Tôbita

Toko faha-12

7 Tsara afenina ny tsiambaratelon'ny mpanjaka, fa tsara ambara sy ankalazaina kosa ny asan'Andriamanitra arakany mendrika ireny. "Manaova ny tsara, dia tsy hisy ratsy hahatratra anareo.

8 Ny vavaka araka ny tena izy sy ny fiantrana araka ny fahitsiana dia tsara kokoa noho ny harena tsy ara-drariny ; tsara kokoa ny manao fiantrana noho ny manangona volamena.

9 Ny fiantrana no manafaka amin'ny fahafatesana, ary izy no manadio ny fahotana isan-karazany.

10 Izay manao fiantrana dia ho lava andro iainana; fa izay manao fahotana sy tsy rariny dia fahavalon'ny tenany.

11 "Hasehoko anareo izao ny marina manontolo ka tsy hisy na inona na inona hafeniko aminareo. Efa nampahafantariko sy nolazaiko taminareo ny hoe tsara afenina ny tsiambaratelon'ny mpanjaka fa tsara ambara kosa ny asan'Andriamanitra araka ny halehibiazany.

12 Koa izao ary: fony ianao nivavaka iny, ry Tobita, ary fony nivavaka iny koa i Sara, dia izaho no nanolotra izany vavaka fampahatsiarovana nataonareo izany teo anatrehan'ny TOMPO be voninahitra; fony ianao nandevina ny maty, dia mbola izaho koa no nanolotra ny asanao.

13 Fony ianao tsy nisalasala nitsangana niala teo an-databatra ka nandao ny sakafonao mba handevina ilay faty, dia tamin'iny fotoana iny indrindra no nanirahan'Andriamanitra ahy ho aty aminao mba hitondra fitsapana ho anao.

14 Kanefa Andriamanitra ihany koa no naniraka ahy mba hanasitrana anao sy hanasitrana an'i Sara vinantovavinao.

15 Izaho no i Rafaela, anankiray amin'ireo anjely fito izay eo anoloan'ny TOMPO be voninahitra ary vonon-kanompo Azy."

16 Dia nivarahontsana sy feno tahotra i Tobita sy ny zanany, ka lavo tafahohoka tamin'ny tany,

17 fa hoy ilay anjely tamin'izy mianaka: -Aza matahotra ianareo! Ho aminareo anie ny fiadanana! Mankalaza an'Andriamanitra amin'ny fotoana rehetra.

18 Tsy niankina tamin'ny nahim-poko ny nahateo aminareo ahy fa niankina tamin'ny sitrapon'Andriamanitra; koa Izy no ankalazao sy derao isan'andro vaky.

19 Toa hitanareo nisakafo aho, kanefa tsy nisakafo akory aho, fa fahitana ihany no hitanareo.

20 Koa ny TOMPO no ankalazao eto ambonin'ny tany ary Andriamanitra no ataovy antso avo. Indro aho fa hiverina any amin'Ilay naniraka ahy. Ianareo kosa manaova an-tsoratra ny zavatra rehetra nitranga taminareo. Tamin'izay i Rafaela no niverina ho any an-danitra.

21 Dia niarina i Tobita sy ny zanany lahy fa tsy afa-nahita azy intsony.

22 Nankalaza sy nidera an'Andriamanitra izy mianaka, ary nanao antso avo ny asa lehibe izay vitany, rehefa nisy anjelin'Andriamanitra niseho mba ho fanasoavana azy.

Toko faha-13

1 Ary hoy i Tobita hoe:

2 "Hankalazaina anie Andriamanitra, Ilay velona mandrakizay! Hankalazaina anie ny fanjakany! Fa manasazy Andriamanitra, dia mamindrafo; Izy no mampidina ny olona any amin'ny toeran'ny maty, dia hatrany amin'ny fanambanin'ny tany; Izy koa no manala avy amin'ny fahaverezambe. Tsy misy zavatra afa-midify ny fahefany.

