EksĂ´dy
Toko faha-26
27 barany dimy koa hihazona ireo hazo fisaka amin'ny lafiny iray hafa; ary barany dimy hafa ho an'ireo hazo fisaka amin'ny lafiny ivoho ao andrefana.28 Ny barany afovoany dia handalo eo am-pisasahan'ny haavon'ny hazo fisaka, ary hatao mahatakatra ny sisiny an-daniny roa amin'ny fonena-masina.
29 Horakofana takela-bolamena, na ny hazo fisaka na ny barany; ary hisy haba volamena hotefena hanatsofohana ny barany.
30 Rehefa izany, ry Mosesy, dia asaovy atsangana araka ny modely izay efa nasehoko anao teto an-tendrombohitra ny fonena-masina.
31 Mpahay taozavatra no hanao efitra lamba iray amin'ny rongony mafy mifangaro volon'ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, ravahana kerobima roa vita amin'ny peta-kofehy tsara.
32 Io efitra lamba io dia hahantona amin'ny fantsika volamena eo amin'ny andry efatra vita amin'ny hazo mimoza voarakotra takela-bolamena sady mipetraka amin'ny faladia volafotsy efatra.
33 Eo ambanin'ny farango no hanantonana ny efitra lamba. Any aorian'ny efitra lamba no hametrahana ny Vatamasina mirakitra ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana. Ny efitra lamba amin'izay no hampisaraka ny Toeramasina sy ny Toeramasina indrindra.
34 Avy eo, dia hapetraka eo ambonin'ny Vatamasina ilay sarony, ao amin'ny Toeramasina indrindra.
35 Hapetraka ao amin'ny fonena-masina, eo amin'ny lafiny avaratra, ny latabatra; ary ny fitoeran-jiro kosa manoloana ny latabatra amin'ny lafiny atsimo.
36 Momba ny fidirana ao amin'ny tranolay masina dia aoka hanaovan'ny mpanenona za-draharaha varavarana lamba iray hafa amin'ny rongony mafy, mifangaro volon'ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky.
37 Hisy andry dimy hatao amin'ny hazo mimoza, sady horakofana takela-bolamena, ka eo no hanantonana io varavarana lamba io amin'ny farango volamena. Faladia halimo dimy no harendrika hitsatohan'ireo andry ireo.
Toko faha-27
1 Hisy alitara fisoronana hamboarina amin'ny hazo mimoza. Ho efamira izy io, ka mirefy roa metatra sy sasany ny lafy tsirairay, ary iray metatra sy sasany ny haavony.2 Hatao miendrika tandroka ny zorony efatra ambony sady harafitra miaraka amin'ny tenan'ny alitara, izay horakofana takelaka halimo.
3 Halimo koa no hanaovana ny fanaka rehetra momba ny alitara: dia ny tavy fasiana lavenon-jabora, ny sotrobe fangaronana afo, ny tsatokaty famafazana, ny fitrebi-kena ary ny fitondrana afo.
4 Hisy makarakara halimo miendrika harato hamboarina; ary haba halimo iray no hapetaka isaky ny zorony.
5 Hapetraka eo akaikin'ny fisasahan'ny aty alitara io makarakara io, eo ambanin'ny fehivavany.
6 Hisy bao roa hatao amin'ny hazo mimoza, dia horakofana takelaka halimo;
7 ary hatsofoka ao anatin'ny haba izay manatrika ny lafiny roa amin'ny alitara ireo bao ireo, rehefa lanjaina ny makarakara.
8 Hazo fisaka no handrafetana ny alitara, ka hatao holoka aty izany, araka ny modely izay efa nasehoko anao teto an-tendrombohitra.
9 Ny fonena-masina dia hohodidinina kianja izay fefen'ny temitra vita amin'ny kiran-drongony mafy. Amin'ny lafiny atsimo, dia hivelatra eo amin'ny dimampolo metatra ny halavan'ny temitra;
10 farango sy anjaka volafotsy no hanantonana azy eo amin'ny andry halimo roapolo, izay mitsatoka amin'ny faladia halimo roapolo.
11 Ho tahaka izany koa ny lafiny avaratra, ka hivelatra dimampolo metatra ny halavan'ny temitra, ary mitovy amin'ny teo ihany ny fanantonana azy.
12 Amin'ny lafiny andrefana, manaraka ny sakan'ny kianja, dia hivelatra 25 metatra ny temitra, ary hahantona amin'ny andry folo misy faladia folo.
13 Ho 25 metatra koa ny velaran'ny kianja amin'ny lafiny fidirana atsinanana,
14 ka eo an-daniny roa amin'ny fidirana dia samy hisy temitra fito metatra sy sasany ny halavany miaraka amin'ny andry telo sy faladiany telo avy.
