Estera Grika
Toko faha-C
27[10] Henoy ny fivavahako, hasoavy izahay voatendrinao ho zaranao, ovay ho fifaliana ny fisaonanay mba ho velona aina izahay ka hankalaza ny anaranao, Tompo ô. Ary aza avela ho levona ireo olona miloa-bava hidera Anao.»28[11] Ny Israelita rehetra koa samy niantso vonjy tamin'ny Tompo araka izay tratry ny heriny, satria efa nananontanona azy ny fahafatesana.
29[12]
Ny mpanjakavavy Estera koa dia nahatsiaro tena ho efa eo am-bavalozan'ny fahafatesana, ka nitady fiarovana tamin'ny Tompo.
30[13]
Napetrany ny akanjony kanto indrindra; fitafiam-pahoriana amam-pisaonana no nanaovany; nohosenany vovoka aman-davenona ny lohany, ho solon'ny zava-manitra sarobidy fampiasany, nampijalîny mafy ny tenany, ary narakorakony ny volony hanaronany azy toy izay izy handravaka azy amin'ny haingo samihafa fifaliany.
31[14]
Ka ny Tompo Andriamanitr'i Israely no nanaovan'i Estera izao vavaka izao:
«Ry Tompo Andriamanitro ô, Ianao no Mpanjakanay, Ianao no hany Tompo. Mba vonjeo aho fa manirery ary tsy manan-kamonjy afa-tsy Ianao,
32[15]
satria hanao vy very ny aiko aho.
33[16]
Efa reko fahazaza, tao amin'ny foko nipoirako fa Ianao, Tompo ô, no nifidy an'i Israely tamin'ny firenena rehetra sy nifidy ny razanay tamin'ireo rehetra iray razana aminy mba ho fanananao mandrakizay, ary notanterahinao hanasoavana azy ny fampanantenanao rehetra.
34[17]
Saingy nanota teo anatrehanao izahay, ka natolotrao ho eo an-tanan'ny fahavalonay,
35[18]
noho izahay nivavaka tamin'ny andriamanitr'ireo. Mitandro ny rariny Ianao, Tompo ô.
36[19]
Kanefa ankehitriny dia tsy afa-pon'ny manandevo anay amin'ny fanompoana mangidy izy fa efa nianiana tamin'ireo sampiny
37[20]
fa hanafoana ny didy naloaky ny vavanao. Eny, tiany haringana ilay vahoaka fanananao, tiany hakombom-bava ireo mpidera Anao ary hofoanana ilay tempoly sy ilay alitara anomezam-boninahitra Anao.
38[21]
Izany no hampiloa-bava ireo hafa firenena hanindrahindra ny sampiny sy higaga mandrakizay ny amperôra izay nofo aman-dra manam-petra.
39[22] «Tompo ô, aza atolotrao an'ireo andriamani-tsiizy ireo ny fahefàm-panjakànao; aoka tsy hihomehezan'ny fahavalonay izahay amin'ny faharavànay, fa afotero aminy kosa ny hevitra nokasainy hafitsoka aminay ary faizo ho fananarana ny hafa ilay nitarika ny famelezana anay.
40[23] «Tompo ô, mba tsarovy izahay; ataovy manehoeho ny lazanao amin'izao androm-pahorianay izao. Omeo hery aho, ry ilay Mpanjakan'ireo andriamanitra sady Mpifehy ny manampahefana rehetra. 41[24] Asio teny sahaza eo am-bavako amin'ny hanatrehako an'i Artakserksesa ilay masiaka toy ny liona; ovay ny fony hankahala ny fahavalonay ka hampamono ho faty azy sy izay rehetra miray hevitra aminy. 42[25] Izahay kosa anie hafahan'ny herinao; ary mba ampio aho amin'izao tenako irery izao, ka tsy manana an'iza na iza afa-tsy Ianao, Tompo ô. Ianao mahalala ny zavatra rehetra 43[26] ka mahafantatra fa hàlako ny voninahitra atolotr'ireo mpandika ny lalànanao ary tsy tiako ny miara-mandry amina lehilahy mpanompo sampy sady tsy mpiray firenena amiko; 44[27] kanefa Ianao mahafantatra ny terivozona mihatra amiko. Hàlako ny marika maha-mpanjakavavy ahy, marika izay ataoko eo an-dohako amin'ny andro fisehoako ampahibemaso; tsy mitondra azy mihitsy aho amin'ny andro itokanako samirery, satria hàlako toy ny lamba maloto izany. 45[28] Izaho mpanompovavinao dia tsy mbola nihinana teo amin'ny latabatr'i Hamàna na oviana na oviana, ary tsy mbola nanome voninahitra ny fanasàn'ny amperôra na nisotro tamin'ny divay fanatitra amin'ny sampiny. 46[29] Hatrizay nitondrana ahy nanketo ka mandraka ankehitriny, tsy mba nisy fifaliana nankafiziko afa-tsy taminao ihany, ry Tompo Andriamanitr'i Abrahama. 47[30] Ry Andriamanitra mahery noho ny an'ny hafa firenena rehetra ô, mba henoy vavaka ireo tsy manan-kianteherana afa-tsy Ianao; afaho amin'ny fifehezan'ny olon-dratsy izahay; ary ny tenako esory amin'izao tebitebiko izao!»
