ZakariĆ 

Toko faha-5

5 Niseho indray ilay anjely niresaka tamiko ka nanao hoe: Atopazy ny masonao, ka jereo iry mipoitra iry?

6 Ary nanontaniako izy hoe: Inona io? Dia hoy ny navaliny: Vata famarana mirakitra ny fahadisoana eto amin'ny tany manontolo io.

7 Tamin'izay dia niainga ho azy ny vongam-piraka saron'ilay vata, ary indro hitako nisy vehivavy iray mipetraka ao anatiny.

8 Dia hoy ilay anjely tamiko: Io vehivavy io no Faharatsiam-panahy. Koa natosiny hiverina tao anaty vata izy ary nakatony ny sarona vongam-piraka.

9 Raha nanopy maso aho, dia indreo hitako nisy vehivavy roa nanidina; ny rivotra no nanampy tosika ny elany, fa nanana elatra toy ny an'ny vano izy. Noraisin'izy roa vavy ilay vata ka nentiny nisidina teny amin'ny habakabaka.

10 Dia nanontaniako ilay anjely niresaka tamiko hoe: Hoentin'izy ireo aiza moa ity vata?

11 Ka hoy izy tamiko: Any Mezopotamia, fa any no hanaovana tempoly ho azy ka hametrahana azy eo ambonin'ny vodivato hitoerany.

Toko faha-6

1 Mbola nanopy maso indray aho, ka indreo hitako nisy kalesy efatra nipoitra avy teo anelanelan'ny tendrombohitra varahina roa.

2 Soavaly mena no tamin'ny kalesy voalohany; soavaly mainty no tamin'ny faharoa;

3 soavaly fotsy no tamin'ny fahatelo; ary soavaly sadamena no tamin'ny kalesy fahefatra.

4 Dia nanontaniako ilay anjely niresaka tamiko hoe: Inona moa no dikan'ireo kalesy ireo, tompoko?

5 Dia hoy izy namaly ahy: Ireo kalesy efatra ireo dia hiroso ho any amin'ny vazan-tany efatra rehefa avy niseho teo anatrehan'ilay Tompon'ny tany tontolo.

6 Niroso nankamin'ny faritany avaratra ny kalesy tarihin'ireo soavaly mainty; niroso nankamin'ny faritany andrefana ireo soavaly fotsy ary niroso nankamin'ny faritany atsimo ireo soavaly sada.

7 Ireo soavaly manja koa niroso amin'ny lalany; fa samy maimay izy rehetra ireo handeha hitety ny tany. Dia hoy ny TOMPO taminy: Mandehana mitety ny tany ianareo. Ka dia lasa nitety ny tany ireto kalesy ireto.

8 Fa niantso ahy ny Tompo ka nanao tamiko hoe: Jereo fa ireo niroso nankamin'ny faritany avaratra dia hampidina ny Fanahiko amin'io faritany io.

9 Ary nisy baikon'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

10 Raiso ny fanomezana entin'i Helday sy i Tobia ary Jedahia, ka mankanesa izao anio izao any an-tranon'i Josia zanakalahin'i Tsefania, ilay novantanin'izy telo lahy raha vao tonga avy tany Babilona izy.

11 Ary hakanao volafotsy sy volamena izany, dia hanaovanao satroboninahitra ka hapetrakao eo an-dohan'i Josoa mpisorombe zanakalahin'i Jotsadaky;

12 avy eo izy dia hitenenanao hoe: Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao: Indro misy lehilahy atao hoe Itsimoka; fa hitsimoham-piainana izay lalovany, sady izy no hanorina indray ny tempoliko;

13 eny, izy no hanorina indray ny tempoliko. Ary hisalotra ny fanamiana maha mpanjaka izy, ka eo amin'ny sezafiandrianany no hipetrahany hanapaka ny vahoaka. Eo ankavanan'io lehilahy io kosa dia hisy mpisorona anankiray, izay eo amin'ny sezafiandrianany manokana; ka fisainana mifanaraka tsara no hisy amin'izy roalahy ireo.

14 Ary hijanona eo amin'ny tempolin'ny TOMPO ilay satroboninahitra ho fampahatsiarovana an'i Helday sy i Tobia ary i Jedahia, ary koa ho fampahatsiarovana ny fahalalaham-pon'ilay zanakalahin'i Tsefania.

15 Hisy koa olona avy lavitra ho tonga hanampy amin'ny fanamboarana ny tempolin'ny TOMPO. Amin'izay dia hiaiky ianareo fa ny TOMPOn'izao rehetra izao no naniraka ahy ho aty aminareo. Ho tonga izany, raha mankato ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo.

Toko faha-7

1 Ary tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Dariosa, fony andro fahefatry ny volana fahasivy na ny volana Kisleo, no nisy hafatry ny TOMPO tamiko.

2 Ny mponin'i Betela dia efa naniraka an'i Saretsera sy i Regema Meleka mbamin'ny olony hifona amin'ny TOMPO.

3 Ireo no voatendry hanontany ny mpisorona niasa tao amin'ny tranon'ny TOMPOn'izao rehetra izao ary hanontany ny mpaminany hoe: Mbola hitomany sy hifady hanina amin'ny volana fahadimy toy ny efa fanaonay hatramin'ny ela ihany va izahay?

