Jodita
Toko voalohany
2 Nanodidina an'i Ekbatana dia nampanorenan'i Arfaksada manda tamin'ny vato vaventy voapaika efa-joro, dia vato mirefy telo metatra ny lavany ary iray metatra sy sasany ny sakany. Io manda io kosa dia nirefy 35 metatra ny haavony ary 25 metatra ny sakany.3 Teo akaikin'ny vavahadin'ny tanana dia nampanangana ny tilikambo izay nahatratra dimampolo metatra ny haavony ary telopolo metatra ny hatevin'ny fanorenany.
4 Ireo vavahady ireo kosa nahatratra 35 metatra ny haavony ary roapolo metatra ny sakany, satria nokendrena handalovan'ireo tafika matanjaka sy ireo antoko miaramila an-tongotra.
5 Tamin'izany taona faha-12 nanjakany izany ary i Nebokadnetsara no niady tamin'io Arfaksada mpanjaka io, teo amin'ny tany lemaka anatin'ny faritr'i Ragao.
6 Ny mponina rehetra tany an-tendrombohitra sy ny mponina rehetra teo amoron'ny ony Eofrata sy Tigra ary Hidaspa dia nitambatra tamin'i Nebokadnetsara; nomba azy koa ny mponina teo an-tany lemaka sy nofehezin'i Arioka mpanjakan'i Elimaida. Tafika avy amin'ny firenena maro no vory hiandany amin'ny Babilonianina.
7 I Nebokadnetsara, mpanjakan'i Asiria, dia nandefa iraka hatraiza hatraiza: na tany amin'ny mponina rehetra any Persia; na tany amin'ny mponina rehetra teo amin'ny faritra andrefana, izany hoe tao Silisia sy Damasy ary Libano sy Antilibano ka hatrany amin'ny morontsiraky ny Ranomasina Mediteranea;
8 na tany amin'ny vahoaka teo amin'ny tendrombohitra Karmela sy tao amin'ny faritr'i Gilehada ary tao Galilea ampatrana sy tao Jizrehela izay lemaka midadasika;
9 na tany amin'ireo tananan'i Samaria sy ny faritra ampita atsinanan'i Jordana ka hatrany Jerosalema sy Batanea ary Kelosy sy Kadesa. Nandefasan'i Nebokadnetsara iraka koa hatrany amin'ny lohasahan-driakan'i Ejipta sy hatrany Tapanesa sy Ramsesa ary hatrany amin'ny faritr'i Gosena manontolo;
10 nandefasany koa aza hatrany ankoatran'i Tanisy sy i Memfisa, tany amin'ireo olona hafa rehetra mponin'i Ejipta, ary hatrany amin'ny sisintanin'i Etiopia.
11 Kanefa ny mponina rehetra tamin'ireo faritra isan-tokony ireo dia tsy niraharaha ny hafatra nalefan'i Nebokadnetsara, mpanjakan'i Asiria, ka tsy mba nivory hiady miaraka aminy; tsy natahorany manko i Nebokadnetsara izay toy ny olona tsotra fotsiny ihany teo imasony. Koa nitondra tanam-polo sy rakotry ny henatra ireo iraky ny mpanjaka ireo, rehefa niverina.
12 Nisafoaky ny hatezerana tamin'ireo faritra isan-tokony ireo kosa i Nebokadnetsara; ka ny seza fiandrianany sy ny fahefana maha mpanjaka azy no antoka nianianany fa hamaly ratsy ny olona rehetra amin'ny faritr'i Silisia sy i Damasy ary Siria izy, sady hamono hahafaty ny mponina rehetra amin'ny faritr'i Moaba sy i Hamona ary koa i Jodea manontolo mbamin'ny mponina rehetra any Ejipta nany eo amoron'ny Ranomasina Mediteranea na ny eo amoron'ny Ranomasina Mena.
13 Tamin'ny taona faha-17 nanjakany koa i Nebokadnetsara dia nandahatra ny tafiny hiady amin'i Arfaksada, ka nandresy azy ary nampandositra ny tafik'io Arfaksada io mbamin'ny mpitaingin-tsoavaliny sy ny kalesiny rehetra;
14 dia nalain'i Nebokadnetsara ireo tananany, ary tafapaka tao Ekbatana izy ka nahazo ny tilikambony sy nandroba ny kianjany ary nandrava izany tanana kanto izany.
