EksĂ´dy
Toko faha-21
34 dia tsy maintsy handoa vola onitra amin'ny tompom-biby ilay tompon'ny lava-drano, fa ny biby maty kosa dia ho azy.35 Raha misy ombilahin'olona mandratra mahafaty ny ombilahin'ny namany, dia hamidiny ny ombilahy velona ka hozarainy ny vola vidiny, ary hozarainy toy izany koa ilay maty.
36 Nefa kosa, raha tahiny efa fantatra fa zatra manoto ilay ombilahy kanefa tsy nanara-maso azy ny tompony, dia hanome ombilahy velona ho solony izy, fa ilay maty kosa no ho azy.
37 Raha misy olona mangalatra omby iray, na ondry iray na osy iray ka mamono azy na mivarotra azy, dia tsy maintsy hanome omby dimy na ondry efatra, na osy efatra ho onitra ho an'ny tompony izy.
Toko faha-22
1 Raha misy mpangalatra tratra eo am-pangalarana amin'ny alina ary voakapoka ka maty, dia tsy vono olona akory izany;2 fa rehefa mihiratra masoandro kosa no hisehoan'izany, dia tena vono olona. Raha tahiny izy tsy manana hoenti-manonitra ny halatra nataony, dia hamidy ho andevo.
3 Raha misy omby na boriky na ondry na osy nangalarina ka tratra mbola velona eo amin'ilay mpangalatra, dia haveriny amin'ny tompony avo roa heny iny.
4 Raha misy olona mampitondraka ny bibiny amin'ny voly na ny tanimboaloboky ny hafa ka manimba izany, dia izay tsara indrindra amin'ny vokatry ny sahany sy ny tanimboalobony no homeny ho onitra.
5 Raha misy olona mandoro lobolobo misy tsilo ka mitatra amin'ny antontam-bary na vary hojinjana na tanimboly ny afo, dia tsy maintsy hanonitra ny may ilay nandoro.
6 Mety hisy olona manome vola na fanaka hotehirizin'ny namany ka nisy nangalatra tao an-tranony. Koa raha hita ilay nangalatra, dia hanonitra avo roa heny;
7 fa raha tsy hita kosa izay nangalatra, dia hataon'ilay tompon-trano vavolombelona Andriamanitra ka hianianany fa tsy naka ny zavatry ny namany izy.
8 Amin'ny raharaha mampifanolana momba ny omby na boriky, na ondry na osy, na fitafiana, ary ny zavatra very rehetra, ireo olon-droa samy milaza ho tompony dia hoentina eo anatrehan'Andriamanitra: izay voatondron'Andriamanitra ho diso dia tsy maintsy handoa onitra avo roa heny amin'ny anankiray.
9 Mety hisy olona manome boriky iray na omby iray na ondry iray na osy iray na biby hafa handrasan'ny namany, ka maty ilay biby na maratra na lasan'ny mpandroba nefa tsy misy vavolombelona;
10 dia tsy maintsy mianiana amin'ny anaran'ny TOMPO ilay olona fa tsy naka ny zavatry ny namany. Hanaiky izany fianianana izany kosa ilay tompom-biby ary tsy hisy onitra hefain'ilay namany.
11 Fa raha tahiny kosa nangalarina tao aminy tokoa izany biby izany, dia handoa onitra amin'ny tompon-javatra izy.
12 Raha voaviraviran'ny bibidia ilay izy, dia hoentina ho porofo ny sisa tavela aminy; ka amin'izay dia tsy hanonitra izy.
13 Raha misy olona mindrana biby amin'ny namany ka maratra na maty ilay biby nefa tsy teo anatrehan'ny tompony, dia tsy maintsy manonitra izy.
14 Fa raha teo anatrehan'ny tompony kosa, dia tsy hanonitra ilay mpindrana; raha biby nofana moa izany, dia ho vitan'ny hofany ihany ny onitra.
15 Raha misy olona mahasarika tovovavy tsy mbola voafofo ka mandry aminy, dia tsy maintsy mandoa vodiondry izy ka mampakatra azy ho vadiny.
16 Raha tsy manaiky ny hanome an-drazazavavy ny rainy, dia tsy maintsy mandoa vola an-kevitry ny vodiondry fanome amin'ny fampakarana zazavavy izy.
17 Aza avela ho velona ny vehivavy mpanao ody ratsy.
18 Izay olona mandry amin'ny biby dia tsy maintsy vonoina ho faty.
19 Izay manao sorona ho an'andriamani-kafa, afa-tsy amin'ny TOMPO irery ihany, dia haringana.
20 Aza mampijaly na mitsentsitra ny vahiny izay mipetraka ao aminareo, satria efa mba vahiny tany Ejipta koa ny tenanareo.
21 Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty ianareo.
