ZakariĆ 

Toko faha-8

16 Izao no tsy maintsy hataonareo: samia milaza ny marina amin'ny namany avy ianareo; aoka ho didim-pitsarana ara-drariny no havoaka eo amin'ny toeram-pitsaranareo mba hahatonga fiadanana eo aminareo.

17 Aza mieritreritra hanisy ratsy ny namana ary aza mety hianiana lainga, fa halako ny zavatra rehetra toy ireny. Izaho TOMPO no manao izany teny hentitra izany.

18 Ary nisy tenin'ny TOMPOn'izao rehetra izao tamiko nanao hoe:

19 Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao: ny fifadian-kanina izay tandremanareo amin'ny volana fahefatra sy fahadimy ary fahafito sy fahafolo, dia ho tonga fetim-pifaliana sy firavoravoana mahafinaritra ho an'ny vahoakan'i Joda. Kanefa tiava ny fahamarinana sy ny fiadanana.

20 Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao: Mbola hisy firenena vahiny sy mponina avy amin'ny tanana maro ho tonga indray eto Jerosalema.

21 Ary ny mponina ao amin'ny tanana iray dia hankany amin'ny mponin'ny tanana iray hafa ka hitaona azy hanao hoe Ndao tokoa isika handeha hivavaka amin'ny TOMPO, eny, hitady an'ilay TOMPOn'izao rehetra izao. Dia hamaly ireo hoe: Izahay koa mba handeha.

22 Eny, olona maro sy firenena matanjaka no ho tonga eto Jerosalema hitady Ahy TOMPOn'izao rehetra izao ka hivavaka amiko.

23 Amin'izay andro izay, hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao, dia hisy vahiny folo izay samy hafa fiteny hihazona Jiosy iray amin'ny sisin'akanjony, ka hitambezo aminy hoe: Mba te handeha hiaraka aminareo izahay, satria efa renay fa momba anareo Andriamanitra.

Toko faha-9

1 Hafatry ny TOMPO. Any amin'ny tanin'i Hadraka no tafapaka ny teniny, ka niato tao Damasy; satria samy an'ny TOMPO na ireo tananan'i Arama na ny fitambaran'ireo fokon'ny Israely.

2 Azy toraka izany ihany koa i Hamata akaikin'i Damasy ary ny tananan'i Tiro sy i Tsidona izay misy olona kinga tokoa.

3 Ary i Tiro nanao manda mafy ho azy; volafotsy matevina tahaka ny vovoka no voaangony ary koa volamena mivongana toy ny fotaka eny an-dalambe.

4 Kanefa halain'ny Tompo aminy ireny, hazerany any an-dranomasina ny mandany ary ho levon'ny afo ny tanana.

5 Hahita izany ny tananan'i Askelona, ka dia ho raiki-tahotra, i Gaza koa ho tora-kovitra, ary i Hekrona ho very fanantenana. Tsy hisy mpanjaka intsony ao Gaza, ary tsy hisy mponina intsony ao Askelona;

6 mponina safiotra no hipetraka ao Asdoda. Ka hoy ny Tompo Andriamanitra hoe: Toy izany no hanafoanako ny fireharehan'ny Filistinina.

7 Hoesoriko eny am-bavany ny hena tsy nalatsa-dra na naterina tamin'ny sampy. Ary ny sisa velona amin'ny vahoakany dia hanana Ahy koa ho Andriamanitra, ka hitovy amin'ny iray tarika ao anatin'ny fokon'i Joda. I Hekrona koa hiditra ho vahoakako toy ny nataon'ireo Jebosita.

8 Hiambina manodidina ny taniko Aho mba hiaro azy amin'ireo tafika izay mihaodihaody mandalo; ka tsy hisy intsony hamaky eo hampahory ny vahoakako fa efa hitako ankehitriny ny fahoriany.

9 Mifalia dia mifalia, ry mponin'i Tsiona! Manaova fihobiana, ry vahoakan'i Jerosalema! Indro ny Mpanjakanareo avy aty aminareo; marina sady mandresy Izy, feno halemem-panahy sady mitaingina boriky, dia boriky tanora zana-borikivavy.

