Jodita

Toko faha-10

6 Avy eo izy roa vavy dia nizotra nankany am-bavahadin'ny tanana; ka hitany teo i Hozia mbamin'izy roa lahy loholon'ny tanana, dia i Kabry sy i Karmy, izay teo amin'ny toeram-piambenana.

7 Rehefa nahita an'i Jodita niova bika sy nisolo fitafiana toy izany izy telo lahy, dia variana tamin'ny hatsaran-tarehiny ka niteny taminy hoe:

8 -Enga anie ilay Andriamanitry ny razantsika hanome fahombiazana anao ary hamela anao hanatanteraka izay kendrenao hatao mba ho voninahitry ny vahoaka Israely sy ho fisandratan'i Jerosalema.

9 Dia niondrika nitsaoka an'Andriamanitra i Jodita ary niteny tamin'izy telo lahy hoe:-Asaovy vohaina ny vavahadin'ny tanana mba hahazoako mandeha any ivelany hanatontosa ny zavatra efa noresahiko taminareo. Dia nodidian'izy telo lahy ireo zatovo mpiambina mba hamoha vavahady an'i Jodita araka ny fiangavian-dravehivavy.

10 Dia nataon'ireo izany; ary lasa nivoaka ny tanana i Jodita niaraka tamin'ilay mpanompovaviny. Ny vatan-dehilahin'i Betolia dia nijery an-dravehivavy hatrany mandra-pahatafidiny ny tendrombohitra ka nirosoany hamakivaky ny lohasaha. Avy eo dia tsy tazany intsony izy.

11 Nandroso mahitsy nanara-dohasaha izy roa vavy ka notsenain'ny miaramila asirianina antoko-mpiambina lohalaharana.

12 Najanon'ireo i Jodita ka nanontaniany hoe:-Lafin'iza ianao, ary avy aiza ka ho aiza? Dia novaliany hoe:-Vehivavy anisan'ny Hebreo aho, ary nandositra avy any aminy satria fantatro fa efa hatolotra ho rembinareo izy.

13 Tonga hifanatrika amin'i Holoferna filohan-tafikareo aho mba hampahalala azy ny tena toe-javatra. Hasehoko azy ny lalana tokony hizorany mba hifehezany ny faritra be tendrombohitra manontolo; ka tsy hisy hahafatesana ny miaramilany na dia anankiray aza.

14 Nihaino an'i Jodita ireto miaramila sady nandinika ny tarehiny; ka hitany ho mahavariana tokoa ny bikany. Ary hoy ireo taminy:

15 -Namonjy ny ainao ianao amin'izao dodona hifanatrika amin'ny mpifehy anay izao. Koa mandehana ianao mankany an-trano lainy. Hiara-dia aminao ny sasany aminay mba hanolotra anao ho eo ambany fahefany.

16 Rehefa tonga eo anoloan'i Holoferna ianao, dia aza matahotra ao am-ponao;fa avereno ny zavatra voalazanao taminay, dia ho tsara fitondra anao izy.

17 Tamin'izay ireo mpiambina no nanendry andia-miaramila anisan'ny antokony mba hiara-dia amin'i Jodita sy ilay mpanompovaviny ka hitarika azy hankany amin'ny tranolain'i Holoferna.

18 Tao amin'ny toby manontolo dia nirohotra nitangorona ny olona, satria niampitampita isan-tranolay ny fanambarana fa hoe tonga i Jodita. Nohodidin'ireo olona ireo ravehivavy fony izy mbola teo ivelan'ny tranolain'i Holoferna, nandritra ny nampandrenesana an'ilay filohan-tafika.

19 Nigaga ny bikan'i Jodita ny olona ary nigaga koa ny Israelita noho ny aminy, ka nifampilaza hoe:-Ahoana no hanivaivaina firenena izay manana vehivavy bikana toy itony? Hampidi-doza ny mamela Israelita ho velona aina, na dia anankiray monja; izay sisa tavela eo dia mety hanodoka ny tany manontolo.

20 Dia nivoaka ny tranolay ireo mpiambina an'i Holoferna ary koa ireo rehetra manamboninahiny, ka nampiditra an'i Jodita hankao an-tranolay.

21 Tamin'izay i Holoferna dia niala sasatra teo am-parafarany, tao ambany voaly aromoka, dia voaly vita tamin'ny karazan-damba jaky sarobidy, voahaingo volamena sy emeralda ary vatosoa hafa koa.

22 Rehefa nampandrenesina azy ny amin'i Jodita, dia nandroso nankeny am-baravaran'ny tranolay izy, ka nisy fanilo volafotsy nentina nialoha lalana azy.