3 Ry Israelita, mankalaza an'Andriamanitra eo anatrehan'ny hafa firenena nanelezany anareo;

4 teo koa Izy no naneho halehibiazana taminareo. Asandrato Izy eo anoloan'ny miaina rehetra, satria Izy no Tompontsika, Izy no Andriamanitsika sy Raintsika ; Izy no Andriamanitra amin'ny taona rehetra.

5 Manasazy anareo Izy noho ny fahadisoanareo kanefa hamindrafo aminareo rehetra, ary hanangona anareo avy amin'ny firenena rehetra izay nanelezana anareo.

6 Rehefa amin'ny fo manontolo sy aina manontolono hiverenanareo amin'Andriamanitra mba hanao ny marina eo imasony, dia hiverina aminareo koa Izy ary tsy hanafin-tava aminareo intsony.

7 Jereo ary ny nataony ho anareo, ka isaory amin'ny vava tontolo Izy. Ankalazao ny Tompo mpandala ny rariny ary asandrato ilay Mpanjaka mandrakizay.

8 Izaho kosa misaotra Azy tokoa aty an-tany namaboana ahy aty. Ny hery amam-pahalehibiazany no asehoko amina firene-mpanota. Miverena amin'Andriamanitra, ry mpanota o, ary manaova ny rariny eo imasony. Iza moa no mahalala? Fa angamba hanambina anareo Izy ary koa hamindrafo aminareo.

9 Manandratra an'ilay Andriamanitro aho; ny amin'ny Mpanjakan'ny lanitra no mampientan-kafaliana ny aiko.

10 Aoka ny olona rehetra, ao Jerosalema, hanambara ny halehibiazany sy hisaotra Azy! Ry Jerosalema tanana masina o, nosazin'Andriamanitra ianao noho ny toetran'ireo mponinao; kanefa Izy mbola hamindrafo indray amin'ireo zanaky ny olo-marina.

11 Koa ataovy tsara ny fisaorana Azy, ankalazao ilay Mpanjaka mandrakizay dia haorina indray amin-kafaliana ny Toeramasina eo anivonao.

12 Aoka ianao no hampifalian'Andriamanitra an'ireo voababo rehetra, sy hanehoany fitiavana ny ory rehetra eo amin'ny taranaka rehetra ho avy!

13 Hazavana manjopiaka ao aminao no hamiratra amin'ny lafin-tany rehetra. Vahoaka marobe, avy any lavitra, no ho tonga eo aminao; ary ny mponin'ny vazan-tany rehetra no hankeo amin'ilay Andriamanitrao masina ka hitondra ny fanatitra eny an-tanana ho an'ilay Mpanjakan'ny lanitra. Ao aminao ny taranaka mifandimby no haneho ny hafaliany, ry Jerosalema; ka ny anarana hoe Voafidy"" no hiantsoana anao eo amin'ny taranaka ho avy."

14 Ho voaozona anie izay rehetra hiteny mandrahona anao! Ho voaozona anie izay rehetra handrava anao sy handrodana ny mandanao, mbamin'izay rehetra hampianjera ny tilikambonao sy handoro ireo tranonao, ry Jerosalema! Fa hotahina mandrakizay kosa izay rehetra manaja anao.

15 Amin'izay, ry Jerosalema, mirosoa mifaly noho ny amin'ireo zanaky ny olo-marina satria ho tafavory izy rehetra mba hankalaza ilay Tompo mandrakizay. Sambatra ireo mankamamy anao; sambatra ireo mientan-kafaliana amin'ny fiadanana manerana anao.