22 Fa raha mampahory azy ianareo, dia hiantso vonjy amiko izy ka hihaino ny fitarainany tokoa Aho.
23 Hirehitra ny fahatezerako ka hovonoiko amin'ny ady ianareo, dia ho mpitondratena ny vadinareo, ary ho kamboty ny zanakareo.
24 Raha mampisambo-bola amin'ny mahantra mpiray firenena aminareo ianareo, dia aza mampandoa zana-bola azy toy ny ataon'ireo mpanjana-bola.
25 Raha maka ny lamban'ny namanareo ho anto-bola ianareo, dia avereno aminy alohan'ny maty masoandro izany,
26 satria tsy manana afa-tsy iny mba hirakofana sy hiarovan-tena izy. Raha tsy misy an'iny, inona ary no hirakofany rehefa hatory? Hiantso vonjy Amiko izy, ka hihaino azy Aho, satria izaho dia Andriamanitra be fangorahana.
27 Aza miteny ratsy Ahy Andriamanitrareo, ary aza manozona ny filohan'ny firenenareo.
28 Aza avelanareo ho tratra aoriana ny fanateranareo amiko ny santa-bokatrareo sy ny santatry ny divainareo. Tsy maintsy hatokanareo ho Ahy ny lahimatoanareo.
29 Momba ny voalohan-teraky ny ombivavy na voalohan-teraky ny ondry aman'osy, dia avelao ho eo amin'ny reniny ihany mandritra ny fito andro; fa amin'ny andro fahavalo izy dia atero ho sorona ho Ahy.
30 Olona voatokana ho Ahy ianareo, koa aza mihinana ny hena voaviraviran'ny bibidia, fa atsipazo ho an'ny alika ireny.
Toko faha-23
1 Aza manely tsaho foana, na manao vavolombelona mandainga hiray tsikombakomba ny olon-dratsy.2 Aza manaiky hotarihin'ny maro hanao ratsy; aza mijoro ho vavolombelona noho ny hena-maso ny maro mitady hamadika ny rariny eo amin'ny fitsarana.
3 Aza manasohaso olona eo amin'ny fitsarana, na dia ny mahantra aza.
4 Raha mifanena aminao fa diso lalana ny ombin'ny fahavalonao na ny borikiny, dia avereno any aminy.
5 Raha hitanao ny borikin'izay mankahala anao fa mihohaka eo ambanin'ny entana entiny, dia aza ilaozana fotsiny ilay olona fa ampio izy hanarina ny bibiny.
6 Aza mamilivily ny rariny ananan'ny mahantranareo rehefa miseho fitsarana izy.
7 Aza mihaino ny lainga tsara lahatra. Aza manameloka ho faty ny tsy manan-tsiny sy ny olo-marina, satria Izaho Tompo dia tsy hihevitra ny olon-dratsy toy izany ho marina.
8 Aza mandray tsolotra fa ny tsolotra no mahajamba ny mason'ny mahiratra sy mamadika ny tenin'ny olo-marina.
9 Aza mampijaly ny vahiny izay mipetraka ao aminareo. Fantatrareo tsara ny fiainan'ny vahiny satria efa mba vahiny tany Ejipta koa ny tenanareo.
10 Mandritra ny enin-taona misesy no ahazoanareo mamafy ny taninareo sy mijinja ny vokatra avy aminy;
11 fa amin'ny taona fahafito dia tsy maintsy avelanareo hitsahatra tanteraka ny tany. Ny mahantra iray firenena aminareo amin'izay dia hahita hohanina, ary ny sisa dia hohanin'ny bibidia. Toy izany koa no hataonareo amin'ny tanimboalobokareo sy ny tanin'olivanareo.
12 Enina andro no hanaovanareo ny raharahanareo fa amin'ny andro fahafito dia hitsahatra ianareo mba hahazoan'ny ombinareo sy ny borikinareo miala sasatra, ary mba hahazoan'ny mpanomponareo sy ny vahiny maka aina.
13 Tandremo tsara izay rehetra nandidiako anareo; ary aoka ny anaran'andriamani-kafa tsy hantsoina mihitsy, na ho re tononina akory eo aminareo.
14 Fety telo no hankalazainareo isan-taona ho fanomezam-boninahitra Ahy.
15 Ny fety voalohany hankalazainareo dia ny fetin'ny mofo tsy misy leviora: mandritra ny fito andro voatondro amin'ny volana Abiba no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora araka izay efa nandidiako anareo. Tamin'io volana io manko no nialanareo tany Ejipta; koa aza miseho eo amin'ny alitarako mitondra tanam-polo.
16 Hankalazainareo manaraka izany ny fetin'ny fijinjana amin'ny fotoana ijinjanareo ny voaloham-bokatr'izay nafafinareo tany an-tsaha. Ary amin'ny faran'ny taona kosa no hankalazainareo ny fetim-bokatra, rehefa vitanareo avokoa ny famoriana ny vokatry ny fambolenareo any an-tsaha.