Malakỳ

Toko faha-3

24 Izy no hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanany ary ny fon'ny zanaka ho amin'ny rainy; amin'izay Aho dia tsy ho avy hamely ny tany amin'ny fandringanana.

Tôbita

Toko voalohany

1 Izao no tantaran'i Tobita, zanakalahin'i Tobiela sy zafin'i Hananiela sy zafiafin'i Adoela ary zafin-dohalik'i Gabaela; samy avy amin'ny tarik'i Asiela izy ireo sady anisan'ny fokon'i Naftaly.

2 Nonina tao amin'ny zaratanin'i Naftaly any Galilea ampatrana i Tobita, dia tao an-tananan'i Tisba, teo anelanelan'i Kedesa tao avaratra sy i Hatsora tao andrefana ary i Fogora tao atsimo; avy tao Tisba izy no nentina ho babo nankany Asiria tamin'ny andron'i Salmanatsara mpanjakan'io tany io.

3 Izaho Tobita dia nizotra nitandro ny rariny sy nanao asa soa nandritra ny andro rehetra niainako; nahavita fiantrana betsaka aho tamin'ireo havako sy mpiray firenena amiko, izay voababo niaraka tamiko teto Ninive, tao amin'ny tanin'ny Asirianina.

4 Fony aho tanora ka mbola nipetraka tao amin'ny faritra nisy ahy teo amin'ny tanin'i Israely, dia nisaraka manontolo tamin'ny taranak'i Davida sy tamin'i Jerosalema ny fokon'i Naftaly razambeko. Kanefa io Jerosalema io no tanana voafidin'Andriamanitra teo anivon'ireo fokon'i Israely rehetra mba ho fanoloran'ny Israelita sorona. Tao nonanorenana sy nanokanana ny tempolin'Andriamanitra ho an'ny taranaka rehetra ho avy.

5 Ny havako rehetra sy ny fokon'i Naftaly razambeko dia teny amin'ny tendrombohitr'i Galilea rehetra teny no nanolotra sorona tamin'ilay ombilahikely volamena izay tao Dana no nataon'i Jerobohama mpanjakan'i Israely.

6 Izaho kosa matetika dia nandeha samirery tany Jerosalema tamin'ireo andro fety, araka izay voasoratra ho fitsipika raikitra ho an'i Israely manontolo. Nidodododo nankany Jerosalema aho nitondra ny voaloham-bokatra sy ny voalohan-teraky ny biby fiompiko ary ny volon'ondry tamin'ny fanetezana azy voalohany.

7 Nomeko ny mpisorona taranak'i Aharona izany mba ho entiny eo amin'ny alitara fisoronana. Nanefako fahafolon-karena koa ny vary, ny divay, ny oliva, ny ampongabendanitra, ny aviavy ary ny voankazo hafa rehetra ka nomeko ny levita izay nanao fanompoana tao Jerosalema. Namidiko ny ampahafolony fanindroany tamin'ny fananako, araka ny fanao mandritra ny enina taona ao anatin'ny fito, ary nolaniko isan-taona tany Jerosalema ny vola azo.

8 Ary ny ampahafolony fanintelony tamin'ny fananako dia nomeko ny kamboty sy ny mpitondratena ary ny vahiny izay nanaraka ny fivavahana jiosy ka niara-nonina tamin'ny Israelita; isan-telo taona no nentiko sy nomeko azy izany ka niarahanay nihinana araka ny fitsipika voalazan'ny lalanan'i Mosesy momba izany sy araka ny fampianaran'i Debora renin'i Hananiela raibenay; ny raiko manko, nony maty, dia namela ahy ho kamboty.

9 Ka rehefa tonga olon-dehibe aho, dia nanambady vehivavy anankiray anisan'ny taranaky ny razambenay; ary niteraka zazalahy taminy aho ka Tobia no anarana niantsoako azy.

10 Rehefa nentina ho babo taty Asiria aho, dia tonga tao Ninive. Tao amin'io tanana io, ireo havako rehetra sy ireo mpiray tanindrazana amiko dia nihinana ny sakafon'ny mpanompo sampy,

11 fa izaho kosa nitandrin-tena mba tsy hihinana ireny sakafo ireny.

