Jodita
Toko faha-12
10 Tamin'ny andro fahefatra dia nanao fanasana i Holoferna, saingy ho an'ireo mpanompony ihany. Tsy misy nasainy na iray aza ireo komandin'ny tafiny.11 Ary hoy izy tamin'i Bagoa mpiandraikitra ny raharahany rehetra:-Ndeha ianao mankany amin'ilay vehivavy hebreo izay nampiambenina anao; ka taomy izy hanaiky hisakafo sy hisotro miaraka amintsika.
12 Fahafaham-baraka ho antsika manko ny mamela handeha vehivavy tahaka azy ka tsy hanaram-po aminy; eny,raha tsy tambatambazantsika izy, dia haneso antsika.
13 Niala teo anatrehan'i Holoferna i Bagoa ka nankany amin'i Jodita ary niteny taminy hoe:-Ry andriambavilanitra meva, aoka ianao tsy hisalasala mankany amin'ny Tompoko mba homem-boninahitra eo anatrehany. Hifaly hiara-misotro divay aminy ianao, ka ho finaritra tahaka ny tovovavy asirianina izay mipetraka ao an-dapan'i Nebokadnetsara.
14 Dia hoy ny navalin'i Jodita an'i Bagoa:-Z'inona moa aho no hanohitra iny Tompoko iny? Hataoko faingana ny zavatra rehetra mahafinaritra azy ka ho hafaliana ho ahy mandra-pahatongan'ny andro hahafatesako.
15 Dia lasa i Jodita nametaka ny akanjony tsara indrindra ary niravaka ny fihaingoany rehetra. Nankao amin'ny tranolain'i Holoferna kosa ity mpanompovaviny ka namelatrahoditr'omby tamin'ny tany teo anoloan'ilay filohan-tafika. Io hoditr'omby io no natolotr'i Bagoa an'i Jodita hampiasainy isan'andro mba hahazoany miampatra rehefa misakafo.
16 Dia niditra tao amin'ny tranolain'i Holoferna i Jodita, ary nitsotra teo ambonin'ny hoditr'omby. Dibon-kafaliana tokoa ny fon'i Holoferna ary nangitakitaka aoka izany izy tamin'izay. Nitsiriritra mafy ny hiray amin'i Jodita izy, ary hatramin'ny andro voalohany nahitany azy no efa nitily ny fotoana mety hanangoleny azy.
17 Ka hoy i Holoferna taminy:-Misotroa ary mifalia miaraka aminay ianao!
18 Ary novalian'i Jodita hoe:-Eny, Tompoko, hisotro aho satria androany ny fiainako no nahazo haja mihoatra noho ny andro hafa rehetra hatry ny nahaterahako.
19 Dia noraisin'i Jodita ny efanomanin'ilay mpanompovaviny ka nohaniny sy nosotroiny teo anatrehan'i Holoferna.
20 Nentanin-kafaliana loatra kosa i Holoferna noho ny aminy, ka nisotro divay tsy anerany; tsy mbola nisy andro nisotroany be toy izany hatry ny nahaterahany.
Toko faha-13
1 Nony hariva ny andro, dia samy dodona hody ireo mpanompon'i Holoferna. I Bagoa no nanakatona avy ety ivelany ny tranolain'i Holoferna ary nampihataka ny olona nasaina. Lasa namonjy fatoriana ireo satria sasatra avokoa noho ny fisotroana tafahoatra.2 I Holoferna izany doroky ny divay ka nivalandotra teo am-pandriany;i Jodita irery sisa no tavela teo akaikiny, tao an-tranolay.
3 Nilazan-dravehivavy ny mpanompovaviny mba hijoro ao ivelan'ny efitrano fandriana sy hiandry ny hivoahany hiala ny toby. Efa niteny manko i Jodita fa handeha hivavaka tahaka ny tamin'ny andro hafa izy. Zavatra toy izany koa no efa nambarany tamin'i Bagoa.
4 Niala teo anatrehan'i Holoferna daholo ireo mpanompony; ka tsy nisy, na dia iray aza, nijanona tao amin'ilay fatoriany. Nijoro teo akaikin'ny fandrian'i Holoferna i Jodita no nanao anakampo hoe: "Ry TOMPO Andriamanitry ny hery rehetra o, mba ambino amin'ity ora ity ny asa hotontosaiko mba ho fisandratan'i Jerosalema.
5 Izao no fotoana hamonjenao ny vahoakanao ka hanatanterahako ny tetika no volavolaiko mba handringanana ny fahavalo nanohitra anay."
