EksĂ´dy
Toko faha-20
10 Fa ny andro fahafito dia sabata voatokana ho Ahy TOMPO Andriamanitrao; koa aza manao raharaha mihitsy amin'io andro io, na ianao na ny zanakao na ny mpanomponao na ny biby fiompinao na ny vahiny izay ao an-tanananao.11 Fa enina andro no nanaovako ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Aho tamin'ny andro fahafito. Izany no nahatonga Ahy TOMPO nitahy ny andro sabata sy nanokana azy ho Ahy.
12 Hajao ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro iainana ianao eo amin'ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrao ho anao.
13 Aza mamono olona.
14 Aza manitsakitsa-bady na maka vadin'olona.
15 Aza mangalatra.
16 Aza mety ho vavolombelona mandainga hamelezana ny namanao.
17 Aza mitsiriritra izay rehetra an'ny namanao, na ny tranony, na ny vadiny na ny mpanompony, na ny ombiny na ny borikiny.
18 Samy nandre ny kotro-baratra sy ny feon'ny anjomara ny Israelita rehetra ary samy nahita ny tsela-baratra sy ny tendrombohitra nidona-tsetroka, hany ka nangovitra noho ny tahotra ary nihataka teny lavitra teny.
19 Hoy ireo tamin'i Mosesy: -Ianao ihany no mitenena aminay dia hohenoinay fa aoka tsy hiteny aminay mivantana Andriamanitra, fandrao maty izahay.
20 Namaly azy ireo i Mosesy hoe: -Aza matahotra! Raha nanatona anareo Andriamanitra, dia ny mba hizaha toetra anareo; tiany hisy eo aminareo ny fanajana Azy mba tsy hanotanareo.
21 Dia nijanona teny lavitra teny ny Israelita, fa i Mosesy kosa nanatona ny rahona matevina izay nisy an'Andriamanitra.
22 Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Izao no holazainao amin'ny Israelita: Ianareo mihitsy no nahita fa avy any an-danitra Aho no niteny taminareo.
23 Koa aza ataonareo ho toy ny andriamani-bolafotsy na volamena Aho, ary aza manamboatra ireny ho anareo.
24 Alitara tany no hataonareo ho Ahy, ary eo amboniny no hanoloranareo ho Ahy ny ondry aman'osinareo sy ny ombinareo ho sorona dorana manontolo sy ho sorom-pihavanana. Ary Izaho dia ho tonga hitahy anareo amin'ny toerana rehetra izay anehoako ny fanatrehako.
25 Fa raha hanao alitara vato ho Ahy ianareo, dia aza atao amin'ny vato voapaika; satria raha mipaika azy amin'ny fandraka ianareo, dia handoto azy.
26 Aza asiana tohatohatra hiakaranareo ho eo amin'ny alitarako mba tsy hiseho ny fitanjahanareo.
Toko faha-21
1 Dia hoy indray ny TOMPO hoe: -Ireto koa ny fitsipika izay hovelabelarinao eo anatrehan'ny Israelita:2 Raha mividy mpanompo hebreo ianareo, dia ho enin-taona no hanompoany anareo; fa amin'ny taona fahafito dia hivoaka ho olona afaka maimaim-poana izy.
3 Raha tsy nanam-bady izy no tonga mpanomponareo, dia izy irery ihany no handeha; fa raha nanam-bady izy, dia handeha miaraka aminy koa ramatoa vadiny.
4 Raha ny tompony kosa no nanome vady azy ka niteraka zazalahy na zazavavy ilay ramatoa, dia hijanona ho fananan'ny tompony ilay ramatoa sy ny ankizy, fa ilay rangahy ihany no handeha.
5 Raha tahiny kosa ilay rangahy manizingizina fa tia ny tompony sy ny vady aman-janany izy ka tsy te handeha ho olona afaka,
6 dia hataon'ny tompony vavolombelona Andriamanitra; hankininy amin'ny varavarana na tolam-baravarana ilay rangahy, ka hotevehiny amin'ny fanjaibe ny sofiny, ary dia ho mpanompony raikitra izy.
7 Raha misy olona mivarotra ny zanany vavy ho mpanompovavy, dia tsy ho afaka araka ny fepetra momba ny mpanompolahy io mpanompovavy io.
8 Raha tahiny novidin'ny tompony mba ho vadikeliny izy kanefa tsy ankasitrahin'ny tompony, dia havelany havotan'ny rainy: tsy manana zo hivarotra azy amin'ny hafa firenena kosa anefa ilay tompony fa famadihana azy izany.