15 Tany an-tendrombohitr'i Ragao no nisamboran'i Nebokadnetsara an'i Arfaksada, ka notsatotsatohany lefom-pohy izy ary nataony fongotra teo tsy hisy intsony.
16 Dia niverina tany Ninive i Nebokadnetsara niaraka tamin'ny tafiny manontolo nisy miaramila mpiady tsy tambo isaina; ary indray nijanona teo izy rehetra ka niala sasatra sy nanao lanonana nandritra ny 125 andro.
Toko faha-2
1 Tamin'ny taona faha-18 nanjakan'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Asiria, fony andro faha-22 tamin'ny volana voalohany, no niadian-kevitra tao an-dapa ny amin'ny valifaty izay efa nianianan'ny mpanjaka hafitsoka amin'ireo vahoaka rehetra nikomy.2 Dia nantsoin'i Nebokadnetsara hivory ny minisitra rehetra sy ny loholona rehetra; ary nanaovany fiaraha-midinika ireo, ka vavany mihitsy no namoaka ny fanapahan-kevitra momba ny sazy isan-karazany hafitsoka amin'ny tanin'iretsy vahoaka nikomy.
3 Nankatoavin'ireto mpanolotsaina azy fa tokony hofongorana avokoa ny olona rehetra izay nitsipaka ny baiko navoakan'i Nebokadnetsara.
4 Rehefa vita ny fiaraha-midinika, dia nantsoin'i Nebokadnetsara i Holoferna, izay filohan'ireo komandin-tafika sady olona faharoa eo amin'ny fanjakana, ka nilazany hoe:
5 -Izaho ilay mpanjaka lehibe, mpifehy ny taniko manontolo, no milaza ireto teny ireto: Ndeha ianao maka ireo miaramila azo antoka ho matanjaka; dia ataovy tsy latsaky ny antokony 120 ireo miaramila an-tongotra ary tsy latsaky ny antokony 12 ireo mpitaingin
6 Avy eo hiainga ianao hamely an'ireo tany rehetra any andrefan'i Eofrata, izay tsy nanaiky ny baiko navoakako;
7 ary hotakinao amin'ireo vahoaka ny tolotra tany sy rano ho mariky ny fanoavany ahy. Ampahafantaro azy fa mirehi-katezerana aho ka mandefa izao tafika izao hamely azy. Hanenika ny vohon-taniny manontolo ny miaramilako ka avelako handroba azy.
8 Ireo olona voaratra dia hameno ny hantsana; ka ny lohasahan-driaka sy ny ony dia hotototra faty hihoatra ny morony.
9 Ireo babo kosa hasaiko ho entina any am-paran'ny tany.
10 Hotazoninao amin'ny anarako ny faritaniny rehetra.
11 Ka rehefa nilavo lefona izy, dia hambenanao ho an'ny andro hitsarana azy; ireo mbola hanohitra ihany, eo amin'ny tany isan-tokony efa azonao, dia tsy hanananao antra fa ampamonoy ho faty ary asaovy robaim-pananana.
12 Ny aiko sy ny fahefana maha mpanjaka ahy no nianianako fa hampihatra hery aho hanatanterahako izany.
13 Ianao kosa, ry Holoferna, aza misy dikainao ireo baiko nomeko anao ireo na iray aza; fa tanteraho antsakany sy andavany sady tsy misy hataka andro; araka ny nandidiako anao.
14 Dia niala teo anatrehan'ny mpanjaka i Holoferna, ary niantso ireo andriana mbamin'ireo komandy sy manamboninahitry ny tafika asirianina.
15 Araka ny nandidian'ny mpanjaka azy, dia namory miaramila voafantina hiantafika izy, ka nisy antokony 120 ireo miaramila an-tongotra ary antokony 12 ireo mpitaingin-tsoavaly.
