Nahoma
Toko voalohany
9 Inona moa no iokoanareo hanohitra ny TOMPO? Fa handringana ny mpamoritra Izy, ka tsy hanindroa intsony ny fahoriana.10 Tahaka ny tsilo misafotofoto ry zareo izay miboboka mandra-pahamamony ka ho levon'ny afo toy ny ahi-maina.
11 Avy tao aminao, ry Ninive, no nipoitra ilay misain-dratsy hanohitra ny TOMPO dia ilay lehilahy mpamorona hevi-poana.
12 Hoy ny TOMPO amin'ny vahoakan'i Joda: Na dia maro sy matanjaka aza ny fahavalonareo, dia hanjavona tsy ho hitanareo intsony. Efa nampahory anareo Aho ka tsy hampahory intsony.
13 Ankehitriny dia homontsaniko ny ziogam-pahavalo mangeja anareo; ary hotapahiko ny gadranareo.
14 Ny aminareo kosa, ry mponin'i Ninive, ny TOMPO dia efa nandidy hoe: Tsy hisy taranaka hitondra ny anaranareo intsony. Hopotehiko ao an-tranon'andriamanitrareo ny sampy hazo voasikotra na metaly voarendrika. Manomana fasana ho anareo Aho, satria maivan-danja eo anatrehako ianareo.
Toko faha-2
1 Ry vahoakan'i Joda, indro tamy eny an-tendrombohitra ny iraka mitondra vaovao mahafaly sy mitory fiadanana. Ankalazao ny fetinareo, efao ny voadinareo! Fa tsy handalo eo aminareo intsony ilay olom-poana, satria efa fongotra tanteraka izy.2 Miakatra hamely anao, ry Ninive, ireo mpandrava; koa ambeno ny manda, andraso ny lalana. Mivonona hiady ary angony ny tafikao rehetra.
3 Fa efa ampodin'ny TOMPO indray ny voninahitry ny taranak'i Jakoba efa ampodiny indray ny voninahitr'i Israely, ilay voaloboka rava sady simban'ny mpandroba.
4 Ampinga miloko mena sy akanjo jaky midorehitra no entin'ny tafika fahavalonao, ry Ninive. Manjelatra toy ny afo ny kalesiny ary mirangaranga ny lefony, rehefa mivonon-kiady izy.
5 Miriotra mamakivaky ny arabe ny kalesiny, ary mifanaretsaka eny an-kianja malalaka; toy ny harendrina no fijery azy fa mitsoriaka tahaka ny tselatra.
6 Miantso ireo jeneraliny ny mpanjakan'i Asiria, kanjo tafintohina am-pandehanana ireny. Milomay manatona ny manda ny mpanani-bohitra ka maka toerana eo ambanin'ny fialofana.
7 Vaky tampoka ny vavahady manolotra ny ony, ary mirodana ny lapa.
8 Azo ka nentin-ko babo ny sarin'ny andriamani-baviny, ary ny mpanompovaviny mitoloko toy ny voromahailala sady mandon-tratra noho ny alahelo.
9 Fa hatrizay i Ninive dia tahaka ny siniben-drano, kanjo vaky izy ankehitriny. Mijanona! Mijanona! hoy ny hiaka nefa tsy nisy niherika na dia iray aza.
10 Aoka hobaboina ny volafotsy sy ny volamena fa tsy mety ritra ny hareny, dia ireo zava-tsarobidy miavosa!
11 Tsy misy afa-tsy fandrobana sy fandravana ary fanimbana no hita! Kivy ny fon'ny rehetra; mangozohozo ny lohalika, mangovitra ny vatana ary mivaloarika ny tarehy.
12 Fa aiza ankehitriny ilay tanana izay toy ny zohy fieren'ny liona sy fihinanan'ny zanany? Rehefa lasa miremby ny liona, dia tsy nisy sahy nanakotaba ny zanany.
13 Novonoin'ny liona sy noviravirainy ny hazany ho an'ny liom-bavy sy ny zanany. Ny lavaka fonenany nofenoiny remby, dia ny haza rehetra voaviravirany.
14 Koa izao no teny hentitra ataon'ny TOMPOn'izao rehetra izao: Indro hamely anao Aho, ry Ninive, hodorako ho levona ny kalesinao ary hatolotro ho fatin-tsabatra ny tanoranao. Hofaranako hatreo ny fandrobanao teto an-tany, ka tsy ho re intsony ny fitakiana ataon'ny irakao.
Toko faha-3
1 Lozanao, ry tanana mpandatsaka ain'olona, mpanao hosoka sy fanambakana, ary tsy ialana fandrobana!2 Injany re ao ny firefotry ny karavasy, ny firodorodon'ny kodiarana sy ny fikatrokatroky ny soavaly ary ny fitraitraikan'ny kalesy.
3 He, miantsambotra ny mpitaingin-tsoavaly, mamirapiratra ny sabatra, manjelanjelatra ny lefona! Betsaka ny maratra! Fatin'olona no miampatrampatra tsy hita isa sy mamingana hatraiza hatraiza!
4 Fatra-pijangajanga i Ninive, ilay mpivarotena bikana sy kinga amin'ny fanangolena, sady nangeja vahoaka sy firenena tamin'ny fijangajangana sy ny ody fitia.
