ZakariĆ 

Toko voalohany

15 kanefa kosa mirehi-pahatezerana mafy amin'ireo firenen-kafa matoky tena loatra; satria fony Aho mbola tezitra kely tamin'i Israely, no nampitombo fahoriana azy kosa ireo.

16 Koa Izaho TOMPOn'izao rehetra izao dia milaza hoe: Haneho indrafo no iverenako eto Jerosalema. Ho voaorina eto indray ny tranoko; ary ho voavoatra indray ny tanana.' Izaho TOMPOn'izao rehetra izao dia miteny hentitra ny amin'izany.

17 Avy eo ilay anjely dia nandidy ahy hanambara koa hoe: Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao: Mbola hihoa-pampana indray ny fanambinana ireo tananako; sady Izaho TOMPO mihitsy no mbola hampionona an'i Tsiona indray ary mbola hifidy an'i Jerosalema indray.

Toko faha-2

1 Nanopy maso aho, ka indreo hitako nisy tandroka efatra.

2 Ary nanontaniako ilay anjely niresaka tamiko hoe: Inona moa no dikan'ireo tandroka ireo? Dia hoy ny navaliny ahy: Ireo no firenena matanjaka izay nampihahaka ny mponin'i Joda sy i Israely ary i Jerosalema.

3 Dia nampisehoan'ny TOMPO mpanefy efatra aho

4 ka nanontany indray hoe: Tonga mba hanao inona moa ireto? Ary dia namaly izy hoe: Ireto kosa dia tonga hampihorohoro sy hampiongana ny firenena matanjaka izay nitsangana hanohitra ny firenen'i Joda sady nampihahaka ny vahoakany mba tsy hisy na iray aza hanohitra azy.

5 Nanopy maso indray aho, ka indro hitako nisy lehilahy nihazona tady fandrefesana.

6 Ary nanontaniako izy hoe: Ho aiza moa ianao? Dia hoy izy namaly ahy: Ho any Jerosalema aho handrefy azy hahitana ny sakany sy ny lavany.

7 Dia nandroso ilay anjely niresaka tamiko, ary nisy anjely iray koa avy hitsena azy

8 sady nandidy azy hoe: Mihazakazaha, dia ilazao io zatovolahy izay mihazona tady fandrefesana io hoe: Tsy ho tananamimanda i Jerosalema fa ho marobe ny olona sy ny biby honina ao aminy.

9 Ary hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: Izaho no ho manda afo manodidina hiaro ny tanana, ary ny voninahitro no ho eo afovoany.

10 Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: He! Ianareo izay naeliko any amin'ny vazan-tany efatra, mandosira ankehitriny, ialao ny tany avaratra. Hoy koa ny teny hentitry ny TOMPO hoe:

11 He! Ry vahoakan'i Tsiona voasesitany ao Babilona, mitsoaha tao ianareo.

12 Fa ny TOMPOn'izao rehetra izao, Ilay naniraka ahy tamim-pahefana, dia miteny amin'ireo firenena izay namabo anareo hoe: Na zovy na zovy mikasika anareo, dia mikasika ny anakandriamasoko.

13 Eny, haninjirako tanana ireo firenena ireo mba ho lasa babon'ireo nandevoziny. Amin'izay dia hiaiky ianareo fa ny TOMPOn'izao rehetra izao no naniraka ahy.

14 Dia hoy koa ny teny hentitry ny TOMPO hoe: Mihobia sy mifalia, ry vahoakan'i Tsiona, fa indro avy honina ao afovoanareo Aho.

15 Amin'izany andro izany, firenena maro no hiraiki-po amiko ka ho tonga vahoakako; ary honina eo afovoanareo Aho. Amin'izay dia hiaiky ianareo fa ny TOMPOn'izao rehetra izao no naniraka ahy ho aty aminareo.

16 Dia ho fananan'ny TOMPO indray i Joda ao amin'ny tany masina; ary mbola hifidy an'i Jerosalema indray Izy.

17 Aoka ny voaary rehetra hangina eo anatrehan'ny TOMPO satria avy ao amin'ny fonena-masiny Izy no hipoitra tampoka.

Toko faha-3

1 Ary nasehon'ny TOMPO tamiko i Josoa mpisorombe izay nitsangana teo anatrehan'ny anjelin'ny TOMPO. Ary nijoro teo ankavanan'i Josoa i Satana mba hiampanga azy.

2 Dia hoy ilay anjelin'ny TOMPO tamin'i Satana: Hanery anao hangina anie ny TOMPO; eny, hanery anao hangina anie ny TOMPO Izay efa nifidy an'i Jerosalema! Fa tsy toy ny forohana nalaina tamin'ny afo va i Josoa?

3 Ary nitafy akanjo maloto i Josoa no nitsangana teo anoloan'ilay anjely.

4 Dia niteny io anjely io ka nandidy ireo olona teo akaikin'i Josoa hoe: Esory aminy ny fitafiana maloto. Dia hoy kosa ilay anjely tamin'i Josoa: Indro efa nesoriko ny fahotanao ka hampiakanjoako fitafiana mihaja ianao.

5 Ary nandidy ireo olona indray ilay anjely hanisy hamama madio eo an-dohan'i Josoa. Dia nasiany hamama madio ny lohany sady nampiakanjoiny fitafiana madio teo anatrehan'ilay anjelin'ny TOMPO izy.