10 Hofoanany tsy ho ao Efraima intsony ny kalesy ary tsy ho ao Jerosalema ny soavaly fitondra miady Hopotehiny ny tsipikan'ady ary hilaza fiadanana amin'ny firenena Izy. Ny fifehezany dia hatreo amin'ny ranomasina iray ka hatrany amin'ny ranomasina iray hafa, ary hatreo amin'ny onin'i Eofrata ka hatrany am-paran'ny tany.

11 Dia hoy ny Tompo hoe: Ny aminareo kosa, ry mponin'i Tsiona, noho ianareo nanaovako fanekempihavanana izay nohamafisina tamin'ny ran-tsorona, no efa namoahako ny mpigadranao toy ny avy tao an-davaka tsisy rano.

12 Miverena ao an-tanana mimanda, ry mpigadra manam-panantenana! Anio no anambarako aminareo hoe: Fanambinana avo roa heny no hanonerako ny fahorianareo.

13 Hampiasaiko toy ny tsipikan'ady i Joda, ka i Efraima no ho tahaka ny zana-tsipikany. Ry Tsiona, hotairiko ny vatan-dehilahinao hiady amin'ireo vatan-dehilahy grika; toy ny sabatry ny mpiady mahery no hampiasako ireo vatan-dehilahinao.

14 Ary ny Tompo hiseho eo ambonin'ny vahoakany; ka hipoitra toy ny tselatra ny zana-tsipikany Hitsoka anjomara ny Tompo ANDRIANANAHARY ka ho tonga miaraka amin'ny tafio-drivotra atsimo.

15 Ny Tompon'izao rehetra izao hiaro ny vahoakany; ka havandra vaventy no halefany hamotika sy hanorotoro ny fahavalony; dia hataony mikoriana ny ran'ireo ka hampiely ny ran'ny fahavalony mova tsy tahaka ny divay, na koa tahaka ny ram-biby atao sorona izay mameno ny tsangambava famafazana sy mandrakotra ny zoron'ny alitara.

16 Amin'izany andro izany ny vahoakany dia hovonjen'ny Tompo Andriamaniny, ka toy ny mpiandry mamonjy ny ondriny Izy; ary ho toy ny vaton-tsatroboninahitra no hamirapiratany eo amin'ny taniny.

17 Akory ny fahasambarany! Ary akory ny hatsaran-tarehiny! Vary sy divay vaovao no hampaharoroka finaritra ireo zatovolahy sy zatovovavy.

Toko faha-10

1 Mangataha amin'ny Tompo handefasany ranonoran-dohataona fa Izy no manao ny oram-baratra; dia homeny oram-be mivatravatra ianareo ary samy hataony maitso mavana ny sahanareo

2 Fa zava-poana no tenenin'ny sampy. Ary lainga no hany hitan'ny mpisikidy; tsy misy dikany ny nofy tantarainy, feno fitaka ny fampiononana entiny. Izany no nahavoatery ny vahoaka handeha, ka ory tahaka ny andianondry tsy misy mpiandry.

3 Ireo vahiny miandry ny vahoakako no irehetan'ny fahatezerako; ireo osilahy no iantefan'ny famaliako. Izaho Tompon'izao rehetra izao kosa efa hamangy ny ondriko, dia ny taranak'i Joda izany. Toy ny soavaly voaravaka hiady izy no hoentiko any amin'ny toeram-piadiana.

4 Avy ao aminy no hipoiran'ny filoha rehetra izay azo antoka toy ny vatofehizoro, matotra toy ny tsatokan-day, ary hentitra toy ny tsipikan'ady.

5 Ho toy ny mpiady mahery ireo, ka hanitsakitsaka ny mpifanandrina aminy toy ny fotaka eny an-dalambe. Hiady ireo, satria Izaho Tompo no momba azy; ary dia ho safo-kenatra ny fahavalo mpitaingin-tsoavaly.

6 Hampahery ny taranak'i Joda Aho ary hamonjy ny taranak'i Josefa; dia haveriko amin'ny laoniny indray ireo, satria hanehoako famindrampo ka ho toy ny tsy nariako na oviana na oviana. Ary hamaly vavaka azy koa Aho, fa Izaho no Tompo Andriamaniny.