6 Taorian'izay i Jodita dia nanatona ny baram-parafara teo akaikin'ny lohan'i Holoferna ka naka ny sabany teo.
7 Dia nanakaiky kokoa ny fandriany izy ary nandray ny volon'i Holoferna sady niteny hoe: "Ry TOMPO Andriamanitr'i Israely o, mba herezo aho amin'izao ankehitriny izao!"
8 Dia indroa i Jodita nanjanjana mafy an'i Holoferna teo amin'ny vozony ka nahatapaka ny lohany.
9 Avy eo nakodiany tamin'ny tany ny vatany tapa-doha ary notsoahany tamin'ny andrim-parafara ny lamba aromoka ; dia nivoaka faingana ny efitrano izy nitondra ny lohan'i Holoferna izay natolony an'ilay mpanompovaviny;
10 ary nasitrik'ity mpanompovavy tao anaty kitapom-batsy izany. Dia niara-niainga izy roa vavy, araka ny fanaony handeha hivavaka. Rehefa namakivaky ny toby izy, dia niolaka nanodidina ny hady ary nananika ny tendrombohitr'i Betolia ka tonga teo am-bavahadin'ny tanana.
11 Mbola lavitra i Jodita no niantsoantso tamin'ny mpiambina ny manda hoe:-Vohay, vohay faingana ny vavahady! Momba antsika ilay Andriamanitra Andriamanitsika mba haneho indray ny fahefany hanasoavany an'i Israely ary ny heriny hamelezany an'ireo fahavalontsika. Izao androany izao no nanaovany izany.
12 Vao nandre ny feon'i Jodita ny mponin'i Betolia, dia nidina faingana hankeo am-bavahadin-tanana ary nampiantsoan'ireo loholona.
13 Nirohotra teo ny besinimaro hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra, satria sarotra ninoana mihitsy ho azy ny hiverenan'i Jodita. Novohana ny vavahady ary noraisin'ny olona izy roa vavy. Nisy afo narehitra mba hahitana mazava kokoa, ary nitangorona na izy roa vavy.
14 Dia nanao feo mahery i Jodita no niteny taminy hoe:-Derao Andriamanitra, derao Izy. Derao Andriamanitra Izay tsy nanaisotra ny famindrampony tamin'ny vahoaka Israely. Ny tanako no nanamontsanany, tamin'ity alina ity, ny fahavalontsika.
15 Tamin'izay i Jodita no nanatsoaka lohan'olona avy tao an-kitapo ary naneho izany tamin'ny besinimaro:-Inty ny lohan'i Holoferna, ilay filoha faratampon'ny tafika asirianina. Ary inty ny lamba aromoka izay nisaronany fony izy nandry doroky ny divay. Ny TOMPO no namely azy tamin'ny tanam-behivavy.
16 Velona ny TOMPO Ilay niaro ahy tamin'izay lalana nalehako, ka milaza ny marina aho fa ny bikako no nambabo an'i Holoferna hahavoa azy. Tsy afa-nanao fahotana tamiko izy, ka tsy nahatonga henatra sy fahafaham-baraka ho ahy.
17 Talanjona tokoa ny olona rehetra, ka niondrika nitsaoka an'Andriamanitra sy indray niteny hoe: "Derainay Ianao ry Andriamanitray o, noho ny nandringananao androany ireo fahavalon'ny vahoakanao!"
18 Ary hoy i Hozia tamin'i Jodita:-Anaka, hotahin'ilay Andriamanitra Avo Indrindra anie ianao mihoatra noho ny vehivavy rehetra eto ambonin'ny tany ! Hankalazaina anie ny Tompo Andriamanitra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany! Izy no nitarika anao hanapa-doha ilay filohan'ny fahavalontsika.
19 Tsy hohadinoina na oviana na oviana ny nitananao fanantenana; ho tsarovan'ny olona hatrany izao hery nasehon'Andriamanitra izao.
20 Enga anie Andriamanitra hanandratra anao mandrakizay! Ary enga anie izy hanototra soa anao satria tsy nitsitsy aina ianao fony tao anaty fietrena ny mpiray firazanana aminao! Nataonao dify antsika ny faharavana tamin'ny hitsimpo nizoranao teo anatrehan'Andriamanitra. Dia novalian'ny olona rehetra teo hoe:- Amen! Hotanteraka anie izany!
Toko faha-14
1 Tamin'izay ny olona rehetra teo dia nitenenan'i Jodita hoe:-Mihainoa ahy, ry havako. Ento ity loha ity ka ahantony eny an-tampon'ny mandan'ny tananantsika.2 Ary amin'iny vao maraina vaky masoandro iny, aoka samy handray fiadiana ianareo vatan-dehilahy tomady rehetra, ka hivoaka ny tanana! Mifidiana filoha ianareo, dia manaova toy ny hidina hankany amin'ny lemaka, ho eny amin'ny lohalaharan'ny Asirianina mpiambina. Kanefa tsy hidina akory ianareo.
