Tôbita

Toko faha-3

14 TOMPO o, fantatrao fa madio aho; tsy mbola nisy fahalotoana nataoko tamin-dehilahy.

15 Tsy mbola nalako barakana ny anarako na ny an-draikotaty amin'ny tany mahababo ahy aty. Vavy tokana aho no an-draiko; tsy nanan-janaka hafa handova izy, tsy manan-drahalahy na havana akaiky mba afaka hanambady ahy ka hitahirizako ny tenako hovelona. Efa maty vady impito aho, ka inona intsony no mbola hiainako? Raha tsy sitrakao kosa, Tompo o, ny hamela ahy ho faty, dia mba henoy hiarovanao ahy ny fanevatevana atao amiko."

16 Teo noho eo ihany ny vavaka nataon'i Tobita sy i Sara dia tafapaka teo anatrehan'Andriamanitra be voninahitra ary nohenoiny.

17 Koa ny anjely Rafaela no voairaka hanasitrana an'i Tobita sy i Sara. Tokony hataony miala teo amin'ny mason'i Tobita ny pentina fotsy mba hahitany indray ny fahazavan'Andriamanitra; i Sara zanakavavin'i Ragoela kosa tokony hataony afaka amin'i Hasmodeo ilay demony mandoza ary homeny ho vadin'i Tobia zanakalahin'i Tobita. Io Tobia io manko no manan-jo hanana azy ho vady alohan'ny olon-kafa rehetra mpiandrandra azy.

Toko faha-4

1 Androtr'io ihany i Tobita dia nahatsiaro ny vola napetrany tamin'i Gabaela, tao Ragao tananan'i Media.

2 Ka hoy izy anakampony: "Nangatahiko tamin'Andriamanitra ny ho faty, ka tsara ny hiantsoako an'i Tobia zanako lahy mba hampahafantarako azy ny amin'io vola io alohan'ny hahafatesako."

3 Ary nantsoin'i Tobita ity zanany lahy; ka rehefa tonga teo aminy, dia nilazany hoe: "Ataovy tsara levenana aho, rehefa maty. Hajao ny reninao, ary aza ilaozana izy amin'ny andro rehetra hiainany. Ataovy izay mahafaly azy, fa aza mampalahelo azy na amin'inona na amin'inona,

4 tsarovy, anaka, fa niatrika fijaliana maro izy fony nitondra anao tao am-bohoka. Rehefa ho faty izy, dia aleveno eo akaikiko ao amin'ny fasana iray ihany.

5 "Anaka, tsarovy hatrany ny Tompo, ary aza manaiky hanota na handika ny didiny. Amin'ny androm-piainanao rehetra, manaova asa soa ary aza ny lalam-paharatsiana no izorana,

6 satria ireo manao ny marina no hahomby amin'ny raharahany.

7 Ireo rehetra manao asa soa no anaovy fiantrana avy amin'ny fanananao. Aoka ny fijerinao tsy hanenina rehefa nanao fiantrana ianao! Aza ahodina tsy hiatrika ny mahantra isan-karazany ny endrikao, dia hiatrika anao ny endrik'Andriamanitra.

8 Manaova fiantrana araka izay anananao, arakaraka ny haben'ny harenao. Na kely aza no anananao, dia aza matahotra ny hanao fiantrana araka ny kely anananao:

9 rakitra soa manko no angoninao ho an'ny tenanao ho amin'ny andro fahoriana,

10 satria ny fiantrana manafaka amin'ny fahafatesana ary misakana tsy hiditra any amin'ny haizina.

11 Eny, ho an'izay rehetra manao fiantrana, dia fanatitra tsara izany eo imason'Andriamanitra Avo Indrindra.

12 Anaka, aoka ianao hifady ny fanambadiana tsy araka ny lalanan'Andriamanitra; ka voalohany indrindra, vehivavy mpiray firenena aminao no aoka halainao ho vady! Aza manambady vehivavy vahiny izay tsy anisan'ny fokon-drainao, satria taranaky ny mpaminany isika. Tsarovy, anaka, ireo razambentsika hatramin'ny fahagola, dia ry i Noa sy i Abrahama ary i Itsehakasy i Jakoba; tsarovy fa vehivavy mpiray firazanana aminy no nalain'izy rehetra ho vady. Izany no nitsofan'Andriamanitra rano azy hanan-janaka; ary ny taranany no hahazony tany nampanantenaina."