7 Ho toy ny mpiady mahery ireo lehilahin'i Efraima, ary ho dibo-kafaliana toy ny azon-divay ny fony. Hahita izany ny zanany, ka ho ravoravo; ary noho Izaho Tompo dia hibitaka ny fony.

8 Hiantso ny vahoakako Aho ka hanangona azy, satria efa navotako izy, ka hihamaro toy ny taloha indray.

9 Tahaka ny fanaparitaka voa famafy no nanelezako azy tany amin'ny firenena; fa na dia any lavitra any aza ireo dia hahatsiaro Ahy ihany. Any izy no hiaina miaraka amin-janany, kanefa avy eo dia hiverina indray.

10 Hampodiko avy any Ejipta izy ary hangoniko avy any Asiria, ka hoentiko any Gilehada sy any Libano; saingy na dia ireo toerana ireo aza dia mbola tsy ho omby azy ihany.

11 Hamakivaky ny ranomasim-pahoriana izy; Izaho Tompo kosa hively ny onjan-dranomasina sy hahatankina tanteraka ny onin'ny Neily. Dia haetry ny avonavon'i Asiria, ary ho very fahefana i Ejipta.

12 Dia Izaho Tompo no ho herin'ny vahoakako; ary amin'ny anarako no hifampiarahabany. Izaho Tompo no manao izany teny hentitra izany.

Toko faha-11

1 Vohay ny varavaranao, ry Libano o! ary aoka ny afo handevona ny sederanao!

2 Midradradradra, ry kipresy, fa efa nazera ny sedera, dia ireo hazo mahafinaritra nijoalajoala. Midradradradra, ry hazo okan'i Basana, fa ripaka ny ala mikitroka.

3 Henoy ny fidradradradran'ny mpiandry firenena fa nihintsana ny voninahiny. Henoy ny fieroneron'ny liona, fa rava ireo kirihitrala nireharehany teny amoron'ny ony Jordana.

4 Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitro tamiko: Meteza ianao ho mpiandry ireo ondry hovonoina.

5 Fa ny mpividy mamono azy dia tsy mihevi-tena ho meloka; ary ny mpivarotra azy kosa manao hoe: Hisaorana anie ny Tompo fa manan-karena izahay! Ary na dia ireo mpiandry azy aza tsy mba niantra azy.

6 Izaho Tompo dia manao teny hentitra fa tsy hiantra ny mponin'ny tany intsony Aho. Indro fa hatolotro ho eo am-pelatanan'ny namany sy ny mpanjakany avy ny olona. Ary handroba ny tany ireo nefa tsy hanafaka olona amin'izany Aho.

7 Ary tonga mpiandry ny ondry aho, dia ny ondry izay kasain'ny mpanondrana hovonoina. Naka tehina roa aho; ny iray nataoko hoe Fihavanana ary ny iray kosa Firaisankina. Ary nandrasako ny ondry.

8 Tao anatin'ny iray volana monja dia telo ny mpiandry azy no noroahiko; avy eo dia lotika tamin'ny ondry ny foko, sady izy koa efa tofoka ahy.

9 Dia hoy aho taminy: Tsy hiandry anareo intsony Aho. Izay natao ho faty; izay natao ho ringana, dia aoka izy ho ringana; ary izay sisa velona dia aoka izy hifampihinana!

10 Dia noraisiko ilay tehiko hoe fihavanana ka notapahiko mba hahafoana ny fanekempihavanana izay efa nataon'ny Tompo tamin'ny firenen-drehetra.

11 Dia foana tamin'izany andro izany ihany ilay fanekempihavanana. Ary nijery ahy ireo mpanondrana ondry ka nahatakatra fa ny Tompo no niteny tamin'izay nataoko.

12 Ary hoy aho tamin'ireto mpanondrana ondry: Raha heverinareo fa mety, dia omeo ahy ny karamako; fa raha tsy izany kosa, dia aoka ihany. Dia naloany ny karamako sekela volafotsy telopolo.

13 Ary hoy ny Tompo tamiko: Ento any amin'ny mpandrendrika azy izany volabe nanombanany Ahy izany! Dia noraisiko ny sekela volafotsy telopolo ka nentiko tany amin'ny mpandrendrika tao an-tranon'ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9492