6 Ary nilaza fanambarana tamin'i Josoa ilay anjelin'ny TOMPO nanao hoe:

7 Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao: Raha izoranao ny sori-dalako, ka tandremanao ny didiko, dia ianao no hiandraikitra ny tranoko sy hitandrina ny kianjan'ny tempoly ary hisy hataoko mpanoro hevitra anao amin'ireto olona mijoro etoana ireto.

8 Koa mihainoa, ry Josoa mpisorombe sy ianareo mpisorona namany rehetra izay mipetraka eo akaikiny, satria fambara ny famonjena ho avy ianareo. Indro fa hasehoko ilay mpanompoko, dia ilay antsoina hoe Itsimoka.

9 Eo anatrehan'i Josoa no ametrahako vato anankiray, dia vato tokana misy maso fito mamiratra. Indro hasiako soratra eo aminy, ary indray andro monja no hanesorako ny helok'ity tany ity, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPOn'izao rehetra izao.

10 Amin'izany andro izany ianareo dia samy ho finaritra hifanasa ho eo ambany voaloboka aman'aviavinareo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPOn'izao rehetra izao.

Toko faha-4

1 Ary niverina ilay anjely niresaka tamiko, ka namoha ahy toy ny famoha olona matory

2 sady nanontany ahy hoe: Inona no hitanao? Dia hoy aho namaly: Fitoeran-jiro volamena misy fitahirizan-diloilo eo an-tampony no hitako. Fanaovan-jiro fito no eo amin'izany fitoeran-jiro izany; ary lahin-jiro fito kosa no eo amin'ny fanaovan-jiro tsirairay avy.

3 Misy hazo oliva roa eo anilan'ilay fitahirizan-diloilo, ka ny anankiray eo an-kavanany, ary ny anankiray eo an-kaviany.

4 Tamin'izay ilay anjely niresaka tamiko dia nanontaniako hoe: Inona moa no dikan'ireo, Tompoko?

5 Ka hoy izy tamiko: Tsy fantatrao va ny dikan'ireo? Fa novaliako hoe: Tsia, Tompoko.

6a Dia nohazavainy tamiko ary

10b fa ireo jiro fito ireo no mason'ny TOMPO izay mahita ny zavatra rehetra ambonin'ny tany.

11 Dia nanontaniako indray izy hoe: Inona moa ireo hazo oliva roa eo an-kavanana sy eo an-kavian'ny fitoeran-jiro ireo?

12 Ary mbola nanontaniako fanindroany izy hoe: Inona koa ireo sampan'oliva roa izay mandraraka diloilo volamena ireo amin'ny alalan'ny fantsona volamena anankiroa?

13 Ka hoy izy tamiko: Tsy fantatrao koa va ny dikan'ireo? Fa novaliako hoe: Tsia, Tompoko.

14 Dia nohazavainy tamiko ary fa ireo zavatra ireo dia manambara ny olona roa voahosotra tamin'ny diloilo mba hanompo ilay Tompon'ny tany tontolo.

6b Ary niteny tamiko ilay anjely mba hampita izao hafatry ny TOMPO ny amin'i Zerobabela izao: 'Tsy amin'ny herin-tafika na amin'ny fahatanjahanao no hahatanterahanao andraikitra fa kosa amin'ny Fanhiko, hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao.'

7 Sady niteny koa ny Tompo hoe: 'Sakana va io tendrombohitra lehibe io? Holemahin'i Zerobabela izy. Hoesoriny avy ao ny vato izay hatao tendron'ny tempoly ka hantsoantsoin'ny olona hoe: 'Mahafinaritra, mahafinaritra!"

8 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko indray nanao hoe:

9 Ny tanan'i Zerobabela no nametraka ny fanorenan'ity tempoly ity, ary ny tanany koa no hamita azy.' Amin'izay dia hiaiky ianareo fa ny TOMPOn'izao rehetra izao no naniraka ahy ho aty aminareo.

10a Misy olona manamavo ny andro anaovana asa madinika fanombohana. Kanefa aoka hifaly kosa ireo, raha mahita an'i Zerobabela mampiasa pilao eny an-tanany.

Toko faha-5

1 Nanopy maso indray aho, ka indro hitako nisy horonam-boky manidina.

2 Ary nanontanian'ilay anjely aho hoe: Inona no hitanao? Dia hoy aho namaly: Mahita horonam-boky manidina aho: folo metatra ny lavany ary dimy metatra ny sakany.

3 Ka hoy izy tamiko: Izany no ozona miainga hipaka amin'ny tany manontolo. Fa araka ny voasoratra eo amin'ny lafiny iray, ny mpangalatra rehetra dia horoahina hiala amin'ity tany ity; ary amin'ny lafiny hafa kosa, izay rehetra mianiana lainga dia hatao araka izany koa.

4 Ny TOMPOn'izao rehetra izao dia manao teny hentitra hoe: Izaho no nampiainga izany ozona izany; hiditra ao an-tranon'ny mpangalatra sy ny mpianiana lainga amin'ny anarako izany, ary hitoetra ao ka handevona ny trano mbamin'ny hazony sy ny vatony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9425