny olona avy any Jerosalema sy avy amin'ny faritra rehetra be tendrombohitra dia tonga ihany koa, rehefa nilazana izay niseho tao amin'ny toby asirianina. Ny mponin'i Gilehada sy i Galika kosa avy any an-daniny no namely mafy ireo fahavalo hatrany Damasa sy ny manodidina.

6 Nidina tao amin'ny toby asirianina ny mponina sisa tao Betolia, dia nandroba azy ka nahazo harem-be.

7 Rehefa niverina avy any am-panenjehana fahavalo ireo Israelita, dia nifaoka ny zavatra sisa rehetra. Ny mponin'ny tanana kely sy ny toeram-piompiana na teny an-tendrombohitra na teny an-tany lemaka dia nandraoka babo betsaka koa, satria maro dia maro izany.

8 I Joakima mpisorombe sy ny antenimieran-doholon'i Israely, izay nitoetra tao Jerosalema, dia tonga tany Betolia.Tiany ho hita maso manko ny soa nataon'ny TOMPO tamin'i Israely, ary tiany hojerena sy hotoloram-piarahabana koa i Jodita.

9 Rehefa tafiditra tao an-tranon-dravehivavy izy rehetra, dia niara-nankalaza azy sady niteny taminy hoe:

10 -Ianao no fisandratan'i Jerosalema, ianao no tabiha lehibe ho an'i Israely, ianao no rehareha lehibe ho an'ny firenentsika! Ianao no nahavita ireo zavatra isan-karazany ireo, ka nanasoa an'i Israely; ary sitrak'Andriamanitra ny nataonao. Enga anie hitahy

11 Telopolo andro no nanangonan'ny Israelita ny entana babo teo amin'ny toby asirianina. Dia nomena an'i Jodita ny fananan'i Holoferna: dia ny tranolay, ny fanaka volafotsy, ny farafara, ny tsangambava, ary ny fitaovana hafa rehetra. Dia nalain'i Jodita avokoa izany; ka nisy ampahany namesarany mole fa ny sisa kosa nataony nifatratra tao anaty sarety izay nasainy notarihim-biby.

12 Ny vehivavy rehetra tao Israely dia tonga nijery an'i Jodita sy nankalaza azy; ny sasany tamin'ireo kosa niara-nihira sy nandihy ho fihobiana azy.

13 Nisy fehiloharavin-kazo nalain'i Jodita ka nomeny ny vehivavy tafaraka taminy; dia samy nisatroka fehiloha ravin'oliva na i Jodita na ireto vehivavy tafaraka taminy. Avy eo i Jodita dia niroso tery an-dohan'ny filaharana ka nitarika ny dihin'ireo vehivavy hafa. Ny nanaraka azy ireo dia ny vatan-dehilahy rehetra tao Israely, samy nitam-piadiana sy nitondra fehiloha ravin-kazo ary niara-niredona hira.

14 Dia niventy hira fisaorana teo anatrehan'ny Israelita rehetra i Jodita, ka niombona tamin'ny fiderany avokoa ny vahoaka.

Toko faha-16

1 Ary hoy i Jodita hoe: Miventesa hira ho an'ilay Andriamanitro,ka araho amponga tapaka izany; mihira ho an'ny Tompo, ka ivelezo kipantsona izany! Arindrao ny salamo fiderana Azy, asandrato ary antsoy ny anarany.

2 Satria Andriamanitra mampitsahatra ady ny TOMPO sy nanafaka ahy teo am-pelatanan'ny fahavaloko;ny Tompo niorin-toby teo anivon'ny vahoakany ka namerina ahy soa aman-tsara ao an-tobiny

3 Avy any an-tendrombohitra avaratra any no nipoiran'ny tafika asirianina, dia tafika miisa an'alinaliny; ka nahatohana riaka ny hamaroana ary naharakotra havoana ny mpitaingin-tsoavaliny.

4 Nilaza ireto fahavalo fa handoro ireo faritanin'ny firenenay sy hamono ho faty ny zatovonay amin-tsabatra, hanipitsipy ny zaza mbola minono, hitondra ny zanakay ho babo ary hifaoka ny tovovavinay.

5 Saingy ny TOMPOn'izao rehetra izao no nisakana azy tamin'ny alalan'ny tanam-behivavy.

6 Tsy tovolahy tomady no nandavo ilay filohany, tsy lehilahy mahery no nahafaty azy, tsy olona ranjanana no niady namely azy. Fa i Jodita, zanakavavin'i Merary ,no nandresy azy tamin'ny hatsaran-tarehiny.

7 Mba hanafahana an'i Israely amin'ny famoretana,dia nesoriny ny akanjo mahampitondratena azy fa nohosorany ilo manitra ny tarehiny.

8 Nohodidinin'i Jodita fehiloha ny volony; ary nitafy akanjo vita kiran-drongony izy mba hahasarika an'ilay fahavalo.

9 Voasinton'ny kapan'i Jodita ny mason'ilay filohan-tafika, ary jamban'ny bikany; kanjo izany vehivavy izany no nanapa-doha azy tamin'ny sabatra

10 Nampangovitra ny Persianina ny fahasahiany,ary nampihorohoro ny Medianina ny herimpony.

11 Dia velona akoran'ady ilay firenenay voaetry,ka raiki-tahotra azy ny Asirianina; nanakora ilay vahoakanay efa nihaona ka nahataitra ireo fahavalo; nihorakoraka tokoa ny vahoakanay ka nampivarahontsana azy.