3 Ireto miaramila asirianina no handray fiadiana ka handeha ho any an-toby mba hamoha ireo komandin'ny tafiny. Hidodododo hankany amin'ny tranolain'i Holoferna izy, saingy tsy hahita azy velona. Dia ho raiki-tahotra mafy izy rehetra ka handositra lavitra anareo.
4 Hiroso hanenjika azy kosa ianareo sy ny mponina rehetra manerana ny tanin'i Israely, ka hamono hahafaty azy eny am-pandosirany.
5 Kanefa alohan'izany, asaovy mankaty i Akiora ilay Hamonita ;aoka izy hahita sy hamantatra ny lohan'ilay fatra-paniratsira an'i Israely sy nandefa ny tenany ho aty mba ho faty miaraka amintsika !
6 Dia nisy naka an'i Akiora tany an-tranon'i Hozia. Nony tonga ralehilahy ka nahita ny lohan'i Holoferna izay notazonin'ny lehilahy anankiray teo amin'ny fivoriam-bahoaka, dia torana izy sady niankarapoka.
7 Rehefa narenina izy, dia niantoraka teo an-tongotr'i Jodita ary niantso mafy hoe:-Hankalazaina anie ianao amin'ny trano rehetra eran'i Jodea! Hivarahontsana ny firenena rehetra izay handrenesana ny anaranao.
8 Ankehitriny kosa tantarao amiko ny zavatra rehetra nataonao nandritra ireo andro ireo.
9 Teo anatrehan'ny vahoaka no nitantaran'i Jodita tamin'i Akiora ny zavatra rehetra nataony hatreo amin'ny andro nialany tao an-tanana ka hatramin'izao fotoana itenenany izao.
10 Dia tsapan'i Akiora ny zavatra rehetra nataon'ilay Andriamanitr'i Israely, ka nino Azy mafy izy, ary noforana ka tonga anisan'ny vahoaka israelita mandraka ankehitriny.
11 Vao maraina ny andro, dia nahantona teo amin'ny mandan'i Betolia ny lohan'i Holoferna. Avy eo samy nandray fiadianany vatan-dehilahy rehetra ka nitsitokotoko nivoaka ny tanana hankeo amin'ny kisolosolon'ny tendrombohitra.
12 Rehefa nahita izany ny Asirianina, dia nandefa miaramila hampandre ny mpitarika azy; ireto kosa nampita vaovao tany amin'ny manamboninahitra rehetra, na mpifehy antokon-tafika na komandy.
13 Rehefa tonga teo amin'ny tranolain'i Holoferna ireo mpitarika, dia niteny tamin'i Bagoa izay mpiandraikitra ny raharaha rehetra momba ity filoha faratampon'ny tafika sady nanao hoe:-Fohazy re ny filohantsika! Ireo Israelita natao handevozintsika ireo dia sahy nidina hiady amintsika mba haringana tsy hisy miangana.
14 Dia niditra tao amin'ilay tranolay i Bagoa ary nandondona teo amin'ny varavaran'ny efitrano fatoriana, satria noheveriny fa natory tao niaraka tamin'i Jodita i Holoferna.
15 Kanefa nony tsy nisy olona namaly, dia nosokafan'i Bagoa ny lamban-baravarana mba hidirany ao an'efitrano; ary hitany maty nazera teo amin'ny sezabory i Holoferna saingy tsy misy loha intsony ny vatany.
16 Dia nidradraka i Bagoa ka nitomany sady nitoloko sy nigogogogo ary nandriatra fitafiana.
17 Niditra tao amin'ny tranolay nipetrahan'i Jodita izy fa tsy nahita azy. Izay izy vao nikoropaka nankeo amin'ny manamboninahitra nitangorona teo ka niantso mafy hoe:
18 -Narebirebin'ireo tsy valahara ireo isika!Vehivavy hebreo anankiray no nitondra henatra ho an'i Nebokadnetsara mpanjaka sy ho an'ny fianakaviany. Mitsitra amin'ny tany ao i Holoferna, saingy tsy misy loha intsony ny vatany.
19 Vao nandre izany teny izany ireo lehiben'ny tafika asirianina, dia nandriatra ny fitafiany sady nivarahontsana mafy. Ny kiakiaka sy horakoraka nataony no nisandratra teo anivon'ny toby.