EksĂ´dy

Toko faha-25

16 Ao anatin'io Vatamasina io no hametrahanao ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana izay homeko anao.

17 Hanaovana sarony volamena madio ilay Vatamasina, ka io sarony io dia hirefy 125 santimetatra ny lavany ary 75 santimetatra ny sakany.

18 Hanefena kerobima roa volamena amin'ny sakany roa eo ambony saron'ny Vatamasina.

19 Hovoasana mitambatra amin'ny saron'ny Vatamasina ireo kerobima roa ireo, eo amin'ny sakany avy.

20 Hifanatrika ny kerobima roa sady manatrika ny saron'ny Vatamasina izay alofany amin'ny elany mivelatra.

21 Hapetraka eo ambony Vatamasina ny sarony rehefa tafiditra ao anatiny ao ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana izay homeko anao.

22 Eo ambonin'ny Vatamasina, eo anelanelan'ny kerobima roa, no hisehoako aminao; eo no hanomezako anao ny baiko rehetra momba ny Israelita.

23 Hisy koa latabatra hamboarina amin'ny hazo mimoza, ka hirefy iray metatra ny lavany, 50 santimetatra ny sakany ary 75 santimetatra ny haavony.

24 Horakofana takela-bolamena madio izany sady hasiana sisiny volamena manodidina.

25 Hanaovana fehivava mivelatra valo santimetatra manodidina azy sady hasiana sisiny volamena eo ambonin'io fehivava io.

26 Hisy haba volamena efatra koa no hotefena, dia hapetraka eo amin'ny zorony efatra, mifanila amin'ny tongony efatra.

27 Hatao eo akaikin'ny fehivavany ny haba ka hampidirana bao mba hitondrana ny latabatra.

28 Hazo mimoza no hanaovana ny bao roa, izay horakofana takela-bolamena; ary ireo no hilanjana ny latabatra.

29 Hamboarina koa ny fitaovana fametraka eo ambonin'io latabatra io:dia lovia fisaka lehibe, kaopy, tavoara, tsatokaty ho an'ny fanatitra divay, ka samy hatao amin'ny volamena madio avokoa izy rehetra.

30 Eo ambonin'io latabatra io no hametrahana ny mofo atolotra ho Ahy, ka hisy tsy tapaka eo anatrehako izany.

31 Hisy koa fitoeran-jiro volamena madio hamboarina; voasana no hanaovana azy, ka ny faladiany sy ny tahony, ny raviny sy ny bokony ary ny voniny dia hitambatra ho tena iray ihany.

32 Hasiana rantsana enina hivoaka avy amin'ny tahobeny, ka samy telo an-daniny avy.

33 Isaky ny rantsana tsirairay dia hisy felam-boninkazo telo miendrika felam-paiso miaraka amin'ny bokony sy ny voniny.

34 Eo amin'ilay tahobeny kosa dia hisy felam-boninkazo efatra miendrika felam-paiso miaraka amin'ny bokony sy ny voniny.

35 Ary eo ambanin'ny rantsana enina izay miainga avy amin'ny tahobeny dia hisy boko iray isaky ny rantsana tsiroaroa.

36 Mitambatra ho iray ihany amin'ny sisa rehetra ny boko sy ny rantsana, ka samy ho volamena madio avokoa izy rehetra.

37 Jiro fito no hamboarina ka hapetraka eo amin'io fitoeran-jiro io mba hanazava ny anoloany.

38 Ny tandra sy ny fitoeran-davenon-jiro dia hatao volamena madio.

39 Vongam-bolamena madio telopolo kilao no hampiasaina hanaovana ny fitoeran-jiro sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy.

40 Imasoy, ry Mosesy, ny hanatanterahana ny asa araka ny modely izay nasehoko anao teto an-tendrombohitra.

Toko faha-26

1 Ary momba ny fonena-masina, dia lamba temitra folo vita amin'ny kiran-drongony mafy mifangaro volon'ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky no hanaovana azy, ravahana kerobima vita peta-kofehy tsara.