13 Koa tiavo, anaka, ny Israelita mpiray firenena aminao; aza miavonavona amin'olona anisan'ny firenenao, na lahy na vavy, ka hihevitra ny tsy haka vady eo aminy. Ny fiavonavonana manko dia miteraka faharavana sy fikorontanana maro; toy izany koa ny fahakamoana dia miteraka fahantrana sy fahadiranovana goavana, satria ny fahakamoana no loharanon'ny mosary.

14 "Aza tanana ho amin'ny ampitso ny karaman'ny mpiasa, fa aoka haloanao avy hatrany; raha manompo an'Andriamanitra araka izany ianao, dia hisy valisoa hasetriny anao. Mitandrema tena ianao, anaka, amin'ny zava-drehetra ataonao, ary aoka hiharihary fa tsara taiza ianao amin'ny fitondrantenanao manontolo!

15 Izay zavatra halan'ny tenanao, dia aza atao amin'ny hafa. Aza misotro divay tafahoatra ka ho tonga mamon'izany; aoka ny hamamoana tsy hiara-dia aminao eny an-dalanao.

16 Ny mofonao izarao amin'izay noana ary ny fitafianao izarao amin'izay tsy mitafy. Anaovy fiantrana ny zavatra rehetra mihoatra ny ilainao; ary aoka ny fijerinao tsy hanenina, rehefa nanao fiantrana ianao!"

17 Omeo sakafo izay avy nisaona nandevina olo-marina ; fa aza anaovanao izany kosa ny mpanota.

18 "Akao torohevitra ny olon-kendry isan-karazany; ary aza atao tsirambina ny torohevitra tsara.

19 Ankalazao ny TOMPO Andriamanitrao amin'ny fotoan-drehetra, ary angataho Izy hitarika anao amin'ny lala-mahitsy ary hampahomby izay rehetra karakarainao sy kendrenao; tsy misy manko firenena manana ny fahatakaran-kevitra fa ny TOMPO ihany no manome ny zava-tsoa rehetra; sady izay tiany haetry, dia aetriny hatrany amin'ny toeran'ny maty. Koa tadidio, anaka, ireo hafatrafatra ireo, ary aoka tsy ho voakosoka na oviana na oviana ao am-ponao!"

20 "Ankehitriny, anaka, dia ampahafantariko anao fa misy volafotsy telonjato kilao napetrako tamin'i Gabaela zanakalahin'i Gabry, tao Ragao tananan'i Media.

21 Eny, nihamahantra isika, anaka, saingy aza manahy; manana harem-be ianao, raha manaja an'Andriamanitra sy mifady ny fahotana isan-karazany ary manao izay tsara imason'ny TOMPO Andriamanitrao."

Toko faha-5

1 Dia niteny i Tobia ka nanao tamin'i Tobita rainy hoe: -Hataoko avokoa, ry Dada, izay rehetra nanafatrafaranao ahy.

2 Kanefa ahoana no hahazoako izany vola izany amin'i Gabaela, satria tsy mifankalala izahay? Inona no famantarana homeko azy mba hahalalany ahy, ka hitokiany ahy ary hanomezany ahy ny vola? Sady tsy fantatro koa ny lalana hankanesana any Media.

3 Tamin'izay no niteny i Tobita ka namaly an'i Tobia zanany hoe: -Nisy taratasim-pifanekena voasonian'i Gabaela ary nomeny ahy hosoniaviko. Dia nozaraiko roa izany taratasy izany ka samy naka ilan-taratasy avy izahay; ary navelako miaraka amin'ny vola ny ilan-taratasy anjarany. Roapolo taona lasa izay no nametrahako io vola io ho tahiriziny. Ankehitriny, anaka, mitadiava olona mahatoky, izay hiara-dalana aminao. Homentsika karama izy, rehefa tafaverina avy any ianao; fa ndeha alao any amin'i Gabaela izany vola izany.