16 Sambatra izay rehetra malaheloanao noho ny amin'ny famaizana nanjoanao; satria hientan-kafaliana ao aminao izy, ary ny hafaliana feno anananao no hiombonany mandrakizay. Ny aiko dia mankalaza ny Tompo, ilay Mpanjaka lehibe,

17 satria ho voaorina indray i Jerosalema ary hijoro mandrakizay ao amin'io tanana io ny tranon'ny Tompo. Ry Jerosalema o, ho faly tokoa aho rehefa hatrizay ny sisa tavela amin'ny taranako dia hahita ny famirapiratanao ary hisaotra ilay Mpanjakan'ny lanitra. Ny vavahadinao dia haorina amin'ny safira sy emeralda; ny tilikambonao dia harafitra amin'ny volamena ary ny fanamafisana azy dia hatao volamena madio; ny arabenao dia ho vita rary vatosoa mena sy vato voafantina avy any Ofira.

18 Ny vavahadinao no hipoiran'ny hiran-kafaliana ary ny tranonao rehetra dia handredonana hoe: Haleloia! Hankalazaina anie ilay Andriamanitr'i Israely! Ary ireo notahiny dia hankalaza ny anarany masina hatrany hatrany ary mandrakizay."

Toko faha-14

1 Toy izany no niafaran'ny tononkira fisaorana nataon'i Tobita.

2 Maty nilamina i Tobita, rehefa feno 112 taona; ary natao nanetriketrika ny fandevenana azy tao Ninive. Feno 72 taona izy, fony tonga jamba. Taorian'ny nahiratany indray, dia niaina nanan-karena i Tobita sy nanao fiantrana ary nanohy nankalaza an'Andriamanitra sy nanao antso avo ny halehibiazany.

3 Rehefa akaiky ho faty i Tobita, dia niantso an'i Tobia zanany ary nanafatrafatra azy toy izao: "Anaka, ento ny zanakao

4 ary mandehana faingana mankany Media. Inoako manko ny tenin'Andriamanitra mamely an'i Ninive, teny izay nolazain'i Nahoma: ho tonga avokoa izany ary hihatra amin'i Asiria sy i Ninive. Hihatra tokoa ny zava-drehetra voalazan'ireo mpaminanin'i Israely, dia ireo mpaminany nirahin'Andriamanitra. Tsy misy ho foana na iray aza amin'ireny teny rehetra ireny, fa samy ho tanteraka amin'ny fotoanandrony avy. Koa any Media no azo antoka kokoa noho ny eto Asiriana atsy Babilona, satria fantatro sy inoako fa ny zava-drehetra nolazain'Andriamanitra dia hianjady sy ho tonga; ary tsy hisy raraka an-tany ny tenin'ireo faminaniana ireo. Ireo mpiray firenena amintsika, izay mbola monina ao Israely, dia haparitaka ary ho entina ho babo lavitr'izany tany soa izany. Ho tonga taniefitra i Israely manontolo; i Samaria sy i Jerosalema kosa dia ho tanana aolo; ary ny tranon'Andriamanitra dia ho dorana sy havela ho rava mandritra ny fotoana voafetra.

5 Kanefa hamindran'Andriamanitra fo indray ilay vahoakany ka haveriny ao amin'ny tanin'i Israely. Ary haorin'ireo ny tempoly, saingy io tempoly io dia tsy hamirapiratra toy ilay tempoly voalohany, mandra-pahafeno ny fotoanandro. Aorian'izany no hiverina avy amin'ny fahababoana ny Israelita rehetra ka hanorina indray an'i Jerosalema amin'ny fomba mahafinaritra; ny tempolin'Andriamanitra koa ho voaorina araka ny nilazan'ireo mpaminanin'i Israely azy.

6 Ary ny hafa firenena rehetra manerana ny tany manontolo dia hiverina amin'Andriamanitra ary hanaja Azy araka ny tena izy; hilaozan'ireo ny sampy manodoka, dia ireo sampy nampivaona azy tamin'ny hevi-diso, ary hankalazainy amim-pahamarinana ilay Andriamanitra mandrakizay.