23 Vantany vao tonga teo anoloan'i Holoferna sy ireo manamboninahitra kosa i Jodita, dia ny besinimaro no nigaga ny hatsaran'ny bikany; niondrika nitehi-tany ravehivavy teo anoloan'ilay filohan-tafika, fa natsangan'ireo mpanompo.

Toko faha-11

1 Ary hoy i Holoferna tamin'i Jodita:-Matokia, ry andriambavilanitra, fa aza matahotra ao am-ponao. Izaho manko na oviana na oviana tsy mba manisy ratsy olona izay tapa-kevitra hanompo an'i Nebokadnetsara, mpanjakan'ny tany manontolo.

2 Ary raha tsy naniratsira ahy ny firenenao izay monina amin'ity faritra be tendrombohitra ity, dia tsy ho nanainga ny lefoko hamely azy aho. Ireo Israelita ireo ihany no nila vaniny nampahory tena toy izao.

3 Ankehitriny kosa lazao kely ahy ny antony nandosiranao avy any aminy sy nankanesanao aty aminay. Sady ho famonjenao tena manko no nahatongavanao, koa matokia faho velona aina ianao izao anio alina izao sy amin'ny ho avy.

4 Tsy hisy olona hanisy ratsy anao; fa hatao tsara fitondra ianao tahaka ireo mpanompon'ilay mpifehy ahy, dia i Nebokadnetsara mpanjaka.

5 Ary hoy i Jodita tamin'i Holoferna:-Mba ekeo, Tompoko, ny hitenenako aminao. Aoka ny tenako mpanompovavinao hiteny eto anatrehanao amin'izao alina izao, fa tsy hilaza lainga aminao aho!

6 Raha manaraka ny torohevitro ianao, dia Andriamanitra mihitsy no hiara-miasa aminao an-tsakany sy an-davany; ka tsy hisy tsy fahombiazanao amin'izay ataonao.

7 Velona i Nebokadnetsara mpanjakan'ny tany manontolo ary manan-kery ny fahefany, ka mianiana aho fa naniraka anao izy mba hamerina ny miaina rehetra amin'ny lala-mahitsy. Satria tsy ny olona ihany no taominao hanoa ny mpanjaka;fa ny bibidia sy ny biby fiompy ary ny vorona ihany koa dia fehezinao hanaiky an'i Nebokadnetsara sy ny fianakaviany manontolo.

8 Renay laza manko ny fahendrenao sy ny fahakinganao; ary nampahafantarina ny tany manontolo fa manerana ny fanjakana ianao no olom-banona indrindra, sady havanana amin'ny fahaiza-manao anananao ary ikoizana amin'ny tetika ho enti-miady.

9 Ny amin'ny lahateny nataon'i Akiora tao amin'ny filan-kevitrao kosa, dia efa renay ny zavatra voalazany, satria noraisin'ireo vatan-dehilahin'i Betolia izy ary nitatitra taminy ny zavatra rehetra nambarany taminao.

10 Noho izany, ry Tompoko sy mpifehy ahy, aza hamaivaninao ny teniny. Aoka hotananao tsara ao am-ponao izany satria marina tokoa: ny fireneko dia tsy iharam-pamaizana ary tsy andairan-tsabatra, afa-tsy raha nanota tamin'Andriamaniny.

11 Kanefa izany indrindra no miseho ankehitriny, hany ka tsy ho resy tosika ianao ary tsy hiala maina. Ny fahafatesana manko no hianjady amin'ny Israelita, satria voagejan'ny fahotana ireo ka nampahatezitra an'Andriamanitra, tahaka ny isak'izay nanaovany ratsy taminy.

12 Tsy ampy sakafo intsony izy ary mahalana vao mahita rano. Noho izany, efa nikasa ny hamono ny biby fiompiny ireo ary hampiasa ho sakafo ny zavatra rehetra izay voararan'ny lalanan'Andriamanitra ho haninay.

13 Tapa-kevitra koa ireo ny hihinana ny santa-bokatry ny varimbazaha sy ny ampahafolon'ny divay mbamin'ny menaka, izay efa navahany; zava-masina manko ireny, ka voatokana ho an'ny mpisorona izay manao fanompoana eo anatrehan'ilay Andriamanitray ao Jerosalema. Tsy misy olona mahazo mikasika izany amin'ny sarambabem-bahoaka.

14 Noho ny mponin'i Jerosalema efa nanao toy izany; dia nandefasan'ny mponin'i Betolia solotena tany amin'ny antenimieran-doholona ao Jerosalema mba hahazoany lalana hanao izany koa.

15 Ny andro izay hanomezana izany lalana izany, ka hihinanan'ny mponin'i Betolia ireo sakafo ireo, no hanoloran'Andriamanitra azy aminao mba haringanao.

