Zakarià

Toko faha-11

14 Avy eo dia notapahiko koa ilay tehina Firaisankina, hanafoanana ny firalahian'i Joda sy i Israely.

15 Ary hoy indray ny Tompo tamiko: Raiso ankehitriny ny toeran'ny mpiandry adala.

16 Fa indro Aho hampijoro mpiandry vaovao eto amin'ity tany ity, dia mpiandry izay tsy hanan-draharaha ny ondry misy mitady hamono na hikatsaka ny very na hitsabo ny marary na hikarakara ny mbola matanjaka; fa dia hihinana ny henan'izay matavy kosa izy sady hamaky ny kitrony.

17 Lozan'ny mpiandry adala izay mandao ny ondriny! Enga anie ny sabatra handrotika ny sandriny sy hanapotsitra ny masony ankavanana! Ka dia halemy hatrany anie ny sandriny, ary tsy hahita intsony ny masony ankavanana!

Toko faha-12

1 Hafatry ny Tompo momba an'i Israely. Izao no teny hentitra ambaran'ny Tompo Izay namelatra ny lanitra sy namorona ny tany, ary nanome aina ny olona:

2 Indro Aho hanao an'i Jerosalema ho tsatokaty feno ny divaim-pahatezerako, ka hahafanina ny firenena rehetra manodidina. Ary hahafanina an'i Joda koa izany, rehefa ho voafahirano i Jerosalema.

3 Ary amin'izany andro izany i Jerosalema dia hataoko toy ny vongam-bato mavesatra eo anoloan'ny firenena rehetra; ka haratra tokoa izay mitady hanainga izany. Koa ny firenena rehetra ambonin'ny tany hiray no hiady hamely ny tanana.

4 Amin'izany andro izany, hoy ny teny hentitra ambarako, dia hataoko mandraingiraingy ny tahotra avokoa ny soavaliny, ary ny mpitaingina azy ho lasa adala; hiambina tsara ny vahoakan'i Joda Aho, kanefa hampahajamba ny soavaly rehetra izay an'ny fahavalo.

5 Ary ny firenen'i Joda hanao anakampo hoe: Ao amin'ilay Tompon'izao rehetra izao sady Andriamaniny no ahitan'ny mponin'i Jerosalema ny heriny.

6 Amin'izany andro izany, ny firenen'i Joda dia hataoko tahaka ny afo mihanaka amin'ny ala na mirehitra ao ambanin'ny antontan'amboara, ka handevona ny firenena rehetra manodidina azy na eo ankavanany na eo ankaviany. Ary ny mponin'i Jerosalema dia mbola hijanona ao an-tananany ihany.

7 Hovonjen'ny Tompo aloha ny fianakaviamben'i Joda, mba tsy hihevi-tena ho ambonin'ny olona sisa eran'i Joda ny taranak'i Davida sy ny mponin'i Jerosalema.

8 Amin'izany fotoana izany dia harovan'ny Tompo ireo mponin'i Jerosalema; ka ny osa indrindra ao aminy dia hatanjaka tahaka an'i Davida, ary ny taranak'i Davida ho tahaka an'Andriamanitra, dia tahaka ny anjelin'ny Tompo mitarika azy eo aloha.

9 Amin'izany andro izany, hoy ny Tompo, dia hirotsaka an-tsehatra Aho handringana ny hafa firenena rehetra izay ho avy hamely an'i Jerosalema.

10 Fanahim-pangorahana sy fanahim-bavaka no hanentanako ny taranak'i Davida sy ny mponin'i Jerosalema. Ka hijery Ahy ireo noho ny amin'Ilay nolefoniny, ary hisaona azy toy ny fisaonana zanakalahy tokana sady hitomany azy toy ny fitomaniana lahimatoa.

11 Amin'izany andro izany dia hisy fisaonana lehibe ao Jerosalema, dia tahaka izay niseho tao Hadadrimona teo amin'ny lohasahan'i Megidao.

12 Ary hisaona ny firenena, dia ny isam-pianakaviany avy: ny an'ny taranak'i Davida, lahy sy vavy samy mitokana; ny an'ny taranak'i Natana, lahy sy vavy samy mitokana;

13 ny an'ny taranak'i Levy, lahy sy vavy samy mitokana; ny an'ny taranak'i Simey, lahy sy vavy mitokana;

14 ary ny fianakaviana sisa rehetra, lahy sy vavy samy mitokana hisaona avokoa.

