Malakỳ
Toko voalohany
3 fa i Hesao kosa halako. Nataoko tonga lao ny faritra be tendrombohitra nitoeran'ny taranak'i Hesao, ary ny taniny natolotro ho an'ny amboadia any an-taniefitra.4 Na dia hiteny aza ny Edomita taranak'i Hesao hoe: Rava sy potika izahay, nefa hatsanganay indray ny tanana rava, Izaho TOMPOn'izao rehetra izao dia hamaly hoe: Aoka izy hanangana, fa Izaho kosa handrava. Ary ny olona hametaka anarana azy hoe: Tany anjakam-paharatsiana sy Vahoaka tezeran'ny TOMPO mandrakizay.
5 Hahita maso izany ianareo, ry Israelita, ka hahateny hoe: Lehibe ny TOMPO, na dia hatrany ivelan'ny tanin'i Israely aza!
6 Hoy ny TOMPOn'izao rehetra izao aminareo mpisorona: Ny zanaka manome voninahitra ny rainy, ary ny mpanompo manaja ny tompony. Koa raha Ray aho, aiza izay voninahitro? Ary raha Tompo aho, aiza izay hajako? Fa manamavo ny anarako ianareo, nefa manontany hoe: Amin'inona no anamavoanay ny anaranao?
7 Mitondra hanina tsy mendrika Ahy eo amin'ny alitarako ianareo, nefa manontany hoe: Amin'inona no anaovanay zavatra tsy mendrika Anao? Ka hoy Aho hoe: Amin'ny fanimbazimbanareo ny alitarako!
8 Raha biby jamba na mandringa na marary no entinareo hatao sorona amiko, moa heverinareo fa tsy ratsy ve izany? Biby tahaka izany ange aterina ho an'ny governora, dia ho hitanareo raha hahazo sitraka na fitia aminy ianareo, hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao.
9 Koa ankehitriny, ry mpisorona, mifona amiko Andriamanitrareo ange ianareo, raha toa ka mba hiantra ny vahoakako Aho. Noho izay nataon'ny tananareo izay, moa heverinareo ve fa hihaino anareo Izaho TOMPOn'izao rehetra izao? Sanatria izany!
10 Tokony hohidin'ny anankiray aminareo ny varavaran'ny tempoly mba tsy handrehetanareo afo tsy misy lanjany eo amin'ny alitarako. Tsy sitrako ny hahita anareo na ny handray izay fanatitra ataonareo, hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao.
11 Fa manomboka any atsinanana ka hatrany andrefana no hieken'ireo hafa firenena fa lehibe ny lazako. Ary hatraiza hatraiza no handoroana sorona sy hanaovana fanatitra mendrika ny anarako. Eny, hiaiky ireo hafa firenena fa lehibe ny lazako, hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao.
12 Fa ianareo kosa manevateva izany amin'ny filazanareo fa ny alitaran'ny TOMPO dia tsy mendri-kaja, ary ny sakafo aterina eo dia tsizarizary.
13 Miteny aza ianareo hoe: Asa mafy re izany! Dia tsy mba miraharaha Ahy ianareo, hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao. Biby nangalarina na mandringa na marary no atolotrareo amiko. Koa ataoko ahoana, hoy AHO, no fankasitraka izany avy amin'ny tananareo.
14 Ho voaozona anie ny mpamitaka izay manana biby salama ao amin'ny andian'ondriny; saingy rehefa manao voady izy, dia biby manan-kilema no ataony sorona amiko. Eny, mpanjaka lehibe ny tenako, hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao; ary mampihorohoro ny firenen-drehetra ny lazako.
Toko faha-2
1 Izao no fampitandremana ataon'ny TOMPOn'izao rehetra izao aminareo, ry mpisorona: Raha tsy mihaino Ahy sy tsy miezaka ny hanome voninahitra ny anarako amin'ny fonareo ianareo, dia halefako hamely anareo ny ozona. Fa hovako ho ozona ny fitahiana nampanantenaiko anareo; eny, hataoko izany satria tsy tamin'ny fonareo marina no nandraisanareo ny didiko.3 Efa mandrahona sahady ny taranakareo Aho; ianareo kosa hamafazako tain-droroha eny an-tavanareo, dia ny tain-drorohan'ireo biby nataonareo sorona tamin'ny andro fety; ary hoesorina miaraka aminy koa ianareo.
4 Dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPOn'izao rehetra izao no efa nampitandrina anareo mba haharetan'ny fanekempihavanako amin'ny levita.
5 Ny fanekempihavanako taminy dia ahazoany fiainana sy fiadanana. Nomeko azy izany mba hanajany Ahy; ka dia nanaja Ahy sy nangovitra teo anatrehan'ny anarako izy.
