Mikà

Toko voalohany

13 Ry mponina ao Lakisy, rohizo amin'ny soavaly haingam-pandeha ny kalesy handosiranareo; satria naka tahaka ny fahadisoan'i Israely ianareo, ka nahatonga ny mponina ao Tsiona hanota.

14 Noho izany, ry mponina ao Tsiona, afoizo i Moreseta-Gata; ny tanana Akziba dia toky manodoka ho an'ny mpanjakan'i Israely.

15 Mpanafika handresy anareo no halefan'ny TOMPO aminareo, ry mponina ao Maresa, ka hisitrika hatrany an-johin'i Hadolama ireo filoha tabihan'i Israely.

16 Hetezo ny volonareo ary kakaso ny lohanareo, ry mponina ao Tsiona; halehibiazo ho tahaka ny an'ny fanindry ny sola eo an-dohanareo, noho ny amin'ireo zanaka malalanareo: satria nentina ho babo lavitra anao izy.

Toko faha-2

1 Lozan'izay manoman-keloka, sy mikasa hanao ratsy eo am-pandriany amin'ny alina; ka nony maraina ny andro, dia manatanteraka izany izy satria misy hery eo am-pelatanany.

2 Mitsiriritra saha izy, dia mangalatra izany; na mitsiriritra trano, dia mahalasa azy; alainy ankeriny na ny loham-pianakaviana sy ny ankohonany na ny olona mbamin'ny fananany.

3 Koa izao no lazain'ny TOMPO: Indro Aho manomana loza hamelezana ny karazan'olona toa anareo; tsy ho azonareo ialana io loza io, ka tsy handeha miandranandrana ianareo satria andron'ny loza izany.

4 Amin'izany andro izany no hanaovana oha-teny mandatsa anareo, sy hiventesana hiran-toloko ka hilazana hoe: Levona tanteraka izahay! Lasan'olon-kafa ny anjaran'ny firenenay! Nahoana no nesorin'ny Tompo taminay ny taninay ka zarainy ho an'ny mpanohitra anay?

5 Noho izany, dia tsy hisy amin'ny taranakareo hahazo zara tany rehefa hatao indray ny fizarana eo amin'ny vahoakan'ny TOMPO.

6 Hoy ny rediredin'ny sasany amiko: Aza be rediredy aminay intsony ianao! Aoka izay ny rediredy toy ny hoe: tsy hay sakanana ny fahafaham-baraka.

7 Fa voaozona ve ny taranak'i Jakoba? Malaky tezitra ve ny TOMPO? Izany ve no fomba fanaony? Ny teniko dia feno halemem-panahy amin'ireo miaina araka ny hitsiny;

8 fa hoy kosa ny TOMPO aminareo: Nitsangan-ko fahavalon'ny vahoakako ianareo; ka ny lehilahy miverina avy any an'ady sy mandalo tsy manana ahiahy no endahanareo ny akanjobeny.

9 Ny vehivavy eo amin'ny vahoakako dia roahinareo hiala amin'ny trano tsy foiny; esorinareo hiala mandrakizay amin-janany ny hasambarana nomeko azy.

10 Mitsangana ka miala, fa tsy misy fitsaharana ho anareo intsony eto. Satria ny fahalotoanareo hahatonga fandringanana, dia fandringanana mahatsiravina.

11 Raha misy olona iray mpanao kobaka am-bava sy mpamoron-dainga ka miteny hoe: Lazaiko aminareo fa divay sy toaka no hatobaka ho anareo, dia izy no mpaminany mirediredy mendrika an'ity vahoaka ity!

12 Hoy ny Tompo hoe: Hangoniko tokoa ianareo rehetra, ry taranak'i Jakoba; hovoriko tokoa ianareo sisa velona amin'ny Israely. Hatambatro ho iray tahaka ny ondry ao am-balany ianareo, tahaka ny ondry andiany eny an-tsaha fiandrasana azy no hisian'ny olona maro hifanaretsaka eto.

13 Miakatra eo alohanareo ny mpamaky lalana; dia hamaky ny vavahady ianareo ary hivoaka ny tanana. Izy TOMPO, mpanjakanareo, no mandeha mitarika eo alohanareo.

Toko faha-3

1 Dia hoy aho hoe: Ry mpitondra ny taranak'i Jakoba, eny, ry mpitsara ny vahoakan'i Israely, mihainoa re ianareo. Moa tsy anjara raharahanareo ve ny hahafantatra ny rariny?

