Hagay
Toko voalohany
3 Dia nisy indray tenin'ny Tompo tamin'ny alalan'i Hagay mpaminany. Hafatra ho an'ny vahoaka izany ka nanao hoe:4 Moa ve fotoana tokony hipetrahanareo amina trano voaravaka zava-tsarobidy ankehitriny, kanefa rava ity tempoly ity?
5 Koa izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao aminareo: Hevero tsara ny manjo anareo.
6 Namafy be ianareo nefa kely no jinjainareo; mihinana ianareo nefa tsy voky ary misotro nefa tsy afa-po; mitafy ianareo nefa tsy mafana; ary ny karaman'ny mpiasa dia mora lany toy ny amin'ny kitapo loaka.
7 Izany no ilazan'ny TOMPOn'izao rehetra izao aminareo hoe: Hevero tsara ny manjo anareo.
8 Miakara any an-tendrombohitra, dia maka hazo ary atsangano indray ny tranoko. Ho sitrako sady hahazoako voninahitra izany, hoy AHO aminareo.
9 Vokatra betsaka no nantenainareo, nefa hitanareo fa kely no azo. Ary izay notaominareo dia notsofiko hiparitaka. Koa manontany hentitra anareo Izaho TOMPOn'izao rehetra izao hoe: Ahoana izany? Valiny: Satria rava ny tranoko nefa ianareo samy sahirana manao ny tranonareo avy.
10 Izany no tsy nisian'ny orana latsaka na zavatra naniry.
11 Nantsoiko ny fahamainana hamely ny tany: dia ny tendrombohitra, ny tanimbary sy ny tanimboaloboka ary ny tanin'oliva sy ny tanimboly hafa; hahita faisana amin'izany koa ny olona mbamin'ny biby fiompy ary ny zavatra rehetra nisasaran'ny tananareo.
12 I Zerobabela zanakalahin'i Sealtiela ary koa i Josoa mpisorombe zanakalahin'i Jotsadaky mbamin'izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany dia nandray tsara ny tenin'ny TOMPO Andriamaniny, izay nampitain'i Hagay mpaminany araka ny efa nanirahan'ny TOMPO Andriamaniny azy; ary naneho fanajana ny TOMPO ireo olona ireo.
13 Dia araka ny hafatra nampitondrain'ny TOMPO ho an'ny vahoaka no nitenenan'i Hagay iraky ny TOMPO hoe: Izaho no miaraka aminareo. Fampanantenana hentitra avy amiko TOMPO izany.
14 Dia notairin'ny TOMPO ny risi-pon'i Zerobabela governoran'i Joda sy ny an'i Josoa mpisorombe ary ny an'izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany; ary dia rafitra ireo nanao ny tranon'ilay TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamaniny,
15 tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa, volana fahenina, andro faha-24.
Toko faha-2
1 Tamin'ny volana fahafito, andro faha-21 dia nisy tenin'ny TOMPO tamin'ny alalan'i Hagay mpaminany.2 Hafatra ho an'ny governoran'i Joda, dia i Zerobabela zanakalahin'i Sealtiela sy ho an'i Josoa mpisorombe zanakalahin'i Jotsadaky ary ho an'izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany no nasain'ny Tompo nambarany hoe:
3 Iza aminareo sisa ireo no mahatsiaro ny tempoly tamin'ny famirapirany taloha? Fa manao ahoana kosa ny fahitanareo azy ankehitriny? Moa tsy zava-poana sisa hitanareo?
4 Koa izao no teny hentitra avy amiko TOMPO: Mahereza, ry Zerobabela! Mahereza, ry Josoa mpisorombe zanakalahin'i Jotsadaky. Mahereza, ianareo rehetra sarambabem-bahoakan'ity tany ity; teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Miasa fa Izaho no miaraka aminareo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPOn'izao rehetra izao,
5 araka ny fanekempihavanana nataoko taminareo fony ianareo niala tany Ejipta. Ary hitoetra eo anivonareo ny Fanahiko; koa aza matahotra ianareo.
