Tôbita

Toko faha-6

3 fa hoy kosa ilay anjely taminy: -Sambory io trondro io ary tazony mafy. Voatanan'ity tovolahy ilay trondro ary notarihiny ho eny an-tanety.

4 Dia hoy ny anjely tamin'i Tobia: -Tataho io trondro io, dia esory ny fony sy ny aty aman'aferony ka tahirizo; fa ny tsinainy no ario. Izany fo sy aty aman'afero izany manko dia mahasoa tokoa ho fanafody.

5 Dia notatahan'ity tovolahy ilay trondro ka nesoriny ny fony sy ny aty aman'aferony. Nisy ampahan'ny nofon-trondro nendasiny, fa ny sisa kosa nasiany sira mba hotahirizina.

6 Ary nanohy dia ireto mpandeha anankiroa ka nanakaiky an'i Media.

7 Tamin'izay no nanontanian'ity tovolahy ilay anjely ka nataony hoe: -Ry Hazaria malalako, fa mba inona no fanafody ao anatin'ny fo sy aty aman'aferon-trondro?

8 Dia novalian'ilay anjely hoe: -Raha misy lehilahy na vehivavy asian'ny demony na ny fanahy ratsy, dia ny fo aman'atin-trondro nodorana eo anoloan'ilay olona. Ny setroka miakatra avy eo no hampanalavitra ny demony mamely azy ary ho afaka mandrakizay amin'izany izy.

9 Ny afero kosa dia fampiasa, rehefa misy fotsy maso: ahosotra ny maso izany, dia tsofina ny pentina fotsy, ary sitrana ny maso.

10 Rehefa tonga tao Media ireto mpandeha ka nanakaiky an'i Ekbatana,

11 dia hoy i Rafaela tamin'ity tovolahy: -Ry Tobia havako o! Ka novaliany hoe: -Ahoana izay e! Dia hoy indray i Rafaela: -Anio alina, dia ao amin'i Ragoela havanao no tsy maintsy hiantrano isika. Manana zanakavavy anankiray atao hoe Sara izy.

12 Ankoatra azy, dia tsy manan-janaka hafa izy, na lahy na vavy. Ianao no havana akaiky indrindra amin'i Sara, ka voalohany manan-jo hanambady azy sy handova ny fananan-drainy. Tovovavy misaina i Sara, be herimpo ary tsara bika aoka izany. Ny rainy koa dia olom-banona.

13 Manan-jo hanambady azy ianao. Henoy tsara aho, ry sakaiza: dieny anio hariva, dia hiresaka momba io tovovavy io amin-drainy aho mba hahazoantsika azy ho fofombadinao; ary rehefa miverina avy any Ragao isika, vao hankalaza ny fanambadiana. Fantatro fa tsy afaka ny handa ny hanome an'i Sara anao i Ragoela, ary tsy afaka ny hanolotra azy ho fofombadin'olon-kafa. Raha tsy izany, dia ho vonoina ho faty izy, araka ny tinapaky ny bokin'i Mosesy , satria fantany fa anjaranao alohan'ny lehilahy hafa ny hanambady ny zanakavaviny. Koa henoy tsara aho, ry sakaiza: dieny anio hariva, izaho sy i Ragoela dia hiresaka ny amin'io tovovavy io sy hangataka azy ho fanambadianao. Rehefa miverina avy any Ragao isika, dia halaintsika izy ho entina any an-tranonao.

14 I Tobia kosa namaly an'i Rafaela hoe: -Ry Hazaria malalako, henoko fa efa nampanambadiana impito i Sara; kanefa maty avokoa izy fito lahy, maty tao amin'ny efitrano fampakarana. Nandritra ny alina, fony hanatona an'i Sara iny, no maty ireo mpampakatra azy. Nisy nilaza tamiko aza fademony mihitsy no namono azy ho faty.