2 Kanefa dia ny tsara no halanareo ary ny ratsy no tianareo, ka endahanareo mbamin'ny hoditry ny olona sy ny nofony mandrakotra ny taolany.

3 Eny, haninareo ny nofon'ny mpiray firenena amiko, endahanareo ny hodiny, vakivakinareo ny taolany, ary tetehanareo izy tahaka ny hena handrahoina am-bilany.

4 Amin'izany, dia hitaraina amin'ny TOMPO ianareo, nefa tsy hohenoiny; hihodina tsy hijery anareo Izy noho ny asa ratsy nataonareo.

5 Izao no lazain'ny TOMPO ny amin'ireo mpaminany izay mpamitaka ny vahoakako: Raha misy mahafoy hokepohiny, dia iantsoany Fiadanana. Fa izay tsy manome zavatra hataony am-bava kosa dia hananganany ady manokana.

6 Noho izany, foana ny fisehoam-pahitana fa ny alina no ho aminareo mpaminany mpamitaka. Foana koa ny fanambarana ny ho avy fa ny haizina no hanarona anareo. Hilentika aminareo ny masoandro, ka ho maizina aminareo ny andro!

7 Dia ho menatra ny mpaminany isehoam-pahitana, ary hangaihay ny mpanambara ny ho avy; hisarom-bava avokoa izy rehetra, satria tsy namaly azy intsony Andriamanitra.

8 Izaho kosa, noho ny Fanahin'ny TOMPO, dia feno tanjaka sy rariny ary herim-po, mba hanambara amin'ny taranak'i Jakoba ny helony, eny, mba hanambara amin'ny vahoakan'i Israely ny fahotany.

9 Ry mpitondra ny taranak'i Jakoba, eny, ry mpitsara ny vahoakan'i Israely, henoinareo re izao: Halanareo fatratra ny rariny, ary avadikareo ny hitsiny rehetra.

10 Amin'ny fandatsahan-dra no anorenanareo an'i Tsiona; amin'ny famoretana no anorenanareo an'i Jerosalema.

11 Ny mpitondra azy mitsara mba hahazoana tsolotra; ny mpisorony mampianatra ny lalana mba hahazoana karama; ary ny mpaminaniny manambara ny ho avy mba hahazoana vola. Kanefa dia mbola miankina amin'ny TOMPO ihany ireo ka miteny hoe: Tsy eto anivontsika ve ny TOMPO? Tsia, tsy hisy loza hanjo antsika.

12 Koa, noho ny aminareo, i Tsiona dia hasaina toy ny tanimboly; i Jerosalema ho tonga korotam-bato; ary ny tendrombohitra misy ilay tempoly ho rakotry ny kirihitra ala.

Toko faha-4

1 Izao no ho tonga any aoriana any: Ny tendrombohitra misy ilay tempolin'ny TOMPO dia haorina mafy ho faratampon'ny tendrombohitra, sy hanerinerina ambonin'ny havoana; ka vahoaka no hitanjozotra ho any.

2 Maro ny firenena hankany ka hilaza hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitry ny TOMPO, any an-tempolin'ilay Andriamanitr'i Jakoba. Hampianariny antsika ny lalana soritany, ka harahintsika izay atorony. Fa avy any Tsiona no ivoahan'ny fampianaran'ny TOMPO; avy any Jerosalema no ipoiran'ny teniny.

3 Hitsara eo anivon'ny firenena maro Izy ary handresy lahatra ny firenena matanjaka, na ny akaiky na ny lavitra. Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny ary ny lefony ho antsy fijinjana. Tsy hifamely amin'ny sabatra ny samy firenena, ary tsy hianatra ady intsony.

4 Ny olona samy hipetraka eo anivon'ny voalobony sy aviaviny ka tsy hisy hampahatahotra azy. Ny TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao, no mampanantena izany.

5 Ny firenen-kafa rehetra samy mankato ny andriamaniny avy; fa isika kosa mankato ny TOMPO Andriamanitsika, mandrakizay doria.

6 Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: Amin'izany andro izany dia hangoniko indray ny saozanina, hovoriko indray izay niely sy nampahoriko.

7 Ny saozanina sisa tavela hataoko mahery, ireo voasesitany hataoko firenena matanjaka. Ka Izaho TOMPO no hanjaka aminy ao an-tendrombohitra Tsiona, hatrizao ka ho mandrakizay.