4 Koa niainga i Tobia hitady olona izay hiara-dia aminy hankany Media sady mahalala tsara ny lalana; vao tafavoaka ny trano izy, dia nahita ny anjely Rafaela nijoro teo anatrehany; saingy tsy fantany hoe anjelin'Andriamanitra io.

5 Dia hoy i Tobia taminy: -Avy aiza ianao, ry sakaiza? Ka novalian'i Rafaela hoe: -Anankiray amin'ireo Israelita mpiray firenena aminao aho, ary tonga eto mba hitady asa. Ary nanontany azy i Tobia hoe: -Fantatrao ve ny lalana mankany Media?

6 Ka novaliany hoe: -Fantatro tokoa. Matetika no efa nandeha tany aho ary mahalala tsara ny lalana rehetra. Imbetsaka aho no efa tany Media, ka ny fipetrahako dia tao an-tranon'i Gabaela izay mpiray firenena amintsika sady monina ao Ragao, tananan'i Media. Misy lalana dia an-tongotra andro roa hatreo Ekbatana mankany Ragao, satria samy miorina an-tendrombohitra ireo tanana anankiroa ireo.

7 Dia hoy i Tobia tamin'i Rafaela: -Mba andrasonao kely eto aho, ry sakaiza, mandra-piditro ao an-trano hampahafantatra izao amin-draiko. Ilaiko hiara-dia amiko ianao ary homeko ny karamanao.

8 Ka novalian'ny anjely hoe: -Eny ary, hiandry eto aho, kanefa aza ela ianao!

9 Dia niditra tao an-trano i Tobia ary nampahafantatra izany tamin'i Tobita rainy sady nanao hoe: -Indro aho fa nahita olona, dia anankiray amin'ireo Israelita mpiray firenena amintsika. Hoy kosa i Tobita tamin-janany: -Antsoy ho aty amiko hoe izany olona izany, anaka. Tiako ho fantatra ny tarika sy ny foko nipoirany ary koa raha mahatoky izy mba hiara-dia aminao.

10 Dia nivoaka ny trano i Tobia ary niantsoan'i Rafaela sy niteny taminy hoe: -Antsoin-draiko ianao, ry sakaiza. Dia niditra tao an-trano ilay anjely; ary i Tobita no niarahaba azy voalohany, ka novaliany hoe: -Mirary fanambinana betsaka ho anao aho! Dia niteny indray i Tobita ka nanao tamin'ilay anjely hoe: -Fanambinana inona moa no mbola mety hananako? Tsy afa-mahita mihitsy ny masoko. Tsy hitako intsony ny hazavan'ny habakabaka; ao anatin'ny haizina no itoerako, tahaka ny maty izay tsy mibanjina intsony ny hazavana. Mbola velona aina aho, saingy efa eo anivon'ny maty. Reko feo ny olona fa tsy mahita azy aho. Hoy kosa ilay anjely tamin'i Tobita: -Mahereza! Tsy ho ela, dia hositranin'Andriamanitra ianao. Mahereza! Dia i Tobita ihany no nanao tamin'ilay anjely hoe: -I Tobia zanako dia mikasa hankany Media. Koa afaka ny miara-dia aminy sy mitari-dalana azy ve ianao? Homeko ny karamanao ianao, rahavako. Ary novalian'ilay anjely hoe: -Afaka miara-dia aminy aho, sady fantatro ny lalana rehetra satria imbetsaka aho no efa nandeha tany Media; efa noteteziko avokoa ny lemaka sy tendrombohitra ao aminy, ka fantatro tokoa ny lalana rehetra ao.

11 Ary nanontany azy indray i Tobita hoe: -Inona moa ny fianakaviana sy foko nipoiranao, rahavako? Mba ampahafantaro ahy, azafady.

