Tôbita
Toko faha-8
17 Eny, ankalazaina ianao namindrafo tamin'ireo zaza samy tokana ireo. Tompo o, indrafo sy famonjenano asehoy amin'izy roa hatrany; ary ny fiainany ataovy mizotra ombam-pifaliana sy ombam-piantrana!18 Avy eo dia nobaikoin'i Ragoela ireo lehilahy mpanompony hanototra ilay fasana nataony, alohan'ny hiposahan'ny masoandro.
19 Ary nilazan'i Ragoela ny vadiny mba hanao mofo betsaka. Ny tenany kosa nandeha tany amin'ny andiam-biby fiompiny, ka naka omby roa sy ondrilahy efatra teo ary nampanamboatra azy handrahoina. Dia nanomboka ny fanomanan-danonana.
20 I Tobia kosa nantsoin'i Ragoela ka nitenenany nombam-pianianana hoe: -Mandritra ny 14 andro, dia tsy hihetsika teto ianao fa hijanona ato an-tranoko mba hihinana sy hisotro. Hampifalianao fo indray ny zanako vavy, izay efa nianjadiam-pahoriana betsaka.
21 Raiso dieny izao ny antsasa-pananako, ary hiverina soa aman-tsara any an-tranon-drainao ianao. Ny antsasany hafa kosa dia ho anareo roa, rehefa maty ny tenako sy ny vadiko. Mahereza, anaka, fa ray ho anao ny tenako ary reny ho anao i Edna. Miraiki-po aminao sy amin'ny vadinao izahay, dieny izao ka ho mandrakizay. Mahereza, anaka!
Toko faha-9
1 Tamin'izay no nantsoin'i Tobia i Rafaela ka nitenenany hoe:2 -Ry Hazaria sakaizako, maka mpanompo efatra sy rameva roa hiaraka aminao, ka mandehana mankany amin'i Gabaela any Ragao.
3 Omeo azy ilay taratasy voasonia mba hahazoanao ny petra-bola. I Gabaela kosa ho entinao miaraka aminao mba hankaty amin'ny fampakaram-badiko.
4 Fantatrao fa tsy mitsaha-manisa andro ny raiko mandra-piveriko. Raha tahiny taraiky andro anankiray aho, dia hampalahelo azy mafy. Hitanao koa fa efa nanao fianianana i Ragoela mba tsy hahazoako mihetsika; ary tsy afa-manohitra izany aho.
5 Niaraka tamin'ny mpanompo efatra sy rameva roa tokoa i Rafaela no lasa nankany Ragao, tananan'i Media, ary niantrano tao amin'i Gabaela iny alina iny. Nomen'i Rafaela azy ny taratasim-pifanekena voasonia; ary notantarainy taminy fa i Tobia zanakalahin'i Tobita, dia nahazo vady ka manasa azy amin'ny lanonana fampakaram-bady. Teo no ho eo ihany i Gabaela dia nanisa ny kitapom-bola izay voaisy tombokase; ary nakarina teo ambony rameva ireo.
6 Vao maraina be no niara-niainga izy rehetra ary nankany amin'ny lanonana fampakaram-bady. Rehefa tonga tao amin'i Ragoela ireto mpandeha, dia nahita an'i Tobia efa eo am-pisakafoana. Fa nitsangana faingana i Tobia mba hiarahaba an'i Gabaela; ka sady nitomany i Gabaela no nankalaza an'Andriamanitra nanao hoe: -Olom-banona ianao sady nateraky ny lehilahy olom-banona sy mpandala ny rariny ary mpanao fiantrana! Homen'ny TOMPO tsodrano avy any an-danitra anie ny tenanao sy ny vadinao ary ny ray aman-drenin'ny vadinao! Ankalazaina Andriamanitra, satria nataony hitako i Tobia havako, izay mitovy amin-drainy mihitsy.
Toko faha-10
1 Isan'andro vaky kosa i Tobita dia manombantombana ny fotoana ilaina handehanana mankany Ragao sy hiverenana avy any. Rehefa tapitra izany fotoana izany, dia tsy mbola tafaverina ihany ny zanany lahy,2 ka hoy i Tobita anakampony: "Angamba voatazona any izy? Angamba maty i Gabaela ka tsy nisy olona hanome azy ilay vola?"
3 Nanomboka nitebiteby i Tobita,
4 ary i Hana vadiny dia niteny hoe: -Maty izay ny zanako ary efa tsy anisan'ny velona intsony! Dia nanomboka nitomany sy nidradradradra ravehivavy teo am-pieritreretana an-janany, ka nanao hoe:
5 -Indrisy, anaka, inona foana no namelako anao handeha! Ianao no nampibaliaka ny masoko!
6 Hoy kosa i Tobita namaly azy: -Mangina ianao, ry vady malalako, aza manana ahiahy, fa salama tsara izy. Zavatra tsy nampoizina mihitsy no nianjady taminy. Sady ilay mpiara-dia aminy koa dia olona mahatoky, anisan'ireo mpiray firenena amintsika. Aza mitebiteby momba an'i Tobia ianao, ry vady malalako, fa efa ho tonga izy.