2 Hitovy avokoa ny refin'ny lamba temitra rehetra, ka 14 metatra ny lavany, ary roa metatra ny sakany.

3 Hatambatra ho vitrana iray aloha ny lamba temitra dimy; avy eo dia hatao toy izany koa ny dimy hafa.

4 Hopetahana kofehy volon'ondry miloko volomparasy ny sisin-damba farany amin'ny vitrana voalohany, ary hatao toy izany koa ny sisin-damba voalohany amin'ny vitrana faharoa.

5 Hisy kofehy dimampolo amin'ny sisin'ny vitrana tsirairay, ka hifanandrify amin'ny laharan'ny kofehy eo amin'ny vitrana iray mifanila aminy.

6 Farango volamena dimampolo no hamboarina mba hanakambanana ny vitrana roa, dia hatambatra ho iray ihany ny fonena-masina manontolo.

7 Avy eo dia tranolay faharoa no hamboarina amin'ny lamba temitra 11 vita amin'ny volon'osy, mba handrakofana ny fonena-masina.

8 Hitovy refy avokoa ny lamba temitra rehetra, ka 15 metatra ny lavany, ary roa metatra ny sakany.

9 Hatambatra ho vitrana iray aloha ny lamba temitra dimy; avy eo dia hatao toy izany koa ny enina hafa, ka ny lamba temitra fahenina dia haforitra eo anoloan'ny tranolay masina.

10 Hopetahana tadivavarana dimampolo ny sisin-damba farany amin'ny vitrana voalohany, ary hatao toy izany koa ny sisin-damba voalohany amin'ny vitrana faharoa.

11 Farango halimo dimampolo no hamboarina, dia hatsofoka amin'ny tadivavarana mba hampikambana ny lay ho iray ihany.

12 Manaraka ny sakan'ny lamba temitra dia antsasaky ny ambainy fanampiny no hikiraviravy ao ivohon'ny Tranolay masina.

13 Manaraka ny halavan'ny lamba dia hozaraina roa ny iray metatra fanampiny, ka hikiraviravy eo an-daniny roa amin'ny fonena-masina, mba haharakotra azy.

14 Mba hiarovana ny lay faharoa, dia hoditr'ondrilahy miloko mena sy sarona vita amin'ny hoditra mafy no harakotra eo amboniny.

15 Hisy hazo fisaka hamboarina amin'ny hazo mimoza ka hatsangana hitondra ny fonena-masina.

16 Hitovy refy ny hazo fisaka rehetra, ka dimy metatra ny lavan'ny tsirairay ary 75 santimetatra ny sakany.

17 Hasiana lahiny roa mirazotra isaky ny hazo fisaka.

18 Hazo fisaka roapolo no hatao ho an'ny lafiny atsimo amin'ny fonena-masina,

19 ary hasiana faladia volafotsy efapolo hitondra azy; ka isaky ny hazo fisaka dia faladiany roa avy, izay mifanandrify amin'ny lahiny roa.

20 Ho an'ny lafiny avaratra dia hazo fisaka roapolo koa no hatao,

21 miaraka amin'ny faladia volafotsy efapolo; ka faladiany roa avy isaky ny hazo fisaka.

22 Ho an'ny lafiny andrefana izay eo ivohon'ny fonena-masina dia hazo fisaka enina no hatao,

23 miampy hazo fisaka roa manokana hatao ery amin'ny zorony roa ery afara.

24 Ireo hazo fisaka roa ireo dia hisy elanelany ara-dalana eo amin'ny fotony, fa hifanatona tsikelikely, ka hikambana eo amin'ny haba iray any an-dohany. Hatao mitovy izy roa ho hazo fisaka eo amin'ny zorony.

25 Koa ny lafiny ivohon'ny fonena-masina izany dia hisy hazo fisaka valo sy faladiany volafotsy 16, ka faladia roa avy isaky ny hazo fisaka. 26 Hanamboarana bara mimoza ireo hazo fisaka ireo, ka barany dimy hihazona ny hazo fisaka amin'ny lafiny iray amin'ny fonena-masina;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9267