4 Koa nisy baikon'ny TOMPOn'izao rehetra izao

5 nampitondra ahy ny valin-teniny ho an'ny mpisorona sy ho an'ny mponina rehetra teo amin'ny tany nanao hoe: Hatramin'izay fitopolo taona izay, raha nifady hanina sy nitomany tamin'ny volana fahadimy sy fahafito ianareo, moa ho Ahy va no nanaovanareo izany?

6 Ary raha nihinana sy nisotro ianareo, moa tsy ho an'ny tenanareo va no nanaovanareo izany?

7 Fahiny efa niteny toy izany tamin'ny alalan'ireo mpaminany ny TOMPO, fony mbola nandry fahalemana ny mponin'i Jerosalema sy ny tanana manodidina, ary mbola nonenana koa ny faritany atsimo sy ny lemak'i Sefela.

8 Ary nisy baikon'ny TOMPOn'izao rehetra izao mba hampahatsiahivako izay efa nambarany hoe: Manaova fitsarana marina ianareo, samia mifankatia sy mifamindrafo.

10 Ary aza mampahory ny mpitondratena na ny kamboty, na koa ny vahiny na ny mahantra. Aza mba mihevitra hanisy ratsy ny namany.

11 Kanefa tsy nety nihaino izany ny olona; fa nanainga soroka ho fandavana izy sady nanentsin-tadiny mba tsy handre.

12 Eny, nanao ny fony ho mafy toy ny diamondra izy ka tsy nety nihaino ny fampianaran'ilay TOMPOn'izao rehetra izao, dia ny teny izay nampilazan'ny Fanahiny tamin'alalan'ny mpaminany fahiny. Noho izany tezitra mafy ny Tompon'izao rehetra izao,

13 ka nanao hoe: Satria tsy nety nihaino izy rehefa mba nanao antso avo taminy Aho, dia tsy mba nihaino azy kosa Aho rehefa mba niantso vonjy tamiko izy.

14 Fa naeliko ho any amin'ny firenena isan-tokony izay tsy fantany akory izy. Tany lao no sisa navelany taoriany, ka tsy nivezivezen'olona intsony. Ary ilay taniny nahafinaritra iny dia nataony tonga taniefitra.

Toko faha-8

1 Ary nisy tenin'ny TOMPOn'izao rehetra izao tamiko nanao hoe:

2 Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao: Miredaredam-pitiavana an'i Tsiona Aho; eny, miredaredam-pitiavana fatratra azy Aho.

3 Koa Izaho TOMPO mihitsy no milaza fa efa tafaverina indray eto Tsiona Aho ka monina eo afovoan'i Jerosalema. Ny hiantsoana an'i Jerosalema dia Tanana mahatoky. ary ny hiantsoana an'i Tsiona tendrombohitro dia Tendrombohitra masina.

4 Eny, hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao, mbola hisy lehilahy sy vehivavy antitra hipetrapetraka eny an-kianjan'i Jerosalema; ka isan'olona ireo, noho ny fahanterany, dia samy hitondra tehina an-tanana.

5 Ary ny kianjan'io tanana io koa dia ho feno zazalahy sy zazavavy milalao.

6 Dia hoy ihany Izaho TOMPOn'izao rehetra izao: Raha sarotra atao ho amin'ireo andro ireo izany ho an'ny vahoaka israelita sisa velona, dia tsy ho sarotra atao kosa izany amiko. Izaho TOMPOn'izao rehetra izao no manao izany teny hentitra izany.

7 Eny, Izaho TOMPOn'izao rehetra izao dia mampanantena fa ny vahoakako voaeliko dia hovonjeko avy any atsinanana sy avy any andrefana.

8 Hitondra azy avy any Aho, ka hamponina azy ao Jerosalema; dia ho vahoakako izy, ary Izaho ho Andriamaniny amim-pahitsiana sy amim-pahamarinana.

9 Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao: Mahereza, fa efa renareo ankehitriny ny fampanantenana izay nambaran'ny mpaminany tamin'ny andro nametrahana ny fototry ny tranoko mba hanorenana indray ny tempoliko.

10 Talohan'izany andro izany dia tsy nisy valin-kasasarana na ho an'ny olona na ho an'ny biby. Ary tsy nisy olona afa-nivezivezy ka tsy notandindomim-pahavalo; fa navelako hifamely ny olon-drehetra.

11 Ankehitriny kosa dia tsy toy ny taloha intsony no ho fitondrako ny sisa amin'ny vahoakako. Izaho TOMPOn'izao rehetra izao no manao teny hentitra

12 fa hamafy fiadanana ety amin'ny tany Aho ka hamoa be ny voaloboka ary hahavokatra ny saha; ny lanitra hampilatsaka ny orana sahaza, ary dia homeko ireo soa rehetra ireo izay sisa velona amin'ny vahoakako.

13 Ry fanjakan'i Joda sy i Israely, toy ny nahatongavanareo ho oha-panozonana tany amin'ny hafa firenena, dia toy izany koa ankehitriny no anafahako anareo ka hahatonga anareo ho oha-pitahiana; koa aza matahotra intsony, fa mahereza.

14 Izao manko no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao: Tamin'ny nampahatezeran'ny razanareo Ahy, dia nihevitra hahatonga loza aminareo Izaho TOMPOn'izao rehetra izao ka tsy nisalasala nanatanteraka izany.

15 Fa ankehitriny kosa dia mihevitra ny hanisy soa hanisy soa anareo Aho, mponin'i Jerosalema sy i Joda; koa aza matahotra intsony ianareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9625