5 Koa izao no teny hentitra ataon'ny TOMPOn'izao rehetra izao: Indro hamely anao Aho. Haingaiko hatreny amin'ny tavanao ny moron-tongotr'akanjonao. Ka hasehoko miboridana amin'ny firenena sy fanjakana ianao ary hahita anao rakotra henatra ireo.
6 Dia hataoko mihosim-potaka ianao sy halako baraka ka higagan'ny olona.
7 Ary izay rehetra mahita anao dia handositra anao sady hiteny hoe: Rava i Ninive! Iza intsony no hangoraka azy? Aiza no hahitana mpampionona azy?
8 Moa va ianao, ry Ninive, tsara noho i Teba, ilay tanana niorina teo anivon'ny ony Neily sady voadidin'ny ranobe toy ny manda miaro azy?
9 I Etiopia sy i Ejipta no heriny tsy mety ritra ary ny vahoakan'i Pota sy ny Libianina no mpanampy azy.
10 Nefa na ny mponin'i Teba koa aza dia lasan-ko babo sy voasesitany. Ny zaza teo aminy dia novonoin-ko faty teny an-joron-dalana rehetra teny, ny loholony notsinjaraina an-tsapaka, ary ny lehibeny rehetra nasiana gadra vy.
11 Anjaranao koa izao, ry Ninive, ny ho leom-pangirifiriana ka ho difotr'izany; anjaranao koa izao ny hitady fiafenana hialana amin'ny fahavalo.
12 Ny manda mafy rehetra anananao dia ho toy ny aviavy efa masa-boa; raha hohozongozonina ny fototra, dia hihintsana eo am-bavan'izay te hihinana azy.
13 Indro tonga osa toy ny vehivavy ny lehilahy eo aminao; ary midanadana ho an'ny fahavalonao ny vavahadin'ny taninao, satria kilan'ny afo ny hidiny.
14 Ry mponin'i Ninive, manangona rano fa ho avy ny fahirano, hamafiso ny mandanareo; manditia tanimanga ho feta ka raiso ny lasi-biriky.
15 Fa ho faty kilan'ny afo sy ho ripaky ny sabatra ianareo; eny, ho levona tokoa ianareo, toy ny fandevon'ny valala ny ravina. Nivangongo tahaka ny voangory ny vahoakanao ary nifanaretsaka tahaka ny valala.
16 Nohamaroinao ny mpandrantonao ka mihoatra noho ny kintana eny amin'ny lanitra. Tahaka ny voangory ary elatra ireny ka lasa nanidina nanjavona.
17 Betsaka toy ny valala ny andriananao; ny mpiasam-panjakana ao aminao koa dia toy ny andiam-balala mivangongo eny amin'ny fefy nony mangatsiaka ny andro. Fa rehefa miposaka ny masoandro, dia lasa manidina ireny ka tsy fantatra izay nalehany.
18 Matory tsy hifoha intsony ireo filoham-paritaninao ry mpanjakan'i Asiria, ary miampatrampatra ireo jeneralinao. Mihahaka eny an-tendrombohitra ny tafikao, ka tsy misy mamory.
19 Tsy misy fanafany ny fangirifirianao ary tsy azo sitranina intsony ny ferinao. Fa izay rehetra mahalala ny nanjo anao dia hitehaka avokoa manoloana ny fahavoazanao, satria zovy moa no tsy nahita faisana noho ny habibiana mitohy nafitsokao?
Habakòka
Toko voalohany
1 Izao no hafatra nampitondrain'Andriamanitra an'i Habakoka mpaminany.2 Mandra-pahoviana, TOMPO o, no hiantsoako vonjy aminao nefa tsy henoinao aho? Mandra-pahoviana tokoa re no hitarainako ny amin'ny herisetra nefa tsy vonjenao izahay?
3 Nahoana no ampahitanao faharatsiana maro aho? Nahoana no mijery fotsiny ny fahoriana Ianao? Fa ny hany manodidina ahy dia famoretana sy herisetra; ary fitsarana sy fifandirana no mipoaka hatraiza hatraiza.
4 Noho izany, dia tsy manan-kery ny lalana; ary tsy mivoaka mandresy ny rariny. Tsy mahaleo ny ratsy fanahy ny olo-marina, ka izany no ivoahan'ny fitsarana miangatra.
5 Banjinonareo ny hafa firenena, hoy ny Tompo. Ary aoka ianareo ho talanjona tokoa fa amin'izao andronareo izao no hanaovana asa izay tsy hinoanareo na dia holazaina aminareo aza.
6 Fa indro antsoiko ny Babilonianina, dia ilay firenena masiaka sy tsy mivatravatra; mitety faritra midadasika ireo hakany ny tanin'ny sasany.
7 Mahatsiravina sy mahatahotra izy, fa ny tenany ihany no fenitra ipoiran'ny zony amam-pahefany.
8 Faingam-pandeha noho ny leoparda ny soavaliny, ary kinga noho ny amboadia miremby takariva. Avy lavitra ny mpitaingin-tsoavaliny no mitsamboamboatra ary mirimorimo toy ny voromahery miantoraka amin-kaza.
9 Handroba no ahatongavan'izy rehetra, ka ijereny fatratra ny eo anoloany ary anangonany babo maro tahaka ny fasika.
10 Tsy raharahany akory izay mpanjaka, ary dia ihomehezany ny mpanapaka. Tsy mampihontsina azy izay tananamimanda; tovon-tany no asavovony, dia afany ireny.
11 Mitombo hafanampo izy, ka mbola manao heloka hatrany. Izany heriny izany no andriamaniny.