12 Fa novalian'ilay anjely hoe: -Nahoana no ilainao ho fantarina ny foko nipoirako? Ka hoy i Tobita taminy: -Iriko ho fantatra marina hoe zanak'iza ianao, rahavako, ary iza no anaranao?

13 Ka novalian'ilay anjely hoe: -Izaho no Hazaria, zanakalahin'i Hanania ilay atao hoe Malaza sady anankiray amin'ireo mpiray firenena aminao.

14 Dia hoy i Tobita taminy: -Rarina ho finaritra soa aman-tsara hatrany ianao, rahavako. Aza tezitra amiko ianao raha naniry hahafantatra ny marina momba ny fianakavianao aho. Miharihary fa mpiray firenena amiko ianao; ary mahafatra-po tokoa ny tarika nipoiranao. Fantatro i Hanania sy i Natana izay samy zanakalahin'i Semelia ilay natao hoe Malaza. Fahiny dia izy roa lahy no niara-dia tamiko tany Jerosalema ary niaraka tamiko tao nitsaoka an'Andriamanitra. Tsy mba naniasia izy mirahalahy fa olona nahafatra-po; ka tsara fototra ianao. Rarina ho finaritra hatrany ianao!

15 Ary hoy koa i Tobita hoe: -Homeko ny karama drakma iray isan'andro ianao; ary momba ny zavatra ilainao eny an-dalana, dia homeko mitovy amin'izay homeko an-janako ianao.

16 Aoka ho mpiara-dia amin-janako tokoa ianao, dia mbola hampiako ny karamanao!

17 Dia novalian'i Hazaria hoe: -Ho mpiara-dia aminy tokoa aho. Aza matahotra fa ho tsara mandroso ho tsara miverina izahay, satria azo antoka ny lalana. Ary hoy indray i Tobita taminy: -Ho aminao anie ny fitahian'Andriamanitra, rahavako! Avy eo dia nantsoin'i Tobita ny zanany ka nitenenany hoe:-Omany, anaka, ny zavatra ilainao ho an'ny dia, ary ndeha miainga miaraka amin'ity namanao. Enga anie Andriamanitra, Izay ao an-danitra, hiaro anareo any; ary enga anie Izy hampiverina soaaman-tsara anareo eto amiko! Ny anjeliny anie, anaka, no hiara-dalana aminareo mba hiambina anareo! Dia lasa i Tobia niomankomana hanainga ny diany; ary rehefa avy nanoroka ny ray aman-dreniny izy, dia mbola norarin'i Tobita ho tsara dia indray.

18 Nitomany kosa ny reniny sady niteny tamim-badiny hoe: -Nahoana no ampanefanao iraka ny zanako? Tsy izy ve no mpanohantohana antsika, tamin'izy nikeninkenina teto anoloantsika?

19 Aoka tsy izay hampiavosa vola ihany no himasoanao, fa aoka mba tsy hisy vidiny akory izany miohatra amin'ny zanatsika!

20 Ampy antsika izao nomen'ny TOMPO hivelomantsika izao.

21 Dia hoy i Tobita tamin'ny vadiny: -Aza manahy ianao. Ho tsara mandroso ho tsara miverina ny zanatsika! Ary ho hitanao maso ny andro hahatafaverina azy soa aman-tsara eto aminao.

22 Aza manahy ianao; aza matahotra ny amin'izy roa lahy, ry vady malalako. Hisy anjely tsara hiara-dalana amin'io zanatsika io, ka ho tomombana ny diany ary ho tafaverina soa aman-tsara izy.

23 Dia nitsahatra nitomany ny vadin'i Tobita.

Toko faha-6

1 Niainga ity tovolahy; ary ilay anjely no niaraka taminy. Ny alika tao an-trano ihany koa dia niara-dalana tamin'izy ireo. Lasa tokoa ity tovolahy sy ilay anjely. Tamin'ny alina voalohany, dia nilasy teo amoron'ny ony Tigra izy.

2 Nidina hisasa tongotra tao amin'ny ony ity tovolahy, ka nisy trondro makadiry niantsambotra avy ao anaty rano ary nanambana handrapaka ny tongony anankiray. Nihoraka i Tobia,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9683