7 Fa hoy i Hana hoe: -Aza miteny amiko intsony ianao, ary aza mandainga amiko. Maty ny zanako! Isan'andro i Hana dia dodona mivoaka ny trano mba hitazantazana ny lalana izay niaingan'i Tobia, satria tsy nisy olona nitokiany intsony. Rehefa nilentika ny masoandro, vao izay izy no miditra an-trano ka nidradradradra sy nitomany mandritra ny alina manontolo sady tsy nahita tory.
8 Rehefa tapitra ny 14 andro nianianan'i Ragoela hatokana ho an'ny fampakarana ny zanany vavy, dia lasa i Tobia nilaza tamin'ny rafozan-dahiny hoe: -Mba avelao aho handeha! Fantatro manko fa tsy matoky ny hahita ahy intsony ny ray aman-dreniko. Koa miangavy anao aho mba hamela ahy hiverina any amin-draiko. Efa nampahafantariko anao ny toe-pahasalamany fony izy nilaozako.
9 Hoy kosa i Ragoela tamin'i Tobia: -Mijanona re, anaka, mijanona eto amiko, fa handefasako iraka i Tobita rainao mba hampahafantatra azy ny momba anao. Fa novalian'i Tobia hoe: -Tsy izany akory, fa miangavy anao aho mba hamela ahy hiverina any amin-draiko.
10 Teo no ho eo dia natolotr'i Ragoela tamin'i Tobia i Sara vadiny ary nomeny azy koa ny antsasak'izay rehetra nananany: dia mpanompolahy sy mpanompovavy, omby sy ondry ary boriky sy rameva, akanjo sy fanaka isan-karazany ary vola.
11 Navelan'i Ragoela handeha soa aman-tsara izy rehetra, ary nataony veloma i Tobia ka nilazany hoe: -Salama tsara ianao, anaka; ary soavadia. Ilay TOMPOn'ny lanitra anie hanambina anao sy i Sara vadinao amin'ny dia! Ary enga anie aho hahita ny zanakareo alohan'ny hahafatesako!
12 Avy eo i Ragoela dia niteny tamin'i Sara zanany vavy hoe: -Aoka ianao handeha any amin'ny rafozan-dahinao! Aminao, manomboka izao, ny ray aman-drenin'ny vadinao dia ho toy ny ray aman-dreninao koa. Anaka, mandehana ombam-piadanana; ary enga anie zavatra tsara no ho reko momba anao, raha mbola velona koa aho. Dia nataon'i Ragoela veloma izy roa kely ary navelany handeha.
13 I Edna kosa niteny tamin'i Tobia hoe: -Ry zanako mamiko sy lalaiko, ny TOMPO anie homba anao amin'izao fodianao izao! Enga anie ny tenako mba ho ela velona ihany ka ho afaka hahita ny zanakareo sy Sara, alohan'ny hahafatesako! Vavolombelona miatrika ahy ny TOMPO, ka ankiniko aminao ity zanako vavy ity mba ho karakarainao; enga anie tsy hisy hampalahelovanao azy amin'ny androm-piainanao rehetra! Anaka, mandehana ombam-piadanana. Manomboka izao, ry Tobia, dia reninao aho ary vady malalanao i Sara; enga anie isika rehetra hambinin-tsoa amin'ny andro rehetra iainantsika! Dia norohan'i Edna izy roa kely ary navelany handeha samy finaritra tokoa.
14 Toy izany no nandaozan'i Tobia an'i Ragoela. Finaritra sy faly tokoa i Tobia tamin'izay sady nankalaza an'ilay TOMPOn'ny tany aman-danitra sy Mpanjakan'izao tontolo izao noho ny nanambinany ny diany. Dia mbola niteny tamin'i Tobia indray i Ragoela nanao hoe: -Enga anie ianao hambinin-tsoa manaja ny ray aman-dreninao amin'ny andro rehetra iainany!
Toko faha-11
1 Rehefa nanakaiky an'i Kaserina , izay tanana nifanila tamin'i Ninive, ireto mpiara-dalana, dia hoy i Rafaela hoe:2 -Fantatrao, ry Tobia, ny toe-pahasalaman'ny rainao fony isika nandao azy.
3 Ndeha isika hialoha lalana ny vadinao mba hanomankomana ny trano alohan'ny hahatongavan'i Sara sy ny olon-kafa rehetra.
4 Dia niara-nandeha hialoha lalana tokoa i Rafaela sy i Tobia. Ka nilazan'i Rafaela i Tobia mba hivonona hampiasa ny aferon-trondro. Ilay alikan'i Tobia kosa nanaraka taorian'izy ireo.
5 Tamin'izay i Hana dia nipetraka teo amoron'ny lalana izay tokony hiverenan'i Tobia ary nitazantazan-davitra.
6 Dia nahita an'i Tobia tonga izy ka nilaza tamin-drainy hoe: -Indro tonga ny zanakao lahy miaraka amin'ilay olona niara-dia taminy.