16 Dia nalahatr'i Holoferna ireo ka voarindra ho tahaka ny tafika goavana efa hiady.
17 Naka rameva sy boriky ary mole marobe io filoha io mba hitondra entana; naka ondry aman'osy ary omby tsy tambo isaina koa izy mba ho tohan'aina ara-tsakafo.
18 Teo ny vatsy ho an'ny miaramila tsirairay avy; teo koa ny volafotsy amam-bolamena betsaka hanaramana azy.
19 Dia niainga i Holoferna mbamin'ny tafiny manontolo hialoha an'i Nebokadnetsara mpanjaka sy handrakotra ny vohon-tany, ao andrefana ao, amin'ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly ary ny miaramila an-tongotra izay voafantina.
20 Nisy mpiantafika hafa niaraka taminy, ka tsy tambo isaina toy ny valala na toy ny fasika any an-taniefitra ireo.
21 Niala tao Ninive izy rehetra ireo, ka telo andro ihany dia tonga tao amin'ny lemak'i Bektileta, ary avy teo dia lasa nitoby akaikin'ny tendrombohitra avaratr'i Silisia am-patrana.
22 Tamin'izay no nentin'i Holoferna ny tafiny manontolo, na miaramila an-tongotra na mpitaingin-tsoavaly na kalesy, ka nihanaka tany amin'ny faritra be tendrombohitra.
23 Nataony resy i Poto sy iLoda, ary norobainy avokoa ireo taranak'i Rasy na ireo taranak'i Jismahela izay samy niorim-ponenana teo akaikin'ny taniefitra, tao atsimon'i Keleona.
24 Avy eo nita ny ony Eofrata i Holoferna, dia namakivaky an'i Mezopotamia sy nandrava ny tanana mimanda rehetra teny amoron'ny ranon-driaka Habrona ary tafapaka hatrany amin'ny Ranomasina Mediteranea.
25 Voatanany koa ny faritr'i Silisia ka nofongorany avokoa ny mpanohitra; ary nianatsimo izy ka tafapaka hatrany amin'ny ny faritanin'i Jafeta, izay mifanila amin'i Arabia.
26 Voahodidin'i Holoferna ny Midianita rehetra, nodorany ny tobim-pilasiany ary nataony babo ny biby fiompiny.
27 Tamin'ny fotoana fijinjam-bary no namakivakiany ny lemak'i Damasy, ka nodorany avokoa ny vokatra, nataony ringana ny biby fiompy na omby na ondry aman'osy, norobainy ny tanana, nosimbany ny saha, ary nofongoriny tamim-tsabatra ny zatovo rehetra.
28 Tahotra sy horohoro no nianjady tamin'ny mponina rehetra amoron-tsiraka, dia izay nonina tao Tsidona sy Tiro mbamin'izay tao Soro sy okina ary Jamnia. Raiki-tahotra mafy koa ny mponin'i Azota sy i Askelona.
Toko faha-3
1 Nandefa iraka ho any amin'i Holoferna ireo mponina amoron-tsiraka ireo mba hitondra tenim-pihavanana manao hoe:2 -Indreto izahay mpanompon'i Nebokadnetsara mpanjaka lehibe fa tonga manatrika anao. Ataovy izay tianao hatao aminay.
3 Ny toby fambolenay sy fiompianay, ny sahanay, ny tanimbarinay, ny omby sy ondry aman'osinay ary ny tanimbilona rehetra anananay dia samy azonao anaranam-po. Ataovy izay hataonao aminy.
4 Anao ny tanananay, ary mpanomponao ny mponina ao aminy. Tongava amin'ireo tanananay ireo araka izay sitrakao.
5 Tonga teo anatrehan'i Holoferna ireo iraka ireo ka niteny taminy araka ireo tenim-pihavanana ireo.
6 Tamin'izay no nandroso nanaraka ny morontsiraka i Holoferna sy ny tafiny. Nametrahany miaramila mpiambina ireo tanana mimanda ary narotsany ho anisan'ny mpiantafika miaraka aminy kosa ireo vatan-dehilahy voafantina.
7 Manerana izany faritany izany, dia olona miravaka fehiloha sy mandihy omban'amponga tapaka no nandray azy.