12 Ny aiko manontolo no nahatsiarovako an'ilay Andriamanitro,

13 ka izany no nahatonga ahy hahazo fitia tamin'i Salmana tsara mpanjaka. Dia izaho no nampividianany ny zavatra rehetra nilainy;

14 izaho no mpandeha tany Media nividy entana ho azy mandra-pahafatiny. Koa, indray maka, dia nisy volafotsy telonjato kilao napetrako tamin'i Gabaela rahalahin'i Gabry.

15 Rehefa maty i Salmanatsara mpanjaka, dia i Saneheriba zanany lahy no nandimby azy. Niova ho tsy azo antoka ireo lalan'i Media tamin'izay, ka tsy afaka nankany intsony aho.

16 Tamin'ny andron'i Salmana tsara no efa nanome vola matetika an'ireo havako mpiray tanindrazana amiko aho.

17 Nizarako ny mofoko ireo noana aho ary nomeko akanjo ireo tsy nitafy. Raha nisy fatin'olona anankiray mpiray firenena amiko natsipy tao ivelan'ny mandan'i Ninive ka sendra hitako, dia naleviko izany.

18 Naleviko ihany koa ireo novonoin'i Saneheriba ho faty. Tany Jodea manko io mpanjaka io dia naniratsira an'ilay Andriamanitra mpanjakan'ny lanitra; ka ho famaizana azy no naneren'Andriamanitra azy hiala faingana tamin'io tany io. Saingy, rehefa tafaverina tao Ninive izy, dia nentanim-pahatezerana ka namono nahafaty Israelita maro. Dia izaho no nitondra an-tsokosoko ny fatin'ireo, ka nandevina azy. Nasain'i Saneheriba nokarohina ireny faty ireny, fa tsy nety hita.

19 Nisy olona anankiray mponin'i Ninive nandeha nampandre ny mpanjaka fa izaho no nandevina ireo faty ireo, hany ka voatery niafina aho. Nony fantatro kosa fa nahalalany momba ahy ny mpanjaka, ary nampitady ahy mba hovonoiny ho faty, dia natahotra aho ka nandositra.

20 Norobaina avokoa ny fananako rehetra ka tsy nisy napetraka ho ahy fa nanatevenana ny tahirin'ny mpanjaka; i Hana vadiko sy i Tobia zanako lahy no hany tavela ho ahy.

21 Tsy ampy efapolo andro taorian'izany, dia novonoin'ireo zanany roa lahy ho faty ny mpanjaka; avy eo izy roalahy no nandositra tany amin'ny tendrombohitra Ararata. Dia i Asaradona, anankiray hafa tamin'ireo zanakalahin'i Saneheriba, no tonga mpanjaka nandimby azy. I Ahikara, zanakalahin'i Anaela rahalahiko, no nampiandraiketin'i Asaradona ny fitondrana manontolo sy ny fitantanana ara-bola tao amin'ny fanjakany.

22 Io Ahikara io no nitaky rariny momba ahy, ka afaka niverina tao Ninive aho. Nandritra ny nanjakan'i Asaradona manko dia i Ahikara no mpandroso divay sy mpitana ny tombokasem-panjakana ary lehiben'ny fitondram-panjakana mbamin'ny fitantanam-bola tao Asiria. Izy no mbola voatanan'i Asaradona hanohy ny andraikiny. Ankoatra izany i Ahikara dia anisan'ny fianakaviako, satria zana-drahalahiko.

Toko faha-2

1 Tamin'ny nanjakan'i Asaradona no tafaverina tao an-tranoko tao Ninive aho ka nifankahita indray tamin'i Hana vadiko sy tamin'i Tobia zanako lahy. Tamin'ny fankalazanay ny Pentekosta, izany hoe ilay fankalazana masina ny Herinandro fito, dia nanaovana sakafo tsara aho. Nipetraka hihinana izany aho

2 ary nitondra na karazan-kanina matsiro maro; ka hoy aho tamin'i Tobia zanako lahy: -Ndeha, anaka, mankany amin'ny Israelita havantsika voababo eto Ninive. Dia mitadiava mahantra anankiray miraiki-po manontolo amin'ny TOMPO; ary ento izy hiara-misakafo amiko. Tsy mbola hitehin-kanina aho, anaka, mandra-piverinao.

