EksĂ´dy

Toko faha-23

17 Koa intelo isan-taona izany ny lehilahy rehetra aminareo no ho tonga hiseho eo anatrehako TOMPO Andriamanitrareo.

18 Aza manao sorom-biby ho Ahy miaraka amin'ny mofo misy leviora; ary aza tahirizina ho tra-maraina ny jaboran' ireo sorona fanomezam-boninahitra Ahy.

19 Haterinareo ao an-tranoko ny santatry ny vokatry ny taninareo satria Izaho no Tompo Andriamanitrareo. Nefa aza mahandro zanak'osy amin'ny rononon-dreniny.

20 Haniraka anjely iray hialoha anareo Aho, mba hiaro anareo eny an-dalana; izy no hitarika anareo ho ao amin'ny tany izay efa nomaniko ho anareo.

21 Mitandrema tsara eo anatrehany ka henoy izay lazainy, ary aza manohitra azy; fa tsy mahazaka fikomiana izy, satria mitondra ny anarako.

22 Raha mankato azy hatrany ianareo, ka manatanteraka an-tsipiriany izay rehetra nandidiako anareo, dia Izaho Tompo no ho fahavalon'izay fahavalonareo, ary handrafy izay mandrafy anareo.

23 Rehefa mandeha eo alohanareo ny anjeliko, ka mitarika anareo ho any amin'ny Amorita sy ny Hitita, ny Perizita sy ny Kanahanita, ary ny Hivita sy ny Jebosita, dia hofongorako ireo firenena ireo.

24 Koa aza miankohoka eo anoloan'ny andriamaniny, na manao fanompoam-pivavahana aminy na mianatra ny fanaony, fa ravao mihitsy ny sarivongan'ireo sampiny sady potipoteho ny tsangambatony.

25 Izaho TOMPO Andriamanitrareo irery ihany no hivavahanareo; amin'izay Aho dia hitahy anareo ka hanome anareo sakafo sy fisotro, sady hampanalavitra ny aretina aminareo.

26 Tsy hisy vehivavy ho afa-jaza na ho momba eo amin'ny taninareo, ary hataoko ela velona ianareo.

27 Halefako hialoha anareo ny tahotra Ahy, ka hisavoritaka ny firenena rehetra izay hidiranareo.

28 Halefako hialoha anareo koa ny takolapanenitra ka hampandositra ny Hivita sy ny Kanahanita ary ny Hetita mialoha ny fahatongavanareo.

29 Tsy hampandosiriko anareo ao anatin'ny taona iray ihany anefa ireo firenena ireo, fandrao hanjary ho lao ny tany ka hihamaro hamely anareo ny bibidia.

30 Horoahiko tsikelikely ny fahavalonareo, arakaraka ny hihamaroanareo ka handraisanareo ny tany ho anareo.

31 Ny faritaninareo dia hataoko mahafaoka hatreo amin'ny Ranomasin'ny Volotara ka hatrany amin'ny ranomasina Mediteranea, ary hatreo amin'ny taniefitr'i Sinay ka hatrany amin'ny ony Eofrata; fa hatolotro ho eo an-tananareo ny mponina amin'ireo faritany ireo ka horoahinareo.

32 Aza manao fanekempihavanana amin'ireo na amin'ny andriamaniny.

33 Aza avela honina ao amin'ny taninareo ireny fandrao mitarika anareo hanao fahadisoana amiko; satria raha manao fanompoam-pivavahana amin'ny andriamaniny ianareo, dia hanjary fandrika ho anareo izany.

Toko faha-24

1 Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Miakara aty Amiko ety an-tendrombohitra miaraka amin'i Aharona sy i Nadaba sy i Abiho ary loholona fitopolo amin'ny Israely. Ka raha mbola eny lavidavitra eny ianareo, dia aoka hiankohoka amin'ny tany.

2 Avy eo dia ianao ihany no hanatona AHY, fa ny sisa kosa tsy mahazo manatona; ary ny vahoaka dia tsy hiakatra ety an-tendrombohitra miaraka aminareo.

3 Dia lasa nitatitra tamin'ny Israelita izay rehetra nolazain'ny TOMPO sy nandidiany azy i Mosesy, ka novalian'ny vahoaka manontolo indray niredona hoe: -Ny zavatra rehetra izay nandidian'ny TOMPO anay dia hotanterahinay avokoa.

4 Nosoratan'i Mosesy avokoa ny tenin'ny TOMPO taminy; ary nony ampitso dia nifoha maraina izy ka nanamboatra alitara iray teo am-pototry ny tendrombohitra sy nanangana tsangambato 12, ka iray avy isam-poko tao amin'ny Israely.