6 Eny, Izaho TOMPOn'izao rehetra izao dia manambara fa raha afaka kelikely dia hohozongozoniko ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny tanety.
7 Hakorontako ambony ambany ny firenen-drehetra. Hoentina eto, ny hareny rehetra ary dia hofenoiko famirapiratana indray ity trano ity, hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao.
8 Ahy avokoa manko ny volamena sy volafotsy eran'izao tontolo izao; izany no teny hentitra avy amiko TOMPOn'izao rehetra izao.
9 Ny famirapiratan'ity trano ity dia ho lehibe mihoatra noho ny tany aloha; ary eto amin'ity toerana ity, hoy AHO, no hanomezako anareo fiadanana. Izany no fampanantenana avy amiko TOMPOn'izao rehetra izao.
10 Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa, volana fahasivy, andro faha-24, dia nisy tenin'ny TOMPO indray tamin'ny mpaminany Hagay.
11 Fanontaniana hangatahana valin-teny mahatapaka amin'ny mpisorona izany, ka hoy i Hagay tamin'ireo: Izao no lazain'ny Tompon'izao rehetra izao:
12 Aoka hatao hoe misy olona mitondra hena voahasina tamin'ny sorona ao anaty sisin-dambany; raha voakasiky ny lambany ny mofo na ny zavatra nahandroina, na koa ny divay na ny menaka na izay rehetra mety ho sakafo fihinana, moa ho tonga masina koa va ireo? Dia hoy ny mpisorona tamin'i Hagay: Tsia, tsy ho tonga masina ireo.
13 Mbola nanontany azy ireo koa i Hagay hoe: Aoka indray hatao hoe misy olona maloto satria nikasi-paty izy; raha mahakasika sakafo izy avy eo, moa ho tonga maloto koa ve izany? Dia novalian'ny mpisorona hoe: Eny, ho tonga maloto izany.
14 Dia hoy kosa i Hagay hoe: Teny hentitra avy amin'ny TOMPO ary fa ho tahaka izany ny vahoakan'ity firenena ity sy ny asa rehetra vitany; ka izay atorony eo amin'ny alitara dia maloto avokoa.
15 Hoy koa ny TOMPO hoe: Hevero tsara izay zavatra hiseho aminareo manomboka anio. Talohan'ny nanangonanareo vato hananganana indray ny tempoliko,
16 inona no nitranga taminareo? Raha misy olona nandeha naka vary tao amin'ny sompitra nampoiziny hahazoana roa arivo kilao, dia tsy nahita afa-tsy arivo kilao ihany izy; ary raha nisy olona nandeha nanovo divay tao amin'ny barika nampoiziny hahazoana dimampolo litatra dia tsy nahita afa-tsy roapolo litatra ihany izy.
17 Nolevoniko ny vokatry ny asa rehetra vitanareo: rivo-mahery sy aretina ary havandra no nalefako hamely izay rehetra nambolenareo, nefa tsy nety niverina tamiko ianareo; Izaho Tompo no manao izany teny hentitra izany.
18 Hevero tsara izay zavatra hiseho aminareo manomboka anio. Anio no andro faha-24 amin'ny volana fahasivy, dia ny andro nametrahana ny fototry ny tempoliko.
19 Moa tsy efa ritra ny vary tao an-tsompitra? Na dia ny voaloboka sy ny aviavy ary ny ampongabendanitra sy ny oliva aza tsy nahavokatra. Kanefa manomboka izao anio izao kosa no hitahiako anareo.
20 Tamin'io andro io ihany, andro faha-24 amin'y volana fahasivy, dia mbola nisy tenin'ny TOMPO fanindroany tamin'i Hagay.
21 Hafatra ho an'i Zerobabela governoran'i Joda izany, ka hoy i Hagay taminy: Izao no teny hentitra ataon'ny TOMPOn'izao rehetra izao: Hohozongozoniko ny lanitra sy ny tany.
