Habakòka
Toko voalohany
12 Hatrizay hatrizay tokoa dia Ianao no TOMPO, Ianao no Andriamanitro masina sady tsy mety maty! Ry TOMPO Vatolampy miaro ahy o, notendrenao sy nohatanjahinao ny Babilonianina fahavalonay mba ho famaizana sy fananarana anay.13 Nefa madio loatra ny masonao ka tsy mahajery ny ratsy; ary tsy tantinao koa ny mitazana fahoriana. Koa nahoana no jerenao fotsiny izay ataon'ny mpamitaka? Ary nahoana no mangina Ianao, Andriamanitro o, raha aripaky ny olon-dratsy ny marina noho izy?
14 Nahoana re ny olombelona no ataonao toy ny trondro any an-dranomasina dia toy ireo biby mifanaretsaka tsy misy mpitarika?
15 Toy ny trondro azom-pintana na voafandrika am-bovo na voasarika amin'ny harato tarihina no amaboan'ny Babilonianina ireo olombelona; ary ifaliany sy iravoravoany tokoa izany.
16 Koa izany haratony izany no anaovany sorona izay dorany hanetona ho mari-panajana azy, satria fitaovana ahazoany sakafo matsiro sy matavy.
17 Mbola hanatsoaka sabatra hatrany ve ry zareo, ka handringana tsisy indrafo ny firenena maro?
Toko faha-2
1 Hipetraka maharitra eo amin'ny fiambenako aho ary hiandry toy ny mpitily eo amin'ny manda mba hahitako izay holazain'Andriamanitra amiko sy hahafantarako izay havaliny ny fitarainako.2 Dia namaly ahy ny TOMPO ka nanao hoe: Soraty izay ambarako anao amin'ny fahitana, ka sokiro eo amin'ny fafana mba ho azo vakina tsara.
3 Fa tsy mbola tonga ny fotoana hahatanteraka io fahitana io; kanefa ho avy tsy ho ela ny farany ary tsy hamitaka velively. Andraso amim-pahatokiana na toa mitaredretra aza, fa ho avy tokoa ary tsy hahemotra izany.
4 Jereo ange: ny olona feno avonavona dia tsy milamina ara-panahy; fa ny marina amin'ny finoana no ho velona.
5 Eny, mamitaka ny harena: Tsy mahatombina mihitsy ny mpiavonavona, fa homan-dava tahaka ny toeran'ny maty izy ary tsy mety voky toy ny fahafatesana ka dia manangona ny firenen-drehetra ho an'ny tenany sy mamory ny olon-drehetra ho eo ambany fifehezany.
6 Ireo vahoaka babo rehetra ireo kosa dia hiara-manao oha-pitenenana hanesoesoana sy hanaratsiana azy. Eny, ireo vahoaka ireo no hilaza hoe: Lozanareo mpangoron-karena izay mandraoka ny tsy anareo sady mivesatra ny tsatoka! Mandra-pahoviana no hanaovanareo izany?
7 Hitsangana tampoka ireo tompon-trosa; hifoha hanery anareo izy, ka anjarany indray ny handroba anareo.
8 Eny, efa namabo firenena maro ianareo, ka dia mba hobaboin'ny firenena sisa kosa noho ny olona novonoinareo ho faty sy ny herisetra vitanareo tamin'ny tany, dia tamin'ny tanana sy ny mponina rehetra ao.
9 Lozanareo manangon-karena tsy an-drariny hanasoavana ny taranakareo. Mihevi-tena ho ambony toerana ianareo ka tsy ho tratry ny loza.
10 Henatra ho an'ny taranakareo no hany vokatry ny fanapahan-kevitrareo: tamin'ny nandringananareo firenena maro, dia naman'ny mamono tena ianareo.
11 Fa na dia ny vato amin'ny rindrina aza hiantsoantso hiampanga anareo, ary ny sakamandimby eo amin'ny trano no hanako hamaly azy.
12 Lozanareo manorina sy manitatra tanana amin'ny vono olona sy fanaovan-keloka.
13 Koa hiafara amin'ny afo ny asan'ireo vahoaka; ary zava-poana no isasaran'ireo firenena. Tsy ilay TOMPOn'izao rehetra izao ve no iavian'izany zavatra izany?
14 Eny, ny fiekena ny TOMPO be voninahitra dia hanenika ny mponin'ny tany tokoa tahaka ny anaronan'ny ranobe ny fanambanin'ny ranomasina.
15 Lozanareo mampisotro poizina ny namanareo ka mahatonga azy ho mamo sy mitanjaka mba hijerenareo ny fitanjahany.
16 Ho rakotra henatra ianareo fa tsy voninahitra: Misotroa koa ianareo ka mitanjaha! hoentin'ny TOMPO hampibobohany anareo ilay tsangambava feno ny famaizany ka hiova fahafaham-baraka ny voninahitrareo.
17 Fa hanody anareo ny fanimbana ala nataonareo tany Libano; naringanareo ny biby tao, ka biby koa no hampihorohoro anareo. Izany rehetra izany dia ho tonga noho ny olona novonoinareo ho faty sy ny herisetra vitanareo tamin'ny tany dia tamin'ny tanana sy ny mponina rehetra ao.
18 Atao inona moa ny sarin-tsampy? Sary sikotry ny mpahay taozavatra ihany ireny na metaly narendrika hampianatra lainga! Nahoana ny olona no matoky izay zavatra noforoniny ihany, tamin'ny nanaovany sampy moana?
19 Lozanareo manao amin'ny tapa-kazo hoe: Mifohaza! sy amin'ny vato moana hoe: Mitsangana!, nefa tsy afa-kilaza na inona na inona izy. Eny, fa na dia voapetaka takela-bolamena sy volafotsy aza ireo, dia tsy manana aina akory ao anatiny.