7 Amin'izany andro izany, ireo Israelita rehetra izay mahatsiaro an'Andriamanitra tokoa dia ho vonjeny; hangoniny sy haveriny ao Jerosalema ireo, ary homeny indray ny tanin'i Abrahama mba honenany mandrakizay tsy amin'ahiahy. Hientan-kafaliana ireo tia tokoa an'Andriamanitra; fa ho fongotra amin'ny tany manontolo kosa ireo mpanota sy mpanao ratsy.

8 "Ankehitriny, rey anaka, izao no anafatrafarako anareo: Manompoa an'Andriamanitra amim-pahamarinana ary ataovy izay sitraka eo imasony. Aoka ho baikoinareo ireo zanakareo mba hanao ny rariny sy ny fiantrana; aoka izy hahatsiaro an'Andriamanitra ary hankalaza ny anarany mandrakariva amim-pahamarinana sy amin'ny heriny manontolo.

9 Ianao kosa, ry Tobia zanako, aoka handao an'i Ninive fa aza mijanona eto. Rehefa ho faty ka ho voalevinao eo anilako ny reninao, dia aza mijanona intsony ao amin'ny faritr'ity tanana ity. Hitako manko fa ny fanaovan-dratsy no mihanaka ao aminy; ary tsy misy henatra akory no anaovana fitaka zavon-tany."

10 Anaka, tsarovy ny fomba nataon'i Nadaba tamin'i Ahikara izay ray nanangana azy: nasain'i Nadaba nazera velona tao an-davaka an-kibon'ny tany izy. Kanefa izany habibiana mahatsiravina izany dia nafotitr'Andriamanitra taminy, teo imason'ilay nosomparany; raha tafavoaka nahita ny mazava i Ahikara, fa niditra ho ao amin'ny haizina mandrakizay kosa i Nadaba izay nitady hamono hahafaty azy. Fatra-panao fiantrana io Ahikara io ka izany no nahatafavoaka azy tamin'ny fandrika mahafaty novelarin'i Nadaba hamelezana azy; ity Nadaba ity kosa no latsaka tao amin'ny fandrika mahafaty novelariny, ka ny tenany ihany no matin'izany.

11 Jereo ary, anaka, ny vokatry ny fanaovam-piantrana; jereo koa ny vokatry ny fanaovan-dratsy, satria mamono mahafaty izany. "Indro kosa fa manomboka miala amiko ny aina. "Tamin'izay i Tobita dia natsotra teo am-parafara ka maty teo. Ary natao nanetriketrika ny fandevenana azy.

12 Rehefa maty ny reniny, dia nalevin'i Tobia teo anilan'ny rainy. Avy eo dia lasa nankany Media izy sy ny vadiny ka niorim-ponenana tao Ekbatana teo akaikin'i Ragoela rafozan-dahiny.

13 Nokarakarain'i Tobia tamim-panajana i Ragoela mivady, teo amin'ny fahanterany; ary, fony maty izy roa, dia naleviny tao Ekbatana. Ka nandovany fananan'i Ragoela i Tobia, tahaka ny efa nandovany rahateo ny an'i Tobita rainy.

14 Ny tenany koa dia maty, rehefa feno107 taona; ka heni-kaja tamin'ny olona izy.

15 Talohan'ny nahafatesan'i Tobia, dia henony ny fandravana an'i Ninive ary hitany tonga tao Media ireo Ninivita voababon'i Siaksara mpanjakan'ny Medianina.
Nankalaza an'Andriamanitra i Tobia tamin'ny loza rehetra namelezany ny olona tao Ninive sy tao Asiria. Alohan'ny hahafatesany, dia nifaliany ny nanjo an'i Ninive; ary ho amin'ny taona mandrakizay no hankalazany ny TOMPO Andriamanitra.

Jodita

Toko voalohany

1 Efa 12 taona tamin'izay no nanjakan'i Nebokadnetsara, mpanjakan'ny Asirianina, tao Ninive ilay tanana lehibe. Tamin'izany andro izany koa i Arfaksada no efa nanjaka tamin'ny Medianina, tao Ekbatana renivohitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9814