8 Ary ianao, ry tendrombohitra Tsiona izay mitsinjo ny vahoaka toy ny tilikambo fiambenana, haverina aminao ny fahefana taloha; ho renivohi-panjakana indray i Jerosalema.

9 Nahoana kosa no mitaraina mafy ianareo, ry mponin'i Jerosalema? Fa angaha tsy misy mpanjaka ao aminareo? Sa maty ireo mpanolo-tsainareo no dia manaintaina toy ny vehivavy miteraka ianareo?

10 Aoka ianareo hanaintaina sy hitaraindraina toy ny vehivavy miteraka, ry mponina ao Tsiona! Satria ankehitriny dia hivoaka ny tanana ianareo ka hitoby any an-tsaha ary handeha hatrany Babilona. Any no hanafahana anareo; any no hanavotan'ny TOMPO anareo avy eo am-pelatanan'ny fahavalonareo.

11 Ary ankehitriny efa nangoniko hamely anareo ny firenena maro izay miteny hoe: Aoka ho afa-baraka i Tsiona ary aoka isika hijery ny faharavany!

12 Kanjo tsy fantatr'ireny ny hevitry ny TOMPO, tsy takany ny fikasany, dia ny nanangonany azy tahaka ny amboara ao am-pamoloana hivelezana azy.

13 Mitsangana ka miveleza, ry mponina ao Tsiona. Fa hataoko mahery ianareo, toy ny omby misy tandroka vy sy manan-kitro varahina, ka hanorotoro firenena maro. Ary ny harena voaangony ankeriny dia hatokanareo ho Ahy TOMPO, Izay tompon'ny tany tontolo.

14 Ankehitriny aloha, asio tombokavatsa ny tenanareo mba ho mariky ny fisaonana, ry mponin'i Jerosalema izay manangona ny andia-miaramilanareo; fa ataon'ny fahavalo fahirano ianareo, ary dia hokapohiny amin'ny tsorakazo ny takolan'ilay mpitsaran'i Israely.

Toko faha-5

1 Dia hoy ny Tompo hoe: Ianao, ry Betlehema Efrata, isan'ireo tanana kely indrindra ao Joda ianao! Kanefa avy aminao no hamoahako ilay ho Mpanjaka an'i Israely. Efa hatramin'ny fahagola no niandohany, dia hatramin'ny andro taloha elabe.

2 Noho izany, ny Tompo dia hanolotra ny vahoakany amin'ny fahavalo mandra-piavin'ny andro hahatera-dahy ny vehivavy iray; ka izay sisa velona, amin'ireo rahalahiny voasesi-tany, dia hiverina ho any amin'ireo Israelita namany.

3 Ary hitsangana hitondra ny vahoaka izany mpanapaka nampanantenaina izany, homban'ny hery sy heniky ny famirapiratana avy amin'ny TOMPO Andriamaniny. Dia handry feizay ny vahoakany, satria ho lehibe hatrany am-paran'ny tany izany mpanapaka izany:

4 izy no hitondra fiadanana! Raha tonga hanafika ny tanintsika ny Asirianina ka hitsofoka hatraty an-dapantsika, dia hanangana mpitari-tafika marobe hamelezana azy isika.

5 Ary handresy amin'ny sabatra sy lefom-pohy ireo mpitari-tafika ireo ka hifehy an'i Asiria, tanin'i Nimroda. Izany mpanapaka izany mihitsy no hanafaka antsika amin'ny Asirianina izay hihoatra sisitany ka ho tonga hanafika ny tanintsika.

6 Amin'izay ny sisa velona amin'ny taranak'i Jakoba, eo anivon'ny vahoaka marobe, dia ho tahaka ny ando avy amin'ny TOMPO sy ho tahaka ny ranonorana latsaka amin'ny ahitra; ka tsy olombelona fa Andriamanitra no antenainy sy iankinany.

7 Amin'izay, ny sisa velona amin'ny taranak'i Jakoba, eo anivon'ny vahoaka marobe any amin'ny firenen-kafa, dia ho tahaka ny liona mihaza amin'ny biby anaty ala sy ho tahaka ny liona tanora mihaza amin'ny andian'ondry; rehefa mandalo ny liona, dia manosihosy sy mamiravira, ka tsy misy afaka mamonjy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.0164