Toko faha-13

1 Amin'izany andro izany, dia hisy loharano mifantsitsitra hanasa ny loto amam-pahotan'ny taranak'i Davida sy ny mponin'i Jerosalema.

2 Amin'izany andro izany, hoy ny teny hentitra avy amiko Tompon'izao rehetra izao, dia hofoanako amin'ny firenena ny anaran-tsampy ka tsy hisy hahatsiaro izany intsony. Hoesoriko ihany koa ireo mihambo ho mpaminany ary horavako ny fitiavanareo hanompo sampy.

3 Raha mbola misy mihambo haminany ihany, dia ny ray aman-dreniny niteraka azy no hiteny aminy hoe: Ho faty tokoa ianao satria mihambo hiteny amin'ny anaran'ny Tompo, kanefa dia mandainga. Ary ireo ray aman-dreniny hanomboka antsy azy mandra-pahafatiny, raha mbola maminany izy.

4 Amin'izany andro izany, ny mpaminany ho menatra ny haminany sy hilaza ny fahitany, ka tsy ho sahy hamita-bahoaka intsony amin'ny fitafiana akanjo volom-biby,

5 fa samy hiteny hoe: Tsy mpaminany aho fa mpamboly. Hatramin'ny fahatanorako no efa nananako tany!

6 Ary raha misy manontany azy hoe: Inona itony ratra amin'ny tratranao itony?, dia hovaliany hoe: Ratra azoko tany an-tranon'ny namako ireny!

7 Dia hoy ny teny hentitry ny Tompon'izao rehetra izao hoe: Ry sabatra, mifohaza hamely ity mpiandry sady lehilahy namako ity Asio ny mpiandry, dia hiparitaka ny ondry; ary hiverina hamely hatramin'ny madinika Aho.

8 Dia hoy indray ny teny hentitry ny Tompon'izao rehetra izao hoe: Ho faty ny androatokon'ny mponina amin'ny firenena manontolo, fa ny ampahatelony ihany sisa no ho velona.

9 Ary hotsapaiko io ampahatelony io ka hodioviko toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy amin'ny afo. Koa hivavaka amiko izy, ary hamaly azy Aho. Dia hilaza aminy Aho hoe: Ry vahoakakoary izy hanao hoe: Ny Tompo no Andriamanitray.

Toko faha-14

1 Indro akaiky ny andron'ny Tompo. Ka eo imasonareo, ry mponin'i Jerosalema, no hifampizaran'ny hafa ny fanananareo.

2 Ary hangonin'ny Tompo ny firenen-drehetra hamely an'i Jerosalema; dia azon'ireo ny tanana, ka horobainy ny trano ary hanaovany an-keriny ny vehivavy; ny antsasaky ny mponina dia ho lasan-ko babo fa ny vahoaka sisa kosa ho afa-mijanona ao an-tanana.

3 Dia hiainga hiady amin'ireny firenena ireny ny Tompo, ka hiady toy izay fanaony amin'ny andro fiadiana.

4 Amin'izany andro izany Izy dia hitsangana eo amin'ny tendrombohitra Analanoliva izay eo atsinanan'i Jerosalema. Ary hitresaka roa ny tendrombohitra Analanoliva ka hisy lohasaha lehibe iray hiseho eo afovoany, manomboka avy any atsinanana no miankandrefana; ny antsasaky ny tendrombohitra dia hifindra hianavaratra, fa ny antsasany kosa hianatsimo.

5 Dia io lohasaha nampivaky tendrombohitra io no lalana handosiranareo, satria hipaka hatrany Atsala izany. Eny, handositra ianareo, dia tahaka ny razanareo nandositra ny horohorontany tamin'ny andron'i Hozia mpanjakan'i Joda. Ary ho avy ny Tompo Andriamanitro miaraka amin'ireo anjeliny rehetra.

6 Amin'izany andro izany dia tsy hilaina intsony ny fahazavan'ny masoandro; tsy hisy intsony koa na ny hatsiaka na ny fanala.

7 Dia ho andro fahizay lalandava; ka tsy hisy andro sy alina miavaka intsony, fa hazava hatrany na dia ny alina aza. Ary ny Tompo irery no mahalala ny fotoana hisehoan'izany.