20 Ny TOMPO kosa ao an-tempoliny masina; aoka hangina eo anatrehany ny mponin'ny tany tontolo!
Toko faha-3
1 Izao no vavaka miendrika fitarainana nataon'i Habakoka mpaminany.2 TOMPO o, efa reko izay nambaranao ka dia raiki-tahotra aho. TOMPO o, enga anie ny asanao mba ho velombelona hatrany amin'izao andronay izao; eny, amin'izao andronay izao no ataovy fantatry ny olona izany. Fa na dia tezitra aza Ianao, asehoy anay ihany ny indrafonao.
3 Tonga avy any Temana Andriamanitra; Ilay Andriamanitra masina no tamy avy any an-tendrombohitra Parana. Manarona ny lanitra ny voninahiny ary maneran-tany ny fiderana Azy.
4 Famirapiratana toy ny fahazavana no teo ambanin'Andriamanitra; misy tana-masoandro avy eo amin'ny tanany, dia ny tanany izay iafenan'ny heriny.
5 Areti-mandringana no alefany mialoha Azy, ary tazomahery no mipoitra manaraka ny diany.
6 Mihorohoro ny tany, rehefa mijadona Izy. Vao jereny ny firenena, dia mangovitra. Torotoro ireo tendrombohitra mandrakizay, mietry ireo havoana fahagola, dia ireo havoana fandalovany taloha.
7 Hitako ny fahorian'ireo vahoakan'i Kosana sy ny horohoron'ireo mponin'i Midiana.
8 Moa ny ony va, TOMPO o, no irehetan'ny fahatezeranao sa ny ranomasina no isafoahanao, no dia ny rahona no toa kalesy tarihin-tsoavaly itaingenanao mba hahazoam-pandresena?
9 Nalanao sarona hohenjanina ny tsipikanao; ka dia ireo fianianana izay notononinao no toy ny zana-tsipika alefanao. Tonga mitresatresaka ny tany nikorianan'ny ranon-driaka.
10 Nahita Anao ny tendrombohitra ka tora-kovitra; mandrotsaka orambe ny rahona, mirohondrohona ny ranomasimbe ka manainga onja hatreny amin'ny lanitra.
11 Noho ny zana-tsipikanao mamiratra mitsoriaka, noho ny lefonao manjelanjelatra mahajemby, dia tsy nahahetsika ny masoandro sy ny volana.
12 Mitety ny tany amim-pahatezerana Ianao, ary manosihosy ny firenena amim-pahavinirana.
13 Niainga hamonjy ny olonao Ianao, eny, hamonjy ilay vahoaka voahosotrao. Aonganao ny filohan'ny andian'olon-dratsy; hatraty am-potony ka hatrany an-tampony no amotehanao izany andian'olon-dratsy izany.
14 Ny zana-tsipikany ihany no anagorobahanao ny lohan'ireo mpitari-tafika fahavalo. Mibosesika toy ny tadio mahery izy, ka faly hampihahaka anay toy ny ampombo sady handevona mangingina izay resiny.
15 Ny nanokafanao lalana dia teo anivon'ny ranomasina; ny soavalim-pahavalo kosa tafahitsoka tao amin'ny fisamboaravoaran'ny onja mahery.
16 Reko avokoa izany ka dia mangotika aho. Mipararetry ny tahotra koa ny molotro. Mihaosa ny tenako ka mangozohozo famindra. Eny, am-pahanginana no tsy maintsy iandrasako ny androm-pahoriana hamelezan'Andriamanitra ity vahoaka izay mamoritra anay ity.
17 Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy ary tsy manome voa ny voaloboka, na dia tsy mahavanona aza ny oliva ary tsy mahavokatra hanina ny saha, na dia voapaoka aza ny ondry ao am-pahitra ary tsy misy omby intsony ao am-bala,
18 dia mbola ho faly sy ravo ihany aho satria ny TOMPO Andriamanitra no Mpamonjy ahy.
19 Ny TOMPO Andriamanitra no heriko; mampalady ahy toy ny dieravavy Izy ka mampiriaria ahy eny an-kavoana. Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira: hohiraina miaraka amin'ny valiha.
Tsefanià
Toko voalohany
1 Izao no teny nomen'ny TOMPO an'i Tsefania tamin'ny andro nanjakan'i Josia zanakalahin'i Amona sady mpanjakan'i Joda. I Tsefania dia zanakalahin'i Kosy, zafikelin'i Gedalia, zafiafin'i Amaria ary zafindohalik'i Hezekia.2 Izao no teny hentitra ataon'ny TOMPO: Holevoniko avokoa ny aina rehetra eto ambonin'ny tany.
3 Hopotehiko ny olona sy ny biby ary ny vorona mbamin'ny trondro; haringako ny ratsy fanahy sy ny asa manafintohina ataony. Tsy avelako hisy olona na dia iray aza eto ambonin'ny tany. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
4 Hirotsaka hamely ny mponin'i Jerosalema sy ny vahoaka rehetra ao Joda Aho. Hofoanako tsy hisy amin'ity toerana ity ny zavatra sisa rehetra tamin'ny fanompoana an'i Bahala; eny, hofoanako hatramin'ny fahatsiarovana ireo mpisoron'io andriamani-tsiizy io koa aza.
5 Hopotehiko izay miakatra an-tafon-trano mba hivavaka amin'ireo zavatra eny amin'ny lanitra, dia izay mivavaka sy mianiana amiko TOMPO nefa manao izany koa amin'i Milkoma.