Jodita
Toko faha-8
6 Taorian'ny nahafatesan'ny vadiny, dia nifady hanina isan'andro i Jodita, afa-tsy ny andro sabata na tsinam-bolana sy ny andro mialoha azy ary koa amin'ny andro fety hafa firavoravoan'ny vahoaka Israely.7 Tsara bika ravehivavy ary nanan-toetra maha te ho tia. Harembe no navelan'i Manase vadiny ho azy, dia volamena sy volafotsy, mpanompo na lahy na vavy, andiam-biby fiompy ary saha famboly; ka nokarakarainy avokoa izany.
8 Tsy nisy olona niteny ratsy azy satria fatra-panaja an'Andriamanitra izy.
9 Henon'i Jodita ny teny fanakianana nataon'ny mponina tamin'ilay lehiben'ny tanana, satria kivin'ny tsy fahampian-drano ireo. Henon'i Jodita koa ny teny rehetra nolazain'i Hozia tamin'ny olona ka nianianany fa hatolony amin'ny Asirianina ny tanana rehefa lasa ny andro dimy tsy ahazoam-pamonjena.
10 Koa ilay mpanompo vavy mpiandraikitra ny fananany rehetra no nirahin'i Jodita ho any amin'i Hozia sy i Kabry ary i Karmy izay samy loholon'ny tanana mba hanasa azy hankao an-tranon'i Jodita.
11 Rehefa tonga tao amin'i Jodita izy telolahy, dia hoy ravehivavy taminy:-Mba henoinareo aho, ry filohan'ireo mponina eto Betolia. Diso iny teny voalazanareo tamin'ny vahoaka androany iny, fony ianareo nanao fianianana mamatotra an'Andriamanitra sy ny tenanareo. Tsy tokony nampanantena hanolotra ny tanana amin'ny fahavalontsika ianareo, raha tsy tonga hitondra famonjena ho antsika ny TOMPO ato anatin'ny dimy andro.
12 Fa iza ianareo no mihantsy ny TOMPO toy izao nataonareo androany izao sy maka ny toerany eo anivon'ny taranak'olombelona?
13 Eny, maka fanahy an'Andriamanitra ianareo, saingy na oviana na oviana ianareo tsy hahalala na inona na inona amin'izay kendreny.
14 Ny halalin'ny fon'olombelona aza tsy fantatrareo ary tsy arakareo akory ny eritreritry ny fisainany. Koa ahoana no hahatakaranareo an'ilay Andriamanitra nanao ireny rehetra ireny? Ahoana no hahafantaranareo izay heviny na hahazoanareo an-tsaina izay kendreny? Tsia, ranadahikoisany, aza mampahatezitra ny TOMPO Andriamanitsika ianareo.
15 Raha tsy te ho tonga hamonjy antsika Izy ato anatin'ny dimy andro, dia manam-pahefana Izy hiaroantsika amin'ny andro izay tiany na handringana antsika eo anoloan'ny fahavalontsika.
16 Aza mitaky antoka ny amin'izay kasain'ny TOMPO Andriamanitsika hatao, satria tsy mba tahaka ny olombelona Izy ka hoe horahonana hanao zavatra na hoterena hifampiraharaha.
17 Noho izany, eo am-piandrasana ny hamonjeny antsika dia aoka isika hiantso vonjy aminy hatrany; ka hihaino vavaka antsika Izy, raha izany no sitrapony.
18 Tamin'ireo taranaka niaraka tamintsika na tamin'izao andro ankehitriny izao dia tsy nisy foko na tarika na fianakaviana na mpiray tanana amintsika hoe niankohoka nitsaoka andriamanitra nataon-tanan'olona. Kanefa izany no fanao taloha,
19 tamin'ny andron'ireo razambentsika; ka nahatonga azy hianjadian'ny ady sy ny fandrobana ary hiharam-pahavoazana lehibe teo anoloan'ny fahavalontsika.
20 Fa isika tsy mitsaoka andriamani-kafa ankoatra ny TOMPO, ka manantena fa tsy handao ny tenantsika Izy ary tsy hanaisotra ny indrafo amam-pamonjeny amin'ireo mpiray firazanana amintsika;
21 satria raha azon'ny fahavalo isika, dia ho azony koa i Jodea manontolo, ho voaroba ny tempolintsika ary hanadinan'Andriamanitra antsika ny nanimbazimbana azy.
22 Isika no hataony tompon'andraikitra raha ho voavono ho faty ny mpiray tanindrazana amintsika na ho entina ho babo ny mponina na ho rava ny tanintsika. Handevozin'ny firenena vahiny isika, ary ho esoiny sy hotsiratsirainy.