3 Dia lasa i Tobia nitady mahantra anankiray teo anivon'ireo havanay; kanjo niverina izy sady nihoraka hoe: -Dada o! Ka hoy aho hoe: -Ahoana izay, anaka? Dia novaliany hoe: -Dada o, misy olona mpiray firenena amintsika vao novonoina ho faty ao. Nokendaina izy io, dia natsipy teo an-kianja, ary mbola ao izao.

4 Navelako teo tsy nokasihiko akory ny sakafoko, dia nihazakazaka nankany an-kianja aho mba haka ilay faty. Napetrako tao an'efitra fanampin-trano izany; ka niandry ny hilentehan'ny masoandro aho vao nandevina azy.

5 Rehefa tafaverina tao an-trano aho, dia nisasa tanana ho fidiovako ; avy eo dia nisakafo tamim-pisaonana aho

6 sady nahatsiaro ny teny voalazan'ny mpaminany Hamosa tamin'ny mponin'i Betela hoe: "Havadiko ho fisaonana ny fetinareo ary ho fitomaniana ny hiram-pifalianareo. "Ary nitomany aho.

7 Rehefa nilentika ny masoandro, dia niainga hamboatra lavaka aho ary nandevina ilay faty.

8 Nanesoeso ahy avokoa ireo mpiara-monina nanao hoe: -Tsy matahotra intsony ve izy? Efa notadiavina hovonoina ho faty izy noho ny fihetsika toy izao ary voatery nandositra; kanefa indro izy mbola mamerina mandevina ny maty indray!

9 Tamin'io alina io, rehefa avy nandro ho fidiovako aho, dia lasa nitsotsotra tao an-tokotany, nanaraka ny lavan'ny tamboho; ary tsy nisaron-tava aho noho ny hafanana.

10 Tsy fantatro kosa fa nisy sidintsidina nanao akany tao amin'ny tamboho, teo amboniko. Koa tain-tsidintsidina mbola mafana no nilatsaka tamin'ny masoko roa ary nampisy pentina fotsy teo. Nankany amin'ny dokotera aho mba ho tsaboiny; saingy arakaraky ny nampiasana menaka fanosotra tamiko no vao mainka nohajambain'ireo pentina fotsy ireo ny masoko, ary dia niafara ho jamba tanteraka. Tsy afa-nahita mihitsy ny masoko nandritra ny efatra taona. Onena ahy ireo havako rehetra. Nandritra ny roa taona i Ahikara dia niahy ny zavatra nilaiko, alohan'ny handehanany ho any Elimaida.

11 Tamin'izay i Hana vadiko no voatery nirotsaka tamin'ny asan-tanana fanaom-behivavy.

12 Natolony tamin'ireo mpampiasa azy ny zava-bitany; ireto kosa nanome karama azy. Tamin'ny volana Distra, andro fahafito, dia nahavita asa anankiray i Hana ka natolony tamin'ny mpampiasa. Dia nomeny karama feno izy, ary nomeny koa zanak'osy hatao sakafo.

13 Fony nanatona ahy ilay zanak'osy, dia nibarareoka; koa nantsoiko ny vadiko ary nanontaniako hoe: -Avy aiza izany zanak'osy izany? Raha zavatra nangalarina, dia avereno any amin'ny Tompony; fa tsy mahazo mihinana na inona na inona avy amin'ny halatra isika.

14 Fa novalian'i Hana hoe: -Fanomezana nomena ahy ankoatra ny karamako io! Mbola tsy nino azy ihany aho ka nanizingizina ny hamerenana ilay zanak'osy amin'ny Tompony. Nisafoaka tamin'ny vadiko aho noho izany toe-javatra izany, ka nanaovany setrin-teny hoe: -Aiza no mba vokatry ny asa fiantranao? Aiza no mba vokatry ny soa nataonao? Jereo fa miharihary ny zava-mihatra aminao !