15 Izany no mampatahotra ahy. Tsy ilay tovovavy no ampahorin'ny demony; fa izay lehilahy te hanatona ilay tovovavy novonoiny ho faty. Lahitokan-draiko aho, ka raha maty eo, dia hampalahelo mafy ny ray aman-dreniko, ka hampidina azy roa any am-pasana ; ary tsy manan-janaka lahy hafa izy handevina azy.

16 Fa hoy indray i Rafaela tamin'i Tobia: -Hadinonao ve fa ny rainao no nanafatra fatra anao mba haka vady eo amin'ny havanao? Koa henoy aho, ry sakaiza: aza manahy ny amin'izany demony izany, fa aoka ianao hanambady an'i Sara! Fantatro fa izao anio hariva izao no hanomezana azy ho vadinao.

17 Kanefa, vantany vao tafiditra ao amin'ny efitra fampakarana ianao, dia maka sombin'ilay fo aman'aferon-trondro ka ataovy eo ambonin'ny vainafo fandoroana vovo-javamanitra. Hihanaka ny fofon'io fo aman'aferon-trondro may io, ka rehefa hamboloin'ny demony, dia hampandositra azy. Tsy ho hita mihaodihaody manodidina an'ilay tovovavy intsony izany demony izany.

18 Rehefa tonga ny fotoana hiraisanao amin'i Sara, dia mitsangana aloha ianareo roa hivavaka sy hitalaho amin'ilay Tompon'ny lanitra mba hamindrany fo aminareo sy hiarovany anareo. Aoka izay ny tahotra! Ianao manko no nanokanana an'i Sara hatrizay hatrizay ary ianao mihitsy no hanafaka azy. Handeha hiaraka aminao izy ary azoko antoka fa hanananao zaza izay holalainao fatratra. Koa aza manahy!

19 Henon'i Tobia ny tenin'i Rafaela kanahalalany fa havany sy iray firazanana aminy tokoa i Sara; dia notiaviny fatratra ilay tovovavy ary niraiketan'ny fony.

Toko faha-7

1 Fony ireto mpandeha niditra tao Ekbatana, dia hoy i Tobia tamin'ilay anjely: -Ry Hazaria malalako, tariho hivantana any amin'i Ragoela mpiray firenena amintsika aho. Dia notarihin'ilay anjely ho any an-tranon'i Ragoela i Tobia. Hitan'ireto mpivahiny i Ragoela, nipetraka eo akaikin'ny varavaran'ny tokotaniny; ary lohalaharana ireo tamin'ny fiarahabana azy, kanovalian'i Ragoela hoe: -Mirary soa betsaka ho anareo aho, rahavako, ary miarahaba anareo tonga soa. Dia nampandroso an-trano ireto vahiny i Ragoela

2 sady niteny tamin'i Edna vadiny hoe: -Mba mitovy amin'i Tobita havako mihitsy ity tovolahy ity!

3 Ary nanontanian'i Edna ireto vahiny ny amin'ny fiaviany, ka namaly azy hoe: -Avy any Ninive izahay. Anisan'ny voababo tamin'ny taranak'i Naftaly izahay.

4 Dia hoy indray i Edna hoe: -Mba fantatrareo ve i Tobita havanay! Ka novalian'ireo hoe: -Eny, fantatray izy!

5 Ary hoy ihany i Edna hoe: -Mba manahoana izy izay? Ka novalian'ireto vahiny hoe: -Mbola velona aina izy ary salama tsara. Sady nampian'i Tobia hoe: -Izy ange no raiko!

6 Tamin'izay i Ragoela dia nitsamboatra ka nanoroka an'i Tobia sady nitomany, ary nilaza taminy hoe: - Hotahin'Andriamanitra anie ianao, anaka! Manan-dray mahafatra-po tokoa ianao. Loza indrisy fa tonga jamba izany lehilahy marina sy mpanao fiantrana izany! Dia nofihinin'i Ragoela ny vozon'i Tobia havany ary mbola nitomany indray izy.