12 Nogorobahin'ny Israelita ireo tsy vanon-ko olona ireo ka voaratra mila ho faty no nitsoaka nandositra toa kanosa. Ka maty ireo fahavalo ireo, satria ny Tompo no niady taminy.

13 Hihirako hira vaovao ilay Andriamanitro :Tompo o, lehibe sy heni-boninahitra ianao. Mampitolagaga ny herinao ary tsy hay toherina.

14 Izay rehetra noarinao aoka hanompo Anao;satria niteny Ianao, dia nisy ireo ary nandefasanao ny Fanahinao hampirindra azy.Tsy misy olona mahatohitra ny teninao.

15 Nihozongozona ifotony ny tendrombohitra, ka nazera ho any anaty ranomasina; ary niempo toy ny savoka ny vatolampy. Izay mpanaja Anao kosa, Tompo o, dia toloranao fanambinana.

16 Satria zavatra kely loatra ny sorona mba hankasitrahanao ny etony; ny jaborany dorana manontolo ho Anao dia tsy manan-danja firy eo imasonao. Fa izay manaja ny Tompo no manan-daza mandrakizay.

17 Loza ho an'ireo hafa firenena mamely ny firenenay Ny Tompon'izao rehetra izao no hamaly azy amin'ny andron'ny fitsarana; ka ho lanin'ny afo sy ny olitra ny nofony, ary haharitra mandrakizay ny tomanim-pahoriany.

18 Rehefa tonga tany Jerosalema izany vahoaka nilahatra izany, dia nankao an-tempoly hiankohoka amin'Andriamanitra. Avy nidio izy rehetra no nanolotra ny sorona dorana manontolo sy ny fanatitra an-tsitrapo ary ny fanomezana hafa.

19 I Jodita kosa nametraka ho an'ny tempoly ny fitaovana rehetra nananan'i Holoferna ka nomen'ny vahoaka azy. Ilay lamba aromoka, izay nalainy tao an'efitranon'i Holoferna , dia natolony an'Andriamanitra ho babo voatokana ho Azy.

20 Nandritra ny telovolana no nifaly teo anoloan'ny Toeramasina ny vahoaka; ary nijanona niaraka tamin'ireo i Jodita.

21 Taorian'ny andro fety dia samy nody tany am-ponenany avy ny olona. I Jodita koa niainga nankany Betolia ary niaina tao amin'ny zarataniny. Dia nahazo laza ny tanin'i Israely manontolo tamin'ny fotoanandrony.

22 Maro ny lehilahy naniry hanambady azy. Fa hatramin'ny nahafatesan'i Manase vadiny sy nandevenana azy tao am-pasan-drazany , dia tsy nety nanambady intsony i Jodita nandritra ny andro sisa niainany.

23 Dia nandroso fahanterana sady heni-boninahitra izy. Niaina tao an-tranom-badiny izy ka nahatratra 105 taona. Alohan'ny hahafatesany, dia nanome fahefana ilay mpanompovaviny izy ary nizara ny fananany tamin'ny lafin-kavan'i Manase vadiny sy tamin'ny lafin-kavan'ny tenany. Maty tao Betolia i Jodita ary nalevina tao amin'ny fasam-badiny.

24 Nanao fisaonana azy nandritra ny fito andro ny vahoaka.

25 Tsy nisy olona sahy nanabataba an'i Israely tamin'ny andro niainan'i Jodita sy nandritra ny taona maro taorian'ny nahafatesany.

Estera Grika

Toko faha-A

1 Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Artarkserksesa amperôra, nony andro voalohan'ny volana Nisàna, dia nanonofy i Môrdôkay, zanakalahin'i Jahîra izay taranak'i Simehỳ sy i Kisy, sady avy amin'ny fokon'i Benjamîna. 2 Io Môrdôkay io dia Jiosy nipetraka tao an-tanànan'i Soza ary olona manan-daza, anisan'izay ao an-dapan'ny amperôra. 3 Tao anatin'ireo babo nentin'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilôna avy any Jerosalema izy niaraka tamin'i Jekônià mpanjakan'i Joda. 4 Izao àry ny nofin'io Môrdôkay io: Tampoka nisy horakoraka aman-tabataba, kotro-baratra aman-korohoron-tany, ka nivadi-po ny mponin'ny tany. 5 Tampoka indray, nisy dragona roa lehibe nandroso samy vonon-kiady. 6 Nierona mafy ireo dragona ireo ka tamin'izay ny firenena isan-tokony no nivonon-kiady hamely ilay firenen'ny olo-marina. 7 Tampoka koa, nisy andro rakotra haizim-pito sady feno horohoro aman-tebiteby sy fahoriana ka nivadi-po mihitsy ny mponin'ny tany. 8 Nivadi-po koa ireo olo-marina iray firenena manontolo tsiravin'ny loza nanjo azy, ka niomankomana ny ho faty 9 sy niantso vonjy tamin'Andriamanitra. Vokatr'izany antso izany dia ony goavana mitosa-dranobe no toa nipoitra avy amina loharano kely anankiray. 10 Avy eo nisy hazavana nipoitra, ary ilay masoandro mihitsy aza no niposaka; dia nasandratra ireo nampahorina ka nataony ripaka ireo mpirehaka.

11 Nahita nofy ny zavatra efa nokasain'Andriamanitra hatao i Môrdôkay. Rehefa nifoha izy, dia nandinika izany tao am-pony ary naniry hahatakatra ny hevitr'izany, mandra-pahalin'ny andro.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9906