Toko faha-3

1 Nalahelo mafy aho ka velon-tsento sy rotsa-dranomaso; avy eo dia mbola nisentosento hatrany aho no rafitra nivavaka hoe:

2 "TOMPO o, mpandala ny rariny Ianao, ka ara-drariny avokoa ny asanao. Feno indrafo sy azo antoka ny sori-dalanao; Ianao no mpitsara izao tontolo izao.

3 Koa ankehitriny, TOMPO o, mba tsarovy aho ary mba tsinjovy. Aza amaizanao ahy ny fahotakona ny hadisoana nataon'ny tenako sy ireo razako, dia ny hadisoana nanoheranay Anao.

4 Tsy nankato ny didinao izahay, ka navelanao hiharan'ny fandrobana sy ny fahababoana mbamin'ny fahafatesana; navelanao ho fihomehezana izahay ary koa ho fandatsa sy ho fanevateva teo amin'ny firenena rehetra nanelezanao anay.

5 Eny, TOMPO o, marina ny fitsaranao rehetra rehefa faizinao aho noho ny fahotanaizay nataon'ny tenako sy ireo razako; satria tsy nanatanteraka ny didinao izahay ary tsy nizotra ara-pahamarinana teo anatrehanao.

6 Ankehitriny kosa ataovy izay sitrakao amiko. Aoka mba halainao ny aiko, hany ka ho fongotra eto an-tany aho ary ho tonga vovoka indray ! Tsara kokoa amiko ny ho faty noho ny ho velona, satria fanevatevana ahy tsy an-drariny no rekosady alahelo goavana no manototra ahy.Tompo o, mba afaho amin'izao fahoriako izao aho, ary avelao hiditra any amin'ny fonenana mandrakizay; Tompo o, aza ahodina tsy hiatrika ahy ny endrikao. Tsara kokoa amiko ny ho faty noho ny hianjadiam-pahoriana goavana amin'ny androm-piainako sy handre ny tenako voatevateva. "

7 Androtr'io ihany koa, dia izao no nihatra tamin'i Sara zanakavavin'i Ragoela sady nipetraka tao Ekbatana, tananan'i Media. Nandre ny mpanompovaviny nanevateva azy koa i Sara tamin'izay.

8 Lehilahy fito manko no efa samy namoahana an'i Sara hovady; saingy mbola tsy naka ity vavy hiray trano akory izy araka ny adidin'ny lahy amim-bady, dia nisy demony mahatsiravina atao hoe Hasmodeo namono nahafaty azy. Ka hoy ity mpanompovavy tamin'i Sara: -Ianao mihitsy no mamono mahafaty ny vadinao! Lehilahy fito no efa namoahana anao, kanefa tsy nisy nentinao anarana akory na iray aza.

9 Nahoana no mampijaly anay ianao amin'ireo vadinao efa maty ireo? Ndeha ianao mitambatra aminy; ary aoka avy aminao tsy hahitana zazalahy na zazavavy na oviana na oviana!

10 Nalahelo fatratra i Sara tamin'io andro io, rehefa nandre izany teny izany; ka sady nitomany izy no niakatra nankao amin'ilay efitrano ambony rihana tamin'ny tranon-drainy ary nikasa hananton-tena. Kanefa nandinika izy ary niteny anakampo hoe: "Tsy hotevatevain'ny olona ve ny raiko ka hilazany hoe: "Zanakavavy tokana nankamamina no mba nanananao, kanefa dia nananton-tena noho ny fahoriana nanjoazy!" Ny alahelo hianjady amin'ilay raiko efa antitra dia hampidina azy any am-pasana. Toy izay aho hanaton-tena, dia tsarako koa amiko ny mitalaho amin'ny TOMPO mba hamela ahy ho faty; ary dia tsy handre fanevatevana toy ny amin'izao androm-piainako izao intsony aho."

11 Teo no ho eo ihany i Sara dia nitodika tany amin'ny varavarankely ary nanandra-tanana hivavaka sady niteny hoe: "Ankalazaina Ianao, ry Andriamanitra mpamindrafo o; eny, ankalazaina mandrakizay ny anaranao. Aoka ny asanao rehetra hankalaza Anao mandrakizay!

12 Mitodika aminao aho ankehitriny; Ianao no ifantohan'ny masoko.

13 Ataovy miala amin'ity tany ity aho mba tsy handre fanevatevana intsony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9563