6 Marina ny fampianarana nomeny ary tsy nisy fitaka teo amin'ny molony. Tamim-pahatoniana sy tamim-pahitsiana no niarahany tamiko ka nandreseny lahatra olona marobe hiala amin'ny faharatsiana.
7 Fa andraikitry ny mpisorona ny mampianatra ny olona hahalala Ahy Andriamanitra TOMPOn'izao rehetra izao; ny mpisorona no anontaniana ny fitsipika tokony hampiharina, satria mpitondrateniko izy.
8 Fa ankehitriny efa nivily lalana ianareo mpisorona, ka nahasolafaka olona maro tamin'ny fampianaranareo. Noravanareo noho izany koa ny fanekempihavanako taminareo, hoy Izaho Tompon'izao rehetra izao.
9 Koa dia hampirisihiko ny vahoakan'i Israely rehetra haniratsira sy hanao tsinontsinona anareo, satria tsy nitandrina ny sori-dalako ianareo sady nizaha tavan'olona tamin'izay fanapahan-kevitrareo.
10 Tsy tokana va ny raintsika rehetra? Tsy Andriamanitra iray va no nahary antsika? Koa nahoana no mivadika amin'ny namantsika avy isika, ka manimbazimba ny fanekempihavanana nifanaovan'Andriamanitra tamin'ireo razantsika?
11 Efa nivadi-panekena ny vahoakan'i Joda. Zavatra maharikoriko no nataony tao Jerosalema sy tamin'ny tanin'i Israely manontolo; satria nozimbazimbainy ny toeramasina izay mamin'ny TOMPO, ary dia nanambady vehivavy mpivavaka amin'ny andriamani-kafa izy.
12 Hoesorin'ny TOMPO tsy ho anisan'ny taranak'i Jakoba anie izay lehilahy manao izany na iza izy na iza, eny, fa na dia izay manolotra fanatitra ho an'ny TOMPOn'izao rehetra izao aza!
13 Ary izao koa no mbola ataonareo: ataonareo hotsa-dranomaso ny alitaran'ny TOMPO; mitomany sy midradradradra ianareo, satria tsy miraika amin'izay fanatitrareo intsony Izy ary tsy manaiky intsony izay zavatra aterinareo aminy.
14 Dia anontanianareo ny anton'ny tsy anekeny izany intsony. Ny antony dia satria efa nanaiky teo anatrehan'ny TOMPO ianareo fa ho mahatoky amin'ny vadin'ny fahatanoranareo. Vady vita fanekena taminareo izany, nefa dia nilaozanareo.
15 Tsy efa nataon'ny TOMPO ho tena iray amin'ny vadinareo ve ianareo, ara-batana sy ara-panahy? Ary inona no tadiavin'izany tena iray izany? Moa va tsy ny hanan-taranaka araka an'Andriamanitra? Koa dia mitandrema tena ianareo, aza ilaozana ny vadin'ny fahatanoranareo.
16 Halako ny fisaoram-bady sy ny fihosenana amin'ny herisetra, hoy ny TOMPO Andriamanitr'i Israely sady Tompon'izao rehetra izao. Koa dia mitandrema tena ianareo ary aza mandao vady.
17 Manasatra ny TOMPO amin'ny teninareo ianareo. Nefa manontany ianareo hoe: Dia amin'inona no anasaranay Azy? Amin'ny filazanareo hoe: Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason'ny TOMPO, ary ny olona toy izany no sitrany. Na koa amin'ny filazanareo hoe: Aiza ary ilay Andriamanitra mampihatra ny rariny?
Toko faha-3
1 Ka hoy ny TOMPOn'izao rehetra izao aminareo: Indro Aho handefa ny irako mba hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo izay tadiavinareo dia ho tonga tampoka ao an-tempoliny. Ho tonga hitondra ny fanekempihavanako ilay iraka izay irinareo; indro avy tokoa Izy! 2 Nefa zovy no hahatanty ny andro hiaviany? Ary zovy koa no hahajoro rehefa hiseho Izy? Fa ho tahaka ny afon'ny mpandrendrika sy ho tahaka ny savonin'ny mpanasa lamba Izy.3 Hipetraka toa handrendrika sy hanadio volafotsy izy. Eny, tahaka ny fanadio ny volamena sy volafotsy no hanadiovany tanteraka ireo taranak'i Levy. Koa dia hanolotra fanatitra amin'ny TOMPO ara-pahamarinana ireo.