23 Tsy hahazoantsika fitserana akory izany fanandevozana antsika izany, fa hataon'ny TOMPO Andriamanitsika hampahamenatra antsika mihitsy aza.
24 Izao kosa, ranadahy isany, aoka hasehontsika amin'ny mpiray tanindrazana amintsika fa miankina amintsika ny tsy hahafaty azy, miankina amintsika ny Toeramasina sy ny tempoly ary ny alitara fisoronana.
25 Ireo antony rehetra ireo no aoka hisaorantsika ny TOMPO Andriamanitsika amin'ny itsapany antsika tahaka ny efa nataony tamin'ny razambentsika.
26 Tsarovy ny nataony tamin'i Abrahama sy ny nitsapany an'i Itsehaka; tsarovy ny nihatra tamin'i Jakoba tany Mezopotamia fony izy niandry ny ondrin'i Labana anadahin-dreniny.
27 Toy ny nampandalovin'Andriamanitra tamin'ny afo ireo mba hamantarany ny toe-pony. Kanefa tsy tahaka izay nataony tamin'ny razambentsika no nataony tamintsika; tsy mba nampiharany sazy isika. Raha mikapoka ny olona akaiky Azy ny TOMPO, dia mba ho fanairana an'ireo.
28 Dia hoy i Hozia tamin'i Jodita:-Ny zavatra rehetra voalazanao dia nambaranao araka ny toe-po tsara; ary tsy misy afa-manohitra ny teninao.
29 Tsy hoe vaoandroany akory no nisehoan'ny fahendrenao;efa hatry ny fahatanoranao no nahalalan'ny olona rehetra ny fahiratan-tsainao sy ny hatsaran'ny fironam-ponao.
30 Saingy izao: nangetaheta mafy ny vahoaka, ka nanery anay hanao araka izay voalazanay taminy ary hamato-tena amin'ny fianianana izay tsy hivadihanay.
31 Noho izany, aoka ianao hivavaka amin'ny TOMPO ho anay, satria vehivavy tia vavaka ianao; dia handefasany orana isika, ary ho feno indray ny famorian-dranontsika, ka tsy ho reraka intsony isika.
32 Hoy kosa i Jodita tamin'ireo loholona telo lahy:-Mba henoy kely aho fa hanao zavatra izay hifampitantaran'ireo taranatsika amin'ny taona mifandimby.
33 Hijanona eo am-bavahadin-tanana ianareo telo lahy anio alina; dia hivoaka ny tanana izaho sy ilay mpanompovaviko. Alohan'ny hahatapitra ny fe-potoana na raikitrareo hanolorana ny tanana amin'ny fahavalontsika, dia hamonjy an'i Israely amin'ny alalako ny TOMPO.
34 Ianareo kosa aza manadihady izay hataoko,satria tsy holazaiko anareo izany alohan'ny hanatontosako azy.
35 Dia hoy i Hozia sy ireo loholona roalahy tamin'i Jodita:-Mandehana ombam-piadanana; ary aoka ny TOMPO Andriamanitra no hitarika anao hanafay ny fahavalontsika!
36 Dia niala tao amin'ny trano tomboka fisitahan'i Jodita izy telo lahy ary niverina tany amin'ny toeram-pitiliany.
Toko faha-9
1 Tamin'ny fotoana hariva fanolorana ny vovo-javamanitra tao an-tranon'Andriamanitra tao Jerosalema no nihohoka tamin'ny tany i Jodita. Nohosorany lavenona ny lohany ary nasehony ny akanjo malailay fitondrany ho fitafiana anatiny; ka feo avo no niantsoany vonjy tamin'ny TOMPO hoe:2 -TOMPO o, Ianao no Andriamanitr'ilay Simehona razambeko. Notoloranao sabatra izy hamaliany ny olona hafa firenena izay namaha ny fehikibon'ny anabaviny mba handotoany azy. Nitondra henatra ho an'ilay tovovavy ary nahafa-baraka azy ny nanendahany akanjo az
3 Izany no nanoloranao an'ireo lehibeny haringana. Anjarany koa ny mba ho voafitaka: ny farafara izay nanalany baraka an'ilay tovovavy manko no tonga henika ny ran'ireo mpametaveta azy. Niaraka tamin'ny tompony no namelezanao ny mpanompo ary teo amin'ny seza fiandrianany no namelezanao ireo manampahefana.