7 Samy nitomany koa i Edna vadiny sy i Sara zanany vavy, teo am-pieritreretana an'i Tobita.

8 Avy eo i Ragoela dia nampamono ondrilahy anankiray tamin'ny andiam-biby fiompiny mba hanaovana fandraisana mafana an'ireto vahiny.

9 Rehefa avy nisasa sy nidio araka ny fanao ireto vahiny, dia niroso hisakafo. Ary hoy i Tobia tamin'i Rafaela: -Ry Hazaria malalako, mba angataho i Ragoela hanome an'i Sara havako ho vadiko.

10 Nandre izany teny izany i Ragoela ka nilaza tamin'ilay tovolahy hoe: -Mihinana sy misotroa ianao, ary hararaoty hifaliana izao takariva izao. Tsy misy olona manan-jo hanambady an'i Sara zanakovavy afa-tsy ianao, rahavako. Tsy azoko atao ny manome azy amin'olon-kafa ankoatra ny tenanao, satria ianao no havako akaiky indrindra. Kanefa ho lazaiko anao mihitsy ny marina:

11 lehilahy fito anisan'ireo Israelita havantsika no efa nifandimby nomeko azy ho vady, saingy maty avokoa izy rehetra tamin'ny alina fampakarana, iny ireo hanatona an'i Sara iny. Izao aloha ianao, anaka, dia mihinana sy misotroa; ny TOMPO kosa no hiasa hanambina anareo.

12 Fa novalian'i Tobia hoe: -Tsy hihinana ary tsy hisotro na inona na inona aho, ambara-panapakao hevitra ny amiko. Ka hoy i Ragoela tamin'i Tobia: -Eny ary fa hataoko izany. Omena anao araka ny tinapaky ny bokin'i Mosesy i Sara; noho izany, dia Andriamanitra no nanapa-kevitra ny hanome azy anao. Koa raiso ho vady io havanao io. Manomboka izao, dia ho vady malalany ianao ary ho vady malalanao izy. Anao i Sara, manomboka anio ka ho mandrakizay. Ilay TOMPOn'ny lanitra no hanao izay hahasoa hahatsara ity alina ity ho anareo roa, anaka. Enga anie Izy hamindrafo aminareo ary hampiadana anareo!

13 Avy eo dia nantsoin'i Ragoela i Sara zanany vavy. Rehefa tonga teo aminy kosa razazavavy, dia noraisiny tanana ary nentiny hankeo amin'i Tobia izay nitenenany hoe: -Raiso i Sara fa omena ho vadinao, araka ny Lalana sy araka ny fepetra voasoratra ao amin'ny Bokin'i Mosesy. Tano izy ary ento soa aman-tsara hiaraka aminao any an-tranon-drainao. Enga anie ilay Andriamanitry ny lanitra hitarika anareo sy homba fiadanana anareo!

14 Dia nantsoin'i Ragoela ny vadiny sady nasainy hitondra taratasy hanoratana. Ary nosoratan'i Ragoela ny fifanekem-panambadiana, izay miantoka fa nomeny ho vadin'iTobia i Sara, araka ny fepetran'ny lalanan'i Mosesy. Avy eo izy rehetra vao nihinana sy nisotro.

15 Dia nantsoin'i Ragoela indray i Edna vadiny ka nilazany hoe: -Ry vady malalako, omany kely ny efitrano fandriana faharoa ary ento ao i Sara.

16 Lasa tokoa i Edna nanomana fandriana tao amin'ilay efitrano, araka izay nolazaina taminy; ary nentiny nankao ny zanany vavy. Nitomany i Edna teo am-pieritreretana an'i Sara, kanefa avy eo dia namaoka ranomaso izy sady niteny tamim-drazazavavy hoe:

17 -Mahereza, anaka. Enga anie ilay Tompon'ny lanitra hanova ny alahelonao ho fifaliana! Mahereza, anaka. Dia nivoaka ny efitrano i Edna.