Toko faha-D
1 Telo andro taorian'izany, dia natsahatr'i Estera ny fivavahany. Nesoriny ny fitafiam-pivalozana fa ny fihaingoam-piandrianany no niakanjoany. 2 Tao amin'izany famirapiratany mirentirenty izany no niantsoany indray an'ilay Andriamanitra mpiahy ny olona rehetra sy mpamonjy azy; dia nentiny hiaraka aminy avy eo ny mpanompovavy anankiroa anisan'ireo mpanotrona azy. 3 Niankina moramora tamin'ny anankiray i Estera; 4 fa ny iray hafa nanaraka avy ato aoriana sady nanainga ny akanjolavan'ity mpanjakavavy. 5 Somary nivolo mena ny tavan'i Estera ka fatratra erỳ ny bikany; miramirana sy mahatehotia ny endriny, fa ny fony kosa voagejan'ny tahotra.
6
Rehefa tafita ny vavahady rehetra tao an-dapa i Estera, dia niseho teo anatrehan'ny amperôra. I Artakserksesa izany mipetraka teo amin'ny sezafiandrianany, nitafy ny fanamiana rehetra maha-andriamanjaka azy sy rakotra volamena amam-batosoa; nahatahotra ny toetr'endriny.
7
Natrakany ny tarehiny mitara-pamirapiratana; saingy fijery nirehi-pahatezerana no natopiny, ka nivembena nila ho torana sady nivaloarika ny mpanjakavavy ary nirona tamin'ny sorok'ilay mpanompovavy nandeha teo anoloany.
8
Fa novan'Andriamanitra ho halemem-panahy ny hatezeran'ny amperôra; velona ahiahy izy, dia niantoraka avy amin'ny sezafiandrianany, nanohana an'i Estera tamin'ny sandriny mandra-pahatsiarony tena, ary nampahery aza tamin'ny teny fampitoniana sady nanontany azy hoe:
9
«Fa maninona ianao, ry Estera? Vonon-kiaro anao aho, ka matokia.
10
Tsy ho faty ianao, fa ho an'ny sarambabem-bahoaka ny fandrarana hanatona ahy.
11
Avia ho etsy anilako.»
12
Dia naingain'ny amperôra ny tehim-bolamena ary natehiny teo amin'ny vozon'i Estera; avy eo dia nanoroka ny mpanjakavavy izy sady nanao hoe:
-Lazao ahy ny anton-dianao.
13
Ka novaliany hoe:
-Toy ny anjelin'Andriamanitra no nahitako anao, ry andriamanjaka ô, ka nitebiteby ny foko azon'ny tahotra ny famirapiratanao;
14
mendrika higagana ianao ary feno hatsaram-po ny endrikao.
15 Mbola miteny eo izy, dia nivembena nila ho torana indray, 16 ka nitebiteby ny amperôra, ary nampahery ny mpanjakavavy ireo mpanompony rehetra.
Toko faha-5
7[3] Ary hoy ny amperôra taminy:-Inona no irinao, ry Estera? Inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakako aza, dia ho azonao izany.
18[4]
Fa novalian'i Estera hoe:
-Andro lehibe ho ahy ity andro anio ity. Raha sitrakao, ry andriamanjaka, dia aoka ianao miaraka amin'i Hamàna anio ho tonga amin'ny fanasana izay efa nomaniko!
19[5]
Koa nampanantsoin'i amperôra faingana i Hamàna mba hanaiky ny fiangavian'i Estera. Dia nankao amin'ny fanasana izay efa niangavian'i Estera azy ny amperôra mbamin'i Hamàna.
20[6]
Teo am-pamaranana ny sakafo, dia hoy ny amperôra tamin'i Estera:
-Fa maninona ianao, ry Estera mpanjakavavy? Izay rehetra hangatahinao dia ho azonao.
21[7]
Dia novaliany hoe:
–Ny angatahiko sy tadiaviko ve?
22[8]
Izao no izy, ry andriamanjaka: raha nahazo sitraka taminao aho, dia aoka ianao miaraka amin'i Hamàna mbola ho tonga ihany rahampitso amin'ny fanasana izay homaniko ho anareo ary hokarakaraiko toy ilay natao androany.
23[9]
Tena sambatra sy falifaly tokoa i Hamàna no nivoaka ny tranon'ny amperôra. Saingy, teo an-kianjan'ny lapa, dia nahita an'i Môrdôkay i Hamàna, ka feno fahatezerana fatratra.
24[10]
Lasa nody tany an-tranony izy, dia naniraka olona haka ireo sakaizany sy i Zôsarà vadiny.
25[11]
Nasehon'i Hamàna tamin'ireo ny hareny ary koa ny voninahitra izay nototofan'ny amperôra azy, dia ny nanaovany azy ho Praiministra sy ny nanankinany azy ny fitondràm-panjakana.
26[12]
Dia hoy koa i Hamàna hoe:
–I Estera mpanjakavavy aza dia tsy niantso olona afa-tsy izaho ihany hiaraka amin'ny amperôra tamin'ny fanasana. Ary mbola antsoiny koa aho rahampitso.
27[13]
Kanefa tsy sitrako izany, raha mbola hitako ao an-kianjan'ny lapa ilay Jiosy Môrdôkay.
28[14]
Dia hoy i Zôsarà vadin'i Hamàna sy ireo sakaizany taminy:
–Aoka ianao hampanapaka hazo fanantonana ka ho 25 metatra ny haavony; ary raha maraina, dia angataho amin'ny mpanjaka mba hahantona eo i Môrdôkay. Avy eo dia mandehana amin-kafaliana ianao miaraka amin'ny amperôra ho any amin'ny fanasana.
Ary sitrak'i Hamàna izany hevitra izany ka dia nampanamboariny tokoa ilay hazo.