4 Navelanao hobaboina ny vehivavy vadiny ary nentina handevozina ny zanany vavy. Izay rehetra fananany nifampizaran'ireo olona notiavinao, dia ny Israelita izay nazoto niraiki-po taminao. Naharikoriko an'ireto Israelita ireto manko ny fanalam-baraka ity anabaviny, ka dia izay no niantsoany vonjy taminao. Ry Andriamanitra Andriamanitro o, mba henoy aho, dia izaho izay mpitondratena.
5 Ianao manko no nanao ny zava-nitranga fahagola sy izay talohany ary koa taoriany. Ny toe-javatra ankehitriny sy ho avy dia samy nosaintsaininao; ka izay nosaintsaininao no nihatra.
6 Ny zavatra nokasainao no niseho sy niteny hoe: "Indreto izahay!" Ireo asanao rehetra dia voaomanao ary ny fanapahan-kevitrao efa fantatrao mialoha.
7 Hitanao, Tompo o, fa tafika marobe no an'ny Asirianina; nirehaka izy tamin'ny soavaliny sy ny mpitaingin-tsoavaliny, ary niavonavona tamin'ny herin'ireo miaramilany an-tongotra; nitokiany ny lefona aman'ampingany, ary ny tsipika aman'antsamotadiny. Hadinony fa Ianao no ilay TOMPO afa-mampitsahatrany ady.
8 Ny TOMPO no anaranao:koa poteho amin'ny fahefanao ny heriny ary ataony mianotra amin'ny fahaviniranao ny tafiny fa nikasa hanimbazimba ny Toeramasinao izy sy handoto ny fonenana itoeran'ny anaranao be voninahitra ary handrodanany tandroky ny alitaranao amin'ny famaky.
9 Jereo ny fiavonavonany, Tompo o, ary ale fa so ny faha vinira nao hiantonta amin'ny lohany. Izaho izay mpitondratena mba omeo ny hery hanatanterahako ny zavatra nokasaiko.
10 Ampiasao ny teny manodoka hotononiko mba hamelezana ny mpanompombamin'ny Tompony, izay hoe ireo miaramila mbamin'ny filohany. Ataovy montsan'ny tanam-behivavy ireo avo ranjanana ireo.
11 Ny herinao tsy miankina amin'ny hamaroana; ny fahefanao tsy miankina amin'ny matanjaka; fa Andriamanitry ny manetry tena kosa Ianao, ka manampy ireo madinika sy manohana ireo osa ary miaro ireo manirery sy mamonjy ireo kivy.
12 Eny tokoa, ry ilay Andriamanitry ny razambeko, Andriamanitry ny tanin'i Israely, Mpifehy ny tany aman-danitra, Mpahary ny rano, ary Mpanjakan'ny voaary rehetra, mba henoy vavaka aho.
13 Enga anie ny teny manodokahataoko no handratra sy hamono hahafaty an'ireo olona nanao tetika mahatsiravina hanoherana ny fanekempihavananao sy ny tempolinao masina, ny tendrombohitra Tsiona ary ny tany onenan'ny olonao.
14 Ataovy fantatry ny firenenao manontolo sy ny foko isan-tokony fa Ianao no Andriamanitry ny hery amam-pahefana rehetra sady tsy misy miahy ny taranak'i Israely afa-tsy Ianao.
Toko faha-10
1 Rehefa nitsahatra niantso vonjy tamin'ilay Andriamanitr'i Israely i Jodita ka nahavita ireo teny rehetra ireo,2 dia niarina avy teo am-piankohofana izy ary niantso ilay mpanompovaviny. Dia nidina izy nankao anaty trano izay tsy itoerany afa-tsy amin'ny andro sabata sy amin'ny fankalazana.
3 Nesorin'i Jodita ny akanjo malailay fitafiany sy ny akanjo maha mpitondratena azy. Dia nandro izy ary nihosotra ilo manitra sarobidy; avy eo izy namboatra volo ary nametaka fehiloha teo sy nitafy ny akanjo tsara fitondrany fony fahavelon'i Manase vadiny.
4 Dia namehy kapa izy ary nametraka firavaka isan-karazany: fehivozona sy fehin-tanana, ary peratra sy kavina mbamin'ny haingo rehetra fanaony. Dia nirenty tsara tokoa i Jodita mba hahasarika ny mason'ireo lehilahy rehetra hahita azy.
5 Nomeny hoentin'ilay mpanompovaviny kosa ny divay iray siny hoditra sy ny menaka iray tavoara. Nisy kitapo iray nofenoin'i Jodita lafarinina orza sy mofomamy miharo voankazo maina ary mofo sy fromazy ; nofonosiny tsara ireo vatsy rehetra ireo ary nankininy koa tamin'ilay mpanompovaviny.