4 Ary ho mamin'ny TOMPO ireo fanatitry ny vahoakan'i Joda sy i Jerosalema toy ny tamin'ny andro taloha sy tamin'ny taona fahiny.
5 Ary hoy ny TOMPOn'izao rehetra izao hoe: Ho avy eo aminareo Aho mba hitsara anareo. Ho dodona Aho hanameloka ny mpanao majika, ny mpanitsakitsa-bady, ny mpianiana lainga, ny mpamaly karaman'ny mpiasa, ny mpamoritra mpitondratena sy kamboty na koa ny mpampahory vahiny, dia izay rehetra tsy manaja Ahy.
6 Eny, Izaho TOMPO dia tsy miova; fa tsy mitsahatra kosa ny maha taranak'i Jakoba anareo.
7 Fa hatramin'ireo razana talohanareo no efa nialanareo tamin'ny didiko ka tsy nitandremanareo izany. Miverena amiko, dia hiverina aminareo koa ny tenako, hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao. Nefa dia hoy ianareo hoe: Ahoana no iverenanay aminao?'
8 Dia hamaly anareo Aho hoe: Azon'ny olona fitahina ve Andriamanitra no mamitaka Ahy ianareo?Dia manontany indray ianareo hoe: Amin'inona no amitahanay Anao?Amin'ny fandrotsahana ny ampahafolon-karena sy amin'ny fanaovanareo fanatitra.
9 Hiharan'ny ozona ianareo satria Izaho no fitahinareo, dia ianareo rehetra mpiray firenena.
10 Ento manontolo ary ny ampahafolon-karena ho ao an-trano fitahirizana azy, mba tsy ho tapaka sakafo ao an-tempoliko. Ary zahao toetra amin'izany ny tenako, hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao, dia ho hitanareo fa hovohako ho anareo ny vavahadin-dranon'ny lanitra hampidinako fitahiam-be miavosa aminareo.
11 Tsy havelako hanimba ny volinareo ny bibikely ka hahavanom-boa ny voalobokareo any an-tsaha, hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao.
12 Ary hataon'ny firenen-drehetra hoe sambatra ianareo, satria hahafinaritra hivelomana ny taninareo, hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao.
13 Hoy ny TOMPO hoe: Mafy loatra ny teny amelezanareo Ahy; nefa manontany ianareo hoe: Inona no resaka nifanaovanay hamelezana Anao?'
14 Izao no nolazainareo: Zava-poana ny manompo an'Andriamanitra. Efa nitandrina izay nasainy notandremana izahay ary efa nisaona araka ny fomba fanao teo anatrehan'ny TOMPOn'izao rehetra izao, nefa tsy nisy soa azonay akory.
15 Ankehitriny dia ny mpirehaka no tokony hataonay hoe sambatra ary ny olon-dratsy no tokony hataonay hoe ambinina. Eny, fa na dia maka fanahy an'Andriamanitra aza ireo, dia afaka hatrany!
16 Toy izany no nifampiresahan'ireo manaja ny TOMPO. Dia nihaino tsara ny TOMPO ka nandre izany. Nisy firaketana an-tsoratra teo anatrehan'ny TOMPO an'ireo manaja Azy sy mankamamy ny anarany.
17 Ary hoy ny TOMPOn'izao rehetra izao hoe: Amin'ny andro izay hotendreko dia ho raki-tsoa fananako ireo olona ireo. Ary hitsimbina azy Aho toy ny fitsimbin-dray ny zanany izay manompo azy.
18 Ka dia ho hitanareo indray ny fahasamihafan'ny olo-marina sy ny olon-dratsy, dia ny manompo an'Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.
19 Fa hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao: Indro avy ilay andro ka mandoro tahaka ny fatana mivaivay. Amin'io andro io ny mpirehaka sy ny mpanao ratsy dia hodorana avokoa toy ny vodivary, ka tsy hisy miangana na ny fakany na ny sampany.
20 Fa ho an'izay manaja ny anarako, dia izao no teniko: hiseho ny famonjeko toy ny masoandro miposaka manana fanasitranana ao amin'ny tanany. Ho afaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak'omby mivoaka ny vala.
21 Amin'io andro izay hotendreko io, dia hohitsakitsahinareo ny olon-dratsy ka ho toy ny vovoka eo ambany faladianareo, hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao.
22 Tsarovy ny lalanan'i Mosesy mpanompoko, dia ny didy amam-pitsipika izay nomeko azy tao Horeba ho an'ny Israelita rehetra.
23 Fa alohan'ny hiavian'ny andron'ny TOMPO, ilay andro lehibe sady mahatahotra, dia haniraka an'i Elia mpaminany ho aminareo Aho.