5 Naniraka tovolahy israelita izy mba hanolotra sorona dorana manontolo ho an'ny TOMPO sady hitondra ombilahy hatao sorom-pihavanana.

6 Dia nalain'i Mosesy ny antsasaky ny ran'ny biby ka nataony tao an-dovia, fa ny antsasany kosa nafafiny teo ambony alitara.

7 Avy eo dia nalainy ny bokin'ny fanekempihavanana ka novakiny mafy teo imason'ny vahoaka. Dia nanambara ny Israelita hoe: -Ny zavatra rehetra izay nandidian'ny TOMPO anay dia hotanterahinay an-tsakany sy an-davany.

8 Koa nalain'i Mosesy ary ny ra tao amin'ny lovia, dia nafafiny tamin'ny Israelita sady nataony hoe: -Ity ra ity no manamafy ny fanekempihavanana izay nataon'ny TOMPO taminareo fony Izy nanome ireo didy rehetra ireo ho anareo.

9 Taorian'izany, dia niakatra teny an-tendrombohitra i Mosesy, niaraka tamin'i Aharona sy i Nadaba sy i Abiho ary loholona fitopolo tamin'i Israely.

10 Ary nahita an'ilay Andriamanitr'i Israely izy ireo: ny teo ambany tongony dia karazana lampivato safira, manga manganohano toa volon-danitra.

11 Tsy namely ireto olo-manga israelita ireto Andriamanitra, ka afaka nijery Azy ry zareo sady nihinana sy nisotro.

12 Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Miakara ety akaikiko ety an-tendrombohitra, ary mijanona eo. Homeko anao ny vatofisaka izay nanoratako ny didy aman-dalana mba hampianarinao ny Israelita.

13 Dia niakatra teo an-tendrombohitr'Andriamanitra i Mosesy, niaraka tamin'i Josoa mpanompony,

14 rehefa avy nilaza tamin'ny loholona hoe: Andraso eto izahay mandra-piverinay. Indreo i Aharona sy i Hora hijanona miaraka aminareo; koa raha misy manana olana, dia manatona azy roa lahy.

15 Raha mbola nandroso niakatra ny tendrombohitra i Mosesy, dia rakotry ny rahona ny tendrombohitra.

16 Nipetraka teo an-tendrombohitra Sinay ny voninahitry ny TOMPO, ka ny rahona no nandrakotra azy nandritra ny enina andro. Tamin'ny andro fahafito dia niantso an'i Mosesy tao afovoan'io rahona io Andriamanitra.

17 Toy ny afo mandevona no fahitan'ny Israelita ny voninahitry ny TOMPO teo an-tampon'ny tendrombohitra Sinay.

18 Niditra tao afovoan'ny rahona i Mosesy, ka nanohy niakatra ny tendrombohitra ary nijanona tao an-tendrombohitra nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina.

Toko faha-25

1 Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:

2 -Ilazao ny Israelita mba hanomana fanomezana ho Ahy, ka avy amin'ny olona rehetra manolotra an-tsitrapo no anangony azy.

3 Ireto avy no fanatitra izay hangoninareo: volamena, volafotsy, halimo,

4 volon'ondry miloko volomparasy na mena na jaky, rongony madinika, volon'osy,

5 hoditr'ondry miloko mena, hoditra mafy, hazo mimoza,

6 solika hampiasaina amin'ny fitoeran-jiro, ilomanitra hafangaro amin'ny ilomasina fanokanana sy amin'ny vovo-javamanitra hodorana,

7 vato berila sy vatosoa hafa ho an'ny efoda sy ny saron-tratran'ny mpisorombe.

8 Hanamboatra tranolay masina ho Ahy ny Israelita mba hitoerako eo aminy.

9 Araka ny planina sy ny modely izay hasehoko anao no handrafetanareo io fonena-masina io sy ny fanaka rehetra momba azy.

10 Hisy Vatamasina hamboarina amin'ny hazo mimoza; ka mirefy 125 santimetatra ny lavany, 75 santimetatra ny sakany ary 75 santimetatra ny haavony.

11 Horakofana takela-bolamena madio ny atiny sy ny ivelany ary hasiana sisiny volamena manodidina eo amboniny.

12 Haba volamena efatra no hotefena ka haraikitra eo amin'ny zorony efatry ny Vatamasina, dia samy roa an-daniny avy.

13 Hisy bao roa hatao amin'ny hazo mimoza, ary horakofana takela-bolamena.

14 Hatsofoka ao amin'ireo haba ireo ny bao roa mba hilanjana ny Vatamasina.

15 Rehefa tafiditra amin'ny toerany ireo, dia tsy hoesorina intsony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9486