16 Rehefa nandre izany ny tenako mpanompovavinao, dia nandositra avy tao aminy. Andriamanitra no naniraka ahy aty mba hanatanteraka miaraka aminao ny asa izay hampitolagaga ny olona rehetra handre azy eran'ny tany tontolo.

17 Izaho manko dia manaja an'ilay Andriamanitry ny lanitra ary manompo azy andro aman'alina. Ankehitriny, Tompoko, hipetraka eto anilanao aho, kanefa hivoaka ny toby isan'alina mba hankao an-kady hivavaka amin'Andriamanitra. Izy no hilaza amiko raha vantany vao nahavita izany fahotana izany ny mponin'i Betolia.

18 Dia ho tonga hitatitra izany aminao aho, ka hiainga ianao miaraka amin'ny tafikao manontolo hamely azy; ary tsy hisy amin'ireo ho afa-manohitra anao.

19 Avy eo ianao dia hotarihiko hamaky an'i Jodea hatrany Jerosalema, ka ny tenako no hametraka ny sezafiandriananao eo anivon'io tanana io. Ianao no hitondra ny mponina izay tahaka ny ondry tsy misy mpiandry; ary tsy hisy alika sahy hivovo hanohitra anao. Niteny tamiko Andriamanitra, ka nataony fantatro mialoha sy nambarany ahy ireo zavatra ireo; ary nirahiny aho hanambara izany aminao.

20 Sitrak'i Holoferna sy ireo manamboninahiny rehetra ny tenin'i Jodita. Nigaga ny fahendren-dravehivavy ireo ka loa-bolana hoe:

21 -Manomboka amin'ny tendron-tany iray ka hatrany any amin'ny tendron-tany hafa, dia tsy misy vehivavy tsara tarehy sy mahay miteny tahaka ity!

22 Avy eo dia hoy i Holoferna tamin'i Jodita:-Tsara ny nanirahan'Andriamanitra anao hialoha ny vahoakanao mba hanome anay ny fandresena ary mba hahatonga fandringanana an'ireo naniratsira an'i Nebokadnetsara Tompoko.

23 Ianao kosa dia tsara bika sady mahafinaritra fandaha-teny. Rahatahiny araka ny voalazanao no ataonao, dia ho Andriamanitro ilay Andriamanitrao; hitoetra ao an-dapan'i Nebokadnetsara mpanjaka ianao ary halaza eran'ny tany tontolo.

Toko faha-12

1 Tamin'izay i Jodita dia nasain'i Holoferna nampandrosoina tao amin'ny efitrano fisakafoany, ka fitaovana volafotsy no teo an-databatra; ary nodidian'ilay filohan-tafika mba ho avy amin'ny sakafony sy ny divainy no homena an-dravehivavy.

2 Fa i Jodita kosa niteny taminy hoe:-Tsy azoko atao ny mihinana amin'izany zavatra izany, fandrao hanota amin'Andriamanitra aho ; fa ny zavatra efa nentiko ho ahy ihany no hohaniko.

3 Dia hoy i Holoferna taminy:-Ka rehefa lany ny vatsy nentinao, dia aiza no hahazoanay sakafo mitovy amin'izany mba homena anao? Tsy misy olona mpiray firazanana aminao manko miaraka aminay.

4 Fa novalian'i Jodita hoe:-Velona ianao, Tompokolahy, ka mianiana aho fa tsy hahalany ireto vatsy ireto izaho mpanompovavinao, alohan'ny hanantanterahan'Andriamanitra amin'ny alalako ny hevitra voakasany.

5 Avy eo nampidirin'ireo mpanompon'i Holoferna tao amin'ny tranolay anankiray i Jodita. Dia natory tao hatrany amin'ny misasakalina ravehivavy. Alohan'ny mangiran-dratsy, dia niarina izy

6 ary nandefa iraka hangataka amin'i Holoferna mba hanome baiko hahafahany mivoaka ny toby mba hivavaka.

7 Dia nodidian'i Holoferna ireo mpiambina mba tsy hisakana azy.Telo andro no nipetrahan'i Jodita teo amin'ny toby. Isaky ny alina izy dia lasa nankany amin'ny hadin'i Betolia ary nandro teo amin'ny loharano.

8 Rehefa tafakatra avy any amin'ilay loharano izy, dia nivavaka tamin'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely mba hitarika azy amin'izay ataony mba hamonjeny ny taranaky ny fireneny.

9 Avy nidio toy izany ravehivavy, dia niverina tao an-tranolay, ary nijanona tao izy, mandra-pandroso sakafo ho azy amin'ny hariva.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9514