9 Raha mamofo azy ho vadin'ny zanany lahy kosa ilay tompony, dia hanatanteraka aminy araka izay fanao amin'ny zanakavavy.
10 Raha maka vady hafa kosa ilay tompony, dia tsy hisy hahenany na ny sakafo na ny fitafiana na ny fiaraha-mitoetra aminy hatrizay.
11 Fa raha tahiny tsy manome fahafaham-po azy amin'ireo lafiny telo ireo izy, dia azon'ilay vehivavy atao ny mivoaka ho olona afaka maimaim-poana.
12 Izay mikapoka olona ka mahafaty azy dia tsy maintsy vonoina ho faty.
13 Saingy raha tsy niomana hamono izy fa nahafaty tsy nahy, dia hahazo mandositra any amin'ny toerana izay hotondroiko ilay nahavita izany.
14 Fa raha tahiny kosa fanahy iniana no namonoany ilay anankiray tamin'ny fitaka, dia hosamborinareo izy ka hovonoinareo ho faty na dia mandositra eo akaikin'ny alitarako aza.
15 Izay mikapoka ny rainy na ny reniny dia tsy maintsy vonoina ho faty.
16 Izay maka olona an-keriny dia tsy maintsy vonoina ho faty na efa namidiny ilay olona na mbola tratra ao an-tranony.
17 Izay manozona ny rainy na ny reniny dia tsy maintsy vonoina ho faty.
18 Mety misy olona mifanditra ka ny anankiray mamely ny namany amin'ny vato na amin'ny totohondry, saingy tsy maty ilay voa fa mandamaka ao am-pandriana;
19 raha afaka mitsangana indray ilay voa ka mandehandeha mitondra tehina, dia tsy hohelohina akory ilay namely, saingy handoa ny onitry ny andro tsy niasany sy hiantoka tanteraka ny fitsaboana azy.
20 Raha misy olona mikapoka ny mpanompolahiny na ny mpanompovaviny amin'ny hazo ka mahafaty azy, dia tsy maintsy faizina izy.
21 Kanefa raha mbola velona mandritra ny andro iray na roa ilay mpanompony, dia tsy tokony hofaizina ny tompony satria fananany ihany izy.
22 Mety misy olona miady ka mahadona vehivavy bevohoka ary mahatonga azy ho teraka zaza tsy tonga volana; raha tsy misy fahavoazana loatra ilay vehivavy, dia haloan'ilay meloka ny onitra izay takin'ny tompom-bady araka ny fanelanelanana nataon'ny mpitsara.
23 Raha tahiny kosa voa mafy ilay vehivavy, dia hofaizina ilay meloka: aina solon'ny aina,
24 maso solon'ny maso, nify solon'ny nify, tanana solon'ny tanana, tongotra solon'ny tongotra,
25 may solon'ny may, ratra solon'ny ratra, mangana solon'ny mangana.
26 Raha misy olona mikapoka ny mpanompolahiny na ny mpanompovaviny ka mahapotsitra ny masony, dia hanome fahafahana ho an'ilay mpanompony izy ho onitry ny masony.
27 Raha nahafaka ny nifiny izy, dia hanome fahafahana ho an'ilay mpanompony ihany koa ho onitry ny nifiny.
28 Raha misy ombilahy manoto ka mahafaty lehilahy iray na vehivavy iray, dia hotoraham-bato ho faty izy ary tsy azo hanina ny henany; fa ny tompon'ilay ombilahy kosa dia ho afa-tsiny.
29 Kanefa, raha tahiny efa zatra manoto ilay ombilahy ary efa nampandrenesina ny tompony fa tsy nanara-maso azy, ka nahafaty lehilahy iray na vehivavy iray, dia hotoraham-bato ho faty ilay ombilahy ary hovonoina ho faty koa ny tompony.
30 Raha sazina handoa vidin'aina izy, dia tsy maintsy handoa izay vola rehetra ho fanavotana ny ainy.
31 Raha manoto ka mahafaty ankizilahy na ankizivavy ny ombilahy, dia mitovy amin'ny teo ihany no fepetra ampiharina.
32 Raha manoto ka mahafaty mpanompolahy na mpanompovavy kosa ny ombilahy, dia handoa onitra volafotsy telopolo amin'ny tompon'ny mpanompo ilay tompon'omby, ary ny ombilahy kosa dia hotoraham-bato ho faty.
33 Raha misy olona manokatra lava-drano na mandavaka lava-drano nefa tsy mandrakotra azy, ka misy omby na boriky latsaka ao,