16 Ny vavahadin'ny kianja kosa dia hasiana varavarana lamba folo metatra, hamboarin'ny mpanao peta-kofehy amin'ny kiran-drongony mafy mifangaro volon'ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, ka hahantona amin'ny andry efatra misy faladiany efatra.
17 Hisy anjaka volafotsy hampitohy ny andry rehetra izay mamaritra ny kianja; ny farangony koa dia ho volafotsy, fa ny faladiany halimo.
18 Koa ny kianja dia hirefy dimampolo metatra ny lavany, 25 metatra ny sakany; ary ny haavon'ny lamba temitra rongony dia ho roa metatra sy sasany.
19 Ny fitaovana rehetra fanampiny mba hahatomombana ny fonena-masina dia hatao halimo avokoa, ka isan'izany ny tsimatra rehetra momba azy sy ny tsimatra rehetra momba ny fefin'ny kianja.
20 Ary ianao, ry Mosesy, mandidia ny Israelita hitondra aminao menaka oliva tsara sy madio mba handrehetana ny jiro tsy tapaka.
21 I Aharona sy ny taranany no hametraka ny fitoeran-jiro ao amin'ny Tranolay fihaonana, eo anoloan'ny efitra lamba izay manafina ny Vatamasina; ny jiro dia hirehitra manomboka ny hariva ka hatramin'ny maraina eo anatrehako Izaho TOMPO. Fepetra raikitra hotanterahin'ny Israelita isaky ny taranaka mifandimby izany.
Toko faha-28
1 Ry Mosesy, ampanatony ho eo akaikinao i Aharona rahalahinao sy ny zanany efa-dahy, dia i Nadaba sy i Abiho ary i Elehazara sy i Itamara. Avaho amin'ny Israelita ireo mba hanompo Ahy amin'ny fisoronana.2 Hanaovana fanamiana voatokana i Aharona ho mariky ny voninahitra amam-piandrianany.
3 Ny torohevitra rehetra dia ambarao amin'ireo mpahay taozavatra izay nofenoiko hakingana, ka ireo no hanao ny fanamiana izay hoentin'i Aharona amin'ny fanokanana azy ho mpisorona ho Ahy.
4 Ireo fanamiana izay hataony dia ny saron-tratra, ny efoda, ny akanjo lava ivelany, ny akanjo vita peta-kofehy, ny satroka fehiloha ary ny fehikibo. Hanaovan'i Aharona rahalahinao sy ny taranany ireo rehefa manao fisoronana amiko izy.
5 Volon'ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky mbamin'ny rongony madinika sy kofehy volamena no hampiasain'ireo mpahay taozavatra.
6 Mpahay taozavatra no hanao ny efoda amin'ny kiran-drongony mafy, mifangaro volon'ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, ka asiana peta-kofehy volamena.
7 Beritelo zairina amin'ny sisiny roa no hitondrana ny efoda.
8 Hotenomina ho iray amin'ny efoda sady hatao amin'ny kofehy mitovy amin'ny nanaovana azy ny samboady fitazonana ny efoda.
9 Avy eo dia halaina ny vato berila roa izay hanoratana an-tsokitra ny anaran'ireo zanakalahin'i Jakoba:
10 ka ny anarana enina amin'ny vato voalohany, ary ny anarana enina amin'ny vato faharoa, arakara-jokiny.
11 Mpivaofy vato no hisokitra ny anarana amin'ireo vato roa ireo; hataony toy ny fisokitra tombokase izany ka hapetaka anaty bokom-bolamena anankiroa.
12 Avy eo dia hapetany eo ambony beritelon'ny efoda ireo vato roa ireo mba ho fahatsiarovana ny Israelita foko 12. Amin'izay i Aharona dia hitondra ny anaran'izy ireo eny an-tsorony ao amin'ny Toeramasina, ka Izaho TOMPO tsy hanadino anareo.
13 Rehefa vita ny bokom-bolamena anankiroa,
14 dia hapetaka eo koa ny rojo volamena madinika anankiroa miolanolana toy ny tady voarandrana.
15 Mpahay taozavatra no hanao ny saron-tratra fitsarana amin'ny kiran-drongony mafy, mifangaro volon'ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, sady hasiana peta-kofehy volamena toy ny efoda.
16 Ho paosy efamira izy io, ka mirefy 25 santimetatra ny lafiny tsirairay
17 ary horavahana laharam-batosoa efatra: ny laharana voalohany dia sardoanina sy topaza ary emeralda;
18 ny laharana faharoa dia robisy sy safira ary diamondra;
19 ny laharana fahatelo dia opaka sy agata ary ametista;