Toko faha-8

1 Rehefa vita ny sakafo, dia samy te hatory avy; ary nentina ilay tovolahy ka nampidirina tao amin'io efitrano voaomana io.

2 Tamin'izay i Tobia dia nahatsiaro ny tenin'i Rafaela, ka naka ny fo aman'atin-trondro tao an-kitapony ary nametraka azy teo ambony vainafo fandoroana vovo-javamanitra.

3 Izany lanin-trondro nidofaka izany no nampihemotra ilay demony; ary lasa izy nisidina teny amin'ny ambony teny ka nandositra tany amin'ny faritr'i Ejipta. Nenjehin'i Rafaela hatrany Ejipta kosa io demony io ary nosamboriny ka nafatony teo no ho eo.

4 Dia namela an'i Tobia tao an'efitrano i Ragoela mivady ary nanidy ny varavarana. I Tobia kosa nitsangana niala teo am-parafara ka niteny tamin'i Sara hoe: -Mitsangana, ry vady malalako, fa hivavaka isika ary hitalaho amin'ilay TOMPOntsika mba hamindrany fo sy harovany.

5 Dia nitsangana i Sara; ary nanomboka nivavaka sy nitalaho izy roa mba harovan'ny TOMPO. Ka hoy i Tobia hoe: -Ankalazaina Ianao, ry Andriamanitry ny razanay; ankalazaina ny anaranao amin'ny taona rehetra ho avy. Hankalaza Anao anie ny lanitra sy ny voaary manontolo amin'ny taona rehetra!

6 Ianao no nanao an'i Adama ary nanao mpanampy sy mpanohana ho azy, dia i Eva vadiny; ka izy roroa no nipoiran'ny taranak'olombelona. Ianao no nilaza hoe: Tsy tsara raha irery ny lehilahy, aoka izy hanaovantsika mpanampy mitovy endrika aminy !

7 Ankehitriny, TOMPO o, tsy faniriana no nahatonga ahy haka ity havako ity ho vady fa ny firaiketam-po aminao. Koa mba amindrao fo ny tenako sy ny tenany, ary omeo anay roa ny hiaraka hotratra antitra.

8 Dia indray nanampy izy mivady nanao hoe: - Amen! Amen!

9 Avy eo dia natory izy roa tamin'iny alina iny.

10 Taorian'izany i Ragoela no niarina sy niantso an'ireo lehilahy mpanompony, ka niara-nandeha taminy hihady fasana; satria hoy i Ragoela anakampony: "Raha maty ilay tovolahy, dia ho voaeso sy ho voa tevateva izahay! "

11 Rehefa voahady ny fasana, dia niverina tao an-trano i Ragoela ary niantso ny vadiny

12 sy nilaza taminy hoe: -Mba aniraho anankiray amin'ireo mpanompovavy hankao an'efitrano ka hijery raha mbola velona aina i Tobia. Raha tahiny kosa maty izy, dia ho azontsika atao ny handevina azy tsy hisy mpahalala.

13 Dia nirahin'izy mivady ity mpanompovavy, ka nomeny jiro voarehitra ary novohany varavarana; dia niditra ny efitrano io mpanompovavy io ka nahita an'i Tobiasy i Sara miara-mandry sady renoky ny torimaso.

14 Ka nivoaka ny efitrano izy ary nampandre an'i Ragoela mivady hoe: -Velona aina i Tobia! Tsy nisy loza nihatra akory!

15 Dia nankalaza an'ilay Andriamanitry ny lanitra i Ragoela ka nanao hoe: -Ankalazaina Ianao, Andriamanitra o, ankalazain'ireo rehetra madio fo. Aoka izy hankalaza Anao amin'ny taona rehetra!

16 Ankalazaina Ianao naneni-kafaliana ahy, satria tsy nihatra ny zavatra nahiko; araka ny haben'ny indrafonao no nataonao taminay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.002