8 Ary amin'izany andro izany dia hisy loharano hifantsitsitra mandavantaona avy ao Jerosalema; ka ny antsasany hivarina any amin'ny Ranomasina Maty ary ny antsasany any amin'ny Ranomasina Mediteranea.

9 Amin'izany andro izany ny Tompo dia hanjaka amin'ny tany manontolo. Izy irery ihany no Andriamanitra hivavahana, ary ny anarany irery no hoeken'ny olon-drehetra.

10 Hovana lemaka ny faritra manontolo manodidina an'i Jerosalema, manomboka any Geba any avaratra ka hatrany Rimona any atsimo. I Jerosalema dia hisandratra ambonin'ireo tany manodidina azy; ary ny tanana dia hitatra manomboka eo amin'ny vavahadin'i Benjamina ka hatramin'ny vavahadin-joro, dia eo amin'ny toeran'ny vavahady tranainy, ary koa manomboka eo amin'ny tilikambon'i Hananehela ka hatramin'ireo famiazam-boaloboky ny mpanjaka.

11 Ho azo ipetrahana fahizay ao an-tanana, fa tsy hisy intsony ny fandravana azy; ary dia handry fahalemana i Jerosalema.

12 Ary izao no aretim-be hamelezan'ny Tompo ny firenen-drehetra izay niady tamin'i Jerosalema: ho simba nofo dieny mbola velona ny olona, ho levona ho azy ao amin'ny fitoerany ny masony, ho tahaka izany koa ny lela ao am-bavany.

13 Amin'izany andro izany dia hasian'ny Tompo fifanjevoana tsy hifankahitana ao aminy, fa samy hanainga tanana hifamely izy.

14 Ny lehilahin'i Joda hiady mba hiaro an'i Jerosalema, ary haka ny haren'ny firenena rehetra manodidina: koa dia hangoniny ny volamena sy ny volafotsy mbamin'ireo fitafiana marobe.

15 Ary hisy aretim-be toy izany koa hamely ny biby rehetra ao an-tobim-pahavalo, dia ny soavaly sy ny ampondra ary ny rameva sy ny boriky mbamin'ny biby fiompy hafa rehetra ao.

16 Amin'izany andro izany, ny sisa amin'ireo firenena, izay niady tamin'i Jerosalema, dia hiakatra isan-taona ao amin'io tanana io hiankohoka eo anatrehan'ilay Mpanjaka, izany hoe ny Tompon'izao rehetra izao, ary koa hankalaza ny fetin'ny Tranotomboka.

17 Raha misy firenena amin'ny tany tsy mety hiakatra any Jerosalema mba hiankohoka eo anatrehan'ilay Mpanjaka, izany hoe ny Tompon'izao rehetra izao, dia tsy mba hisy orana hilatsaka eo amin'ny taniny.

18 Ary raha ny firenen'i Ejipta kosa no tsy tonga miakatra ao Jerosalema mba hankalaza ny fetin'ny Tranotomboka, dia tsy hisy koa ranonorana hilatsaka any aminy sady hanjo azy ny areti-mandoza izay namelezan'ny Tompo ireo firenena izay tsy niakatra nankalaza io fety io.

19 Izany no hanasaziana an'i Ejipta sy ny firenena hafa rehetra tsy mba hankalaza ny fetin'ny Tranotomboka.

20 Amin'izany andro izany, na dia ny lakolosin-tsoavaly aza dia hisy soratra hoe: Voatokana ho an'ny Tompo. Ny vilany tsotra ao amin'ny tempoly dia hoheverina ho masina tahaka ny tsatokaty famafazana izay eo anoloan'ny alitara.

21 Eny, ny vilany rehetra izay any Jerosalema sy Joda dia ho voatokana ho an'ny Tompon'izao rehetra izao. Ary izay rehetra tonga hanolotra sorona no hampiasa ireny mba hahandroan-kena. Ary amin'izay fotoana izay dia tsy hisy mpivarotra intsony ao an-tranon'ny Tompon'izao rehetra izao.

Malakỳ

Toko voalohany

1 Hafatra nampitondrain'ny TOMPO an'i Malaky ho an'ny Israelita.

2 Hoy ny TOMPO taminareo vahoakany: Tiako ianareo. Nefa nanontanianareo Izy hoe: Aiza ary ny porofon'ny fitiavanao? Dia novalian'ny TOMPO an-teny hentitra hoe: Tsy mpirahalahy va i Hesao sy i Jakoba? Nefa i Jakoba no tiako,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9352