7 Alohan'ny hanatonan'i Tobia an-drainy, dia hoy i Rafaela tamin'i Tobia: -Fantatro fa hahiratra ny mason-drainao.
8 Asio ilay aferon-trondro ny masony, fa izany fanafody izany dia hiasa amin'ny pentina fotsy ary hampiendaka azy hiala teo amin'ny masony; dia hahita mazava indray ny rainao.
9 Tamin'izay i Hana no nihazakazaka niantoraka teo am-bozon'ny zanany lahy; ka sady nitomany ravehivavy no niteny taminy hoe: -Hitako indray ianao, anaka; koa afaka ny ho faty amin'izay aho.
10 I Tobita kosa nitsangana ka lasa nivoaka ilay varavaran'ny tokotany, na dia tafintohintohina aza.
11 Ary nanatona azy ny zanany lahy izay efa nitazona ny aferon-trondro teny an-tanany; dia nitsoka tamin'ny mason-drainy izy, ary namihina azy sy niteny taminy hoe: -Mahereza, ry dada! Dia nasiany an'ilay fanafody ny mason'i Tobia ary navelany hiasa izany.
12 Avy eo i Tobia nampiasa tanan-droa hampiendaka ny kiran-javatra fotsifotsy tamin'ny zoro mason-drainy.
13 Tamin'izay i Tobita dia niantoraka teo am-bozon'i Tobia, ka sady nitomany no niteny hoe: -Hitako ianao, anaka, ianao izay nampahazava ny masoko.
14 Dia nampian'i Tobita hoe: -Hankalazaina anie Andriamanitra! Hankalazaina anie ny anarany be voninahitra! Hankalazaina anie ireo anjeliny masina rehetra! Enga anie hiaro antsika hatrany ny anarany be voninahitra! Hankalazaina amin'ny taona rehetra anie ireo anjeliny masina rehetra! Nanome fitsapana ahy Izy, fa indro aho afa-mahita indray an'i Tobia zanako.
15 Faly sy nankalaza an'Andriamanitra tamim-peo avo i Tobia no niditra tao an-trano. Notantarainy tamin-drainy ny zava-drehetra: tomombana tsara ny dia, azony ny vola, ary nanambady an'i Sara zanakavavin'i Ragoela izy. Sady nampiany hoe: -Indro fa tonga ao izy, efa eo akaikin'ny vavahadin'i Ninive.
16 Faly sy nankalaza an'Andriamanitra koa i Tobita no niainga hitsena ny vinantovaviny teo am-bavahadin'i Ninive. Hitan'ireo Ninivita izy nandeha sy nivezivezy tamin'ny famindra hentitra sady tsy nisy olona nitarika, ka talanjona ny olona. Dia nambaran'i Tobita teo anatrehany fa namindran'Andriamanitra fo izy ary nampahiratiny maso indray.
17 Nony injay izy tonga teo akaikin'i Sara, vadin'i Tobia zanany, dia nitsodrano azy ka niteny hoe: -Arahaba tonga soa ianao, ry zanako vavy! Hankalazaina anie ilay Andriamanitrao fa nitondra anao ho aty aminay! Hotahina anie ny rainao, hotahina anie i Tobia zanako, ary hotahina anie ianao, ry zanako vavy! Mandrosoa ao an-tranonao, fa raisina soaaman-tsara ao ianao, mandrosoa ombam-pitahiana sy hafaliana ianao, ry zanako vavy!
18 Tamin'io andro io dia fifaliana no teo anivon'ireo Jiosy rehetra tao Ninive.
19 I Ahikara sy i Nadaba, izay samy zana-drahalahin'i Tobita, dia tonga teo aminy koa ary nifaly.
Toko faha-12
1 Rehefa tapitra ny lanonam-panambadiana, dia nantsoin'i Tobita i Tobia zanany ka nitenenany hoe: -Anaka, imasoy ny handoa ny karaman'ilay mpiara-dia taminao ary ampio valisoa izany.2 Dia novalian'i Tobia hoe: -Hoatrinona, ry dada, no karama homeko azy? Na dia ny antsasaky ny fananana niarahanay nitondra nody aza no homena azy, dia mbola tsy mahafaty antoka ahy izany.
3 Izy manko no nahatafaverina ahy soa aman-tsara, izy no nanasitrana ny vadiko, izy no nanampy ahy hahazo ilay vola, ary izy no nanasitrana anao. Hoatrinona no karama azoko omena azy amin'izany rehetra izany?
4 Ka hoy i Tobita hoe: -Rariny, anaka, ny handraisany ny antsasaky ny zavatra rehetra tongany teto.
5 Dia nantsoin'i Tobia i Rafaela, ary nilazany hoe: -Raiso ho karamanao ny antsasaky ny zavatra rehetra tonganao teto; ary modia soaaman-tsara any an-tranonao.
6 Tamin'izay i Rafaela no niantso azy mianaka mitokana ka niteny taminy hoe: "Ankalazao Andriamanitra ary ataovy antsoavo eo anatrehan'ny miaina rehetra ny soa nataony taminareo, mba hankalazany sy hiderany koa ny anarany. Ampahafantaro ny olona rehetra ny asan'Andriamanitra arakany mendrika ireny. Aza mitsahatra manao antso avo Azy.