22 Haongako ireo mpanjaka ary hofoanako ny herin'ny fanjakam-pirenena; hahohoko ny kalesiny sy ny mpamily azy; samy ho lavon'ny sabatra ka ho faty ireo soavaly ary hifamono koa ny mpitaingina azy.
23 Kanefa amin'izany andro izany, dia hotolorako andraikitra ianao, ry Zerobabela mpanompoko sady zanakalahin'i Sealtiela. Hataoko sarobidy toy ny peratra tombokase ianao, fa efa voafidiko hisolotena Ahy. Izany no fampanantenana hentitra avy amiko TOMPOn'izao rehetra izao.
ZakariĆ
Toko voalohany
1 Tamin'ny volana fahavalon'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa dia nisy tenin'ny TOMPO tamin'i Zakaria mpaminany zanakalahin'i Berekia sady zafikelin'i Hidao.2 Ary nasain'ny TOMPO nilaza izany tamin'ny Israelita i Zakaria nanao hoe: Izaho TOMPO dia tezitra mafy tamin'ny razanareo.
3 Kanefa hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao hoe: Miverena amiko ianareo, dia mba hiverina aminareo Aho. Izaho TOMPOn'izao rehetra izao no manao izany teny hentitra izany.
4 Aza manahaka ny razanareo. Fa efa nantsoin'ny mpaminany fahiny tamin'ny anarako ireo mba hiala amin'ny toetra sy ny asa ratsiny, kanefa tsy nety nihaino sy nankato Ahy. Izaho TOMPOn'izao rehetra izao no manao izany teny hentitra izany.
5 Fantatrareo fa tsy eo intsony ny razanareo ary tsy velona eo mandrakizay ny mpaminany.
6 Nefa ny teny sy ny didy izay nomeko ny mpaminany mpanompoko dia mba nandresy lahatra ny razanareo ihany; ka niala tamin'ny ratsy izy ary niaiky fa Izaho TOMPOn'izao rehetra izao no efa nitondra azy araka izay notapahiko, dia araka izay sahaza ny toetrany sy ny asany.
7 Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa, fony andro faha-24 tamin'ny volana faha-11 na volana Sebata, dia nisy hafatry ny TOMPO tamin'i Zakaria mpaminany, zanakalahin'i Berekia sady zafikelin'i Hidao; ka toy izao no fitantaran'i Zakaria izany:
8 Alina no nahitako fa indro nisy lehilahy mitaingin-tsoavaly mena ka nijanona teo anivon'ny hazo mirta teny an-dohasaha lalina; ary teo aoriany nisy soavaly mena sy sadamena ary fotsy sy mainty.
9 Dia nanontaniako izy hoe: Tompoko, inona moa no dikan'ireo soavaly ireo? Dia hoy ny navalin'ilay anjely niresaka tamiko: Hohazavaiko anao ny amin'ireo.
10 Ary ilay lehilahy nijanona teo anivon'ny hazo mirta dia niteny hoe: Nirahin'ny TOMPO ireo mba hitety ny tany.
11 Dia namaly ilay anjelin'ny TOMPO ireo mpitaingin-tsoavaly ka nanao hoe: Efa notetezinay ny tany manontolo, ka hitanay fa milamina sy mandry feizay.
12 Dia hoy ilay anjely hoe: Ry TOMPOn'izao rehetra izao o, indro fitopolo taona izao no nirehetan'ny fahatezeranao tamin'i Jerosalema sy tamin'ny tanana hafa ao Joda. Mandra-pahoviana no mbola tsy hamindranao fo amin'izy ireo?
13 Ary teny mahafinaritra sy mampionona no nataon'ny TOMPO tamin'ilay anjely niresaka tamiko.
14 Ary ilay anjely izay niresaka tamiko dia nandidy ahy hanambara hoe: Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao: Miredaredam-pitiavana an'i Jerosalema sy ny tendrombohitra Tsiona Aho,